]
Les quotidiens du 26 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Madagasikara May 1972. Jean-Jack Nelson Ramambazafy, vavolombelon’ny Tantara

Madagasikara May 1972. Jean-Jack Nelson Ramambazafy, vavolombelon’ny Tantara

Ity manaraka ity misy lahatsoratra nosoratan’i Jean-Jack Nelson Ramambazafy na koa i Plix, izay tsy iza fa zokiko, mpanao gazety tao amin’ny RNM sy ny TVM. Mpiasam-panjakana misotro ronona izy amin’izao fotoana izao fa hoy izy :

“NY LASA TSY FANADINO. ADIDY NY MITADIDY. NY OLOM-BELONA NO MITSARA FA TSY NY TANTARA”.

78 taona ny 6 may 2022 lasa teo ny lehilahy ary mbola ao tsara mihitsy ny tadidiny. Arao tsara ary ny Tantara.

Jeannot Ramambazafy


Singanina ny zava-nisy

Naninona no may ny Lapan’ny tanàna ? Satria nitsoaka niafina tao ny miaramila tao amin’ny FRS (“Forces Républicaines de Sécurité”) dia nodoran’ny mpanao fihetsiketsehana ny trano.

350 mahery ny olona notaterina tamina fiaramanidina tany Nosy Lava. Mpianatra ny ankamaroany fa nisy koa mpampianatra, ray aman-drenim-pianatra sy mpanao gazety.

Nandrahona ny ray aman-dreny fa raha tsy averina ny zanany dia ataony haza lambo ny tompon’andraikitra. Saika raikitra ny « guerre civile »!

Tatitra voapasoka no voarain’ny Prezidà Philibert Tsiranana momba ny toe-draharaha teto an-drenivohitra. Niala sasatra tany Ranomafana-Ifanadiana izy satria vao avy notsaboina tany Paris ny taona 1970 fa tapaka lalan-drà.

Tezitra mafy ny vadiny, Justine Kalotody, taorianan’ny kabary “Tsak tsak Zato arivo” ka nilaza hoe : “Ianao ve tsy misaina fa vao mainka maha-romotra ny olona zany ?!”.

Tsy nanam-po ny mpanao ny “Grand Rallye International de Madagascar” na GRIM, fa mbola nanainga ihany teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna ka teny an-dàlana nihaino ny "radio" vao nahafantatra fa rotaka be ao Antananarivo ka foana ny “rallye” ka samy nanao izay fomba hodiany.


Mijoro vavolombelona ny tenako satria mpanao gazety tao amin’ny Tvm niaina ny May 1972. Naka sary ny “rallye” tsy tonga volana io. Nasaina namaky ny fanambarana hoe : “Deraina ny FRS fa nahavita ny adidiny ary nankatoa ny baiko”. Nolaviko satria tena manamaivana ny tolon’ny tanora mpianatra sy olon-tsotra maty voatifitra.

Nahazo fandrahonana izahay tao amin’ny TVM. “Inona no sary alefanareo rahariva momba ny zava-nisy, ohatra ny fiakaran’ny vahoaka nihoatra ny Iray hetsy nandeha teny Andafiavaratra ?”, hoy ny antso an-telefaonina. “Hodoranay io TVM mpandainga io”.


Herinandro tsy nody an-trano satria manomboka amin’ny 7 ora hariva ny “couvre-feu” ary tamin io ora io ihany koa no manomboka ny vaovao an-tsary.

Hentitra ny baiko. Nanjaka ny sivana (“censure”). Tsy misy sary sy feo avoaka na kely aza. Ary raha mankeny amin’ny 13 may ny mpanao gazety dia tompon’andraikitra samirery. Rehefa hita fa tsy ho voafehy intsony ny toe-draharaha izay vao lasa nanatevina ny laharana ny mpiasan’ny RTM.


NY ZAVA-NISY NY 18 MAY 1972.

Inona no nanafaingana ny fivoaran’ny Tolom-bahoaka ? Ny nampitifitra tamina bala tena izy ny fitondrana tamin’izany ka nahatonga an’i Willy Olala nankeny Ampahibe nitondra basy sy taim-bala ary nasehon’izy sy ny namany, tamin’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa izay manana rohim-pihavanana aminy.

Ry Miaramila Raiso ny Fahefana ! Izany no hita tamin’ny sora-baventy nentin’ny vahoaka.

Tonga àry ny Alakamisy 18 may

3 ora tolakandro, TVM Antaninarenina, rihana faha-9. Nilatsaka tamin’ny téléscripteur ny vaovao nalefan’ny Agence France Presse (AFP). Notoloran’ny Prezida Tsiranana ny Jeneraly Ramanantsoa ny fahefana feno (« pleins pouvoirs »).

Nentiko ilay « dépêche » ary nasehoko ny mpiasa izay tsy mbola nino satria nahoana no any amin’ny masoivoho frantsay no namoaka azy voalohany. Kinanjo naneno ny telefaonina avy amin’ny ministeran’ny filazam-baovao nanome baiko hoe : « mandefasa ekipa zao dia zao eny Andafiavaratra fa hanao fanambarana ny Filohan’ny Nosy ».

Pierre Ranaivo (izay vao nodimandry tamin’ity volana may 2022 ity) sy ny tenako no naka ny sary manan-tantara teny Andafiavaratra. Teo avokoa ireo mpikambana tao amin’ny governemanta vaovao.

Tsy nandrombaka fahefana ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa fa nomena fahefana.

Akory ny hafalian’ny vahoaka vao nahita sy nandre ny feo sy ny sary tao amin’ny RTM. Horakoraka, totorebika.

Tonga teny amin’ny tranon’ny Radio teny Anosy ny Jeneraly Ramanantsoa ary avy eo lasa teny amin’ny TVM teny Antaninarenina, nanao fanambarana voalohany ho an’ny vahoaka. Kabary nitory ny maha-zava-dehibe ny fitoniana sy ny filaminana. Ampahany tamin’ny ny mpikambana tao amin’ny governemanta vonji-maika ihany no hita tao amin’ny TVM. Isan’izany ny kolonely Richard Ratsimandrava tonga talohan’ny rehetra.


Efa tsapanay mpanao gazety fa tsy hijanona ela eo amin’ny fitondràna ny Jeneraly Ramanantsoa. « Ireo hitanareo aorianako ireo no hitondra atsy ho atsy », hoy izy mantsy. Ary dia fantatsika fa notolorany ny Kolonely Richard Ratsimandrava ny fahefana vao tapitra ny tetezamita fohy dia fohy, ny 5 Febroary 1975.

Ny fanapahan-kevitra anisan’ny voalohany noraisin’ny filohan’ny governemanta vaovao dia ny fanarenana ny Tanindrazana. Atsahatra ny ady sy ny fankahalana. Alavirina ny valifaty.

Nofoanany ny karatra isan-dahy. Veloma ry “TOUT PAYE” izay tsy nisy intsony. Nofoanany ihany koa ny hetran’omby.

Izay no zava-nisy ary mbola tantara hafa indray no niainan’ny vahoaka malagasy nanomboka ny taona 1975…

Antananarivo, 17 May 2022

Jean-Jack Nelson RAMAMBAZAFY

Mpanao gazety misotro ronono niasa tao amin’ny RNM sy TVM

Mis à jour ( Vendredi, 20 Mai 2022 14:27 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety