]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Madagascar Etats-Unis. Relance des programmes anti-Sida dans les hôpitaux militaires

Madagascar Etats-Unis. Relance des programmes anti-Sida dans les hôpitaux militaires

Fitaovam-pitsaboana mitentina 820.000$ no natolotry ny Departemanta Amerikana misahana ny Fiarovana sy ny Tetikasa C.U.R.E. ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena Malagasy

ANTANANARIVO, 27 Novambra 2017 – Nambaran’Atoa Robert T. Yamate, Masoivoho Amerikana, androany ny fanolorana fitaovam-pitsaboana mitentina 820.000$ amin’ny anaran’ny Departemanta Amerikana misahana ny Fiarovana sy ny Tetikasa C.U.R.E. ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena Malagasy, Jeneraly Béni Xavier Rasolofonirina, hanohanana ny sehatry ny fahasalamana sy ny filaminana eto Madagasikara.  Ity fanampiana ity dia tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasan’ny Departemanta Amerikana misahana ny Fiarovana hisorohana ny VIH/SIDA (DHAPP) ary hatolotra ny Centre Hospitalier de Soavinandriana sy ny Direction Centrale de Service de Santé Militaire.  Raha ny fanabeazana, fisorohana sy fitsaboana ny VIH/SIDA no tanjona voalohan’ny fandaharanasa, dia tsy ho tratra izany tanjona izany raha tsy misy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa amin’ny ankapobeny hoenti-mitsabo amin’ireo toeram-pitsaboana ireo.

Ny tolotra mivantana fitaovam-pitsaboana mitentina 24.000$ no mamaritra ny dingana voalohany amin’ny fiverenan’ny fanampiana mivantana ao anatin’ny fandaharanasa DHAPP ho an’ny Tafika Malagasy.  Hoy indrindra ny Masoivoho Yamate: “Manantena izahay ny hanitarana ny fanohanana entin’ny fandaharanasa DHAPP mba hiverina amin’ny lentany nialoha ny taona 2009, satria tamin’izany izahay dia afaka nanohana ireo toeram-pitsaboana enina erak’i Madagasikara.” Satria ny VIH/SIDA dia mety hanohintohina ny filaminam-paritra aty Afrika, dia niasa mba hisorohana ny VIH/SIDA ny Departemanta Amerikana misahana ny Fiarovana nanomboka ny taona 1999, sady nikatsaka ny hampihenana ny fitrangan’ny VIH/SIDA isan-taona miaraka amin’ireo mpiara-miombonantoka amin’ny tafika amin’ny alalan’ity fandaharanasa DHAPP ity.

Ny Fikambanana Amerikana tsy miankina manao ny Tetikasa C.U.R.E. dia nanolotra ny ampahan’ny fitaovam-pitsaboana mitentina eo amin’ny 800.000$ eo, ka tsy natao hitiliana sy hitsaboana ny VIH/SIDA fotsiny fa natao koa hanohanana ireo tolotra ara-pitsaboana fototra amin’ireo toeram-pitsaboana roa voalaza ireo.  Nohon’ny fanampian’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena Malagasy sy ny Masoivoho Amerikana dia nisy solontenan’ny tetikasa C.U.R.E. tonga nitsidika ireo hopitaly roa ireo ny volana desambra 2016 ka nahafahany nanangona “containers” roa feno fitaovam-pitsaboana mba hanohanana ny asa feno fandavantena ataon’ireo mpiasan’ny fahasalamana izay miasa amin’ireo toeram-pitsaboana ireo ho fanasoavana ny vahoaka Malagasy.

Ny Tetikasa C.U.R.E. dia fikambanana amerikana tsy miankina manao asa soa ary tsy mitady vola izay miasa amin’ny sehatry ny fahasalamana mba hanolorana fitaovam-pitsaboana ireo hopitaly sy toeram-pitsaboana mila izany aty amin’ny firenena andalam-pandrosoana.  Io fanolorana fitaovana mifandraika amin’ny filàn’ny sampam-pitsaboana mandray izany io dia fanampiana fohy ezaka hampitomboana ny fahazoana fitsaboana no sady manana tanjona lavitrezaka ny hanamafisana ny rafi-pitsaboana ho an’ny fiaraha-monina.

U.S. Embassy Madagascar

Mis à jour ( Lundi, 27 Novembre 2017 16:33 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30