]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

TSINDRIO ETO


Maninona tokoa moa no Ramatoa Harilala Ramanantsoa, Numéro, 7 no ho fidiako ho Ben’ny Tanànan’ny Renivohitr’i Madagasikara ? Raha laozan’ny sasany manaratsy sy mifanaratsy isaky ny manoka-bava, ny an’ny numéro 7 kosa dia praograman’asa azo tontosaina no resahiny fa tsy revin-gadra sy lainga manambany sy mampisara-bazana ny Malagasy.

Amin’ny maha-olom-pirenena tsy mpitsoaka adidy ahy -izay vao mpanao gazety-, dia ny numéro 7 no ho fidiako amin’ny Alarobia 11 desambra 2024. Hitako daholo mantsy ny zava-niseho teto amin’ny Firenena, indrindra teto Antananarivo nanomboka ny taona 1972. Mora tokoa no mandrava fa tsy vitan’ny vava be sy ny fialana bala no manarina.

Fa izao : mandehana aloha mifidy raha ampy taona ; avy eo mahaiza mifidy fa ianao irery ihany no ao amin’ilay efitra kely ao, tsy hisy handrebireby.


Ho ahy manokana dia efa eo amin’i Ramatoa Harilala Ramanantsoa, numéro 7, no ho asiako lakroa eo aminy biletà tokana. Olon’ny fandrosoana sy manana traikefa eo amin’ny fitantànan-draharaha ankapobeny izy, fa tsy olona vao hiana-draharaha ka ho rembin’ireo mpanao afera maloto amin’ny resaka kolikoly mamotika firenena.


Saika lafon-dry Ravalomanana mivady anie ry ireto ny zaridain’Antaninarenina, ny zaridaina ao Ambohijatovo sy ny zaridaina manoloana ny Esca eo Antanimena e ! Ny sisin-dàlana moa dia ireo hita maso ireo, valo taona aty aoriana. Ny resaka « récépissé » ana « permis de construire », ny taona 2016, aoka fotsiny. Misy porofo daholo izany fa ny ankehitriny aloha atrehina ary misy fotoanany ny zava-drehetra.


Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Dimanche, 08 Décembre 2024 17:19 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30