]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Antananarivo 67 ha. Tsy navelan’i Ramatoa Mialy Rajoelina irery ny tovovavy roa niharan’ny fakana an-keriny

Antananarivo 67 ha. Tsy navelan’i Ramatoa Mialy Rajoelina irery ny tovovavy roa niharan’ny fakana an-keriny

Alahady 5 jona 2022, andro fankalazana ny Pentekosta izay fety kristiana ahatsiarovana sy ankalazana ny nidinan’ ny Fanahy Masina tamin’ ireo Apôstôly tamin’ ny faha-50 andro aorian’ ny nitsanganan’ i Jesoa tamin’ ny maty.


Io andro io no nosafidianan’ny vadin’ny Filoham-pirenena sady nitsidiany sy nankaherezany ary nanohanany tovovavy roa niharan’ny fakana an-keriny tamin’iny herinandro lasa iny, teto Antananarivo. Tsiahivina fa Ramatoa Razakandisa Rajoelina dia Filoha Mpanorina ny Association Fitia ary koa « Championne » eo amin’ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny ankizy, vehivavy, eny na lehilahy koa aza.


I Fanantenana sy Ordia dia tovovavy mpinamana akaiky dia akaiky tratra an’io trangana fakana an-keriny niseho teto amin’ny renivohitr’I Madagasikara. Izy roa ireo no notsidihan’ny « Première Dame », tamin’ity tolakandron’ny Pentekosta ity, teny amin’ny Faritra 67 ha.

Ankoatra ny fandraisana an-tànana maimaim-poana izay efa ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ireo tovovavy tratrin’ity tranga mamoafady hafahafa ity, dia nanolo-kevitra ny amin’ny andraisana an-tànana ny tohana ara-psikôlôjika ireo tovovavy sy tovolahy hiharan’ity fakana an-keriny ity ihany koa Ramatoa Mialy Rajoelina.



Araka ny fitantaran’i Fanantenana sy Ordia, izay mpianatra ao amin’ny ABC School, 67 ha dia nirava tamin’ny telo ora sy sasany tolakandro izy ireo no nitranga ilay fakana an-keriny teny amin’ny faritra 67 ha ihany. Tsy nisy resaka nifanaovan’izy ireo tamin’ireo olon-dratsy fa toa ny nifandona fotsiny tamina lehilahy roa manao akanjo mihaja (lobaka manga sy pataloha mainty) izy roa vavy. Namoaka ranomanitra ireo roalahy ireo ary nataony teo amin’ny oron’izy roa vavy.


Nitohy ny fitantarana ka fantatra fa i Ordia dia tsy nahatsiaro tena avy hatrany, fa i Fanantenana kosa mbola nahatsiaro tena ary nahita ny fitondrana azy roa tany amina toerana iray izay nisy olona manao fanamiana mpitsabo (tablier sy palahoa ary satroka fotsy). Raha ny fitantarany hatrany dia nahita boaty miisa 12 milahatra enina roa izy ary nisy rà (lio) ireo boaty ireo. Taorian’izay dia safotra tsy nahatsiaro tena intsony i Ordia toa Fanantenana. Ary dia tany amin’ny hopitaly HJRA izy roa vao nivoaka tao anatin’izany tsy fahatsiarovan-tena izany.

Raha ny fitantaran’ny rain’i Ordia dia nisy niantso ny zokin’i Ordia fa nisy tovovavy hita nisy nanary teny Mahazoarivo ka io nomerao io no nisoratra tao anaty « carnet de correspondance ». Nilaza ilay olona niantso fa entina tsaboina amin’ny toeram-pitsaboana manodidina an’i Mahazoarivo ihany izy roa vavy ireo. Avy eo dia nolazain’ilay olona indray fa entina hotsaboina any amin’ny hopitaly izy ireo. Somary nanjavozavo ihany ilay resak’ilay olona niantso…


Nanamafy ny Profesora Rakotoarison Nicole, Chef de service des urgences ao amin’ny HJRA, f’efa nizotra ny fitiliana rehetra mikasika ny mety ho karazana zava-mahadomelina nampiasan’ireo olon-dratsy, izay miendrika entona fampatoriana, nahatonga ny tsy fahatsiarovan-tena eo no eo. Tovovavy 15 hatramin’ny 21 taona eo, ankehitriny, hoy ilay mpitsabo no tena hiharan’ity fakana an-keriny ity. Misy ihany koa ny tovolahy fa tsy maro. Nanamarika ny mpitsabo fa tsy misy amin’ny ankapobeny ny herisetra ara-batana nahazo ireo tovovavy nisy naka an-keriny, ankoatra ny diam-patotra.

Nanambara kosa Ramatoa Mialy Rajoelina fa mila hatao haingana ny fanarenana ny tebitebin-tsaina niatra tamin’ireo tovovavy ireo. Mety ahiana hiraiki-tapisaka ao an-tsainy mantsy ny tranga izay nahazo azy ka mety ho lasa sakana amin’ny fivoarany sy ny fiatrehany ny hoaviny. «Mila entanina ny  ray aman-dreny fa ny fanaraha-maso ara-psikôlôjika akory tsy midika fa misy «aretin-tsaina» ilay tovovavy fa fanampiana azy hiatrika ny fiainany any aoriana izany», hoy ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika,


Nanamafy ihany koa izy fa « tsy hamela ho irery ireo tovovavy misedra ny tsy rariny ». Raha tsiahivina, efa naneho ny heviny nanameloka ny fakana an-keriny ireo zatovovavy ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika sady championne ny ady amin’ny herisetra, Ramatoa Mialy Rajoelina, ny sabotsy 4 jona 2022. Fanambarana nivoaka tao amin’ny kaontiny Instagram sy tao amin’ny pejin’ny Association Fitia officiel :


«Mandratra ny foko ary melohiko ny fakana an-keriny ireo zanatsika vavy sy ny fomba mamoafady atao amin’izy ireo.

Miray fo tanteraka ary miombom-bavaka amin’ireo izay nianjadian’ izany herisetra izany ny tenako.

Mino sy mahatoky aho fa manao ny ezaka rehetra ireo mpitandron’ny filaminana isan’ambaratongany ary manao antso avo amin’izy ireo aho mba hikaroka ireo olon-dratsy ary hampitsahatra izao toe-javatra mampisavorovoro izao.

Arovy ny zanatsika.

Mila mailo isika».

Mialy R.RAJOELINA


Ankoatra ny teny fankaherezana sy fanohanana an’i Fanantenana sy Ordia dia nitondra mofomamy sy chocolat ho azy roa vavy ihany koa Ramatoa Mialy Rajoelina noho izao andron’ny Pentekoty izao. Nisy ihany koa ny fanafody mampitombo hery fiarovana sy sakafo ara-pahasalamana -toy ronono sy «yaourts»- natolotry ny vadin’ny Filohan’ny Repoblikan'i Madagasikara azy ireo.


Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Lundi, 06 Juin 2022 05:45 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety