]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

Eo amin’ny folo (10) eo aloha no vita boky, androany zoma 11 avrily 2025, momban’ny asam-pikaroana nataoko, mikasika ny fitrandrahana harena an-kibon-tany eto Madagasikara.

Tao amin'ilay trano printy nomerika

Tontosako avy hatrany ny laharam-pahamehana, dia ny nanatitra boky ho an’ny tranom-bokim-pirenena (« Bibliothèque nationale ») ao Anosy, sy ho an’ny tranom-boky monisipaly (« Bibliothèque municipale ») ao Analakely. Vakian’ireo mpianatra eo an-toerana izy ity. Mbola ho any Ankatso koa aho fa tsy adinoko akory ianareo eny amin’ny anjery manontolo manerana an’i Madagasikara.


Ny tanjona dia ny mba halalan-dry zareo ny zava-misy marina sy azo hamarinina, fa tsy hihaino feon-dakolosy sy tsaho fanaratsiana rano fotsiny fa tsy mandinika ny ho avin’ireo tanora maro an’isa eto Madagasikara mangetaheta firenena mandroso ho an’ny taranak’izy ireo.


Hatreto aloha, ireo mitabataba, mandainga, manaratsy ny hafa vao misoka-bava dia tsy nisy foto-drafitrasa vitany mba ho tadidin’ny Tantara fa aotra toa ny entiny any ankoatra any rehefa tonga ny ora sy fotoana handaozan’ity tany fandalovana ity ao anatin’ny indray mipi-maso.


Ny dingana manaraka ? Dia hanatonta boky eo amin’ny zato eo tonga dia alefa any amin’ireo tranom-boky sy sekoly misy ao Toliara ao. Ho tontosa io na dia miala vola am-paosy aho. Tsy hangoron-karena ny anton-diako eto an-tany, satria koa tsy omby fasana izany fiara 4X4 izany na izany villa luxe be izany.


Fa manana adidy hahatonga ny tanora ankehitriny ho ray aman-dreny mendrika ao anatin’ny fahamarinana sy ny fanajana ireo nialoha azy ireo. Ho tsapany fa aleho mifanena amina mpamosavy toa izay mifanena amina mpandainga mpanozon-tena.


Ireo boky nosoratako ka azo jifaina ao aminy Amazon (https://www.amazon.fr/s?k=jeannot%20ramambazafy...) dia porofo fa marina tokoa ny lazaiko matetika : ny fahavalon’ny Malagasy dia Malagasy toa azy ihany. Ny sisan’izay dia fiatsarana ivelan’ny tsihy.


Ka dieny izao, omeo « relais » (fomba fiampitana) mifototra amin’ny tsara sy ny marina ny taranakareo rankizy satria tsy maintsy ho faty daholo isika zanakolombelona ao anatin’indray mipi-maso. Indrisy fa mbola misy no tsy mino izany. Asa, voavidiny koa angaha Rafahafatesana ?

Jeannot RAMAMBAZAFY

Mis à jour ( Samedi, 12 Avril 2025 07:12 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30