Nambaranâny Mpiandraiki-draharaha ao aminâny masoivohonâi Etazonia, Amy Hyatt, ny famatsiam-bola 25 tapitrisa dolara fanampiny, ho fanampiana vonjy taitra hanalefahana ny vanim-potoana manahirana any aminâny faritra atsimonâi Madagasikara.
Izao famatsiam-bola izao dia atao amin'ny alĂ lan'ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Maneran-tany (USAID), amin'ny anaran'ny vahoaka amerikana, hamatsiana tetikasa efatra ho fanohanana ny fanarenana ny fambolena sy hanomezana sakafo ny vahoaka any atsimonâi Madagasikara. Tombanana ho 1,3 tapitrisa ny olona any amin'iny faritra iny no ianjadianâny tsy fanjarian-tsakafo. Vao manomboka mantsy ny vanim-potoanan'ny maitso ahitra ary ahiana ho voafetra ny fahazoana sakafo hatramin'ny volana aprily 2022.
âMijanona ho laharamam-pahamehana ho anâny fanjakana amerikana ny fitondrana fanampiana iatrehana ny krizy any atsimo,â hoy ny Mpiandraiki-draharaha amerikana Amy Hyatt. â18,5 tapitrisa dolara no atolotra ny Sampandraharahanâny Firenena Mikambana momba ny Sakafo (PAM) mba hahafahany manohy ny fizarana sakafo mamonjy aina sy fanomezana fanampiana ara-bola ho anâny olona 463.000 mahery.â
Hitondra fanampiana vonjy taitra ho an'ireo olona tena voa mafy ny PAM. Vahoaka miisa 239.200 no hahazo fanampiana ara-tsakafo ary 224.000 hafa no hahazo fanampiana ara-bola.
Hatraminâny taona 2015 no mankaty dia vola mitentina 261 tapitrisa dolara mahery no ampiasainâny USAID any atsimo. Izy no lohalaharana aminâny fanomezana fanampiana ara-tsakafo maika sy fitsaboana isorohana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin'ny bevohoka sy zaza madinika.
âEo anatrehanâizao fahasahiranana izao dia tsy maintsy mitohy miomana ho anâny ho avy isikaâ, hoy ny Tale Jeneralinâny USAID John Dunlop. âIzany no mahatonga anay hampiasa vola aminâny tetikasa fanarenana ny fambolena izay antenainay fa hanampy ireo tantsaha avy aminâny faritra hahita fahombiazana bebe kokoa aminâny fotoan-pinjinjana manaraka.â
Ny Catholic Relief Services sy Action Contre La Faim dia hanome masomboly mahatanty hain-tany, sy hanolotra fitaovana ho anâny tantsaha, ary hiantoka ny famatsian-drano ho anâny fambolena. Hanampy olona 376.000 ireo tetikasa ireo.
Sambany eto Madagasikara ihany koa ny USAID no miara-miasa aminâny Foibe Iraisam-pirenena ho anâny Vomanga (CIP). Hiara-hiasa akaiky aminâireo tantsaha eto an-toerana ny CIP, hanentana sy hamporisika ny fambolena sy fihinana vomanga miaty volomboasary, izay sady be otrikaina no mahatanty hain-tany ary azo tehirizina mandritra ny enim-bolana, ka mahatonga azy io ho voly tena sahaza hanampiana ny ankohonana hiatrika ny maitso ahitra. Vahoaka 400.000 no hisitraka ity tetikasa ity.
Mamatsy sakafo vahoaka maherinâny 700.000 ny tetikasa vatsianâny fanjakana amerikana any atsimonâi Madagasikara aminâizao fotoana izao, mitsabo sy misoroka ny tsy fanjarian-tsakafo eo aminâny ankizy 92.900, manatsara ny fahazoana rano ho anâny olona 50.000, ary mampiroborobo ny fanarenana ara-toekarena amin'ny alalan'ny fambolena ho an'ny tantsaha 44.520.
Taminâny taon-dasa dia nahatratra 133,5 tapitrisa dolara ny fanampiana nentinâny USAID ho anâi Madagasikara. Izany dia nahitana $74.5 tapitrisa ho anâny tetikasa eo amin'ny sehatry ny fahasalamana izay i Etazonia no mpamatsy vola lehibe indrindra. Ny 48,5 tapitrisa dolara kosa dia ho an'ny fanjarian-tsakafo izay nitondranâny amerikana fanampiana ara-tsakafo ho anâny vahoaka malagasy miisa maherin'ny 1,5 tapitrisa iarovana azy ireo aminâny haintany mianjady any aminâny faritra atsimo.
Antananarivo, 10 desambra 2021
Masoivohonâi Etazonia eto Madagasikara / USAID Madagascar
Lah.: +261/20-23-48000 x 2584 | Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.
Lah.: +261/20-23-48000 x 2634 | Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.
************
New $25 Million Will Provide Emergency Food and Agricultural Recovery for Southern Madagascar
U.S. Embassy ChargĂ© dâAffaires Amy Hyatt has announced an additional $25 million dollars in emergency assistance to help alleviate the food security crisis in southern Madagascar.
This emergency assistance is provided through the United States Agency for International Development (USAID) on behalf of the American people and will fund four projects that will support agricultural recovery and feed people in southern Madagascar. An estimated 1.3 million people in the region are struggling with food insecurity. The lean season has just begun and access to food is expected to remain limited until at least April 2022.
âAssisting with the crisis in the south remains a top priority for the U.S. government,â U.S. ChargĂ© dâAffaires Amy Hyatt said. â$18.5 million will be provided to the World Food Programme (WFP) to allow them to continue providing life-saving food and cash assistance to more than 463,000 people.â
WFP will provide emergency assistance to some of the most-affected people. 239,200 people will receive food assistance and another 224,000 people will be provided with cash support.Since 2015, USAID has committed more than $261 million to the south and is the leading provider of emergency food assistance and activities to prevent and treat malnutrition in pregnant mothers and young children.
âIn the face of this crisis, we must continue to plan for the future,â USAID Mission Director John
Dunlop asserted. âThat is why we are also investing in agricultural recovery projects that will help farmers from the region experience more success with their future harvests.â Catholic Relief Services and Action Contre La Faim will provide seeds for drought-and-stresstolerant crops, re-equip farming families with tools, and ensure the supply of water for agricultural use. These projects will help 376,000 people.
For the first time in Madagascar, USAID is also partnering with the International Potato Center
(CIP). CIP will work closely with local farmers to teach and encourage them to grow and cook
orange-fleshed sweet potatoes, a highly nutritious vegetable that is also drought-resistant and can be stored for up to six months, making it an ideal crop to help families get through the long lean season.
This project will benefit 400,000 people. Projects funded by the U.S. government in southern Madagascar are currently feeding over 700,000 people, treating and preventing malnutrition in 92,900 children, improving water access for 50,000 people, and promoting economic recovery through agriculture activities for 44,520 farmers.
Last year, USAIDâs assistance to Madagascar totaled $133.5 million. That amount included $74.5
million in activities for the health sector, where the United States is the largest single-country donor, and $48.5 million for food security, where U.S. food assistance has helped more than 1.5 million Malagasy citizens survive through the devastating series of droughts that have struck southern Madagascar.
Antananarivo, 10 december 2021
U.S. Embassy Antananarivo / USAID Madagascar
Lah.: +261/20-23-48000 x 2584 | Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.
Lah.: +261/20-23-48000 x 2634 | Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.