]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Tunisie Ticad 8. Hanome 30 miliara dôlara ho an’ireo firenena afrikana ny fanjakana japoney

Tunisie Ticad 8. Hanome 30 miliara dôlara ho an’ireo firenena afrikana ny fanjakana japoney

Tunis, sabotsy 27 aogositra 2022. Tamin’ny lahateniny nataony tamin’ny alalan’ny “videoconference” no nambaran’ny Praiminisitra japoney, Fumio Kishida, fa " ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ao Japon dia hanome fanohanana mitetina eo amin'ny 30 lavitrisa dolara mandritra ny telo taona ho avy, ho ireo firenena afrikana ".

Ny Praiminisitra japoney Fumio Kishida

Araka ny voalazan’ny Praiminisitra Kishida ihany dia mahakasika sehatra maro io fanohanana io ka anisan'izany ny fitomboana maitso (“croissance verte”), ny Fahasalamana, ny Fanabeazana, ny Maha-olona, ​​ny Fambolena, ary ny famporisihana ny fampiasam-bola (“encouragement à l’investissement”), indrindra eo amin’ny sehatry ny “start up””.

Notsindrin’ny Praiminisitra Kishida fa i Japon dia “te ho mpiara-miombon'antoka amina Afrika mivelatra miaraka aminy ary koa mahasahy miasa miatrika sy mandresy ireo fanamby”. "Hampiasa ny fomba fiasany manokana i Japon, mba hahatonga ny Afrikana sy ny loharanon-karenany hanjakan’ny fiarahamonina afrikanina mavitrika sy maharitra", hoy izy namarana ny teniny.

Ny Filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, notsenain' ny Filoham-pirenena Tonisianina  Kaïs Saïed

Raha tsiahivina dia mandray anjara feno amin’ny Ticad 8 ao Tunis io ny Firenena malagasy izay soloin'ny Filohampirenena, Andry Rajoelina, toa ny nataony tany Yokohama, Japon, tamin’ny Ticad 7 ny 28-30 aogositra 2019. Ny zoma 26 aogositra 2022 atoandro ny Filohampirenena Malagasy sy ny delegasiona miaraka aminy no nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina Tunis-Carthage, ary notsenain’ny Filohampirenena Tonizianina, Kaïs Saïed, ny Andry Filoha Rajoelina.


Fa inona moa ity fivorian’ny Ticad ity ? Ny dikan’io fanafohizanteny io dia « Tokyo International Conference on African Development » na Konferansy iraisam6pirenena’ny Tokyo momban’ny fampandrosoana ny Afrika. Ny taona 1993 dia tao Tokyo no nisian’ny fivoriana Ticad voalohany izay niarahan’ny governemanta japoney tamin’ny sampan’ny Firenena mikambana PNUD, ny Kaomision’ny Firaisambe Afrikana (CUA) ary ny Banky Iraisam-pirenena (“World Bank”).


Mivelatra amina fikambanana iraisam-pirenena, firenena mpiara-miombon'antoka amin'ny fampandrosoana ary andrim-panjakana hafa io Ticad io. Amin’izao andiany faha-8 ao Tunis izao, izay haharitra roa andro (27-28 agositra 2022), dia tetikasa miisa 82 no andrasana haseho, izay mitentina 2,7 miliara dolara. Ankoatra ireo Filoham-pirenena afrikana nasaina dia ireto avy ny olona mandray anjara amin’ity Ticad 8 ity: mpandraraha 300, ka 100 dia japoney misolo tena ireo sehatra ara-ekonomika 50 matanjaka indrindra ao Japon sy maneran-tany; mpandraharaha 100 ary mapandraharaha tonisianina 100. Ny Jica (“Japan International Cooperation Agency”) no mandrindra ny fanampiana avy amin’ny governemanta japoney aty Afrika.


Miorina manodidina amina andry telo ity Ticad 8 ity

Ho an'ny Toe-karena izay andry voalohany, dia ny fitadiavana vahaolana hanafainganana bebe kokoa ny fampiasam-bola Japoney any Afrika. Fa tsy adino ihany koa anefa ny fanohanana ireo “startup” miatrika olana ara-tsosialy sy ireo orinasa maitso. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo aty Afrika sy ny fiatrehana ny famatsiam-bola ho an’ny fampandrosoana.

Raha ny andry faharoa kosa dia mahakasika ny Fiaraha-monina. Ny tanjony dia ny hanorenana fiaraha-monina matanjaka sy maharitra,ny fampiroboroboana ny ezaka eo amin'ny sehatry ny Fahasalamana. Ao anatin'izany ny fepetra iadiana amin'ny Covid-19 sy ny fampiroboroboana ny “Universal Health Coverage” (UHC) azo adika amin’ny hoe fitsaboana manara-penitra ho an’ny daholo be; ny fanabeazana ny tanora sy ny vehivavy ary mahakasika ny tontolo iainana indrindra momban’ireo fepetra mifandraika amin'izany. Tsy adino ny fanabeazana amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny fisorohana ny loza.

Mikasika ny andry fahatelo farany, izay nampitondraina ny lohateny hoe Fandriampahalemana sy Fitoniana (“Paix et Sécurité”), dia mikasika ny fomba mahomby hanohanana ny ezaka ataon’i Afrika mba hisian’ny fandriampahalemana sy fitoniana maharitra; ny fanohanana ny fanamafisan’ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna, ary ny fisorohana ny disadisa isan-karazany.

Na hamaranana ity Ticad 8 ity moa dia ny Fanambarana iombonana izay hatao ny Alahady 28 aogositra 2022.

Jeannot Ramambazafy

Sabotsy 27 Aogositra 2022

Mis à jour ( Samedi, 27 Août 2022 18:04 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety