]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Rabetsaroana hoe ? Ny anarana tanim-boanjo tokoa…

Rabetsaroana hoe ? Ny anarana tanim-boanjo tokoa…

Maro ireo olona mahafantatra tsara an’Andriamatoa Willy Sylvain Rabetsaroana sy ny fianakaviany no taitra raha vao navoakan’ny Polisim-pirenena ity fampilazana fikaroana an’izany Jean Didier Rabetsaroana izany. Sady amin’izay koa hoe Tale Jeneraly ana orinasa.

Willy Sylvain RABETSAROANA

Avy hatrany moa dia lasa 1 miampy 1 mira 2 ny an’ny ankamaroan’ny mpikirakira Facebook fa hoe rahalahin’i Willy Rabetsaroana io ! Cousin-ny mihitsy io ! Rehefa tsy maka sarotra tokoa dia izany ihany mby ao an-doha ao. Ary nisy mihitsy aza niantso ahy mikasika io olona karohin’ny polisy io.


Raha ny fianakavian’Andriamatoa Willy Rabetsaroana aloha dia ny rainy, izay efa nodimandry ny 08 Jona 2000 no fantatro. PAPA no fiantsoana azy ary mbola tsy nahita Malagasy manankarena tsotra sy tia manampy ny hafa toa azy aho hatreto. Tao Mahamasina eo akaikin’ny "Epicerie du Quartier" amin'izao fotoana izao izy no nipetraka fa nanana birao teo amin’ny araben’ny fahaleovantena eo Analakely teo Antaninarenina, alohan’ny Pergola.

Izaho moa rehefa manao fikaroana dia mitady mihitsy. Ka rehefa mitady dia mahita. Matoa tsy mahita dia satria tsy mitady.

Rehefa nikaroka ary aho dia efa diso be ilay fampilazana navoakan’ny Polisim-pirenena ao amin’ny Facebook io hitanareo io ambony io : Tsy izany Rabetsaroana Jean Didier izany no anaran’io olona tadiavina io fa Jean Didier BETSIAROANA. Lavitry ny afo tokoa ny kitay eto.


Ny orinasa Revaforage dia misy ary miara-miasa amin’ny Banky afrikana momban’ny fampandrosoana na ny BAD.

Fa izany orinasa FORAMA izany indray kosa dia toa “fantôme” tsy hita n’aiza n’aiza.


Tsy fanta-tsika mazava, hatreto, ny antony nahatonga io Jean Didier BETSIAROANA io tadiavin’ny mpitandro filaminana (“avis de recherché”).Toa hoe nisoloky, araka ity lahatsoratra manaraka ity:

Fa ny rahalahiny Jean Galbert Betsiaroana, tompon’ny Etablissements Kinga, kosa aloha dia voasaringotra amina raharaha fanondranana “bois de rose”, tao anatin’ny fotoan’ny niantombohan’ny Tetezamita, niaraka tamin-dry Jeannot Ranjanoro, Roger Thunam, Jean-Pierre Laisoa, Claude Bezokiny, Patricia Soa (Lo Seing) anabavin’ny Jeannot Ranjanoro, Thierry Body, Ramialison Arland, Michel Malohely, Martin Bematana, Chan Lane, Grégoire Ndahiny, William Guerra, Angelin Befototo, Maurice Paula, Jacky Manambola, Claudia Bezokiny (tsy manana rohim-pihavanana amin’I Claude Bezokiny), Rachid Patel, Eric Foeng sy Jao Hasy. Ny rohy mampitambatra ireo olona rehetra ireo ? Avy ao Antalaha jiaby jiaby.

Raha iverenako ny fianakavian’Andriamatoa Willy Sylvain Rabetsaroana dia ireto ihany no tena havana akaiky dia akaiky aminy.

Ny ray aman-dreniny : Irénée Rabetsaroana Rabefanonta na i Papa sy Julia Rabefanonta.

Ny mpiray tampo amin'i Willy Sylvain : Alain, Jocelyn, Johnny, Flavien (efa nodimandry) ary Princy Rabetsaroana. Tsy nanana anabavy ry zareo ireo.


Farany, dia ilay resaka anarana tanim-boanjo. Nisy ilay Antsaly Ny Aina Rajoelina voahosotra “Miss Madagascar 2022”. Dia efa nisy nilaza fa “zanaka anelan-kelan-tranon’ny Filoham-pirenena” !

Satria koa tao amin’ny Arena Ivandry no notontosaina ny famaranana. Be tokoa no lalin-tsaina nefa toa tsy mankaiza eo amin’ny fiainany andavanandro, mandany ny fiainana fandalovana ity manaratsy ny hafa sy mifanilika. Eisy e!

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Samedi, 23 Avril 2022 04:21 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30