]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche New York. Basy mifatotra asa tanan’i Carl Reuterswärd naman’i John Lennon (Beatles)

New York. Basy mifatotra asa tanan’i Carl Reuterswärd naman’i John Lennon (Beatles)

Io sarina basy mifatotra eo ambon’ny lohako io dia mitondra ny anarana hoe: “Knotted Gun” na koa basy mifatotra.


Izy io dia sanganasan’ilay teratany avy ao Suède, Carl Fredrik Reuterswärd na Carl Reuterswärd fotsiny, sady mpanoratra no artista mpanao sary sokitra. Taorian’ny nitifiran’i Mark David Chapman an’i John Lennon (iray amin’ny tarika anglisy malaza eran-tany Beatles), ny 8 desambra 1980 tao Central Park New York, dia niangavy azy i Yoko Ono -vadin’i John Lennon- hamorona sangan’asa mitaratra ny fijerin’ilay maty izany fandriampahalemana maneran-tany izany sy ny atao hoe “Non-Violence” (tsy fisiana erisetra).


I John Lennon moa namana tena akaikin’i Carl Reuterswärd raha teo ka tsy nisalasala ity farany niketrika ka dia io “Knotted Gun” io no vokany, izay nalaina tahaka tamina basy Colt Python 375. Vao vita izy io dia napetraka teo anoloan’ny tranon-dry John sy Yoko ao Strawberry Field, Central Park, New York ilay “Knotted Gun”.


Telo no tena sanganasan’i Carl Reuterswärd mitovy amin’izy io, mirefy 1,50m. Ny voalohany napetraka eo anoloan’ny garan-dalamby ao Malmö (Suède); ny faharoa nomen’ny governemantan’ny Luxembourg an’ny Firenena Mikambana ao New York, ary ny fahatelo dia napetraka ao amin’ny Komisiona Eoropeana ao Luxembourg.

Ny taona 1993 dia lasa fanevan’ny Ong “Non-Violence Project Foundation” (Fikambanana tsy miankina miady ho an’ny tsy fisian’ny erisetra) ilay izy. Izy ity dia natsangana hampianarana ny tanora hamaha olana am-pilaminana, am-piresahana fa tsy amin’ny alalan’ny erisetra.

Nisy ihany koa “Knotted gun” fa kely refy napetraka ao amin’ny zaridain’ny Skissernas Museum”, ao Lund any Suède.


Amin’izao fotoana izao dia toa miisa 30 ny dika mitovy (“répliques”) an’io sanganasan’i Carl Reuterswärd io, izay miparitaka maneran-tany mihitsy. Ny taona 2003 dia nanokatra vinan’asa ny fikambanana “The Non-Violence Project”. Inona, hoy ianareo ? Ny hisiana dika mitovy amin’ny Basy mifatotra io ao amin’ny firenena tsirairay avy maneran-tany.


Ny 3 mey 2016 i Carl Fredrik Reuterswärd no nodimandry teo amin’ny faha-81 taonany, tratry ny AVC (“accident vasculaire cérébral”). Tapaka lalan-drà raha adika mivantana. Ny sangan’asany kosa dia hitoetra mandrakizay ary hiroborobo maneran-tany mihitsy aza.


Tononkira faran’ilay hira Imaginenirain’i John Lennon

Imagine all the people living life in peace
You may say that I’m a dreamer
But I am not the only one
I hope someday you’ll join us
And the world will live as one.

DIKANY

Alao sary an-tsaina ny olona rehetra miaina am-piadànana (na am-pilaminana)

Mety hilaza ianao fa mpanonofy aho

Tsy izaho irery anefa [no misaina izany]

Manantena aho fa indray andro any dia hiaraka aminay ianao

Ary ho iray izao tontolo izao [amin’izany foto-pisainana izany].

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mercredi, 21 Septembre 2022 10:54 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30