]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Société Civile Madagasikara. Fifidianana kaominaly: hitondra korontana sa fitoniana?

Madagasikara. Fifidianana kaominaly: hitondra korontana sa fitoniana?

Groupe des Experts Nationaux (GEN)

Rue Rajakoba Augustin Ankadivato Antananarivo

E-mail : Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.

Tél : 22 663 99 Fax : 22 663 59

---------

N/Réf. : GEN-290.07.15/MR/rh

Fifidianana kaominaly : hitondra korontana sa fitoniana?

Manoloana ny fifidianana kaominaly izay ho tanterahina afaka 15 andro, dia mampahatsiahy ny Groupe des Experts Nationaux (GEN), araka ny famelabelarana natao ny 21 avrily 2015, fa ny fifidianana kaominaly no taratry ny fametrahana ny demokrasia eny ifotony sy eto amin’ny firenena ary tokony ho taratry ny fahalalahana maneho hevitra ary ny safidy malalaka.

Herintaona sy tapany tao aorian’ny namoahana ny vokatry ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavam-bahoaka no nandraisana ny fanapahana hanaovana fifidianana kaominaly.

Efa tonga ny fitaovana hanatanterahana ny fifidianana avy any Dubai izay miisa 8.972.350 bileta tokana (bulletins uniques) sy valopy (enveloppes inviolables) 160.793 ary 20.072 procès-verbaux autocopiants.

Iaraha-mahalala anefa fa ao anatin’ny savorovoro tanteraka ny fiainam-pirenena sy ny zavamisy ara-piarahamonina : fitokonan’ny mpiasan’ny Air Mad, ny Sampan-draharahan’ny fananan-tany (Domaines), Seces, Paramed…

Manoloana ireo rehetra ireo dia mahatsapa ny GEN fa :

-Misy fanaparam-pahefana mibaribary amin’ny alalan’ny famoriana olona, hanerena ny solontenam-panjakana (Prefet – Chef de District – Délegué Administratif ), maneho ampahibemaso ny fanolorana ny kandida HVM;

-Tsy fandraisana andraikitry ny CENIT manoloana ireo tsy fanarahan-dalĂ na;

-Lisim-pifidianana tsy ho fantatra raha tsy amin’ny andron’ny fifidianana;

-Tsy fisian’ny fanabeazana ny olom-pirenena manoloana ny fampiasana ny bulletin unique tsy misy sary, tsy misy anarana;

-Tsy fisian’ny Panneaux d’affichages,

-Fanagejana ny haino aman-jerim-panjakana.

…/2

- 2 -

Vokany :

-Tsy ho voafehin’ny CENIT ny fitantanana ny fifidianana izay hiteraka savorovoro eo amin’ny fampiasana ny bulletin unique sy ny fampielezan-kevitra;

-Takon’ny olàna any an-tampony ny fiatrehana ny fifidianana nohon’ny tsy fifankazahoana eo amin’ny andrim-panjakana roa tonta;

-Amin’ny andron’ny fifidianana dia ho lany andro hijery ny anarany ao anaty lisim-pifidianana ny olom-pirenena.

Soso-kevitra :

-Atsahatra ny fampihorohoroana ny mpiasam-panjakana amin’ny endriny rehetra;

-Hajaina :

*ny neutralité de l’administration

*ny fahaleovantenan’ny Tribunal Administratif eo amin’ny fikirakirana ny vokatra sy fandinihana ny fitarainana

-Ny vokatra vonjimaikan’ny fifidianana havoakan’ny CER (Commission Electorale Régionale) dia tokony havoaka faran’izay haingana mba hialàna amin’ny ahiahy (Art 121 du Code electoral).

-Manentana ny olom-pirenena mpifidy handray andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny safidiny.

Antananarivo, faha-15 jolay 2015.

Madeleine Ramaholimihaso, Hery Rakotomanana, Bruno Rakotoarison, Charles Rakotonirina, Jean de Dieu Raveloson, Zafimandimby

Mis Ă  jour ( Jeudi, 16 Juillet 2015 15:24 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30