]
Les quotidiens du 26 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Madagasikara. Ho porofoin’ny Filoha Rajoelina ve fa tena Tgv tokoa izy ?

Madagasikara. Ho porofoin’ny Filoha Rajoelina ve fa tena Tgv tokoa izy ?

Antananarivo, Sabotsy 31 Desambra 2022. Io andro io no nanomboako ity lahatsoratra somary lava satria hipetraka ho an’ny Tantaram-pirenena malagasy ka nila fotoanam-pikaroana lalina fa tsy hanoranoram-poana toa ny sasany baikon’ny fankahalana, ny fitiavam-bola diso tafahoatra, ny tsy fitiavan-tanindrazana fotsiny izao. Izy ireo ihany no malala ny tenany izay tsy misy tranon-kenatra tanteraka.

Hivalona afaka volana vitsy -raha mbola hirotsaka farany araka ny Lalampanorenana izy- ny fe-potoana maha Filoham-pirenena voafidy an’Andriamatoa Andry Rajoelina. Araka ny taona nifandimby dia niara-nahalala, nahita sy niainana fa nisedra tranga maro ny firenena tarihiny.


Anisan’ny tranga goavana izay tsy nisy mieritreritra mihitsy -na koa minia tsy resahan’ireo « mpanohitra »-, dia ilay aretina covid-19 nahatonga ny firenena malagasy -sy ny hafa maro maneran-tany- toa tratry ny lefa-kozatra tampoka, raha oharina amina olona iray. Mbola adala noho ny mpanjakan’ny adala ireo minia tsy miaiky izany. Tsy ny fitondrana Rajoelina akory no namorona io aretin-doza mahafaty io hatramin’izao, indrindra ny olona marefo, ny zokiolona, ny misy aretina mitaiza (« asthme, diabète, goutte, difficultés rénales sy/na respiratoires… ». Niaraha-niainana ny « confinement » efa ho roa taona be izao (2020 iray manontolo sy ny sivy volan’ny taona 2021), isika monina eto Madagasikara. Samy namoy havana, tapaka, namana daholo ny tsirairay fa ny mpandatsa, ny tsy ampy saina fatra manompa sy miteny ratsy sy ny mpanao tantara valamaty ihany no niseho -ary mbola miseho- mampita resaka mifanohitra amin’izany. Tsy mba nisy fahoriana mihitsy tao amin’izy ireny ? Fa ny marina dia tokana ary iray ihany ka mipoitra foana fa tsy mety maty toa ny zanakolombelona eto ambany masoandro.


Ny dikany dia ny roa taona tamin’ireo efa-taonan’ny fe-potoana ara-dalàna niasan’ny Filoha Rajoelina dia nifototra tamin’ny fiarovana ny vahoaka malagasy. Ary n’inona n’inona lazain’ireo tsy mahay miaina, fatra manamaizina ny fiainana izay fandalovana ihany, voafehy ny loza ary afaka niverina amin’ny fanatontosana ireo praograma natsahatra tsy fidiny, nanomboka ny voalohan’ny taona 2020. Izay no marina ho voatahirin’ny Tantaram-pirenena. Ny ambiny ? Ento any am-pasana any ry anona a !


Ny rivo-doza moa tsy resahiko be eto fa nisy, misy ary hisy isan-taona na dia rehefa hikipy aza ny mason-tsika mbola velona amin’izao taom-baovao 2023 izao... Fa noho ny fiovan’ny toetrandro (« Changement climatique ») dia mia-mahery vaika, raha tsy Batsirai fotsiny no tenenina. Fa namela takaitra manerana an’i Madagasikara koa anie ry Dumako, Emnati sy Gombe e ! Ireo dia teo anelanelan’ny volana febroary sy marsa 2022. Fa iza aminareo no sahy sy iseho hilaza fa mpanjakan’ny zavaboary ka mahafehy izany sikilaonina izany raha sendra voafidy ho filohampirenena ka « hitolona hanavotra sy hamanpandroso amin’ny alalan’ny « décentralisation » ? Ingahy Ravalomanana no niteny izany. Ny tadidin’ny Tantaram-pirenena aloha dia ny « décentralisation »-ny magazay Magro no tena nandroso dia nandroso fony izy filohampirenena. Ka asa. Fa raha resaka rivo-doza aloha mba hitodio ny Etazonia talohan’ny Krismasy 2022. Mpanao fahagagana izany i « Dada » ? Ronono an-tavy no betsaka ao aminy. Dia mbola manontany tena, nefa ay va re ka « Boay kely mpikosoka kapila mangirana, sans qualité » dia nampidaboka azy, araka ny filazan’ireo mpomba azy ihany, tsy sasatra manantena poakaty. Voatsapa ny heriny, araka ny nolazainy, ay va re ka herim-boatay e !

Avelako eo aloha iny olona tsy mahatsapa tena iny (74 taona izy amin’ity taona 2023 ity. Ny dikany dia ¼ ireo taona ireo sisa, raha be indrindra, dia handao ity tany fandalovana ity izy. Sa rehefa manota dia tsy mety maty ? Asa… Fa tohizoko ny Tantara. Raha bangoina izany dia volana vitsy tokoa sisa no fe-potoana maha filohampirenena voafidy an’Andriamatoa Andry Rajoelina araka ny Lalampanorenana malagasy. Izao no voalazan’ny an-dàlana voalohany ao amin’ny andininy faha-47 ao amin’io lalàna fototra io : « Ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika dia tanterahina telopolo andro farafahakeliny ary enimpolo andro farafahabetsany alohan’ny fiafaran’ny fe-potoana fiasan’ny Filoha am-perinasa ».

Fa ity lafin’iray ity no tsy mba misy miresaka firy mihitsy. Dia ny isan’ny mponina izay tsy maintsy mitombo toa ny vidim-piainana, n’iza n’iza no mpitondra eo fa aza mivarotra saka beloha ianareo tsy manan-kevitra hafa tsy ny manambany ny firenena niavianareo ihany.


Raha 5.073.000 isika Malagasy tamin’ny taona 1960 dia niisa 28.172.462 isika tamin’ny taona 2022. Ary fantaro fa, n’aiza n’aiza ary na anao ahoana, ny isan’ny olona teraka sy ho teraka dia mihoatra lavitry ny isan’olona nodimandry sy hodimandry, na hisy tsunami, na aretina faobe, na rivo-doza, ny volkano mipoaka, na horohorotany, na ady lehibe eo amin’ny samy olombelona (na hampiasana baomba atômika aza).

Raha mikasika ny velaran-tany anefa dia nihena ny haben’i Madagasikara. Raha 594.890 km2 izy tamin’ny fanjanahantany, dia lasa 592.040 km2 izy ny taona 1960 ary 587.040 km2 izy amin’izao taona iainan-tsika izao. Izany hoe very 7.850 km2 ny nosy Madagasikara. Ny anton’izany ? Ny fiakaran’ny rano noho ny fitsonik’ireo lagilasy be na « Iceberg » any avaratra any (« Arctique na Pôle Nord » -fa ny « Antarctique » dia any atsimon’ny tany-, izay mirefy 16.500.000  km2). Vao vinavina aza fa amin’ny taona 2100 dia tsy hisy intsony izany Morondava izany, saingy tsy eo intsony koa isika ray aman-dreny velona amin’izao taona 2023 izao ho vavolombelona izany tranga izany.

Tao anatin’izay taona maro nifandimby izay anefa dia tsy nisy na mpitondra iray aza nanana fahavononana hitodika aty anatin’ny Firenena ka hahalala ny zava-misy marina sy azo tontosaina tsara miaraka amin’ny herin’ny vahoaka (« zanaka »), fa variana manao « paternalisme » izy rehetra hatramin’izao. Izao ny dikan’io teny io amin’ny teny frantsay :

« Le paternalisme est une attitude du pouvoir, à la fois bienveillante et autoritaire, qui consiste à imposer une domination sous couvert de protection désintéressée ». Izany hoe ny mpitondra dia mihevitra ny tenany ho toa ray aman-dreny (ray sy reny ao an-tokantrano iray) ka sady malefaka no masiaka (masiaka be ronono angaha), kanefa tsy azo valiana satria izy ireo no mpiahy ka tsy tambazana. Fanjakana mpiahy izany no tena azo andikana io « paternalisme » io. Mihevitra ireo mpitondra ireo fa izy ihany no mahalala izay mahasoa sy hahasoa ny « zanany », dia ny vahoaka malagasy iray manontolo. Tsy voadinika intsony ny tontolo tena iainana ao an-trano (« ny  firenena iray manontolo »), fa dia mitodika any ivelany no atao ka maka tahaka ny any hatrany. Ary ny mahazendana dia any ivelany ihany koa no mitady famatsiana mba hitovizana amin’ny hafa any ivelany any. Nefa anie harena tambo isaina tsy misy manana no maha Madagasikara an’i Madagasikara ! Ireo vahiny aza vaky vava mihitsy. « Ny fianarana no voalohan-karena » no dradradranaina kanefa na ny « Instruction civique » aza tsy mbola niverina tanteraka ao anatin’ny praograman-tsekoly (Mbola atao « projet pilote », hono e !), taorian’ny tolona 1972 sy ny Revolisiona oye oye 1975-1991....


Ny vokany mivaingana ? Taona 2023 isika izao. Ohatra iray fotsiny ity omeko anareo ity :

Inona izany Madagasikara izany ? Tsy nosy voadidina ranomasina ? Efa mba nahita ve ianareo « sardines  made in Madagascar » ? Izany hoe misy orinasa eto an-toerana (ao Antsiranana na Mahajanga na Toamasina na Toliara na Taolagnaro) manodina io hazan-drano io ao anaty vy fotsy ka amidy any an-tsena amina vidiny takatry ny vahoaka malagasy sy ahondrana any ivelany ka misy soratra hoe « Made in Madagascar » ? Tsia ! Ny vita atsy Maroc (« Sardines Anny ») sy Tunisie (« Sardines Cap Africa ») izao no mameno ny tsena eto Madagasikara. « Sardines Robert » no nalaza tany aloha be tany fa mbola « Made in Morocco » ihany…


Ao anatin’izay am-polo taona nifandimby izay efa mba nahita ve ianareo orinasa malagasy manodina ny vokatry ny tany atao anaty vy fotsy ka naondrana na dia etsy Afrika ihany ka misy soratra hoe « Made in Madagascar » ? Tsia ! Na izany aza, ary soa ihany, mba ao kosa ny cacao havadiky ny « Chocolaterie Robert » ho sokolà… Malaza maneran-tany io. Izay ilay hoe : « il y a une exception à toute règle ». Fa nisy « exception » hafa ihany koa no hitako, dia ny asa ataon’ny « Groupe Basan ». Nihezaka tokoa ny taranak’i H.J. Barday nanomboka ny taona 1947. Ary tsy tia sehoseho. Misy ny finiavana hampandroso ao amin’izy ireo ary tsy milofo be loatra amin’ny tombontsoa (« intérêts financiers, bénéfices »).

Fa na misy aza ireo, jereo kely ny vokatry ny tany maro tsy voatanisa eny an-tsisin’ny lalampirenena RN7 na RN2 fotsiny. Na voankazo io na legioma. Afaka roa na telo andro hijanonany eo dia ho lo ka hariana fotsiny na dia efa amidy faran’izay mora aza sy homena ny biby fiompy izay tsy hahalany firy. Ohatra iray ihany io.

Tsara dia tsara ilay « projet Fihariana » saingy izao : rehefa fantatra f’efa ho 30 tapitrisa ny isan’ny olona monina eto Madagasikara, amin’ity taona 2023 ity ihany, dia tsy mifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny Malagasy any Ambanivohitra mihitsy ilay « Fihariana » izay somary lasa «élitiste» (tsy ho an’ny be sy ny maro no azo andikana io voambolana io). Firy izany no ho afaka rehefa mandalo ireto sivana ireto : « Dépôt de dossier » ; « Pré-selection » ; « Formation initiale », « Sélection finale ». Tsy fahampiana fitaovana sy tsy fandriampahalemana no mahatonga ny tantsaha malagasy an-tapitrisany milavo lefona ka manabe isan’ny any an-tanan-dehibe... Amin’izy ireo dia toa zary fandatsana io « Fihariana » io satria sahala amin’ny hoe ry zareo indray no hampianarana hamboly sy hiompy, sady hampiditra azy hitrosa koa, na dia hoe tsy hisy zana-bola aza. Izany no fandraisan’ny eny anivon’ny vahoaka eny satria, Tompoko, tsy ampy ny Serasera, ny « Communication ». Ary toa ao misy no manisy elanelana be loatra.

Fa inona anefa no tsy misy eto amintsika raha ampitahiana amin’ny any Japon, ohatra, izay tany volkanika, tsy manana harena an-kibon-tany, be tsunamis sy horohorotany kanefa maneran-tany no mivarotra sy mahalafo fiara Toyota isan-karazany amboarina amina akora avy aty Afrika ? Ho variana ianareo mahita ireo fiara « made in Japan » mandehandeha any Etazonia… Efa resiny ny « made in Germany ». Eny na ny « made in USA » mihitsy aza.


Fa inona moa no manakana ny fanjakana, na olon-tsotra manana orinasa manao fifanarahana amina orinasa malaza any ivelany. Ohatra Samsung. Alefany aty ny piesy dia ny tanora malagasy eto Madagasikara no manambatra azy rehefa avy nomena fanofanana amin’izany. Jereo anie ny Iphone izao e ! Izany mihitsy : any Californie no miala ny piesy dia any Chine no atambatra. Misy koa aza any Inde no atambatra. Sady hanana asa ny tanora maro ny ho lasa « ouvrier qualifié » fa tsy bandy tsy an’asa hanimba finday an’olona amidy eny amin’ny « petite vitesse ». Ireo ambony ireo misy sary manaporofo izany :


Hoy i Thierry Tan, manam-pahaizana eo amin’ny lafiny ara-ekonomika, tamin’ny taona 2010 (13 taona lasa izay) : « L’Afrique est non seulement pauvre, mais elle est très endettée puisque la moitié des pays africains sont des PPTE, des Pays Pauvres Très Endettés. Et sur les 27 PPTE dans le monde, 25 sont des pays africains. Alors, que faire ? C’est le moment d’adopter une « positive attitude ». La différence de développement entre l’Afrique et l’Asie, c’est que l’Asie n’a rien mais elle transforme tout, alors que l’Afrique a tout mais ne transforme rien. Quand vous avez des usines de transformation sur place, c’est vous qui fixez les cours de vos produits, c’est clair ! ».

Dikan-teny malagasy : Tsy vitan’ny mahantra ihany i Afrika, fa be trosa be satria ny antsasaky ny firenena afrikanina dia PPTE, firenena mahantra be trosa. Ary amin'ireo PPTE miisa 27 maneran-tany dia firenena Afrikana ny 25. Inona àry no hatao? Fotoana tokony hananana « Positive attitude » (na “toe-tsaina mijery ny lafiny tsara hatrany”) izao. Ny fahasamihafana eo amin'ny fampandrosoana eo amin'i Afrika sy Azia dia izao : ny Azia dia tsy manana n’inona n’inona (raha resaka akora) kanefa mahavita manova ny zava-drehetra ; ny Afrika indray dia manana ny zava-drehetra (ambanin’ny tany, eo ambon’ny tany, ao anaty ranosina…) fa tsy manova na inona na inona. Rehefa manana ozinina fanodinana eo an-toerana ianao dia ianao ihany no mametraka ny vidin'ny vokatrao, mazava izany!


Aiza izao isika Malagasy eo amin’io lafiny fanodinana akora sy vokatra io ? Toa izay efa teo indray no tadiavina ho vonoina amin’ity resaka fanafarana entana tsy misy fetrany ity, raha ny « Savonnerie tropicale » fotsiny no teneniko eto. Tsy misy, hatreto, lalàna (« Lois ») mba miaro ny vokatra vita eto an-toerana. Nisy, ohatra, « Ro mazava » natao anaty vy fotsy, voavaotra teto Madagasikara ary naroso tany anaty raoplanina, taloha be tany. Fa dia maty koa… Mahay zavatra sy matsilo saina ary mora ampianarina ny tanora malagasy. Fa toa tsy misy « actions » mifanaraka amin’izany tena zava-misy izany mihitsy avy any amin’ny mpitondra malagasy nifandimby. Maro ny ohatra manaporofo fa tsy misy manosika izy ireo any ka vao mahazo « Licence » fotsiny dia te-ho « Directeur » na « Directeur général » mihitsy aza, nefa ny traikefa (« expérience ») aotra. Maro anie ny tanora amin’izao milaza fa P-Dg e ! Mba fantany moa ny antony mahatonga io titra io ?

Eto dia asiako teny kely ity resaka « cerveaux » sy be diplaoma ity. Tsy midika inona loatra, Tompoko, izany diplaoma izany. Sady ny teknolojia amin’izao fotoana izao dia afahana manao diplaoma sandoka. Hoy i E. D. Andriamalala (22 oktobra 1918 - 25 mey 1979), akademisianina, poety, mpanoratra, mpampianatra : « Olona efa voasedra tamin’ny fitiavan-tanindrazana no azo antoka hanarina ny firenena, fa tsy avara-pianarana vonona hatrany am-piandohany hamadika ho vola ny fahalalany amam-pahaizana ». Marihina fa ao anatin’ny fandaharam-pianarana ny asan-soratr’i E. D. Andriamalala.


Ireo hoe tantsaha lazaina fa 75%-ny Malagasy moa dia tsy maharisika mamokatra intsony noho ny tsy fandriampahalemana misy any ambanivolo, araka ny efa voalazako, any ka dia alehon-dry zareo miakatra aty andrenivohitra mivarobarotra eny amoron-dàlana ireo entana « friperies » avy any ivelany. Ireo no niteraka ny « taxi-bisikileta », Tompoko. Ny mponina mitombo, tsy mifankahalala intsony ny samy Malagasy, tsy mahay mifanaja intsony ary tena manao izay saim-pantany tokoa ny sasany. Ny vokany ? Mamakia gazety sy mihainoa ary mijere haino aman-jery isan-karazana : lozam-piarakodia (fiara sy kodiarana roa) atsy, vaky trano sy fasana ary sinto mahery eroa, vonon’olona sy hala-jaza ary. Nefa isika miandrandra ny fahatongavana mpizahan-tany maro be. Ho endahana ? Vao tsy ela izao nisy vazaha roa voatafika tao Ambodifilao Antananarivo. Very volabe, finday sy solosaina. Ny mahagaga dia efa in-enina no nisy vazaha voahendaka teo amin’io toerana io. Satria ny jiro an-dalambe (« éclairage public ») tsy misy ary ny mpitandro filaminana « variana » ao ambadika ao. Nefa anie akaikin’ny Lapan’ny Tanàna izay tsara ambina e !


Eto izany no tsapa fa tany tsy tan-dalàna mihitsy ny firenena malagasy. Ary ho sarotra ny toe-draharaha raha mbola izao foana no miseho. Ny tiako tenenina dia tsotra : ny demokrasia dia tsy manakana mihitsy ny fampiarana ny lalàna rehetra manan-kery, tsy misy indrafo.

Nijanona tany Etazonia aho nandritra ny roa volana, septambra ka hatramin’ny novambra 2021. Nahita tanàna (« Town ») maro aho tao anaty firenena (« Etat ») vitsivitsy toa New York (sady tanàna no firenena ka Albany no renivohiny), Massachussets, Caroline avaratra, Virginie, Washington (fa Washington District of Columbia na DC no renivohitry ny Etazonia -Firenena mikambana ao America avatra- izay miisa 50). Ny Etazonia, Tompoko, dia mirefy 9.834.000 km2. Izany hoe efa ho in-12 mahery ny refin’i Madagasikara izay 587.040 km2. Ny mponina ao Etazonia dia 333.900.000 (isa tamin’ny taona 2021) raha 28.172.462 ny Malagasy nisaina tamin’ny taona 2022. Amin’ny fomba ahoana no hitazonana vahoaka maro be toa izany tsy amotika ny fireneny ? Eo indrindra isika.


Any, Tompoko, dia ampiarina ara-baki-teny io lalàna io satria tena « Rule of law » (tany tan-dalàna) tokoa ny any. Ohatra : matoa ianao mitondra fiara dia mahay mamaky teny tsara izany. Ary rehefa misy takela-by dia matetika misy ny soratra hoe « It’s the law » na « izany no lalàna ». Feno caméras any an-dalana any. Ianao ohatra mipetraka amina toerana tsy azo ipetrahana. Avy eo ianao dia lasa. Afaka andro vitsy dia tonga any an-tranonao ny taratasy PV (« Procès-verbal ») misy sary, mampilaza fa tamin’io andro sy ora voatondro io ianao dia nijanona teo amin’io toerana io. Tsy afa-miala ianao. Raha tsy mety mandoa ilay PV ianao ao anatin’ny fotoana voafetra dia migadra ianao ary miandry ny fitsarana anao ianao satria « It’s the law ». Raha tratra tsy manao « ceinture de sécurité » ianao dia mandoa lamandy avy hatrany. Raha tsy mety handoa ianao dia migadra aloha vao miakatra tribonaly satria nandika ny lalàna. N’iza n’iza dia eo amban’ny lalàna daholo manomboka amin’ny Filoha amerikana ka hatramin’ny olona tsotra rehetra tsy ankanavaka.


Tsy mety eo anatrehin’ny lalàna manankery rehetra izany marimaritra iraisana izany ; izany fihavanana izany ; izany hoe izaho olona izao sy izao ka tsy azo sakanana, ohatra ; izany hoe mahalala olona ambony izany. Manandrama koa any hoe hanome vola mpitandro filaminana fa tonga dia migadra ianao aloha noho ny «bribery » (trafic d’influence ») sy « active bribery » (« corruption active »). Esory an-dohanao izany hoe hanao kolikoly amina mpitandro ny filaminana amerikana izany. Raha resaka zava-pisotro indray dia mahavoasazy sy mampigadra mihitsy ny misotro toaka eny amin’ny arabe eny. Satria heverin’ny lalàna fa loza mandehandeha ho an’ny hafa ianao tsy tompon’ny tenanao rehefa mamo. Ary raha any anaty fiara aza ianao dia tsy maintsy fonosina na mifono tsara ny tavoahangy toakanao. N’inona n’inona ny tranga fandikan-dalàna mety hiseho, tsy mandeha izany hoe « intervention » izany fa vao mainka mitombo ny sazin’izay manao izany.

Ataoko fa tsy dia mila adikako eto ireo ambony ireo

« Federalism, separation of powers, and rule of law are the heart of the American Constitution. But there are other fundamental principles of the system as well, all of which contribute significantly toward the achievement of liberty, order, and justice ». Ny federalisma, ny fisaraham-pahefana ary ny fanjakana tan-dalàna no fototry ny Lalàm-panorenana Amerikana. Saingy misy ihany koa ireo fitsipika fototra hafa ao amin'ny rafitra, izay mitondra anjara biriky lehibe amin'ny fanatontosana ny fahalalahana, ny filaminana ary ny rariny. Misy mpanao politika malagasy dia mangala-tahaka fahatany mihitsy amin’ity resaka federalisma ity. Mampitovy ny tsy mitovy. Faritra ny eto dia efa mety. Ary tsotra ny ahy no torohevitro : « décentralisation budgétaire effective » (fitsinjaram-pahefana ara-bola tena miatra) angatahana raha ny mahasoa ny vahoaka malagasy marina no tanjonareo ireo !

Raha io « Rule of Law » io no tsy miatra ara-bakiteny eto Madagasikara dia aza manantena hisy fandrosoana mihitsy aloha na ao anatina 500 taona aza. Mila ovana manaraka ny vaninandro ny andininy sasany ao amin’ny Lalampanorenan’ny repoblika faha-4 sy ao amin’ny « Code pénal » satria raha ny voalohany, ohatra, dia misy andiny 168. Kanefa mbola niala avy tamin’ny Lalampanorenenan’ny repoblika faha-V frantsay ny ankamaroana ka izay tiany ny mpanao politika malagasy rohitina no resahina.

Ity misy ohatra tonga dia azo ampiarina, mikasika ny fanimbana ny fanànana iombonana. Izay tratra mangalatra « panneau solaire » na iray aza dia migadra 15 taona ary tsy mila mandalo fitsarana fa izay no lalàna manan-kery. Aleho hitabataba ireo fikambanana mikasika ny zon’olombelona satria « it’s the law » koa izany eto Madagasikara. Ny an’ireo dia ny dahalo mpamono olona no arovany fa tsy miraharaha ireo fianakaviana nianjadiana fanafihana mihitsy. Ny hoe « mampalahelo satria tsy fidiny aminy ny nangalatra satria mahantra izy » dia tena fomba fiarovana manimba tanteraka ny firenena iray manontolo. Ka inona no mahagaga raha mirongatra izao karazana tranga tsy fanao enao izao ? Any anaty fokontany any aza misy tanora miady mifamono imasona mpitandro filamina toa vao nahavita fianarana. Inona no miseho ? Mitazam-potsiny ry zalahy manao « bras croisés ». Misy lehiben’izy ireo mahalala izany tranga izany fa e e e ! Tsy misy voasazy na ireo tanora miady satria mamomamo na ireo polisy tsy mampiatra ny lalàna.

Torak’izany ny mpanimba làlana, tetezana, zaridaina, mpangalatra tari-by mitondra herinaratra na amin’ny fomba ahoana na ahoana. Nandika lalàna ianao ? Miomana ho voasazy. Fa iza moa no manara-maso ny fanajana ny Lalàna velona ? Ny Mpitandro filaminana, tompoko, araka ny anaran’izy ireo. Ny polisy, ny zandary ary ny miaramila. Raha ny fitombon’ny mponina dia tsy ampy ny isan’izy ireo eto Madagasikara.


Tsy ampitovy ny tsy mitovy aho fa raisiko ohatra ny « New York City Police Department » na NYPD. Izy no sampana mpitandro filaminana tranainy indrindra any Etzaonia satria nitsangana tamin’ny 25 Aogositra 1845, 117 taona lasa izay. Ny tanjony, izay misoratra eo amin’ny fiara rehetran’ny NYPD dia : « Courtesy - Professionalism - Respect » (Fahalalam-pomba – Matihanina eo amin’ny asa atao – Fanajana ny asa sy ny hafa). Miisa 55.304 polisy (2018) ao amin’ny NYPD izay polisy monisipaly, tsara ho marihina. Ireto avy ny fitaovany : Angidim-by : 08, sambo : 29, fiara ana polisy tsotra : 9.624, fiara manokana toa anti-émeutes : 45, alika : 34. Marihina fa miisa 8.468.000 (2021) ny isan’ny mponina ao New York city izay misy boriboritany dimy. Aza adino fa firenena koa i New York ka mitotaly 19.000.084 (2021) ny mponina ao aminy.


Mbola lavitry ny kitay ny eto amintsika fa mila dinihina sy ampiarina izay tokony sy afaka ampiarina. Fa tsy hoe isaky ny misy fety na lanonana ihany vao hoe « ampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana ». Fa inona izany no ataon’izy ireo rehefa mandavan-taona kanefa mandray karama ? Tsy hitandro ny filaminana sy hiaro ny vahoaka mandavan-taona ve ? Saingy indrisy, impiry impiry moa no antsoina ry zalahy ka milaza fa « tsy misy solika… ».

Aleho aloha tsorina dieny izao : ny sosokevitra sasany voasoratro ireo aloha dia hijanona ho nofy raha tsy misy ny finiavana ara-politika na « volonté politique ». Indrindra moa fa raha tena vonona hampandroso an’i Madagasikara toa ny Filoha Andry Rajoelina. Saingy tato ho ato izy toa « variana » amina zavatra hafa aroson’ny sasany amin’ny manodidina azy… Raha voalamina koa anefa ireo dia misy vato misakana mankadiry ao amin’ny Tribonaly eto Madagasikara. Ny fanontaniako dia : iza no hitsara ny mpitsara miseho ho andriamanitra kely satria izay ny lafiny ratsy amin’ity fisaraham-pahefana (« séparation des pouvoirs ») ity. Satria tokoa izy no aorian’i Zanahary no manapaka. Any ka na olona meloka izao dia iny fa mivoaka madiodio fa ny tra-doza indray no voasazy. Momban’ny halatra tany izany moa dia raha mahafaty ny ozona mety hisaona lava ben y ao amin’ny Tribonaly ao Anosy fotsiny… Vola, vola, vola hatrany. Nefa anie fantatra fa tsy misy ho entina anya m-pasana any e !? Ny taranaka no tratr’ozona tsy fidiny any aoriana any. Olana mila vahana io afitsoky ny mpitsara jamban’ny vola be loatra io. Nefa anie mba nanao fianianana daholo e !

Misy fiteny milaza fa izay mitana (mitazona, mahafehy) ny vaovao (Serasera ankapobeny) no mitana ny fahefana (« Qui détient les informations détient le pouvoir »). Marina loatra io. Fa kosa tsy kilalao ary tsy kilalaon-jaza io Serasera io. Eto Madagasikara dia tsy mandeha amin’ny laoniny izy io eo anivon’ny fitondrana mahefa any ka mandaitra hatrany ny « fake news », ny tsaho sy ny lainga ary ny tantara foronina.

Ny anton’izany ? Tsy misy mangarahara izany Seraseram-panjakana izany. Ny "site officiel de la Présidence de Madagascar" moa dia mampanongo tena, ho an'ny tena matihanina tsy hijery "albums de photos" fotsiny fa hitrandraka vaovao ofisialy misy lanjany ... Misy mihitsy ny manaotao foana na miandry baiko lava ao, tsy sahy maka andraikitra « sao voaraoka raha tezitra eo ny Filoha ». Misy, ohatra, vaovao mivoaka ara-pomba ofisialy dia avy eo fafana. Misy vaovao tsara fantatry ny vahoaka, tsy resahina, any ka ao amin’ny tambazotra no mipoitra dia tsy fantatra na marina na tsia. Fa matetika dia raisin’ny olona ho marina izany « vaovao » mivoaka ivelan’ny zotra ofisialy izany. Dia ry zareo tsy namoaka indray no miseho manao « démenti », mandà ankitsirano. Atao kilalao e ! Indraindray aza mifanipaka mihitsy ny zavatra lazain’ny ministeran’ny Serasera sy ny ao amin’ny tomponandraikitra misahana ny Serasera ao amin’ny Presidansy. Dia rehefa mipoitra ny tena marina dia samy miaro ny rambony tsy ho tapaka. Hoy ny ohabolana vahiny : « Qui s’excuse s’accuse ».


Ary eo indrindra no mahavariana amin'ny fomba fandraisan’andraikitry ny Filoham-pirenena. Ny sasany amin’ireo olona notendreny ireo dia mpanararaotra fotsiny ihany. Ny mahatalanjona ahy manokana dia tsy nisy nitolona na iray segondra aza ny sasany amin’izy ireo kanefa manambony tena manambany ny hafa. Maro ny ohatra fa tsy izany no anton’ity lahatsoratra ity. Ary na dia fantatra fa mifanipaka amin’ny finiavan’ny Filoha hampandroso ny firenena ny zavatra ataony, dia mbola ao ry zareo : tsy bedy, tsy voasazy, tsimatimanota e ! Mila anarana sy sary ianareo ? Tsy ampamoaka akory ity ka andraso eo i Paoly aloha…

Rehefa hivoaka ity lahatsoratra ity dia ireo no hampiaka-peo hilaza fa « mpamadika i Pappy Jeannot ! » ; « malahelo toerana fa tsy nahazo ». « Lasa merseneran’ny mpanohitra i Pappy », sns. Tsotra : efa tamin’ny fitondrana Tsiranana aho no « mpanohitra », mbola mianatra teny Ankatso, ary mbola « mpanohitra » rehefa lasa mpanao gazety tamin’ny fitondran’ny Amiraly Ratsiraka. Manohitra ny tsy mahasoa ny maro an’isa hatrany aho. Ary mbola tsy niditra amina antoko na vondrona politika na iray aza hatramin’izay niainako. Tsy ny vola, Tompoko, no mibaiko ahy fa ny Fitiavan-tanindrazana. Ary niniako natao amin’ny teny malagasy ity lahatsoratra ity satria isika vahoaka malagasy no voakasika fa tsy toa ny mpanao gazety sasany ohatran’ny tsy maintsy manao tatitra amin’ny vahiny dia manoratra amin’ny teny frantsay manaratsy ny tany niaviana. Ny mpitondra moa dia mahazo izao karazana anarana rehetra izao. Lasa mpikaramana an’ady. Tsy maintsy tokoa ve ? Tsy mahagaga koa aloha fa ny « debany » anie manana zom-pirenena frantsay e ! Efa eo anie ry « Rfi », « France 24 », « Tv5 Monde ». « Le Monde », Raha vao resaka Madagasikara dia tsy maintsy loza hatrany no resahin’izy ireo. Fanjanahana amin’ny endriny vaovao. Efa nanaovako lahatsoratra io farany io (ETO).

Ndao ary (tsy Mfm aho akory fa fomba fiteny koa io) ! Ny tranga niseho marina tany Maroc no mamintina ny tanjona tian’ireo manodidina sasany ny filoha Rajoelina hahatongavana ho an’ity firenena malala ity. Ilay hoe « Choiseul Africa Business Forum » dia efa famitahana tsy manam-paharoa. Toa voajono -ara-bakiteny- ny Filoha Rajoelina. Fanazavana.


Ny « Choiseul Africa Business Forum », tompoko dia fikambanam-pikaroana ara-barotra noforonin’ny « Institut Choiseul » izay frantsay. Mba fantatrareo moa ny tena sehatra sahaniny io « Institut Choiseul » nitsangana ny taona 2019 io (marihina fa « Institut européen de géoéconomie » no anarany tamin’izy natsangana ny taona 1997 ary « Institut Choiseul pour la politique internationale et la géoéconomie » taminy 2003) ? Na dia hoe « tsy miankina » izy (« L’Institut Choiseul est un think and do tank indépendant, non partisan et à but non lucratif basé à Paris », hoy koa i Christiane Munoki Ekambo, Tale jeneralin’ny«Journal des Nations» ao amin’ny Internet), ataoko teny frantsay aloha : -Analyse des questions stratégiques internationales ; -Défense du rayonnement économique français. Izany hoe : Fandalinana ny resaka stratejika iraisam-pirenena sy fiarovanana ny fivelaran’ny sehatra ara-ekonomika frantsay.


Tsy vitan’izay. Ny volana janoary 2022 dia natsangan’io « Institut Choiseul » ao aminy ny hoe « Initiative Souveraineté ». Izy io dia « plateforme de l’Institut Choiseul dédiée aux enjeux de souveraineté et de résilience ». Izany hoe sehatra natokana andinihina ny tombontsoan’ny fiandrianam-pirenena sy ny faharetana eo anatrehina tranga maro. Eto dia mamela ahy ianareo amelabelatra ny momban’io « résilience » re matetika etsy sy eroa tato ho ato.

Inona no dikan'ny hoe résilience?

Tsy mora ny fiainana. Mety ho tratran’ny olana sy fahasahiranana amin’ny fotoana sasany ny olona. Mandritra izany fotoan-tsarotra izany dia ilaina ny fahaizana mitazona ny tsy ho resin’ny fahakiviana ka afahana mamadika ny fahasarotam-piainana ho lesona mahasoa aoriana ao. Na dia toa miakatra aza ny zava-drehetra, ny faharetana dia ahafahanao manararaotra ny toe-javatra ratsy mba hahatratrarana ny fitomboana manokana. Tsy midika akory izany hoe tafavoaka amin’ny zava-tsarotra rehetra tsy an-kijanona ny olona iray, fa ny fianarana mahasoa dia azo raisina na dia sarotra toy inona aza ny toe-javatra misy ary mampiasa ireo lesona ireo mba hirosoana amin’ny ho avy. Izany fomba fiady izany no dikan'ny hoe « résilience » : mahazaka hatrany ny sakana rehetra amin’ny toe-tsaina miabo.


Izay no voalaza dia ny an’ny fitondrana frantsay no nataony tonga aloha fa mbola variana sy manantena hatrany ny mpitondra malagasy mikasika ny fitakiana ny Nosy Malagasy miparitaka ao amin’ny Canal du Mozambique ao. Vao nilaza hoe : « Ici c’est la France » ny filoha Emmanuel Macron, tao amin’ny Nosy Glorieuses, ny 23 oktobra 2019, dia avy hatrany dia nomen’ny « Institut Choiseul » loka izy, eo amin’ny taranja politika.


Fa rehefa nandeha ny fikaroako –ary rehefa mahay mikaroka dia mahita- dia izao no marina : ay ilay « Institut Choiseul » dia orinasa (« entreprise ») fotsiny ihany ka rehefa sodoka amin’ilay anarana dia tsy mahatsiaro mihitsy fa tsy ny firenena mifandray aminy no mahazo tombony fa ireo orinasa frantsay (na lazaina hoe malagasy aza) ao amin’ilay firenena voarebireby, no mahazo tombony. Ny antony nosafidianana io hoe Choiseul io dia izao : anarana ana tanàna kely ao Haute-Marne, France, izy io, efa ho 250 taona mahery lasa izay. Tao no nitsangana izany « Maison de Choiseul » izany ka ny mpikambana ao dia olo-maventy teraka tao. Anisan’izany i Étienne-François de Choiseul-Beaupré-Stainville, na Duc Etienne de Choiseul, olom-panjakana frantsay teo anelanelan’ny taona 1758 sy 1770, teo amban’ny fitondranan’ny mpanjaka Louis XV. Ireto avy ny asa nosahaniny tao anatin’izany : Ambassadeur de France près du Vatican, Ministre français des Affaires étrangères ; Ministre français de la Défense ; Ministre français de la Marine et des Colonies. Taty aoriana dia maro ireo tanàna frantsay nitondra io anarana Choiseul io. Hoy indrindra ny « Institut Choiseul » : « Plusieurs localités reçurent le nom de Choiseul en l'honneur du duc, dont l'action diplomatique constitue un modèle ». « Diplomatie » mira koa « hypocrisie » indraindray fa ho fiarovana tombontsoa hatrany.

Hatramin’izay nisiany dia telo ny fivoriana nokarakarainy tafiditra ao amin’ilay lohateny mipoapoaka hoe « Choiseul Africa Business Forum ». 3-4 octobre 2019, Nice, France ; 24-25 novembre 2021, Nice, France ; 19-20 novembre 2022, Casablanca, Maroc. Mikasika ity farany ity dia izao no filazan’ny « Institut Choiseul » ao amin’ny tranon-kala misy ny pejy momba io :


« Madagascar était à l'honneur de cette troisième édition du Choiseul Africa Business Forum. Le Président de la République, Andry Rajoelina a fait le déplacement accompagné d'une délégation ministérielle et de chefs d'entreprise malgaches. Le Président est intervenu durant la cérémonie d'ouverture du Forum et le panel Invest In Madagascar, co-organisé avec le groupe Filatex. Ce dernier (Ny « panel ») fut l'occasion de présenter les nombreuses opportunités d'investissement et de développement qu'offre la Grande île ».

Ary tsy tao amin'ny tranon-kalan'ny "Institut Choiseul" ihany no voasoratra izany fa notenenin’i Simon Lee (Stileex), mpandraharaha frantsay mikasika ny informatika miasa eto Madagasikara, izay nanatontosa vidéo ho azy manokana. Hoy izy ao anatin’izany vidéo izany, izay navoakany ao aminy Youtube : « (…) Je vais avoir le plaisir et le privilège de rejoindre pas mal de personnes du groupe Filatex, qui sont dans la délégation. Le groupe Filatex était sponsor de l’évènement, donc ils ont fait la grosse délégation. Je crois qu’il y avait 4, 5 directeurs de chez eux (…). Pour l’organisation, félicitation à Mercedès (Ttf : Mercédès Ratsirahonana izay nikarakara ny Serasera tao amin’ny Filatex ary voatendry ho Tale mikarakara ny Lanonana –asa toa noforonina mihitsy- ao amin’ny Prezidansy, ny 17 novambra 2021) ».


Toa izao ny namintinan’i Simon Lee io « Choiseul Africa Business Forum tao Casablanca » fahatelo io : « Le Forum économique Choiseul en lui-même, bon… Est-ce que c’est vraiment efficace ? Est-ce qu’on rencontre des gens ? Oui, on en rencontre, on en recontre beaucoup… Est-ce que ces rencontres vont aboutir à des choses concrètes ? J’en suis pas vraiment persuadé. Alors, oui : peut-être un ou deux contacts mais c’est comme à peu près partout, hein. C’est vrai, il y en a qui table sur le volume. C’est vrai, c’est important d’échanger les cartes de visite mais ce qui est vraiment important c’est quand même d’avoir des échanges de qualité avec les gens. Donc, c’est d’approfondir, quand même, avec les personnes et pas simplement échanger la carte de visite en disant deux trois mots sur le fait ; çà je trouve que c’est pas très utile, çà fait surtout publicité (…) ».

Mba ohatrinona re ny vola arotsaky ny Filatex any amin'ny fanjaka e ? Sa "secret d'Etat"?

Ny nahagaga ahy koa dia toa tsy nandray anjara ny GEM ("Groupement des Entreprises de Madagascar"). Nitady aho fa e e e : tsy tany. Na koa tsy nisy niteny tamin'ny anarany. Jereo anie eo ambony e !


Hoy ingahy Hasnaine Yavarhoussen, tamin'ny fandraisam-pitenenany : "Le Groupe Filatex est fier, ces dernières années, d'avoir pu développer des projets structurels qui participent, entre autres, à la transformation énergétique du pays". Asa aloha fa tena misy fandraisana amin'ny "transformation énergetique" (fiovana eo amin'ny lafin'ny angovo) ve io tany goavambe ao Ankorondrano eo amin'ny sary ambony io? Mipetraka ny fanontaniana : oviana amin'ny fomba ahoana no nahalasa an'i Filatex ho tompony io tany io fa hafahany mivarotra azy tsikelikely ? Ary tsy io ihany... Tsindrio ETO.

Mazava izany ny tany Casablanca : Dokam-barotra ny dikan’ny « publicité » voalazan'i Simon Lee, ary hafa ny hoe « publication » ao amin’ny facebook, ohatra… Ka iza marina no nahazo tombontsoa tamin’iny dokam-barotra tany Casablanca iny ? Voafitika ny Filoha Rajoelina raha ny fijeriko azy manokana. Araho tsara ny fanazavana. Izao mantsy : marina fa resaka 3P (« Partenariat Public Privé » - Fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina) ilay izy.


Fa impiry mandeha any Maroc moa ny Filoha Rajoelina ? Taiza izy no teraka ? Tao Antsirabe. Taiza ny raiben’ny Mpanjaka Mohamed VI no nataon’ny Frantsay sesitany ? Tao Antsirabe. Taiza ny zanaka vavin’io Mpanjaka Mohamed V io, Lalla Amina (nodimandry ny 16 aogositra 2022), no teraka ? Tao Antsirabe, ny 08 avrily 1954. Tao amin’ny Hôtel des Thermes ry zareo no napetraka. Dia tsy nanana na adiny iray monja ve izy nandraisana ny Filoha Rajoelina, na dia niresahina ny fizotran’ireo asa ataon’ny firenena marokana ao Antsirabe, toa ny « Centre de formation professionnelle » hanofanana mpianatra 1.000 mahery, ohatra, fa nosomparan’ny covid-19 sy ny rivo-doza in-efatra nisesy ?

Afa tokoa aloha ny « En la Présence de » sy ny « Sous le Haut Patronage de ». 93,21 km no manasaraka an’i Rabat, misy ny lapan’ny Mpanjaka Mohamed VI, sy Casablanca, raha mandeha fiara. Tsy manana olana amin’ny Filoha Rajoelina ny mpanjaka marokana fa tsotra : misy fiteny frantsay izay hoe : « On peut pardonner mais on n’oublie pas ». Izay no antony tsy nanatrehany io « Choiseul Africa Business Forum » io. Na tiana na tsia, dia ny fitondrana frantsay no nandefa ny dadabeny sesi-tany tany Antsirabe ary ny Institut Choiseul dia orinasa frantsay mikatsaka ny tombontosoan’ny Lafrantsa. « Reny malala », hoy ny sasany. Ny sisa, resabem-bazaha mbola mihevitra ny hanjanaka amina fomba hafa indray, dia ny « networking ». Tadiavo ny dikan’io fa aza miandry izaho daholo no hanazava eto. Misaotra mialoha. Fa inona no mampalaza ny Filatex ary izy irery koa angaha no orinasa « malagasy » eto Madagasikara ? Sao kosa koa tsy fantatry ny Filoha Andry Rajoelina ny lanjan’ny GEM izay tsy tazana nandray anjara tany Casablanca ?

Tsara ny fahaizana mandresy lahatra fa tsara kokoa rehefa mitovy ny tadin-dokangan'ny mpitondra sy ny mpanatanteraka

Ny amaranako ity lahatsoratra ho an’ny Tantaram-pirenena malagasy ity dia torohevitra ho an’ny Filoha Andry Rajoelina, mikasika ny fanendrena mpikambana ao amin’ny governemanta.

Amiko dia tsy ilaina satria, karazana hamita ny « affaires courantes » ny ankamaroany (amam-bolana sisa anie e !), na niasa na tsia. Raha izany no atao dia hanao « Oui, Monsieur le Président » foana izay ho voatendry eo fa :

1. Mbola hovainy daholo ny mpiara-miasa aminy, ary ho tafiditra hatrany ny tsy nitolona, hitombo isa.

2. « Actions » no ilaina. Dia tena terena ireo hanatanteraka ny « baikom-pitolomana » (hoy i "Dede" Ratsiraka izay), raha tsy izany tsy mahazo hafa tsy ny vata karama. Hajanona ny indemnités rehetra : trano, fiara, solika, fotte téléphone… Asaina anao sonia taratasy mifandray amin’izany. Art manan-kery fa tsy toan'ny "déclaration de patrimoine" tsy nahasakana an'i Onitiana Realy, minisitry ny Mponina be ranomasom-boay nandositra any ivelany, kanefa ny televiziona mitondra ny anarany (Real mira Realy e), natsangana tamina vola "tsy fanta-piaviana", mandeha ara-dalàna

3. Ity teboka fahatelo ity no goavana satria mikasika ny minisitry ny Raharaham-bahiny. Mila hajanona amin’izay ny fanendrena olona ivelan’ny MAE, sy ireo « copain de sapin » na nitolona na tsia. Fanta-tsika ny vokana hatramin’izay fa be diplaoma tsy mahay raha no nifandimby hatramin’izay. Hajanona ny resaka diplaoma, hajanona ny resaka « appel d’offres » fa tsy orinasa « privé » akory ny MAE fa « ministère régalien ». Izao no dikany mazava tsara : « Un ministère régalien est un ministère qui répond aux fonctions régaliennes de l'État, c'est-à-dire les fonctions dont la responsabilité doit normalement être prise par l'État et qu'il ne doit pas déléguer à des sociétés privées ». Olona nianatra « diplomatie sy relations internationales » aman-taonany no tadiavina, ao amin’ny MAE ihany raha misy, fa tsy azo ekena intsony ny fisiana kitoatoan’olona be diplaoma mandrendrika sy manala-baraka ny Firenena malagasy.

Farany : raha mikasika izany hoe « gouvernement de combat » izany aloha dia misy voan’ny fahaverezana fitadidy ve ao ambony ao e ! I Olivier Mahafaly Solonandrasana, minisitry ny Atitany, no niteny izany rehefa voatendry Praiministra izy nisolo ny Jeneraly Jean Ravelonarivo nitsoaka nandositra any ivelany. Samy nangalatra izy roalahy ireo. Fa tsy tany tan-dalàna moa ny eto dia izao manao « copié-collé », ry mitady seza faramparany te-hanankarena tampoka.


Rehefa voavakinareo hatreto ny zava-manjo eto amin'ity firenena malalan-tsika ity, dia miverina amin’ny lohatenin’ity lahatsoratra ity isika mianakavy : Ho porofoin’ny Filoha Rajoelina ve fa tena Tgv tokoa izy ka tena tonga dia « actions » hamitana ireo tsy afaka natao ny taona 2020 !?! « Gouvernement de finition » izany no ilaina ary mila olona ataoko hoe « Inspecteurs-suiveurs-évaluateurs » itokisana hanara-maso ny tranga rehetra eny amin’ny « chantiers » rehetra eny. Indrindra ny any Atsimo : tatitra diso, halatra isan-karazany, fangalana vola any amin’ny vahoaka, tsindry sy ramatahora isan-karazany amin’ny anaran’ny Filoha Rajoelina.

Tsia, Tompoko, tsy adinoko mihitsy ny fisian'ilay ODOF ("One District One Factory Project"), izany hoe Ozinina iray isaky ny distrika. Ka eo izany isika no ataon'i Tvg hahalala ny anarany isika.

Fa mbola hanaovako lahatsoratra manokana mihitsy io ODOF io satria misy tsy mazava amin'ny Malagasy mihitsy ilay izy. Indrindra fa nisy iny resaka PAISF (Projet d’appui à l’industrialisation et au secteur financier) iny izay mitentina eo amin'ny 17,45 tapitrisa dôlara avy any amin'ny BAD... Tsy mitsahatra mamerina sy hamerina aho fa raha misy zavatra mandeha tsara any ivelany, tsy voatery ho izany no hiseho eto. Ny kolontsaina "mora mora" fotsiny miampy làlana tsy ampiarina dia ho lany andro sy vola fotsiny. Nefa : "time is money"....

Jeannot RAMAMBAZAFY

Mis à jour ( Mercredi, 18 Janvier 2023 08:52 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety