]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Nivo Ratiarison. Tsy ampy azy ny sazy 5 taona fa mbola nanafika ny mpaka sarin’ny madagate.org

Nivo Ratiarison. Tsy ampy azy ny sazy 5 taona fa mbola nanafika ny mpaka sarin’ny madagate.org

Tsy asiako sary ao anatin’ity lahatsoratra ity fa mazava be ny ao anatin'io vidéo eo ambony io

Io ambony io kosa ny vidéo nalaina nivantana tamin'ny Viva Tv ny 12 Aprily 2017 ihany


Efa nivadika ve ny lohan’ity Talen’ny Kabinetran’ny minisitra Andrianjato teo aloha fa dia tena nanafika tsotra izao ny mpaka sarinay Harilala Randrianarison? Fa dia mihevitra ve izy fa tsy hisy naka sary sy vidéo ny fihetsiny nefa vao avy nomelohin’ny fitsarana higadra 5 taona an-terivozona (« travaux forcés ») miampy lamandy 80 tapitrisa ariary?

Asa marina ny tena heviny aloha. Marihina fa manana telo andro izy mampakatra ny raharahany (« appel ») sao mba ho rava ilay didim-pitsrana. Fa izahay ato aminy madagate.org kosa dia hitory azy satria simba tanteraka ilay faka sary nefa io no ameloman’i Harilala ny vady aman-janany.


Fa ankoatra ny fitorianay dia nanao fanambarana iombonana koa ny Biraon’ny Filankevitry ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara sy ny Fikambanan’ny Mpaka Sary an-gazety eto Madagasikara (CRIMAD) izay hitory ihany koa. Satria masina ity asa ity ka tsy maintsy mifanome tanàna ny mpanao gazety satria izany firehana politika izany ho an'ny mpikaram'ady ihany.  

Jeannot Ramambazafy

Talen’ny famoahana sy Tonian-dahatsoratra

www.madagate.org

FANAMBARANA IOMBONANA

Ny Biraon’ny Filankevitry ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara sy ny Fikambanan’ny Mpaka Sary an-gazety eto Madagasikara (CRIMAD)

Dia manao izao fanambarana izao:

Taorian’ny fihetsika feno herisetra sy habibiana nataon’i Nivo Ratiarison sy ny olona iray niaraka taminy, noho ny raharaham-pitsarana nahazo azy, natao tamin’ny mpaka sary an-gazety, manameloka izany fihetsika izany ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara. Vaky sy simba tamin’izany ny fitaovan’ny mpanao gazety avy amin’ny Madagate.com ary mbola nisy fandrahonana nataon’ilay olona voaheloka nandritra izany fotoana izany.

Tsy ekena ary helohinay Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara ny fihetsika nanimba ny fitaovam-piasan’ny mpanao gazety sy fikasihan-tanana ny mpanao gazety teny amin’ny Fitsarana androany alarobia 12 avrily 2017 teny amin’ny fitsarana Anosy.

Noho izany dia hitory sy hitondra ny raharaha eo amin’ny fitsarana izahay satria araka ny voalaza ao anatin’ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety, araka ny andininy faha-68 dia tsy azo atao ny manimba ny fitaovan’ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany.

Ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara

Rakotonirina Gérard, Filohan’ny OJM

Ny Fikambanan’ny mpaka sary an-gazety

Rakotondrazaka Hery

Mpaka sary madagate.org

Randrianarison Harilala

Mis à jour ( Jeudi, 13 Avril 2017 11:34 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30