]
Les quotidiens du 29 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Antananarivo Teleferika. Andao resahina lalina kokoa ary

Antananarivo Teleferika. Andao resahina lalina kokoa ary

Efa voaporofo nanomboka tamina vanim-potoana efa fahagola mihitsy fa tsy tia ary tena matahotra zava-baovao ny zanakolombelona. Ny marina dia avy hatrany dia tsy mankato izy. Ny antony ? Satria tsy ampy ny fanazavana. Io fanazavana io anefa, Tompoko, no fototry ny atao hoe « Communication » na Serasera. Maro no manafangaro azy io amin’ny « Communiqué » na avy aiza na avy aiza : « Communiqué de presse », « Communiqué gouvernemental », « Communiqué conjoint », sns. Ao anatin’ireto farany, matetika, dia safosafoana fotsiny ny tena vontoatin-dresaka. Any ka samy manana ny fijeriny ary matetika dia mifanipaka mihitsy ny hevitra fa zava-dratsy foana no atolotra ho an’ny sarambabem-bahoaka.

Io tranga io no araraotin’ireo mpanao politika mpitady seza kanefa izy ireo mihitsy no tsy mahazo resaka fa faly « hamely » ny heveriny fa manakana azy tsy hihinana ny volam-bahoaka. Izany no zava-misy, Tompoko, tsy nampandroso an’i Madagasikara hatramin’izao. Androany aho hiresaka mikasika ilay teleferika izay tena ampiseho ny akelezan-tsain’ireo milaza azy ho Malagasy any ivelany kanefa mihaina izany teleferika izany.

Ao La Réunion fotsiny, ohatra, dia fatra manakina ny teleferika hapetraka eto Antananarivo kanefa tsy sahy, na teny iray, manakiana ilay teleferika nampitondrana ny anarana hoe « Papang » (avy amin’ny teny malagasy Papango io).


Asa, efa nisy nianjera ny « cabines » tany tao anatin'izay herintaona nametrahana azy ? Sa dia tsy mitaingina mihitsy ry zalahy mianakavy mihevitra fa "lavitry ny fahantrana" ? Mavandy avao !!!

Ao La RĂ©union ireo efa herintaona izay

Eto aho dia midera ny Filoha Andry Rajoelina. Tsy mampihontsana ahy raha lazaina indray fa « mpisolelaka ». Ny mpiteny izany kely sisa no hananan-tsika azy. Aleho ry zareo aloha manampatra ny maha very jery azy.  Olana tokoa io resaka fivezivezana an-tanan-dehibe io (« mobilité urbaine ») satria ny zaza teraka dia tsy maintsy maro an’isa noho ireo nody, mody ary hodimandry. Na tsunami, na horohorotany, na aretina. Dia ireo nipoitra ny taxi-moto sy taxi-bisikileta. Ny fitondrana entana moa dia iaraha-mahita ireo sarety tànana mampiseho fa tsy mandroso mihitsy ny Malagasy. Mila arindra daholo izany.

Ny Filoha Rajoelina moa dia efa Ben’ny Tanànan’Antananarivo. Fantany tsara ny olana misy ao, indrindra fa eo amin’ny lafin’ny fitomboan’ny mponina (« pression démographique »). Izy koa sady tanora no manana fijery lavitra tsy zakan’ireo nihinam-bolam-bahoaka mitabataba be mitady « fiaraha-mitantana » amin’izao fotoana izao (ATO VAKIANA na teny frantsay aza).

Raha tsy nisy io aretina covid io, izay tsy nafahana nanao n’inona n’inona nandritra ny roa taona be izao (2020-2021) dia efa vita io teleferika io ary mpandainga izay niseho nilaza fa tsy nitaingina. Misy tokoa aloha izany, dia ireo miseho manao fiainam-bazaha eto amin’ny tanàna… Efa tsy mitaingina taxibe mihitsy -na intsony-  ny sasany. Tandremo fa tsy maintsy haverina ny fiaram-panjakana an !

Andao amin’izay ary hahafantatra ny antony hanamboarana io teleferika mampitapy ny sasany. Sasany, hoy aho, satria vitsy ireo « sahy » mandrora mitsilany mandrapahafatiny. Izay no safidiny ka dia « bon vent sur la nef  mensongère vers l’Au-delà sans espoir de retour ».

Eto aho dia resaka tarehimarika no hitondrako ny antony ilaina io teleferika io :


Amin’izao taona 2023 izao dia efa manatona ny 4 tapitrisa ny mponina eto Antananarivo. Ny 60%-n’ireo olona ireo dia mivezivezy ao anatiny sy manodidina ny tanàna, izay Renivohitr’i Madagasikara.

Ny 72%-ny fivezivezan’ny olona dia amin’ny alalan’ny taxibe izay sady mampiasa solika no manimba ny tontolo iainana amin’ny setroka avoakany. Any ka nanjary nanolo ny rivotra iainana ao Antananarivo, mahatonga izao karazana aretin’ny fisefoana izao, indrindra fa amin’ny ankizy. Nilaza mihitsy moa ny OMS (Fikambanana iraisam-pirenena momban’ny Fahasalamana) fa 10 ka hatramin’ny 15 avo heny noho ny tokony ho izy ny tahan’ny loto amin’ny rivotra rehefa mirava ny mpiasa sy ny mpianatra mandeha fiara, miteraka « embouteillages ». Ireto farany dia mampandany fotoana (1 ka hatramin’ny 2ora isan’andro no very eny an-dàlana eny) ary koa mampitombo ny lasantsy ampiasaina.

Ao anatin’izany ny fahanteran’ny arabe sy ireo fiaram-pitanterana na fiara tsotra izay matetika mampidi-doza (hisatra tapaka tampoka noho ny lava-davaka…).

Raha fintinina dia miatery ary miasempotra andro aman’alina ny Tanànan’Antananarivo. Eo amin’ny lafiny ara sosialy sy ekonomika dia very ny vola 1.000 lavitrisa (mille milliards) tao anatin’izay 30 taona lasa izay.

Inona no vahaolana naroson’ireo mpitondra nifandimby taorian’ny Filoha Philibert Tsiranana ? Ny fiaran-dalam-bysy ny « trains de banlieux » nampitohy an’Alarobia sy Tanjombato, eny hatrany Anjeva (« Medalinina ») aza najanona amin’ny antony tsy mazava. Maro ireo lalam-by izao no lasa ao an-tokontanin’olona… Soa fa hiverina izao ny "trains urbains". Mbola hanaovako lahatsoratra io rehefa tonga ny fotoana hanaovana izany.


Fa mila fanarenana malaky izany fifaneraserana sy fivezivezen'ny mponina izany. Ilaina tokoa ny fanakianana fa rehefa tsy mandroso soson-kevitra dia karazana fisakanana ny fandrosoana noho ny fankahalana fotsiny. Izay ve ilay hoe « toe-tsaina malagasy » ? Asa ?... Fa anisan’ny fanarenana ity fananganana teleferika ity. Inona no zava-mahasoa entiny, tsy takatr’ireo mirediredy miseho mahalala nefa fitiavan-tena koa no mibahana ?

Fanavaozana sy fandrindrana ny fifamoivohizana no tanjona ho an’ny tanànan’Antananarivo ka samy hanàna ny anjara daholo ny mponina satria hisy karazana azo hisafidianana tsara ny fitanterana. Tsy fanafoanana velively, araka ny tsaho aely, ny karazana fitaterana mandeha motera na tsia fa harindra ny fisiany.


Inona no ho tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana teleferika ?

Eo amin’ny fiara miisa 4.000 eo ho eo no tsy hampisain’ny tompony rehefa andavanandro ao Antananarivo Renivohitra. Ho tonga ara-potoana daholo ary ho vita hatreho ny hoe « fotoan-gasy » satria sady hilamina ny fandehanana no ho aingana ka vetivety dia hotonga any amin’izay aleha. Ho vita atreho koa ny ankisisika mitondra mpangaro-paosy satria voafetra ny olona ao anaty « cabine » iray. Na izany aza, mpandeha eo amin’ny 40.000 isan’andro no ho taterin’ny teleferikan’Antananarivo.

Ankoatra ireo dia misy lafiny hafa izay tsy ao an-tsain’ny mpanakiana. Indrindra ireo « vazahagasy » any ivelany mitolona amin’ny fiainana amin’izao fotoana izao. Inona izao no azon’ny 1 euro ry «indignés » atsy La Réunion isany ? Rajoelina koa no nahatonga izany ? Ohatrinona izao ny « carburants » any aminareo « sambatra » ? Ary toa tsy nisy tazana nitondra « banderoles » nilahatra niady amin’ny resaka « retraites » ? Sa matahaotra ho voaraoka avy ao ? Tsy hitaingina « Papang » aiza e ?

Eo amin’ny lafiny ara ekonomika dia tsy hisy fotoana very firy intsony ho an’ny fianakaviana sy ho an’ny orinasa. Ho tonga ara-potoana daholo ary afaka manao zavatra hafa rehefa mody ao an-trano ny renim-pianakaviana.

Na tiana na tsia dia hitondra asa vaovao mivantana na tsy mivantana miisa 600 eo ho eo io teleferika io. Hisarika mpizahan-tany maro izay hampidi-bola ho an’ny sehatra asa-tànana fotsiny ohatra. Hisy karazan-javatra mahasarik’olona maro eny akaikin’ny garan’ny teleferika eny.


Raha eo amin’ny lafiny ara-sosialy sy ara-tontolo iainana indray dia izao ny fandehany : tsy dia hisy loatra ny olona na fianakaviana hasaina miala amin’ny taniny na tranony satria ny pylône ihany no mitsatoka amin’ny tany ; tsy hanimba ny rivotra iainana ny teleferika satria mandeha herinaratra ka tsy mamoaka setroka. Ara-teknika dia tsy hisy ny hoe « émissions GES (Gaz à effet de serre)» tena mampiova ny toetr’andro tanteraka (« Changement climatique »). Ireo no mahatonga ny tany mafana lasa mangatsiaka ary ny tany mangatsiaka lasa mafana mitarika izao karazana aretina rehetra izao.

Eto dia tokony mba miseho amin’ny fahita lavitry ny fanjakana ny teknisiana tomponandraikitra manazava ny fomba fandehanan’io teleferika io. Satria tototry ny tsaho ny ankamaroan’ny malagasy toa ny hoe : rehefa tapaka ny jiro dia mijanona ilay izy ary mety hianjera. Ianareo ao amin’ilay « projet » no mahatonga izany, Tompoko. Izaho mpanao gazety fotsiny ihany fa afaka milaza kosa fa manana ny azy manokana ny teleferika eo amin’ny lafin’ny herinaratra. Ao ny angovo avy amin’ny herin’ny masoandro, ao ny karazana « groupe ». Ka raha tapaka ny eo amin’ny Jirama dia ireo avy hatrany no mandimby. Miandry anareo manazava lalin-dalina kokoa ary asiana sary sy « simulation ». Misaotra indrindra, Tompoko.

Raha ny lalan-kizoran’ny teleferikan’Antananarivo indray dia aleho ny sary no hiteny.


Raha fehezina izany ity resaka teleferikan’Antananarivo ity dia tsotra : matoa mandeha ny tsaho sy ny fanaratsiana dia satria tsy ampy ny fanazavana. Asa, hiandry ny Filoha Rajoelina foana ve vao handray andraikitra e !? Tonga dia mialà raha hiandry baiko foana vao hietsika. Tsy io resaka teleferika io ihany, fa amin'ireo minisitera rehera any koa... Marina fa nidina teny an-toerana ingahy Sekreteram-panjakana vao tsy ela, fa tokony nisy fandaharana manokana mikasika ny tena fandehan-javatra. Raha toa ka manahirana anareo dia ity lahatsoratra ity entina eo amin’ny fahita lavi-panjakana dia vakio. Tsy asiako olana. Fa mila mahafantatra ny antony nanaovana io teleferika io fa tsy hoe rendrarendra sy nofinofin’i Rajoelina.


Eto aho dia milaza fa mampaleho ianareo tsy mba manofy. Nandalo teto an-tany dia izay ihany. Tsy hisy hahalala. Nisy izany Gustave Eiffel izany. Izy dia injeniera frantsay sangany amin’ny fampiasana vy rehefa manangana fotodrafitrasa. Nikarakara ny hoe « Exposition universelle » ny Frantsay tao Parisy teo amin’ny « Champ-de-Mars », ny taona 1889.


Tamin’izay fotoana izany dia izao no teny faneva : « Progrès industriel et des grandes constructions de fer et d’acier ». Midika hoe : Fandrosoana ara-indostrialy sy fotodrafitrasa lehibe atsangana amin’ny alalan’ny vy isan-karazany. Ary dia ingahy Eiffel no niangaviana hanganana fotodrafitrasa vita amina vy tsy hanam-paharoa. Fa ity no vitsy mahalala. I Gustave Eiffel ny nanangana azy fa Andriamatoa isany Maurice Koechlin sy Emile Nougier no namorona ny bikany (« Chef du bureau des études et chef du bureau des méthode d’Eiffel Cie » izy roalahy). Roa taona sy roa volana sy dimy andro no nanangany ilay natao anarana hoe « Tour de 300 mètres » tamboalohany, vao raikitra hoe « Tour Eiffel », anaran’ilay nanangana azy fa tsy namorona azy. Tsy mitovy. Izany « fer puddlé » izany no natambatra nahatonga io fotodrafitrasa tsy nanam-paharoa io.


Nisy Malagasy nandray anjara tamin’izany « Expo » izany tao amin’ny hoe « Pavillon de Madagascar ».

Maro tokoa no nanakiana ary tena tsy nitsitsy fitenenana mihitsy nanomboka ny andron’ny 15 mey 1889, nosokafan’ny « Expo universelle » sy nafahana nitsidika io fotodrafitr'asa makadiry be io. Ireto misy santionany niniako tsy nadika teny malagasy. Mba mihezaka koa ianareo be kiana e ! : La Tour Eiffel est critiquée par de nombreux individus. « Indignés par cette construction, les amateurs d’art la regardent comme un monstre déparant toute  la beauté de Paris ; ils la jugent inutile et ridiculement arrogante par sa taille ; ils la comparent tantôt à la Tour de Babel, tantôt à une usine. Ils considèrent qu’elle sera le déshonneur de Paris ! Elle tombera en moins de temps qu'il faut pour le dire... ».


Saingy izao : sady tsy nianjera io « Tour Eiffel » io no lasa nampidi-bola be satria be mpitsidika. Fantaro fa ny taona voalohany taorian’ny nitsanganany dia mpitsidika miisa 2 tapitrisa no tonga nijery. Amin’izao vaninandro iainan-tsika izao dia « La Dame de Fer » no fiantsoana ny « Tour Eiffel ». Vakoka ara-tantara ("monument historique") izy nanomboka ny 24 jona 1964, ary nisoratana ao amin’ny lisitry ny « Patrimoine mondial de l’Unesco » ny taona 1991.

Ny « Tour Eiffel » dia lasa fanevan’i Lafrantsa eo anatrehin’izao tontolo izao. Ankehitriny dia mpitsidika 7 tapitrisa isan-taona no tonga ao Parisy  ary ny 75%-n’ireo mpitsidika dia vahiny avy ivelany daholo. Ny « Tour Eiffel » no fotodrafitrasa be mpijery mandoa vola indrindra maneran-tany. Iza ny Malagasy nandalo tao Parisy ka tsy mba naka sary misy io fotodrafitrasa io ?

Raha miresaka saran'ny teleferika tokoa dia tsy anjarako izany. Mila miakatra sehatra ihany koa ny tomponandraikitra manazava tsara ny momba io. Fa ny azo antoka aloha, ary averiko eto : tsy mampiasa solika (na lasantsy, na gasoil) mihitsy ny teleferika fa herinaratra.

Ny fehiny : tsy hisy hasakana ny fandrosoana fa ireo be vava sy entin’ny fankahalana dia tsy hahita izany fa mbola hivazazava ihany ao am-pasana ao. Ny mampalahelo dia manaranaka ilay toe-tsaina. Mandinia tena tsara ry tanora malagasy amin’izao taona 2023 izao. Satria rehefa tsy mandroso anie dia mihemotra hatrany e ! Eny, masiaka aho satria tsy hiandry ny ho faty vao Ra-malala…

Jeannot Ramambazafy – 24 marsa 2023

Mbola hisy no tsy afa-po. Aleo indray ary asehoko eto ny sasany amin'ireo fitaovana ampiasaina amin'io teleferika io. Mikasika ny dia ("trajet") Anosy-Soarano ihany ireo ambany ireo. Tsy kilalaon-jaza akory na peta-toko. Tsy asiako resabe fa sokafo ny maso dia jereo tsara, Tompoko :

Mis Ă  jour ( Samedi, 25 Mars 2023 09:48 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO