Adidiko izany ny manazava fa lasa diso hatrany ny andraisanâny olon-tsotra azy. Izany rahateo koa no anisanâny asa makadiry sahanâny mpanao gazety : fanabeazana. Andao ary.
Ny «virus», na virosy aminâny teny malagasy dia karazana mikraoby manokana, mbola kely indray noho ny bakteria fa latsaka ny 0,2 ampaharivon' ny milimetratra ny habeny. Tsy tsy hita maso izy io fa tsy maintsy mampiasa mikraoskopy manokana vao tazana. Ny virosy dia fototry ny aretina maro toy ny gripy, ny poliomielita, ny Sida.
Raha ity Sida ity no resahina dia ny «Virus de l'immunodĂ©ficience humaine» na VIH no mitondra azy ary ny Sida dia voambolana miala avy aminâny aretina atao hoe : «Syndrome d'immunodĂ©ficience acquise». Karazana homamiadanâny ra na lio izy ity. Raha fintinina dia ny VIH no mitondra ny aretina Sida.
Mararinâny Sida izany no fiteny fa tsy hoe mararinâny VIH.
Raha resahintsika aminâizay ireto coronavirus sy covid-19 ity dia mitovy aminâizay ihany ny fanazavana. Coronavirus dia teny latina «corona» sy «virus» midika «virus Ă couronne» na virosy misy satro-boninahitra raha adika teny malagasy.
Maro karazana sy fianakaviana ireo atao hoe coronavirus ireo.
Fa ny tena nitondra aretina mahafaty dia ireto :
1. Ny «Coronavirus du syndrome respiratoire aigu sévÚre» na SARS-CoV (indraindray SARS-CoV-1).
Io no nitondra ny aretina fahasemporana mifindra aingana atao hoe «Syndrome respiratoire aigu sĂ©vĂšre » na SRAS. de 2002 Ă 2004. Tany aminâny faritanâi Guangdong, any Chine, izy io no nipoitra ny volana novambra 2002. Teo anelanelanâny 1 novambra 2002 sy ny 31 aogositra 2003, dia nifindra tamina olona miisa 8 096 tamina firenena telopolo teo io Sars-CoV io. 774 ny olona matiny tany Chine, Hong Kong, TaĂŻwan, ary tany Atsimo-Andrefananâny Asia.
2. Ny «Coronavirus du syndrome respiratoire du Moyen-Orient» (anglisy : «Middle East respiratory syndrome-related coronavirus») na MERS-CoV. Izy io dia tao aminâireo tany Arabo no nipoitra ny taons 2012 ary nitondra ny aretina pneumonia.
Olona miisa roa no matinâity MERS-CoV ity.
Ny voalohany dia avy ao Qatar, fa maty tao Jeddah (Arabie Saoudite) taminâny volana septembra 2012.
Ny faharoa, dia olona 60 taona maty tany Allemagne, ny volana jona 2015 (eny!), rehefa avy novahiny tany aminâny Ămirats arabes unis.
3. Ny coronavirus COVID-19 ho anâny hoe «Corona Virus Disease 2019» aminâny teny anglisy. Ity no mahavoa anâizao tontolo izao. Tany aminâny faritra Wuhan, any Chine, no nipoirany ny volana desambra 2019. Izay no nahatonga ny anaranâilay aretina hoe Covid-19 nosafidiananâny OMS. Raha oharina aminâireo coronavirus nialoha azy dia tena ity no mora mifindra indrindra ary raha tezaina aretina hafa ny olona iray dia sahirana tokoa.
Izay izany ny mikasika ny hoe Coronavirus sy Covid-19. Ny voalohany izany no mitondranâny faharoa. Tsy fiteny velively izany ny hoe : tratra na mararinâny aretina coronavirus. Mila hahitsy na ireny hira ireny aza. Tsy nidirako mihitsy ny antontanâisa fa fantatrareo fa maneran-tany izy io no tena «mamely» ary mahafaty. Ka samia mailo mihaino sy manaraka hatrany ny toro-marika rehetra avy any aminâny fanjakana mahefa.
Saika adinoko kanefa tena tsara ho fantatrareo ity : misy ireo ilona atao hoe «porteurs sains» dia ireo olona nidiranâilay coronavirus -nâinona nâinona ny anarany, na SARS-CoV na MERS-CoV na COVID-19- fa tsy tratranâilay aretina. Fa tandremo : na salama aza ry zareo, mifindra foana ilay coronavirus ao aminy.
Ireo no misy eto Madagasikara mahatonga ny tsy fisianâny fahafatesanâolona hatreto. Ny antony ? Manana fanefitra («anti-corps») matanjaka afaka manohatra ilay coronavirus ny ankamaroanâny Malagasy eto Madagasikara. Ary tadidio fa ny coronavirus na mora mifindra aza dia vetivety koa dia maty ho azy. Io trangan-javatra io kosa dia tokony ny manampahaizana no manazava azy. Ataoko fa vita aminâireo navelabelatro ireo ny adidiko.
Ary dia misaotra anareo naharitra namaky hatraminâny farany, tompoko.
Jeannot Ramambazafy