]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Rivo-doza Ana. Mialy R. Rajoelina tany Ambohitrimanjaka sy Ankorondrano

Rivo-doza Ana. Mialy R. Rajoelina tany Ambohitrimanjaka sy Ankorondrano

Vao Nigadona ilay rivo-doza Ana izay namela takaitra maro tao anatin’ny faritra atsinana, avaratra andrefana sy afovoan’i Madagasikara, tamin'iny volana janoary 2022 lasa iny, dia efa nivonona ny Association Fitia natsangan’i Ramatoa Mialy R. Rajoelina, vadin’ny Filoham-pirena, teo amin’ny fanampiana sy fandraisana an-tànana ireo tra-boina, indrindra fa eto amin’ny renivohitry ny Nosy sy ny manodidina azy.

Nisy fanomanana goavana tao nanjakan’ny firaisan-kina tanteraka. Ny 31 Janoary 2022 dia niditra an-tsehatra nivantana ny vadin’ny Filoha Andry Rajoelina.

Tao Antanimenabe Ambohitrimanjaka dia sady nizara koba aina izy sy ny mpiara-dia aminy no nanolotra fanampiana ho an’ireo tra-boina, toa ireo zavatra ilaina andavandro na ireo « Produits de première nécessité » na PPN (sira, vary, siramamy, menaka, voamaina…), kidoro sy bodofotsy, akanjo, jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, fanafody isan-karazany, arovava orona. Tsy adino ny nametrahana hopitaly mandehandeha na ilay hoe « clinique mobile » izay notsidihin’i Ramatoa Mialy.

Tao amin’ny kianja mitafo ao Ankorondrano indray dia fizarana mivantana sakafo ho an’ireo traboina no natao, ankoatra ny fizarana isan-karazana efa natao. Fa tsy aleho ve ny sary amin’izay no avelan-tsika hiteny.

Mialohan’izany anefa dia aleho aloha mampita ny fisaorana avy amin’ny Filoha mpanorina sy ireo mpikambana an-tsirapo mandrafitra ny Association Fitia :

« Tsy mora tokoa na ny teo amin'ny lafiny fizarana ny sakafo na ny teo amin'ny lafiny fandaminana ny toby, na ny fizahana ny fahasalamana.

Tsy vita samirery izany rehetra izany koa mankasitraka manokana ireo rehetra izay tsy nisalasala nanohana ary nifanampy taminay :

Ny Ministry ny Mponina

Ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka

Ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena

Ny Ministry ny Serasera sy ny Kolotsaina

Ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy Fanofanana ara-kasa

Ny Ministry ny Atitany

Ny Ministry ny Tanora sy Fanatanjahantena

Ny Ministry ny Angovo

Ny Solombavahoaka Antananarivo faha-III

Ny BNGRC

Ny Vokovoko Mena malagasy

Ny Direction des Affaires sociales et politiques de la Présidence

Ny CUA


Ireo mpitandro ny filaminana miantoka ny fandriampahalemana teny an-toerana rehetra:

Ny Tafika, ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena »./.

Jeannot Ramambazafy – Association Fitia

Mis Ă  jour ( Mardi, 01 FĂ©vrier 2022 09:59 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety