]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Loholon’i Madagasikara. Nidera ny fasahian’ny Filoha Andry Rajoelina

Loholon’i Madagasikara. Nidera ny fasahian’ny Filoha Andry Rajoelina

Solimotel Anosy, 12 May 2020. Naneho ny heviny mahakasika ny fitsaboana amin'ny alàlan'ny tambavy CVO ireo Loholon'i Madagasikara. Navoitran'izy ireo tamin'izany fa dingana lehibe izay lazan'i Madagasikara no nafahan'ireo manampahaizana mpikaroka malagasy sy ny IMRA namokatra ity Tambavy CVO ity. Porofo fa mahomby ny fitsaboana aminy, dia maro ireo firenena afrikana izay tonga nidododo naka ny anjara fanampiana nomen'ny firenena malagasy ho azy ireo. Teo ihany koa ny fanambarana izay nataon'ireo mpikaroka Senegaly izay nilaza fa azo atao tsara ny mampiasa ity Tambavy CVO ity.

"Maneho firaisankina amin'ny vahoaka malagasy rehetra, manoloana ny ady atao amin'ny Corona Viriosy", hoy indrindra ny mpitondra-ten’ny Loholona nandray fitenena, dia ny Loholona isany : Day Rabeniony, Kolo Roger ary Randriananadrazana Auguste. “Efa ela isika no niady mba hanomezana lanja ireo mpikaroka malagasy. Tamin'ity fitondrana ity dia tsy vitan’ny resaka sy fampanantenana fa dia tonga amin'ny tanjona isika ka nahitana ny tambavy izay vokarin'ny IMRA”, hoy ihany izy ireo. “Deraina manokana”, hoy ireto Loholona ireto ihany, “ny fasahian'ny Filoha Andry Rajoelina manoloana ireo fanaratsiana sy tsindry ary sakatsakana maro samihafa momba ny ezaka ataon'ny mpitondra ankehitriny”.

“Noho ny tombontsoan'ny Malagasy dia tsy nilavo lefona fa nanao ezaka rehetra nafahana nanao ezaka rehetra nahitana ny fanafody”, hoy ry zareo nanohy. Nanentana ny vahoaka malagasy ireo Loholona tsy hisalasa amin'ny fisotroana ity tambavy ity. “Lahy tokana ny aina ka tsy tokony hisangisagy isika”. Nirary ny vahoaka malagasy tsy vaky volo ho samy salama ireo Loholona ireto.

Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Mercredi, 13 Mai 2020 08:55 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30