]
Les quotidiens du 19 Sep 2017
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Etazonia/Madagasikara. Voatsikera antsaky sy andavany ny tsy fahazain'ny fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina

Etazonia/Madagasikara. Voatsikera antsaky sy andavany ny tsy fahazain'ny fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina

TATITRA MIKASIKA NY ZON’OLOMBELONA TETO MADAGASIKARA TAMIN’NY TAONA 2016

FAMINTINANA ANKAPOBENY

Madagasikara dia firenena demokratika miorina amin’ny lalàm-panorenana, tarihin’ny Filoham-pirenena nofidiam-bahoaka, fahefana mpanao lalàna mizara roa (Antenimieran-doholona sy Antenimieram-pirenena), Praiminisitra ary minisitra maro. Tamin’ny taona 2013 ny Filoha am-perinasa sy ny Antenimieram-pirenena ankehitriny no voafidy, io no fifidianana nasionaly voalohany taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 nampiala ny filoha teo aloha Ravalomanana. Misy ny fifidianana ben’ny tanàna notontosaina nanerana ny firenena ny volana Jolay 2015 ka nahafahana nametraka ny Antenimieran-doholona tamin’ny volana Desambra 2015. Tontosa tamim-pilaminana avokoa ny fifidianana rehetra ary nambaran’ireo mpanara-maso iraisam-pirenena fa tamin’ny ankapobeny dia tontosa tao anatin’ny fahalalahana sy rariny, na dia vitsy aza ny mpifidy tonga nandatsa-bato sy ny nandàvan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ireo fitoriana rehetra niisa 31 avy amin’ny mpanohitra.

Nisy fotoana tsy voafehin’ny fitondrana ny mpitandro ny filaminana.

Anisan’ireo endrika fanitsakitsahana ny zon’olombelona nisongadina indrindra ny tsy fahafahan’ny fitondrana miantoka ny fanjakana tan-dalàna, izay nitarika kolikoly sy tsimatimanota teo anivon’ny manam-pahefana, sy fanararaotana nataon’ny mpitandro filaminana; fitomboan’ny faneriterena ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra, ny asa fanaovan-gazety ary ny fivoriana; ary ny fampiasana zaza tsy ampy taona, anisan’izany ny fampiasana an-tery zaza tsy ampy taona.

Anisan’ireo olana hafa mahakasika ny zon’olombelona ny fandatsahana aina tsy manara-dalàna; hamafin’ny fiainana any am-ponja, indraindray mitarika fahafatesana; ny tsy-fahombiazan’ny fitsarana izay tsy tena nahaleo tena, ka nitarika fahelan’ny fiandrasana ny fotoam-pitsarana; ny fanavakavahana ataon’ny fiaraha-monina sy herisetra mianjady amin’ny vehivavy; fampijaliana ankizy sy fampanambadiana zaza tsy ampy taona; fanavakavahana sy herisetra mianjady amin’ireo manana fahasembanana ary ny vehivavy manambady vehivavy, ireo Lehilahy Manambady Lehilahy, ireo sady Manambady Lehilahy no Manambady Vehivavy (LGBTI); fitsaram-bahoaka; ary ny fanondranana olona an-tsokosoko.

Nahalana ny fitondrana no nandray fepetra hanenjehana araka ny lalàna na hanasaziana ireo tompon’andraikitra nanararao-pahefana, ary mbola olana hatrany ny tsimatimanota.

Fizarana voalohany. Fanajana ny maha-olombelona, anisan’izany ny fahalalahana manoloana ny:

a. Fandatsahana aina tsy misy porofo na tsy manara-dalĂ na na noho ny antony ara-politika

Nisy tatitra maro nilaza fa nisy mpitandro filaminana na tompon’andraiki-panjakana nanao fandatsahana aina tsy misy porofo na ivelan’ny lalàna tamin’ny olona nahiana ho olon-dratsy. Ny ankamaroan’ireo fandatsahan’aina ireo dia nitranga nandritra ny hetsiky ny mpitandro filaminana hamongorana ny halatr’omby nataon’ny jiolahy mitam-basy tany amin’ny faritra afovoany, andrefana ary atsimo andrefan’ny nosy. Indraindray dia nirotsaka nanampy ny fitondrana hamongotra ny halatr’omby ny mponina ary nanjary tompon’antoka tamin’ny famonoana dahalo; indraindray izy ireo no nifanehatra tamin’ny ny mpitandro filaminana na nifanehitra teo amin’ny samy mponina.

Tamin’ny volana Janoary dia nisy tatitry ny Zandarimariam-pirenena nanambara fa niisa 36 ny olona nahiana ho mpangalatra matin’ny zandary nandritra taona 2015. Tsy tafiditra tao anatin’izany isa izany ireo maty nandritra ny Hetsika Fahalemana, hiarahan’ny akolafin-kery samihafa avy amin’ny mpitandro filaminana hamerenana ny fahefam-panjakana tany amin’ireo rafitra niisa 11 tena nanjakazakan’ny dahalo tamin-kerisetra. Voalaza fa an-jatony ireo nahiana ho dahalo matin’ny mpitandro filaminana nandritra io hetsika io, izay nifarana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny volana Desambra 2015. Nitohy hatrany nandritra ny taona ny famonoana olona nahiana ho dahalo. Na dia nampanantena aza ny manam-pahefana fa hanao fanadihadiana momba ireo tranga maro voalaza fa namonoana olona ho sazy tamin’ny taona 2015, dia tsy nisy naseho ho fanta-bahoaka ny valin’izany fanadihadiana izany. Nandritra ny taona dia voalazan’ny mpampahalala vaovao fa fahafatesan’olona tsy latsaky ny 199 no naha-voarohirohy ny mpitandro filaminana nandritra ny fifanandrinana mitam-piadiana, indrindra tamin’ny olona nahiana ho dahalo. Notaterin’ny mpampahalala vaovao ihany koa fa nisy mpitandro filaminana voarohirohy tamin’ny fahafatesan’ny mpitandro filaminana hafa, na indraindray tambanivohitra tsy manan-tsiny. Tamin’ny volana Jona dia nahatratra 23 ny isan’ny olona namoy ny ainy nandritra ny fifanandrinana tamin’ny mpitandro filaminana, ka mpangalatra ny 18 ary olon-tsotra ny dimy, rehefa nisy dahalo 80 lahy voalaza fa nanafika tanàna iray ka nangalatra omby niisa 100.

b. Fanjavonana

Tamin’ny volana Febroary dia nisy mpitrandraka harena an-kibon’ny tany tao Anjozorobe, nantsoina hoe Mandignisoa, nanjavona taorian’ny fifanandrinana tamin’ny zandary roa mifandraika amin’ny mpiambina ny Filoham-pirenena. Samy nilaza ny mpampahalala vaovao, ny fianakaviany ary ny olona sasany nanao fihetsiketsehana teo an-tanàna fa lavon’ny balan’ny iray tamin’ireo zandary izy io. Tsy hita anefa ny razana, na dia nilaza aza ny fianakaviany tany amin’ny faran’ny volana Martsa fa efa niravona tanteraka iny resaka iny. Nilaza ny lehiben’ny zandarimaria tao Antananarivo fa tsy nisy aina nafoy izany, ary tsy nisy tatitra nilaza fa nanao fanadihadiana nikasika izay fifampitifirana lazaina fa nitranga izay ny fanjakana.

c. Fampijaliana sy fampijaliana na sazy hafa maneho habibiana, tsy mendrika ny maha-olona na manetry ny maha-olombelona

Voalaza ao amin’ny lalàm-panorenana sy ny lalàna fa tsy azo atao ny manohintohina ny vatana sy fahasalaman’ny olombelona na izany aza anefa, nisy gadra sasany izay nampiharan’ny mpitandro filaminana herisetra ara-batana sy ara-tsaina, anisan’izany ny fampijaliana, araka ny tatitry ny fikambanana tsy miankina (ONG) sy ny mpanao gazety.

Nampiasain’ny mpitandro filaminana ny daroka, fanolanana ary fanimbana fanànana ho fanasaziana ireo nambara fa nahavanon-keloka na ho fanerena olona tsotra izao. Nisy mpitandro filaminana tsy am-perin’asa no sady mamo ka nandratra olon-tsotra. Matetika, tsy niafara tamina fitoriana teny amin’ny fitsarana akory  ny fanadihadiana nambaran’ny mpitandro filaminana fa hataony. Ohatra, tamin’ny 6 Martsa, dia nisy mpitandro filaminana mamo nitifitra ka nahafaty olona iray nahiana ho mpangarom-paosy tany Depot Manangareza Anjoma, any Toamasina. Voalaza fa nikasi-tànana an’ilay nahiana ho mpangarom-paosy tao amin’ny efitrano fisakafoanana ilay mpitandro filaminana, ary nitifitra raha nikasa hitsoaka ilay olona.

Ho tohin’ny fanadihadiana mikasika ny fisamborana tamin’ny taona 2015 an’Atoa Jean Pierre Randrianamboarina, mpitarika ny hetsiky ny mpianatra, dia niaiky ny zandarimaria fa tafahoatra ny fampiasana hery nataon’ny zandary sasany ary nampitainy hanaovan’ny fitsarana fanadihadiana ny raharaha, ka niafara tamin’ny 4 Febroary izany, ary maro ireo manam-boninahitra nahazo sazy arak’asa. Tsy nisy nipika anefa ny momba izay sazy nampiharina.

Nisy ihany koa mpitandro filaminana vitsivitsy voasambotra sy nampidirina am-ponja nandritra ny taona. Ny 14 May, dia nisy mpitsongodian’ny polisy voasambotra noho ny fihazonana zava-mahadomelina, satria nahitan’ny zandary fonosana rongony niisa dimy tao anaty fiarany. Ny 20 Jolay, dia nisy manam-boninahitra polisy tafiditra anisan’ireo olona sivy voasambotra satria voarohirohy tamin’ny fakàna an-keriny nisesy tao Antananarivo.

Ny 6 Aogositra, dia nisy manam-boninahitra polisy avy ao amin’ny “Service Antigang” nalefan’ny Tribonalin’Antananarivo any Tsiafahy rehefa nahiana ho voarohirohy tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tany Ampanefy, any atsimo andrefan’Antananarivo, izay faritra iadidian’ny zandarimaria. Notaterin’ny mpampahalala vaovao fa nisy manam-boninahitra polisy dimy hafa, ka niasa tao amin’ny fiadidiana ny repoblika ny iray, nanaovana fanadihadiana mikasika io raharaha io ihany, saingy tsy nosamborin’ny zandarimaria.

Tamin’ny volana Oktobra 2015 dia nisy manam-boninahitra zandary Malagasy niasa tao anatin’ny hery mpampandry tany avy amin’ny Firenena Mikambana tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo voampanga ho nanao fanararaotana ara-nofo tamin’ny mpiasa an-trano iray. Nisy fanadihadiana nataon’ny Firenena Mikambana, izay mbola tsy tapitra tany amin’ny fiafaran’ny taona. Tamin’ny volana Jona ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny dia nitatitra fa nisy sazy nomena io manam-boninahitra io taorian’ny fanadihadiana.

Fiainana any anatin’ny fonja sy toerana fitànana olo-meloka

Henjana sy mety hitarika fahafatesana hatrany ny hasarotry ny fiainana any am-ponja noho ny sakafo tsy zarizary, fahateren’ny fonja, toeram-pidiovana tsy zarizary ary fitsaboana ara-pahasalamana tsy tomombana.

Foto-drafitr’asa: Tany amin’ny volana Septambra, ireo fonja miisa 82 manerana ny firenena dia nahitana gadra manodidina ny 20.000, ka vehivavy ny 860, zazalahy niisa 634 ary zazavavy nahatratra 47; izany hoe saika avo roa heny nohon’ny 10.355 tokony ho zakany. Indraindray dia tafaraka amin’ny voafonja rehetra ireo mbola tsy ampy taona, ary nisy zazakely tsy mbola mianatra no niaraka tamin-dreniny tany am-ponja.

Grandir Dignement (Grow Up with Dignity), fikambanana tsy miankina iray mifantoka amin’ny zon’ny tanora voafonja, dia nahita fa niisa 714 ireo voafonja tsy ampy taona nandritra ny taona. Araka ny fanombanan’ilay fikambanana tsy miankina dia ny 48 isan-jaton’ny fonja no nanana toerana mitokana ho an’ireo tsy ampy taona.

Natambatry ny manam-pahefana ihany koa ireo miandry ny fotoam-pitsarana azy sy ny gadra efa voaheloka.

Olana goavana ny fihoaran’ny isan’ny voafonja noho ny fahosan’ny rafi-pitsarana ary ny tsy fahatomombananan’ny foto-drafitrasa any am-ponja. Misy fonja iray izay nahitana voafonja niisa maherin’ny im-balo mihoatra ny tokony ho zakany. Olana nanerana ny firenena ny fahelan’ny fihazonana am-ponja mandra-piandry fitsarana.

Araka ny voalazan’ny Komity Iraisam-pirenen’ny Vokovoko Mena (CICR), dia saika ny antsasaky ny voafonja rehetra manerana ny firenena no nianjadian’ny tsi-fanjarian-tsakafo mafimafy na tena mafy. Maherin’ny 4.000 ny isan’ny voafonja niharan’ny tsy fanjarian-tsakafo nokarakarain’ny CICR nandritra ny taona. Mangahazo fahefan-kilao isan’olona isan’andro no azon’ny voafonja tsirairay, raha tokony ho antsasa-kilao mahery izany. Nitatitra ny CICR fa nandritra ny tapany voalohany tamin’ny taona 2015, dia manodidina ny 50 ireo voafonja namoy ny ainy tany am-ponja, ary ny 27 amin’ireo fahafatesana ireo dia mety hisy ifandraisany amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Araka ny fikarohana nataon’ny Handicap International tamin’ny taona 2015, dia ny 66 isan-jaton’ny voafonja tany amin’ireo fonja telo lehibe indrindra–Vatomandry, Toamasina ary Toliary, no niharan’ny harerahan-tsaina lalina vokatry ny hasarotry ny fiainana any am-ponja. Araka ny tranga maro voarakitra an-tsoratra, dia ny aretina no vokatra voalohany mivantana nentin’ny fahafenoan’ny fonja tafahoatra, ny tsy fisian’ny fahadiovana sy ny fitsaboana ara-pahasalamana, ary ny tsy fanjarian’ny sakafo.  Araka ny voalazan’ilay fanadihadiana, dia ny 92 isan-jaton’ireo voafonja no nilaza fa “matetika no mahatsiaro noana.” Matetika ny fianakaviana sy fikambanana tsy miankina no niezaka nameno ny sakafo isan’andro ho an’ny voafonja sasany.

Nahatratra 90 ny isan’ny fahafatesana tany am-ponja voarakitry ny Ministeran’ny Fitsarana an-tsoratra tamin’ny taona 2015, ka tsy nisy na iray aza tamin’ireo fahafatesana ireo no vokatry ny zavatra nataon’ny mpiambina na mpiasa hafa tao amin’ny fonja.

Noho ny fiharatsian’ny foto-drafitrasan’ny fonja — toy ny tsy fahampian’ny fitaovana fidiovana sy ny rano madio — dia maro no voan’ny aretina isan-karazany sy voakaikitry ny bibikely. Voafetra ny fahazoana fitsaboana ara-pahasalamana, indrindra ho an’ireo voafonja any Tsiafahy, ilay fonja tsara ambina indrindra eo amin’ny firenena. Tsy tomombana, ary zara fa misy aza, ny fitaovana fampidirana rivotra madio, fanazavana, na fifehezana ny mari-pàna tany amin’ireo fonja.

Fitantanana: Tsy manara-penitra ny firaketana ireo antontan-taratasy momba ny fonja, sady tsy nisy fiaraha-miasa tamin’ny polisy sy mpitandro filaminana ara-pitsarana. Na dia misy aza lamina ofisialy hanaovana fitarainana mikasika ny tsy fanajana ny hasina maha-olombelona manoloana ny manam-pahefana ara-pitsarana, dia voafonja vitsy no nampiasa azy io noho ny tahotra ny valifaty. Nisy tompon’andriakitra tao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana nanao fisafoana tampoka. Nomen’ireo mpitandro filaminana alalana ireo gadra sy voafonja hotsidihan’ireo havany sy haneho sy hanaraka ny finoany. Azo natao ihany koa ny mitsidika ivelan’ny fotoana voafaritra raha toa ny mpiambina fonja ka omena tsolotra. Nisy fikambanana tsy miankina nitatitra fa mety hahazoana tombontsoa tsotsotra ny tsolotra, toy ny famelana ny fianakaviana hitondra sakafo ho an’ny gadra.

Fanaraha-maso tsy miankina: Tamin’ny ankapobeny dia omen’ny fanjakana alàlana hanao fanaraha-maso mahaleotena ny fiainana any am-ponja ny Komity Iraisam-pirenen’ny Vokovoko Mena (CICR), ny fikambanana tsy miankina maro, ary ny misiona diplomatika sasany. Navelan’ny Fitondrana malalaka ny ny CICR hanao ny fitsidihany tamin’ireo fonja lehibe indrindra manerana ny nosy nandritra ny taona, sady niresaka tamin’ireo voafonja, araka ny fomba fiasa mifehy azy. Neken’ny Fitondrana ihany koa ny fitsidihan’ny CICR voafonja miandry fotoam-pitsarana sy ireo notanana am-ponja vonjimaika.

Fivoarana tsapa: Araka ny nambaran’ny mpandrindra nasionalin’ny Grandir Dignement tamin’ny taona 2015, dia ny 48 isan-jaton’ny fonja no nanana toerana manokana ho an’ireo tsy ampy taona, izany hoe nisy fihatsarana 41 isan-jato raha ampitahaina amin’ny taona 2014. Ny fikambanana Association ChrĂ©tienne pour le DĂ©veloppement et l’Action Environnementale de Madagascar (ACDM), fikambanana tsy miankina mifantoka amin’ny fampandrosoana isan-tanĂ na, dia nanolotra fitaovam-panatanjahan-tena, zava-maneno ary fanampiana ho an’ny foto-drafitr’asa ho an’ny fonja niisa 10 tany atsimo.

Ny 22 Aogositra ny fitondrana dia nandany lalàna manafohy ny faharetan’ny fitànana am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsarana ho an’ireo tsy ampy taona ho telo volana ho an’ny ady madio ary enim-bolana ho an’ny ady heloka bevava.

d. Fisamborana na fihazonana am-ponja tsy misy porofo

Voararan’ny lalàm-panorenana sy ny lalàna ny fisamborana sy fihazonana am-ponja tsy misy porofo; na izany aza anefa, nisy fotoana tsy nanajan’ny manam-pahefana ireo fepetra ireo. Nisambotra olona tamina fiampangana manjavozavo ireo mpitandro filaminana, ary nohazoniny ela tsy nisy fitsarana ireo olona nahiahiana ho nahavita heloka.

Anjara asan’ny polisy sy ny mpitandro ny filaminana

Ny polisim-pirenena, teo ambany fahefan’ny Ministeran’ny Filamonam-bahoaka, no niantoka ny fitandroana ny fandriam-pahalemana sy ny lalàna an-tanàn-dehibe.  Ny zandarimaria kosa, eo ambanin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, no niantoka ny fitandroana ny fandriam-pahalemana sy ny lalàna tany ambanivohitra. Nanomboka tamin’ny taona 2015 dia nanomboka niasa bebe kokoa tany ambanivohitra ny miaramila, indrindra ho fitandroana ny fandriam-pahalemana any amin’ireo faritra anjakan’ny dahalo sy ny malaso.

Tsy voafehin’ny fitondrana ny olana mahakasika ny fanjakana tan-dalàna tany amin’ny faritra ivelan’ny renivohitra. Tsy nahavita nisakana sy nandray fepetra manoloana ireo herisetra teo anivon’ny fiaraha-monina ny mpitandro filaminana, indrindra tany ambanivohitra.

Tsy nanana rafitra mahomby hanaraha-maso, na hanaovana fanadihadiana mikasika ny fanaraoraotana ataon’ny mpitandro filaminana ny fitondrana, ary mbola olana ny fisian’ny tsimatimanota. Azon’izay niharan’ny tsy rariny atao ny manao fitarainana any amin’ny fitsarana nefa vitsy no mba nanao fitarainana toa izany.

Manan-jĂČ ny Tanana tsirairay hanana rafitra manokana hiarovany ny fananany sy ny filaminam-bahoaka ao aminy. Nampiharina tany amin’ny tanĂ na madinika sasany ny fitsarana tsy ofisialy najoron’ny fiaraha-monina, nantsoina hoe « Dina », mba hitsarana ny ady heloka tsotra eo amin’ny samy tanĂ na madinika, mikasika ny halatr’omby ohatra. Indraindray anefa dia sady henjana loatra ny sazy apetraky ny Dina no tsy nandalo fitsarana tsy mitanila, ary mety tsy niaro ny zon’ireo niharan’ny tsy rariny mihitsy.

Nitatitra ny gazety Ao Raha fa olona efatra voampanga ho mpanolana no tsy nidoboka am-ponja rehefa nifanaraka tamin’ny fianakavian’ilay voaolana tany amin’ny volana Martsa. Zazavavy 12 taona ilay voaolana, ary mbola tsy ampy taona ihany koa ny roa amin’ireo voarohirohy. Tany amin’ny tanànan’i Morafeno, distrikan’i Maevatanana, eo amin’ny 200 km miala an’Antananarivo eo no nitranga izany. Nanao fanadihadiana ny zandarimaria hamantarana hoe nahoana no tsy niatrika fitsarana ireo olona efatra voarohirohy ireo. Tsy nisy famintinana hentitra izany fanadihadiana izany hatrany amin’ny faran’ny taona.

Fomba fisamborana sy fitondrana ny voatazona am-ponja

Na dia voalazan’ny lalĂ na aza fa ilaina amin’ny fotoana rehetra ny didy fisamborana, ankoatry ny fisamborana taorian’ny fifanenjehana mivantana (fisamborana mandritra na fotoana fohy aorian’ny nitrangan’ny heloka bevava), dia matetika no nisy olona voatazon’ny manam-pahefana vokatry ny fitorian’olon-tsotra. Araka ny lalĂ na dia tsy maintsy ampangain’ny mpitandro filaminana na afahany ao anatin’ny 48 ora izay olona voarohirohy amin’ny heloka iray; nefa dia nisy olona notĂ nan’ny fanjakana nandritra ny fotoana nihoatra lavitra noho izany vao nampangainy na nafahany. Manan-jĂČ haka mpisolo vava sy hahafantatra ny heloka iampangana azy ny voampanga, ary izay tsy afaka manakarama mpisolo vava dia mahazo mpisolo vava notendren’ny fanjakana. Manan-jo hampahafantarina ny heloka iampangana azy ny voampanga, saingy mazĂ na no tsy nohajain’ny fanjakana izany zo izany. Matetika no nolavin’ny fanjakana ary tsy nasiany fanazavana ny fangatahana fahafahana vonjimaika. Matetika ny mpitsara no nampiasa ny “fandefasana am-ponja vonjimaika” ny voampanga mandra-pitsara azy. Ny lalĂ na no mamaritra ny faharetan’ny fotoana iandrasana ny fotoam-pitsarana any am-ponja sy fomba fampiasana ny “fandefasana am-ponja vonjimaika”, anisan’izany ny fitsipika mametra ny faharetan’ny fihazonana am-ponja arakaraka ny heloka iampangana, ka amin’ny ankapobeny dia valo volana farafahaelany ho an’ny heloka bevava; na izany aza dia nisy fotoana tsy voaaja izany lalĂ na izany. Tamin’ny ankapobeny dia azon’ny fianakavian’ny voafonja natao avy hatrany ny namangy azy ireo; nisy anefa ny voafonja, toy ireo nohazonina tany amin’ny toerana mihataka, na ireo gadra politika, tsy dia afaka nifanerasera loatra.

Ny Loholona RenĂ© Lylison, avy amin’ny antoko mpanohitra MAPAR, dia nampirisika ny olona hanao fihetsiketsehana hanohitra ny fitondrana, anisan’izany ny fanaovana tanĂ na maty tao Antananarivo tamin’ny 24 May. Na dia zara raha nisy nanaraka aza ny antso nataony, dia nampangain’ny fitondrana ho nanohintohina ny fiandrianam-pirenena izy. Niezaka nisambotra azy avy hatrany ny fanjakana tao anatin’ny fito andro, alohan’ny nivoahan’ny didy fampisamborana. Mbola tsy hita izay niafenany hatrany amin’ny fiafaran’ny taona. Amin’ny maha-Loholona azy dia tsy azo enjehina araka ny lalĂ na izy na samborina, raha tsy ao anatin’ny fifanenjehana mivantana.

Fisamborana tsy misy porofo: Nisy ny fisamborana tsy misy porofo nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ny mpanao gazety, mpanao fihetsiketsehana, mpanohitra ara-politika, na sivily hafa.

Fitànana am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsarana: Tamin’iny taona iny ny Ministeran’ny Fitsarana dia nitatitra fa manodidina ny 59 isan-jaton’ny voafonja rehetra no eo am-piandrasana ny fitsarana azy. Ny 67 isan-jaton’ny vehivavy voafonja, ny sy 88 isan-jaton’ny zaza tsy ampy taona voafonja dia mbola miandry ny fitsarana azy. Mety haharitra andro vitsivitsy hatramin’ny taona vitsivitsy ny fitànana am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Vao mainka nihombo izany olana izany noho ny tsy fahatomombanan’ny fitehirizana ny antontan-taratasy, ny fahanteran’ny rafi-pitsarana, ny tsy fahampian’ny isan’ny mpitsara, ny tsy fahampian’ny fitaovana. Maro ny voafonja no voatana mandritra ny fotoana maharitra noho ny sazy ambony indrindra mifandraika amin’ny fandikan-dalàna nisamborana azy.

Fahafahan’ny voajonja miady eny amin’ny fitsarana noho ny tsy fanarahan-dalàna mikasika ny fihazonana azy am-ponja: Ambaran’ny lalàna fa manan-jo ny voampanga hampakatra fitsarana ambony momba ny fitànana azy am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsarana, saingy tsy misy andàlana manokana miresaka ny zony hahazo fahafahana avy hatrany na onitra. Voalazan’ny lalàna fa tsy maintsy avotsotra avy hatrany ny voampanga iray raha eken’ny mpampanoa ny fanagtahana vonjimaika nataony.

e. Fandavana ny fitsarana tsy mitanila sy ampahibemaso

Voalazan’ny Lalàm-panorenana fa mahaleo tena ny fitsarana; na izany aza anefa, hita fa voabaikon’ny fahefana mpanatanteraka ny sehatra rehetra eo amin’ny fahefana mpitsara, sady mbola olana goavana ny kolikoly. Nisy fotoana nahatarafana fa efa voafaritra mialoha ny ho vokatry ny fitsarana raharaha iray, ary misy fotoana tsy voahaja na nampiharina ny didy navoakan’ny fitsarana. Noho ny tsy fahampian’ny fanofanana, hoenti-manana ary mpiasa dia narefo ny fahombiazan’ny fitsarana, ary niavosa ireo raharaha tsy mbola voatsara, araka ny nambaran’ny Fahalalahana House.

Voalazan’ny lalàna fa natokana hitsara ireo miaramila ny fitsarana miaramila, ary nitovy amin’ny fitsarana sivily ihany ny fizotran’ny fitsarana tamin’ny ankapobeny fa saingy manam-boninahitra miaramila no “jury”. Afaka mangataka ny hanafoanana ny didy nivoaka ny miaramila voampanga ary tamin’ny ankapobeny dia nitovy tamin’ny sivily ny zon’izy ireo, na dia tsy azon’ny besinimaro atrehina aza ny fotoam-pitsarana azy ireo.  Mpitsara sivily, izay matetika ampian’ny “jury” ahitana manam-boninahitra miaramila, no mitarika ny fitsarana miaramila.

Fizotry ny fitsarana

Voalazan’ny lalàna fa heverina ho tsy meloka aloha ny voampanga; matetika anefa no natao tsinontsinona izany foto-kevitra izany. Ny voampanga dia manan-jo hampahafantarina avy hatrany ny antony anenjehana azy araka ny lalàna, ary voalazan’ny lalàna fa manan-jo hahazo mpandika teny tsy andoavam-bola izy raha ilaina izany, manomboka eo amin’ny fotoana iampangana azy hatrany amin’ny fangatahana fanafoanana didy. Ny voampanga dia manan-jo hahazo fitsarana tsy miangatra, ary tsy misy fampiandrasana tafahoatra. Zava-pitranga matetika anefa ny fihazonana am-ponja maharitra nefa tsy misy fiampangana, ny fandavana fahafahana vonjimaika ary ny fanemorana hatrany ny fotoam-pitsarana.

Azon’ny besinimaro atrehina ny fotoam-pitsarana, ary manan-jo hiaro tena tanteraka eo amin’ny dingan’ny fitsarana rehetra ny voampanga. Na izany aza anefa, vitsy ny olona no nahafantatra izany zony izany, ary tsy ny voampanga rehetra no nampahafantarin’ny fanjakana ny fisian’izany zo izany. Fohy dia fohy tamin’ny ankapobeny ny fotoana nomena hiomanan’ireo voampanga tsy nangataka na tsy afaka nanakarama mpisolo vava, hanomanany ny lahateny fiarovany tena. Ny voampanga dia manan-jo hanatrika ny fotoana fitsarana azy, hahafantatra ny heloka iampangana azy, hiantso sy hampifanatrika vavolombelona, ary hanolotra porofo. Tamin’ny ankapobeny dia voahaja izany zo izany raha toa nanana mpisolovava ny voampanga. Azon’ny mpisolovava jerena ny porofo eo am- pelatan’ny fitondrana, saingy tsy manana izany zo izany ny voampanga tsy manana mpisolovava. Ny lalàna milaza ny zon’ny voampanga dia tsy milaza manokana ny amin’ny zo tsy ho azo terena hijoro ho vavolombelona na ny zo tsy hiaiky heloka. voalaza ao anatin’izany kosa ny zo hahazo fanampian’ny olona iray hafa mandritra ny fanadihadiana sy ny fotoam-pitsarana. Manan-jo hampiakatra fitsarana ambony koa ny voampanga nahazo didy fanamelohana.

Araka ny lalàna dia mihatra amin’ny voampanga rehetra ireo zo ireo, ary tsy nisy tatitra nilaza fa nisy vondron’olona tsy afaka nisitraka ireo zo ireo.

Gadra politika

Ny 3 Aogositra, voasambotra sy voampanga ho nanao hosoka tamin’ny resaka ady tany tamin’ny havany iray Alain Ramaroson, mpitarika antoko mpanohitra iray. Atoa Ramaroson, izay 62 taona tamin’izany ary tsy dia salama loatra, dia niara-nohazonina tamin’ireo voafonja hafa tao anatin’ny fepetra tsizarizary fahita manerana ny fonja rehetra manerana ny nosy. Nangataka fanafahana vonjimaika ny mpisolo vava azy, saingy tsy mbola nahazo valiny mahafa-po izany hatramin’ny fiafaran’ny taona. Notaterin’ny mpampahalala vaovao fa ny Ministeran’ny Fitsarana no nisakana tsy hahazoany fanafahana vonjimaika ka nohazonin’ny Ministera ny antontan-taratasy satria mbola dinihina hono. Mbola nitatitra ihany koa ny mpampahalala vaovao fa tsy nisy nahazo nitsidika azy raha tsy nahazo alàlana avy tamin’ny ministera.

Ny 9 Desambra no voasambotra teny am-pandevenana ny havany Atoa Augustin Andriamananoro, filoha lefitry ny antoko politika miaraka amin’Atoa Andry Rajoelina, ilay filoha tetezamita nandritra ny dimy taona taorian’ny fanonganam-panjakana nanesorany ny filoha teo alohany. Tamin’ny volana Jolay moa izy dia nanao antso mba hametra-pialàna ny Filoha Rajaonarimampianina. Voampanga ho nanohintohina ny fiandrianam-panjakana izy sy nandray anjara tamin’ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alàlana ho fanoherana ny fitrandrahana volamena nataon’ny Sinoa tao Soamahamanina teo anelanelan’ny volana Jona sy Novambra. Ny 4 Novambra dia nahazo sazy mihantona herintaona ny dimy tamin’ireo voalaza fa mpitarika ny fihetsiketsehana, ary neverina fa efa nikatona iny raharaha iny mandra-pitrangan’ny fisamborana azy indray tamin’ny volana Desambra. Nafahana Atoa Andriamananoro tamin’ny 27 Desambra rehefa nomena sazy mihantona telo volana an-tranomaizina. Nandritra ny fihazonana azy dia nisitraka ny fiarovana sy zo mitovy amin’ny voafonja hafa rehetra izy, ary nambara fa afaka nitsidika azy ny mpiray antoko politika aminy sy ny Masoivoho Frantsay. Mizaka ny zom-pirenena Malagasy sy Frantsay mantsy Atoa Andriamananoro.

Fitsarana sivily sy fikarohana onitra

Sahanin’ny fitsarana avokoa ireo ady heloka sivily rehetra, anisan’izany ny raharaha mahakasika ny zon’olombelona, ary azon’ny olon-tsotra na ny fikambanana atao ny mitaky onitra sivily ho an’ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona. Tsy tena nahaleo tena ny fitsarana, nanjakan’ny kolikoly ary matetika tojo fahasahiranana teo amin’ny fampiharana ny didim-pitsarana sivily sasantsasany. Tsy misy fandraràna ny fitadiavana vonjy amin’ireo vondrona mpiaro ny zon’olombelona eo anivon’ny faritra, saingy tsy nisy tatitra mikasika ny fiantsoana vonjy tahaka izany. Tsy eken’ny rafi-pitsarana ny fahefana ananan’ny Tribonaly Afrikana momba ny Zon’olombelona sy ny Zon’ny mponina.

f. Fitsabahana tsy ara-dalàna amin’ny fiainana manokana, fiainam-pianakaviana, tokantrano, na fifandraisana

Voararan’ny lalàna ny toa izany ary tsy nisy tatitra nilaza fa tsy nanaja izany lalàna izany ny fitondrana.

Tamin’ny 11 May dia voalaza fa nampiasa ny fahefany ny ben’ny tanàna tao Andriampotsy, distrikan’i Fenoarivobe, hitoriana fianakaviana iray izay tsy nanaiky nanome azy ny ampahany tamin’ny lovan’ilay fianakaviana.

Tamin’ny 25 May dia nohazonin’ny mpitandro filaminana ny findain’Atoa Michel Ralibera, mpanao gazety ao amin’ny Radio Antsiva, raha nanao ny asany izy nandritra ny fisavana ny fonenan’ny Loholona Lylison. Niditra an-tsehatra ny Radio Antsiva, narahan’ny tompon’andriakitra maro tao amin’ny fitondrana. Naverina tamin’Atoa Ralibera ilay finday rehefa voalaza fa notsirihan’ny mpitandro filaminana avokoa ny zavatra tao anatiny.

Fizarana faha-2 : Fanajana ny fahalalahana sivily, toy ny:

a. Fahalalahan’ny fanehoan-kevitra sy ny asa fanaovan-gazety

Voalazan’ny Lalàm-panorenana fa malalaka ny fanehoan-kevitra sy ny asa fanaovan-gazety, saingy “mety ho voafetra izany ho fanajana ny fahalalahana sy ny zon’ny hafa, sy ho fametrahana ho laharam-pahamehana ny fitandroana ny fandriam-pahalemana, hasin’ny firenena sy ny fiandrianam-panjakana.” Nihoatra ny tamin’ny taon-dasa ny fanohintohinan’ny fitondrana an’ireo zo ireo. Ohatra, hita ao amin’ny fehezan-dalàna vaovao momba ny serasera ny andininy maromaro mametra ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra. Omen’io fehezan-dalàna io fahefana be ihany koa ny fitondrana tsy hanome fahazoan-dàlana hampahalala vaovao ho an’ny mpanohitra ara-politika, hangeja fitaovana, hampandoa onitra.

Nosamborin’ny fitondrana ihany koa ny mpitarika mpanohitra izay nitarika fihetsiketsehana manerana ny firenena ho setrin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy fibodoana tany ataon’ny teratany vahiny.

Fahalalahan’ny fanehoan-kevitra: Voalazan’ny Lalàm-panorenana fa malalaka ny fanehoan-kevitra, saiky feran’ny fehezan-dalàna momba ny serasera vaovao izany fanehoan-kevitra izany raha manitsaka ny fahalalahana na zon’ny hafa, manohintohina ny filaminam-bahoaka, na heverina fa manohintohina ny hasin’ny firenena na ny fiandrianam-pirenena. Raràn’ilay lalàna vaovao ny fahafahan’ny olon-tsotra mitsikera am-pahibemaso ny fitondrana.

Voafonja Atoa Clovis Razafimalala, mpiaro ny tontolo iainana, ary miandry ny fotoam-pitsarana azy hatramin’ny 14 Septambra satria nolazaina ixy fa namporisika ny olona hanao fihetsiketsehana miaro herisetra tany Maroantsetra. Nisy mpihetsika hafa nilaza fa ny antony nanagadrana azy dia ny nitsikerany am-pahibemaso an’Atoa Eric Besoa, nahiana ho mpanondrana andramena, izay mpandraharaha tĂČ teny teo an-toerana. Izany fanagadrana azy izany dia nitovy tamin’ny nahazo an’Atoa Armand Marozafy mpiara-mitolona taminy, izay notĂ nana am-ponja nandritra ny enim-bolana sy nasaina nandoa onitra 12 tapitrisa Ariary noho ny fanosoram-potaka tamin’ny taona 2015, raha nandefa tatitra miafina tamin’ny fikambanana tsy miankina mpiara-miasa taminy izy mikasika ny fanapahana andramena an-tsokosoko, tatitra izay nisy nandefa teo amin’ny Facebook taty aoriana.

Fahalalahan’ny fanaovan-gazety sy ny mpampahalala vaovao: ahitana andininy maro mametra ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety sy ny mpampahalala vaovao ny fehezan-dalàna vaovao momba ny serasera.

Ny Andininy 85 ohatra dia mitaky fa ny tompon’ny orinsa mpampahalala vaovao no tsy maintsy mitàna ny toeran’ny tonian’ny lahatsoratra. Io Andininy io dia mety hahafahana manao antsojay amin’izay mety ho mpilatsaka ho filoham-pirenena avy amin’ny mpanohitra, izay matetika tompona orinasa mpampahalala vaovao.

Na dia tsy nofaritana ho heloka bevava intsony aza ny fanosoram-potaka ao amin’ilay fehezan-dalĂ na momba ny serasera, dia misy lalĂ na hafa momba ny cyber criminalitĂ© ahafahana mitory amin’ny ady heloka bevava ny fanosoram-potaka ho an’ny zavatra naseho tamin’ny tambajotra. Tsy nazava anefa hoe io lalĂ na momba ny cyber criminalitĂ© io ve, izay ahitana sazy fampidirana am-ponja ho an’ny fanosoram-potaka amin’ny tambajotra, no manan-kery ambonin’ilay fehezan-dalĂ na vaovao, satria samy aseho amin’ny tambajotra ihany koa ny gazety rehetra. Ny onitra voalaza ao anatin’ilay fehezan-dalĂ na vaovao momba ny serasera rahateo moa dia avo lavitra noho ny karama fandrain’ny mpanao gazety salasalany.

Araka io fehezan-dalàna vaovao io dia manana fahefana be ny Ministeran’ny Serasera hampihantona ny fahazoan-dàlana ho an’ny mpampahalala vaovao sy handraoka fananan’ny mpampahalala vaovao raha toa ka misy mpanao gazety miasa ao aminy nandika ilay fehezan-dalàna in-droa miantoana. Farany, voalazan’ny fehezan-dalàna vaovao fa ny onjam-peo sy fahitalavitry ny fanjakana ihany no mahazo mandefa fandaharana mahenika ny firenena iray manontolo, na dia misy fotoana aza tsy nampiharina izany famerana izany.

Niisa vitsivitsy ireo gazety tsy miankina teo amin’ny firenena. Maherin’ny 300 ny isan’ireo radio sy televiziona niasa nanerana ny nosy, saingy tato anatin’ny taona maro dia betsaka no lasa nifototra kokoa tamin’ny fandaharana idiran’ny mpihaino mivantana mba tsy ho voafatotra amin’ny vontoatin’ny fandaharana vokariny. Maro amin’izy ireny no mbola afaka nandefa ny fandaharany manerana ny firenena ihany, na dia teo aza ny famerana voalazan’ilay fehezan-dalàna vaovao. Na izany aza anefa dia misy famerana ihany ho an’ny mpampahalala vaovao tsy miankina. Tamin’ny 12 May dia nanambara Atoa Joel Ralaivaohita, filoha lefitry ny Fikambanan’ny Mpanao gazety amin’ny alàlan’ny tranonkala, fa ny hevitry ny tompon’ny orinasa mpampahalala vaovao ihany no ampitain’ny mpanao gazety. Nanambara ihany koa izy fa tsy misy fahitalavitra na onjam-peo vaovao nahazo alàlana hisokatra raha tsy izay manana fijery manohana ny fitondrana.

Herisetra sy antsojay: Ny 29 Janoary, dia nisy olona efatra nidaroka mafy an’Atoa Fernand Cello, mpanao gazety miasa ho an’ny Radio Jupiter. Nanao fanadihadiana momba ny fanondranana taova an-tsokosoko voalaza fa misy manao tany amin’ny faritra atsimo-afovoany mantsy io mpanao gazety io. Herinandro talohan’io dia nanampy ny mpitandro filaminana nisambotra olona maro nahiana ho niray tsikombakomba tamin’ny fangalarana taova Atoa Cello.

Tamin’ny 24 May dia nisy mpitandro filaminana nidaroka an’Atoa Michel Ralibera, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva, ary nihazona ny findainy raha teo am-panatanterahana ny fisavana ny tranon’ny Loholona Lylison izy ireo. Teo am-panaovana tatitra momba ilay fisavana Atoa Ralibera no nitranga izany rehetra izany.

Ny 12 Jolay dia tsy navela hiditra tao amin’ny Antenimieram-pirenena ny mpanao gazety hanovo vaovao momba ny fivoriana ara-potoana azon’ny besinimaro atrehina, momba ny fandaniana ny fehezan-dalàna momba ny serasera. Nilaza ireo mpitandro filaminana niambina ny faritra fa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena no nanome baiko azy ireo, saingy nandà ho tsy tompon’andraikitra tamin’izany itsy farany.

Sivana na Faneriterena mikasika ny vontoatin’ny vaovao ampitaina: nanao sivana ny tenany ny mpanao gazety, ary tamin’ny ankapobeny dia tany ivelany no natonta ny boky miresaka momba ny politika.

Matetika ny fitondrana no nisakana na nanemotra ny fanomezana alàlana ny orinasa mpampahalala vaovao izay mitsikera ny fanjakana. Ohatra, ny Radio MBS, fananan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, dia nanao fitarainana nanoloana ny Conseil d’Etat tamin’ny 12 Martsa ho fanoherana ny fanapahan-kevitry ny Ministeran’ny Serasera hampiato ny fahazoan-dàlany handefa fandaharana. Nilaza Atoa Benjamin Rakotomandimby, mpanolo-tsaina voalohany ho an’ny raharaha mahakasika ny lalàna, fa mety haharitra enina hatramin’ny sivy volana ny fanadihadiana mifandraika amin’izay fitarainana izay.

Ny 23 Martsa dia nilaza tamin’ny mpanao gazety ny mpitandro filaminana fa tsy azo atao ny maka sary na manao tatitra momba ny lozam-piarakodia nitranga tany Amborovy Mahajanga. Tafiditra tao anatin’izany lozam-piarakodia izany mantsy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, izay namita iraka ofisialy tany amin’iny faritra iny. Voalaza ihany koa fa norahonan’ny mpitandro filaminana ireo olona nanatri-maso ny lozam-piarakodia ka niresaka tamin’ny mpanao gazety.

Lalàna momba ny fanalam-baraka /Fanosoram-potaka: Nisy tatitra maro nilaza fa nampiasain’ny fanjakana ny lalàna momba ny fanalam-baraka na fanosoram-potaka hamerana ny fifanakalozan-kevitra am-pahibemaso.

Ny 26 Febroary ohatra dia mpanao gazety telo avy amin’ny MaTV no voatory noho ny nanaovany tatitra momba ny fakàna an-keriny nahazo mpihavana mianadahy, Arland sy Annie Ramiliarison. Nilaza an-kolaka ireo mpanao gazety ireo fa misy ifandraisany amin’ny fanondranana bolabola ilay fakàna an-keriny ary tafiditra anatin’izany fanondranana an-tsokosoko izany ny rain’ireo zaza nisy naka an-keriny. Nitory ilay rain-jaza satria nahatsiaro ho voahoso-potaka. Voampanga ho niray tsikombakomba tamin’ilay fakàna an-keriny ihany koa ireo ny mpanao gazety. Ny 17 Jona dia nafahan’ny fitsarana madiodio ny roa tamin’ireo mpanao gazety fa ny fahatelo kosa nosaziany handoa sazy onitra Ariary 200.000, Ariary iray tapitrisa ho onitra homena ny mpitory, ary sazy mihantona iray volana an-tranomaizina ho an’ny fanosoram-potaka.

Tamin’ny 25 May dia nampanantsoin’ny fanjakana Atoa Ndranto Razakamanarina, mpitantana ny fikambanana tsy miankina Alliance Voahary Gasy, hametrahana fanontaniana momba ny resaka fanosoram-potaka. Izany fanadihadiana izany dia tohin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’Atoa Razakamanarina ho an’ny fikambanana tarihiny tamin’ny volana Janoary, ka nilazany an-kolaka fa misy mpitondra miray tsikombakomba amin’ny fanondranana bolabola.

Fiarovam-pirenena: Nisy ny tatitra nilaza fa nisy manam-pahefana nampiasa ny lalĂ na momba ny fiarovam-pirenena hamehezana ny mpampahalala vaovao mitsikera ny fitondrana.

Tamin’ny 22 May dia norahonan’ny ARTEC, biraom-panjakana misahana ny fitsipika momba ny serasera, hakatona ny onjam-peo tsy miankina roa, M3TV sy Viva Radio. Nolazain’ny ARTEC fa manelingelina ny ojam-peo fampiasan’ny ASECNA, na ilay fifandraisana fampiasan’ny seranam-piaramanidina, ireo onjam-peo tsy miankina ireo. Nitatitra ny gazety fa nokendren’ny ARTEC manokana hakatona ireo onjam-peo roa ireo satria mitsikera ny fitondrana.

Fahalalahan’ny fampiasana ny tranonkala

Tsy noferan’ny Fitondrana ny fijerena ny aterineto tamin’ny ankapobeny, ary tsy nisy mari-pototra nilaza fa narahin’ny Fitondrana maso ny fampiasana ny mailaka na ny sehatra fifanakalozan’ny mpampiasa ny Tranonkala, na dia tsy misy lalàna manome fahefana azy hanao izany aza.

Araka ny lalàna nivoaka tamin’ny taona 2014 momba ny heloka bevava ao amin’ny tambajotra dia voarara ny manasoketa na manoso-potaka manam-pahefana ao amin’ny tambajotra. Araka voalazan’ny Reporters Sans Frontiùres, “tsy voafaritra mazava ao amin’ilay lalàna ny tiana hambara amin’ny hoe ‘manasoketa’ na ‘manoso-potaka’, hany ka malalaka be ny fomba azo andikana azy ary marobe ny fanararaotana mety hitranga.” Voalazan’ilay lalàna fa sazy roa hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina sy onitra roa tapitrisa hatramin’ny 100 tapitrisa Ariary no miandry ho an’ny fanosoram-potaka. Taorian’ny fanakianana avy amin’ny mpampahalala vaovao sy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena, dia nampanantena ny fitondrana fa hiverina hijery akaiky ilay lalàna, saingy tsy nasiany fanovana akory ilay izy tao anatin’ilay fehezan-dalàna vaovao momba ny serasera.

Tany amin’ny tanàn-dehibe no tena nampiasana ny aterineto.  Araka ny voalazan’ny Vondrona Iraisam-pirenena momba ny Fifandraisan-davitra, dia ny 4.3 isan-jaton’ny mponina eo amin’ny firenena no nampiasa aterineto tamin’ny taona 2015.

Nampiasa be ny Aterineto ny vondrona politika sy ny mpitolona isan-karazany mba hanitarana ny ambain-dain’ny fandaharany, hizarana vaovao, ary hitsikerana antoko hafa.  Nambaran’ny mpanara-maso fa anisan’ireo loharanom-baovao azo antoka kokoa ny Aterineto amin’ny ankapobeny.

Fahalalahana akademika sy hetsika ara-kolotsaina

Tsy nahitana sakantsakana avy amin’ny Fitondrana mihitsy ny fahalalahana akademika sy ny hetsika ara-kolotsaina.

b. Fahalalahana hivory am-pilaminana sy hanangana fikambanana

Fahalalahana hivory

Voalazan’ny Lalàm-panorenana sy ny lalàna fa malalaka ny fivoriana am-pilaminana, saingy nosakanan’ny manam-pahefana izany zo izany.  Nosakanan’ny mpitandro filaminana hatrany ny fivoriana nokarakarain’ny mpanohitra nanerana ny nosy, tamin’ny fampiasana hery tafahoatra handravana ireo mpanao fihetsiketsehana. Matetika izy ireo no nampirantiranty resaka fitoriana momba ny ady heloka bevava tsy misy ifandraisany amin’ny hetsika, mba hanakiviana izay mpitarika eo.

Im-betsaka nandritra ny taona ny mpitandro filaminana no nampiasa etona mandatsa-dranomaso handravana fihetsiketsehana nataon’ny mpianatry ny oniversite sy mpanao gazety tao Antananarivo; sy fihetsiketsehana hafa tany ambanivohitra, toy ny tany Soamahamanina, nisakanan’ny mponina teo an-toerana nandritra ny volana maro ny fitrandrahana volamena nataon’ny teratany vahiny. Ho setrin’izany dia matetika ny mpianatra no nitora-bato ny mpitandro filaminana, ka maro hatrany ny naratra sy voasambotra.

Navitrika indrindra ny mpitandro filaminana hifehy ny fihetsiketsehana nifandraika tamin’ny fehezan-dalàna momba ny serasera talohan’ny handanian’ny fahefana mpanao lalàna azy tamin’ny volana Jolay. Tamin’ny 13 Jolay ohatra dia nosakanan’ny mpitandro filaminana ny diabe tao Antananarivo notarihan’ny mpitarika ny Hetsika ho an’ny Fahalalahan’ny fanehoan-kevitra. Izany diabe izany moa dia nomena anarana hoe “fandevenana ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety.” Nampiasa etona mandatsa-dranomaso ihany koa ny mpitandro filaminana hanapariahana mpanao fihetsiketsehana vitsivitsy teo akaikin’ny tsangambaton’ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety teny Soarano, Antananarivo.

Ny 14 Jolay, dia nosakanan’ny mpitandro filaminana ny fivezivezen’ny mponina tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Soamahamanina rehefa nanao fihetsiketsehana izy ireo hanoherana ny vokatry ny fitrandrahana volamena nataon’ny Sinoa teo amin’ny alan-tapia manodidina, fiompian’izy ireo landihazo. Nasain’ny zandary nesorina avokoa ny sora-baventy nihatona tamin’ny tranon’ny mponina, ary izay sora-baventy tsy nesorin’ny tompony dia nentiny an-keriny. Taorian’izay dia nirohotra nankany amin’ny biraon’ny kaominina ny mponina vitsivitsy hitaky ny hamerenana ireo sora-baventy nentin’ny zandary, saingy nampiasa etona mandatsa-dranomaso sy nanao tifi-danitra ny mpitandro filaminana hanapariahana azy ireo. Mbola nitohy ny hetsika tany amin’ny fiafaran’ny taona.

Fahalalahana hanangana fikambanana

Voalazan’ny LalĂ m-panorenana fa manan-jĂČ hivory sy hanangana fikambanana ny olom-pirenena. Nolavina hatrany ny fangatahan’ny antoko mpanohitra alĂ lana hanao fihetsiketsehana an-kalamanjana.

c. Fahalalahan’ny fivavahana

Jereo ny Tatitra Iraisam-pirenena momba ny Fahalalahan’ny fivavahana, navoakan’ny Departemantam-panjakana ary azo vakiana ao amin’ny :

www.state.gov/religiousfreedomreport/.

d. Fahalalahan’ny fivezivezena, ireo mpifindra monina, fiarovana ny mpitsoa-ponenana ary ireo tsy manana zom-pirenena

Voalaza ao anatin’ny Lalàm-panorenana sy ny lalàna ny fahalalahana hivezivezy manerana ny nosy, ny dia mankany ivelany, ny fifindra-monina ary ny fampodiana an-tanindrazana, ary tamin’ny ankapobeny dia nohajain’ny Fitondrana izany zo izany. Niara-niasa tamin’ny Biraon’ny Kaomisera Avon’ny Firenena Mikambana ho an’ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR) sy ireo birao hafa miahy ny mponina ny fitondrana amin’ny fiarovana sy fanampiana ireo mpifindra monina, ireo mpitsoa-ponenana, ireo nody avy nitsoa-ponenana, ireo maniry hialokaloka, ireo tsy manana zom-pirenena ary ireo olona hafa miatrika olana mitovitovy.

Fiarovana ny mpitsoa-ponenana

Fahafahana mangataka hialokaloka: Ao amin’ny lalàna dia tsy ahitana andalana mikasika ny zon’ny mpitsoa-ponenana na ny famaritana ny tsy manan-kialofana, saingy miantoka ny fiarovana izay mpialokaloka ny fitondrana. Niara-niasa tamin’ny UNHCR sy ireo fikambanana hafa miahy ny maha-olona ny fanjakana ho fanampiana ireo tsy manan-kialofana vitsy tao amin’ny firenena.

Ireo tsy manana firenena

Noho ireo lalàna sy rafitra manjavozavo momba ny fizakàna ny zom-pirenena dia maro an’isa ireo olona tsy manana firenena teo anivon’ny silamo vitsy an’isa, ary maro amin’izy ireo no avy amin’ny fianakaviana efa nonina teto nandritra ny taranaka maro nifandimby. Nanambaran’ny mpitarika silamo fa mety hahatratra 5 isan-jaton’ireo silamo miisa roa tapitrisa no voakasik’izany.

Mifindra amin’ny fahaterahana ny fahazoana ny zom-pirenena avy amin’ny ray aman-dreny mizaka ny zom-pirenena. Tsy ahazoana avy hatrany zom-pirenena ny fahaterahana eto an-toerana. Tsy maintsy manao fanambarana alohan’ny faha-18 taonany ireo ankizy nateraky ny reny Malagasy sy ray teratany vahiny, raha tsy izany dia mety tsy hahazo hizaka ny zom-pirenena Malagasy intsony; ary mihatra amin’ny zanaka ivelan’ny tokatrano koa izany. Tsy mifindra avy amin’ny reny niteraka mankany amin’ny zanany ny zom-pirenena raha tsy hoe teraka tao anaty fanambadiana ara-panjakana ilay zaza, ary tsy manana firenena ilay rainy, na tsy fantatra ny zom-pirenen’ilay rainy. Misy mpikambana ao amin’ny fiaraha-monin’ny karana avy any Inde sy Pakistan, izay tsy nisoratra anarana hangataka hizaka ny zom-pirenena Malagasy, indiana na frantsay taorian’ny nahazoan’i Inde fahaleovan-tena tamin’ny taona 1947 na ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara tamin’ny taona 1960, ka dia tsy nahazo nizaka na iray aza tamin’ireo zom-pirenena telo ireo intsony; ary dia nihatra tamin’ny taranany ihany koa izany. Nanambara ireo mpikambana ao amin’ny fivondronan’ny fiaraha-monina silamo fa raha vao miendrika silamo fotsiny ny anaranao dia hihantona mandritra ny fe-potoana tsy voafetra ny taratasy fangatahanao hizaka ny zom-pirenena Malagasy. Izay tsy manana ny zom-pirenena Malagasy dia afaka mangataka karatra ho an’ny vahiny mitoetra maharitra, saingy tsy manan-jo hifidy izy ireo, tsy mahazo mividy tany na trano ary tsy afaka mangataka pasipaoro, hany ka voafetra ny fahafahany mandeha any ivelany. Izay vehivavy tsy manana zom-pirenena dia afaka mangataka ny hizaka ny zom-pirenena Malagasy raha toa ka manambady lehilahy teratany Malagasy izy ary manao ny fangatahana ny zom-pirenena alohan’ny datin’ny mariazy. Ny olona tsy manana firenena dia sahirana rehefa hanovo fianarana sy mila fitsaboana, tsy mety mahazo asa ary tsy afaka mividy tany, ary manahy lava ny ho voasambotra.

Fizarana faha-3 Fahalalahana handray anjara amin’ny rafitra ara-politika:

Ambaran’ny LalĂ m-panorenana sy ny lalĂ na fa ny olom-pirenena dia manan-jĂČ hanova ny Fitondrana ao anatin’ny fifidianana malalaka sy ara-drariny tontosaina ara-potoana, amin’ny latsa-bato miafina andraisan’ny mpifidy rehetra anjara anatin’ny fitovian-jo tanteraka.

Fifidianana sy fandraisana anjara eo amin’ny sehatra politika

Fifidianana tato ho ato: Nanatontosa fifidianana filoham-pirenena sy fifidianana solom-bavam-bahoaka ny firenena tamin’ny taona 2013. Na dia teo aza ireo lesoka izay nitarika ny Fitsarana Manokan’ny Fifidianana (CES) hanafoana ny vokatra tany amin’ny distrika niisa efatra, dia nambaran’ireo mpanara-maso iraisam-pirenena –anisan’izany ny Vondrona Eoropeana, ny Vondrona Afrikana, ny Vondron’ny Firenena mampiasa ny Teny Frantsay ary ny Carter Center — fa tamin’ny ankapobeny dia nalalaka sy ara-drariny io fifidianana tontosa tao anatin’ny filaminana io. Ny volana Janoary 2014 no nambaran’ny CES tamin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana, ka Atoa Hery Rajaonarimampianina no nambara fa voafidy ho Filoha, tamin’ny salan’isa 53 isan-jato, raha 47 isan-jato kosa no azon’Atoa Jean-Louis Robinson. Voatendry tao anatin’ny herinandro vitsivitsy taorian’izany ny Praiminisitra sy ny governemanta, ary tafajoro hiasa mandritra ny dimy taona ny Antenimieram-pirenena nahitana ireo solom-bavam-bahoaka vao voafidy. Ny fotoa-pivoriana voalohany notontosain’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny taona 2014 no namarana tamin’ny fomba ofisialy ny teteza-mita naharitra dimy taona.

Ny 31 Jolay ny firenena no nanatontosa ny fifidianana ben’ny tanàna. Nanamarika izany ny havitsian’ny tonga nandatsa-bato (25 isan-jato) sy ireo lesoka nitranga, anisan’izany ny tsy fahitana mpifidy tokony ho hita ao anaty lisi-pifidianana, tsy fisian’ny fahaleovan-tenan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI-T), fanafoanana ny fifidianana tany amin’ny kaominina niisa 19, sy ny olana maro hafa.

Tamin’ny volana Desambra 2015 ireo Ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina niisa 12.664 voafidy tamin’ny volana Jolay no nifidy ireo Loholona. Ny antoko HVM eo amin’ny fitondrana no nahazo toerana 36 tamin’ireo 42 niadiana rehefa nolavin’ny Fitsarana Avon’ny Lalàm-panorenana ny fitarainana niisa 11 avy amin’ny antoko mpanohitra. Nitaraina ny mpanohitra fa nisy fitsabahan’ny mpitondra teo amin’ny fifidianana ny Loholona, ary tsy nitovy ny fahafaha-manao ara-bola teo amin’ireo samy nilatsaka hofidiana. Ny Filoham-pirenena no nanendry ireo Loholona 21 ambiny.

Antoko politika sy fandraisana anjara eo amin’ny sehatra politika: Nosakanan’ny fitondrana ny hetsiky ny antoko mpanohitra ary tsy nomeny alàlana hanao hetsika tsy voaomana izy ireo. Mila alàlana avy amin’ny fanjakana avokoa ny fihetsiketsehana rehetra, ary nisy tatitra nilaza fa nolavin’ny fanjakana na nampiandrasiny ny fanomezana alàlana ny antoko mpanohitra, indrindra nandrita ny andro tsy fiasana na daty hafa manana ny lanjany manokana.

Fandraisana anjaran’ny vehivavy sy ireo vitsy an’isa: Tsy misy lalàna misakana ny vehivavy na ireo vitsy an’isa tsy handatsa-bato, hirotsaka hofidiana, hiasa ho mpanara-maso ny fifidianana, na handray anjara amin’ny fomba hafa eo amin’ny fiainana ara-politika. Mihevitra nefa ny mpanara-maso sasany fa ny kolo-tsaina sy fahazarana no misakana ny vehivavy tsy handray anjara amin’ny fiainana ara-politika toy ny ataon’ny lehilahy.

Fizarana faha-4  Kolikoly sy tsy fisian’ny mangarahara eo anivon’ny Fitondrana

Voafarity ny lalàna ny sazy ho an’ny kolikoly eo anivon’ny fanjakana; saingy tsy nampiharin’ny Fitondrana an-tsakany sy an-davany izany lalàna izany ka nisy manam-pahefana mpanao kolikoly saingy tsy nisy arakaraka. Nanenika ny ambaratonga rehetra teo amin’ny fitondrana ny kolikoly, ary hita tao amin’ny mari-drefin’ny Fahaiza-mitantana Maneran-tany novokarin’ny Banky Iraisam-pirenena fa tena olana goavana tokoa ny kolikoly. Nisy tatitra maro nilaza fa nisy manam-pahefana nanao kolikoly nandritra ny taona.

Kolikoly: Nanokatra fanadihadiana ny Birao Mahaleotena Miady amin’ny Kolikoly (BIANCO) mikasika ny resaka kolikoly nandritra ny fanadinana ofisialy fidirana amin’ny sekolin’ny zandarimaria sy ny sekolim-pirenena ho an’ny mpiambina fonja. Hita nandritra ny fanadihadiana fa nisy lesoka ny fampidirana ireo zandary vaovao, saingy tsy niafara tamin’ny fitoriana ireo tompon’andraikitra voakasika izany.

Tsy nisy vaovao intsony mikasika ny ezaka hitoriana an’Atoa Johnfrince Bekasy, ilay heverina fa rain-dahiny amin’ny fanondranana andramena, ezaka izay natomboky ny BIANCO tamin’ny taona 2015. Afaka niriaria tany ivelan’ny firenena Atoa Bekasy, izay mpilatsaka hofidiana nandritra ny fifidianana ben’ny tanana tamin’ny anaran’ny antokon’ny Filoha, rehefa nafahana tsy nisy fanazavana tamin’ny volana Oktobra 2015.

Tamin’ny volana Martsa 2014 dia nisy bolabolan’andramena niisa 30.000 tratra tany Singapour, nitarika fitoriana teny amin’ny fitsarana tany Singapour, satria voararan’ny Fifanarahana iraisam-pirenena momba ny varotra biby sy zava-maniry efa ho lany tamingana (CITES) ny famarotana andramena. Tamin’ny taona 2010 no nivoaka ilay alàlana hanondrana andramena avy teto Madagasikara, na dia fantatra aza fa nifanohitra tamin’ny voalazan’ny CITES izany.

Tamin’ny taona 2015 dia notaterin’ny mpampahalala vaovao ny tranga momba ny voalaza fa fanodinkodinana vola nitentina 396 tapitrisa Ariary tao Ambohimasina, nataon’ny vehivavy mpandraharaha iray voalaza fa akaiky ny Filoham-pirenena. Nobaikoan’ny Praiminisitra tamin’izany fotoana izany Jean Ravelonarivo ny zandarimaria hisambotra an’ilay mpandraharaha, saingy tsy nisy fepetra noraisina. Nanokatra fanadihadiana mikasika ilay raharaha koa ny BIANCO, saingy tsy nisy fivoarana izany. Farany dia nampitaina tany amin’ny Ministeran’ny Fitsarana ilay raharaha, saingy niteny ireo nahafantatra akaiky ny raharaha fa tsy nantenaina hivoatra ny raharaha satria akaiky olona ambony ilay vehivavy mpandraharaha.

Tamin’ny taona 2015 ny BIANCO dia naharay fitarainana niisa 989 nahakasika resaka kolikoly, ka ny 71 isan-jato tamin’ireo no azo nanaovana fanadihadiana. Niisa 157 ireo fitarainana nentin’ity birao ity teo anatrehan’ny fitsarana tamin’ny taona 2015. Ireto avy ireo tena niantefan’ny fitarainana noho ny kolikoly: ny zandarimariam-pirenena, biraom-panjakana isam-paritra, ny sehatry ny fanabeazana, ny fitsarana, ary ireo manam-pahefana misahana ny fananan-tany. Na izany aza anefa, dia tsy azo nitarafana ny tena zava-nisy nanerana ny nosy ireny tranga ireny, satria tsy dia mahasahy mitatitra tranga-na kolikoly avo lenta mahakasika olona ambony ny ankamaroan’ny olom-pirenena.

Fanambaram-pananana: Misy ny didy hitsivolana mitaky ny fanambarana ny vola miditra tsy tapaka/fananana ho an’ireo tompon’andraikitra mitana ireto toerana manaraka ireto: Praiminisitra sy Minisitra ao amin’ny governemanta, parlemantera; mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny LalĂ m-panorenana; lehiben’ny faritra sy ben’ny tanĂ na; mpitsara; mpiasam-panjakana mitana ireto toerana ireto na ny mifanandrify aminy: tale any amin’ny ministera  sy ny eo amboniny; mpanara-maso any amin’ny biraon’ny fananan-tany, kitapom-bolam-panjakana, haba sy teti-bola; manam-boninahitra ao amin’ny tafika, mpifehy andiany noho miakatra;  mpanara-maso avy amin’ny Inspection GĂ©nĂ©rale de l’Etat, avy amin’ny Inspection GĂ©nĂ©rale de l’ArmĂ©e ary avy amin’ny Inspection GĂ©nĂ©rale de la Gendarmerie; ary izay rehetra mitana ny toeran’ny manam-boninahitra ao amin’ny polisy ara-pitsarana. Na dia mety hampahafantarin’ny BIANCO ny Biraon’ny Mpampanoa lalĂ na aza izay mety ho tsy fanarahana izay lalĂ na izay, dia tsy nisy singa nahafahana nilaza fa nisy sazy nampiharina noho ny tsy fanaovana izany fanambaram-pananana izany.

Teo anelanelan’ny volana Janoary sy Septambra, dia ny 205 tamin’ireo parlemantera miisa 214 avy ao amin’ny Antenimieram-pirenena sy Antenimieran-doholona ary ny minisitra rehetra tokony hanao izany, anisan’izany ny Praiminisitra, no nanao ny fanambaram-pananana. Tany amin’ny volana Desambra, dia ny 13 amin’ireo Filohan’ny Faritra miisa 22 no tsy mbola nanao fanambaram-pananana.

Fahafahan’ny besinimaro mitrandraka antontam-baovao: Tsy misy lalàna mamaritra ny fahafahan’ny besinimaro mamantatra vaovao momba ny Fitondrana.

Fizarana faha-5 Fihetsiky ny fitondrana manoloana ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana tsy miankina sy fikambanana iraisam-pirenena momba ny fiampangana ho nanitsakitsaka ny zon’olombelona:

Tamin’ny ankapobeny dia maro ireo fikambanana eo an-toerana sy iraisam-pirenena misahana ny zon’olombelona niasa tsy nisy sakantsakana, ka nanao fanadihadiana ary nampahafantatra ny vokatra hitany momba ny tranga mahakasika ny zon’olombelona. Tamin’ny ankapobeny dia tsy nahoan’ny tompon’andraikitra ara-panjakana ny fomba fijerin’izy ireo, saingy nisy ireo fikambanana iraisam-pirenena misahana ny zon’olombelona nahazo niditra teto amin’ny firenena, nanatontosa ny asany, ary nifanakalo tamin-kalalahana tamin’ny vondrona hafa.

Nisy fikambanana tsy miankina maromaro teo an-toerana niasa teo amin’ny sehatry ny zon’olombelona, saingy vitsy dia vitsy tamin’izy ireo no afaka nihambo ho nahomby sy nahaleo tena. Misy fotoana ireo fikambanana ara-politika manohana ny fitondrana no manao antsojay na manandrana misavika ny hetsiky ny vondrona ao anatin’ny fiaraha-monim-pirenena.

Sampan-draharaham-panjakana misahana ny zon’olombelona: Tamin’ny volana Jolay 2014 ny fitondrana no nametraka ny rafitra ara-pitsarana ho an’ny Vaomiera nasionaly mahaleo tena hisahana ny zon’olombelona ahitana kaomisera 11, izay samy nofidian’ny mpikambana ao amin’ny fikambanana iray misahana ny zon’olombelona ary nahazo iraka hanao fanadihadiana sy hanambara ampahibemaso ny zavatra hitany mikasika ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona. Tany amin’ny 13 Oktobra, dia efa vita fianianana avokoa ireo mpikambana 11 ao amin’ny vaomiera, ary dia nanomboka niasa am-pahibemaso ilay vaomiera. Tany amin’ny faran’ny taona dia tsy mbola nanokana birao na toe-bola hiasan’ilay vaomiera ny fanjakana.

Fizarana faha-6 Fanavakavahana, herisetra eo amin’ny fiaraha-monina, ary fanondranana olona:

Ny vehivavy

Fanolanana sy herisetra ao an-tokatrano: Voararan’ny lalàna ny fanolanana, saingy tsy voaresaka manokana ny fanolanana ataon’ny vady. Ny sazy mifandraika amin’ny fanolanana dia dimy taona an-tranomaizina hatramin’ny fitanana am-ponja mandra-pahafaty, miankina amin’ny taonan’ilay voaolana, ny fifandraisan’ilay mpanolana sy ilay voaolana, ary ny famaritana raha nifanerasera tamin’ny ankizy ilay mpanolana teo amin’ny asany andavanandro. Asa an-terivozona kosa no sazy miandry ho an’ny fanolanana zaza tsy ampy taona sy vehivavy bevohoka. Mety hiampy roa hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina ny sazy raha nisy herisetra sy finiavana handratra. Mahalana anefa no nampiharin’ny manam-pahefana ireo sazy ireo.

Tamin’ny taona 2015 ny Centre Vonjy ao amin’ny Hopitalim-panjakana Befelatanana Antananarivo, dia nandray marary niisa 550 nahitana fanolanana zazavavy. Mihevitra ireo mpandinika fa mihoatra lavitra an’ireo tarehimarika ireo ny tena zava-misy manerana ny nosy, saingy tsy nisy antontan’isa azo nitokisana mahenika ny firenena. Araka ny fanombanan’ny UNICEF dia ny 14 isan-jaton’ny zazavavy sy tovovavy teo anelanelan’ny 15 sy 19 taona manerana ny firenena no efa niharan’ny herisetra ara-pananahana.

Voararan’ny lalàna ny herisetra ao an-tokatrano, saingy mbola olana fahita matetika hatrany izany, ary mety hahavoasazy roa hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina sy onitra mitentina efatra tapitrisa Ariary, arakaraka ny hamafin’ny ratra sy ny fahafantarana raha mitondra vohoka ilay niharan’ny herisetra. Tsy nisy antontan’isa milaza ny isan’ireo nahavanon-doza nenjehina araka ny lalàna, nomelohina na nosaziana, saingy vitsy ny vehivavy nitory ny vadiny, anisan’ny antony ny halafosan’ny taratasy fanamarinana avy amin’ny mpitsabo (6.000 Ariary). Tsy nahitana toerana fandraisana ireo vehivavy niharan’ny herisetra teo amin’ny nosy, hany ka tsy nanan-tsafidy hafa izy ireny afa-tsy ny nody tany amin’ny ray aman-dreniny, ireto farany kosa anefa tamin’ny ankapobeny dia manosika ireo vehivavy ireo hiverina any amin’ireo nanao herisetra taminy.

Azon’ireo niharan’ny herisetra ao an-tokatrano avy amin’ny mponina marefo atao ny mandray fanampiana avy amin’ny toerana mpanolo-kevitra antsoina hoe Centre d’Ecoute et de Conseil Juridique (CECJ), napetraky ny Ministeran’ny Mponina, Fiarovana ara-tsosialy, sy Fampiroboroboana ny Vehivavy any amin’ny faritra maro, noho ny fanohanana avy tamin’ny FNUAP. Ireny ivon-toerana ireny no nanolo-tsaina ny niharan’ny herisetra hoe aiza no mitsabo tena, nanolotra fanampiana ara-psykolojia ihany koa, ary nanampy azy ireo nametraka fitoriana mba hahazoana vola fanampiana avy amin’ireo nampijaly azy.

Nandritra ny taona 2015 dia niisa 1.103 ny tranga nahitana herisetra voarain’ny CECJ, ka ny 917 dia nahitana vehivavy niharan’ny herisetra ara-batana, ara-toe-karena ary ara-moraly tao an-tokatrano.

Fanerena an-kolaka hiray ara-nofo: Voararan’ny lalàna ny fanerena an-kolaka hiray ara-nofo, ka herin-taona hatramin’ny telo taona an-tranomaizina no sazy, miampy onitra iray hatramin’ny efatra tapitrisa Ariary.  Miakatra ho roa hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina sy onitra roa hatramin’ny 10 tapitrisa Ariary izany sazy izany raha toa ilay niharan’ny herisetra ka noterena mivantana na norahonana hanao firaisana ara-nofo na nosaziana noho ny nandavany tsy hanatanteraka izany.  Tsy nampiharin’ny manam-pahefana io lalàna io, ary olana fahita manerana ny nosy ny fanerena an-kolaka hiray ara-nofo.

Tamin’ny volana Jolay ny borigady misahana ny moraly sy ny zaza tsy ampy taona ao amin’ny polisim-pirenena, niara-niasa tamin’ny UNICEF sy orinasa Malagasy iray misahana ny serasera, dia nandray anjara tamin’ny fanofanana momba ny fisorohana ny fanerena an-kolaka hiray ara-nofo ao amin’ny aterineto, ho an’ny ankizy teo anelanelan’ny 13 sy 18 taona niisa am-polony.

Zo ara-pananahana: Samy nalalaka na ny mpivady na ny isam-batan’olona feno 18 taona noho miakatra tamin’ny fanapahana ny isan’ny zaza hateraka sy ny elanelan-taonan’izy ireo, ka tsy nisy fanavakavahana, fanerena na herisetra, saingy matetika tsy ampy ny antontam-baovao sy fitaovana nilainy handraisany izany fanapahan-kevitra izany.

Araka ny voalazan’ny Vondrona Iraisampirenena momba ny Fahasalamana (OMS), dia 353 ny salan’isan’ny fahafatesan’ny reny eo am-piterahana tao anatin’ny zaza teraka velona niisa 100.000. Ny antony nisongadina indrindra nitarika ny fiakatry ny isan’ireo reny maty teo am-piterahana dia ny halavitry ny toeram-pitsaboana sy ny halafon’ny saram-pitsaboana, ny kalitao tsizarizary eo amin’ny fiahiana atolotra ao amin’ny hopitaly, ny tsy fanjarian-tsakafo mpahazo ny reny (isan’izany ny aretin’ny tsy fahampian-drà), ny fisesin’ny fiterahana haingana loatra, ary ny hamaroan’ny fanalan-jaza tsy voaaro. Na dia voarara aza ny fampanambadiana zaza latsaky ny 18 taona raha tsy noho ny antony tena tsy azo ialana, ary mbola tsy maintsy ahazoana alàlana avy amin’ny ray aman-dreny sy sy ny manam-pahefana aza, dia matetika hatrany no misy zaza tsy ampy 18 taona manambady sy mitondra vohoka. Na dia efa manambady aza anefa ny olona iray latsaky ny 18 taona, dia tsy misy lalàna mamela azy hahazo fanafody fanabeazana aizana.

Araka ny fanombanan’ny FNUAP dia ny 36.4 isan-jaton’ny vehivavy sy zazavavy teo anelanelan’ny 15 sy 49 taona no nampiasa fanabeazana aizana manaraka ny toetrandro tamin’ny taona 2015. Notombanan’ny mpanara-maso fa ny 44 isan-jaton’ny fahaterahana no natrehin’ny mpitsabo voaofana amin’izany, saingy latsak’izany ny tarehimarika any ambanivohitra, izay tsy nahitana mpitsabo voaofana afa-tsy vitsy ihany.

Nozaraina maimaim-poana tany amin’ireo tobim-pahasalamana an’ny fanjakana ny fanafody fanabeazana aizana sy ny torolalana momba ny fanabeazana aizana ho an’ny olon-dehibe, saingy matetika no tsy tontosa izany noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Nisy fikambanana ara-pinoana, tobim-pahasalamana tsy miankina sy toerana sasany notantanin’ny sehatra tsy miankina nanolotra raharaha mitovy amin’izany. Teo ihany koa ny sakana apetraky ny fiaraha-monina sy ny kolon-tsaina ary ny tsy fahampian’ny hoenti-manana izay nanohintohina ny fampiasana fanafody fanabeazana aizana.

Tamin’ny volana Aprily ny Ministeran’ny Fanabeazana dia nanao sonia fiaraha-miombon’antoka tamin’ny Population Service International (PSI) hampitomboana ny fahafantarana mikasika ny fahasalamana ara-pananahana ho an’ny zazavavy any amin’ny sekolim-panjakana manerana ny firenena.

Fanavakavahana: Amin’ny ankapobeny dia mitovy ny zon’ny vehivavy raha ampitahaina amin’ny an’ny lehilahy, saingy nisy ihany fahasamihafana nisongadina. Niharan’ny fanavakavahana ny vehivavy teo amin’ny sehatry ny asa, ny famindrana ny fizakàna ny zom-pirenena mankany amin’ny zanany, ary ny fandovana. Mandova ny antsasaky ny fananan’ny mpivady ny vehivavy maty vady ka manan-janaka, saingy raha tsy niteraka izy roa, dia ny havan’ny lahy no mandova alohan’ilay vadiny, izay lasa any amin’ny laharana fahavalo eo amin’ny fandovana raha tsy nisy fifanarahana vita talohan’ny nahafatesana. Tsy voatery ho voahaja foana anefa ireo voalazan’ny lalàna ireo. Indraindray dia nampiasaina ny fomban-drazana antsoina hoe “Kitay telo an-dalàna”, izay ahazoan’ny vehivavy ny ampahatelon’ny fanànana niraisan’ny mpivady raha misy fisarahana, ary izay fomba izay matetika no narahan’ny fianakaviana.

Maro ireo fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana nifantoka tamin’ny fanabeazana vehivavy sy ny tovovavy ho olom-pirenena vanona, nanazava ny fiarovana omen’ny lalàna ho azy ireo manokana.  Na izany aza anefa, noho ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, noho ny kolotsaina, noho ny fandrahonan’ny fiaraha-monina ary noho ny tsy fahampian’ny fahalalana, dia vitsy ireo vehivavy manao fitarainana ofisialy na mangataka onitra rehefa voahitsakitsaka ny zony.

Ny ankizy

Firaketana an-tsoratra ny zaza teraka: Lovaina avy amin’ny ray aman-dreny ny fizakana ny maha-olom-pirenena Malagasy, saingy izay ankizy nateraky ny reny Malagasy sy ray teratany vahiny dia tsy maintsy manao fanambarana ny faniriany hizaka ny zom-pirenena Malagasy rehefa feno 18 taona. Tsy mifindra avy amin’ny reny niteraka mankany amin’ny zanany ny zom-pirenena raha tsy hoe teraka tao anaty fanambadiana ara-panjakana ilay zaza, ary tsy manana firenena ilay rainy, na tsy fantatra ny zom-pirenen’ilay rainy. Tsy misy paikady iraisana manerana ny nosy mikasika ny kopia, nefa tsy azo raisina hianatra na hahazo fiahiana ara-pahasalamana avy amin’ny fanjakana izay zaza tsy manana kopia. Niara-niasa tamin’ny fitondrana ny UNICEF tamin’ny fizarana kopia ho an’ireo zaza vao teraka sy ireo tsy mbola nahazo kopia hatramin’ny nahaterahany. Hita tamin’ny fanadihadiana nataon’ny UNICEF tamin’ny taona 2010 fa ny 80 isan-jaton’ny ankizy latsaky ny dimy taona ihany no manana kopia. Niara-niasa tamin’ny UNICEF ny Minsiteran’ny atitany, fahasalamana ary ny fitsarana nandritra ny taona hampihenana ny isan’ny zaza tsy manana kopia tany amin’ny faritra sasany nokendrena manokana.

Fanabeazana: Voalazan’ny Lalàm-panorenana fa tsy andoavam-bola ny fanabeazam-panjakana ho an’ny ankizy Malagasy rehetra, ary tsy maintsy mianatra any amin’ny ambaratonga voalohany ny ankizy hatramin’ny faha-16 taonany. Na izany aza anefa dia nitombo ny vola nasaina naloan’ny ray aman-dreny hanampiana ny fitaovam-pianarana fototra sy ny karaman’ny mpampianatra. Vokatr’izany dia maro ny ankizy tsy mba afaka nianatra. Nanambara ny UNICEF fa tamin’ny ankapobeny dia nitovy ny fahafahan’ny zazalahy sy zazavavy mandranto fianarana, na dia maro kokoa aza ny tovovavy miala mianatra eo amin’ny taonan’ny adolan-tsento. Nanomboka tamin’ny taona 2014 dia misy tetikasa maharitra telo taona notohanan’ny Banky Iraisam-pirenena, ary notontosain’ny Ministeran’ny Mponina, hanomezana fanampiana ara-bola ho an’ny fianakaviana maro hanatsarana ny fahafahana mandefa ankizy mianatra. Tanjon’ny tetikasa ny hanampy fianakaviana miisa 39.000 any amin’ny faritra maro sy hanome vola ho an’izay fianakaviana marefo ka manapa-kevitra handefa ny zanany hianatra.

Fampijaliana zaza tsy ampy taona: Mbola olana hatrany ny fanararaotana zaza tsy ampy taona, anisan’izany ny fanolanana zaza menavava sy zaza madinika.  Nihoatra ny15 ny isan’ny tranga-na fanolanana zaza tsy ampy taona notaterin’ny mpanao gazety nandritra ny taona, ka zaza latsaky ny 12 taona ny ankamaroan’ireo niharan’izany; ary telo taona ny zandriny indrindra. Nandritra ny taona 2015 dia nahatratra 40 ny isan’ny tranga-na fampijaliana ankizy nosahanin’ny Sendikan’ny Mpanao Asa Sosialy ka teo anelanelan’ny telo volana hatramin’ny 18 taona ireo niharan’izany. Tamin’ny taona 2015 dia niainga tamin’ny antontam-baovao tao amin’ny polisim-pirenena sy ny Ministeran’ny Mponina ny UNICEF ka nampahafantatra tranga-na fanolanana niisa 417 sy endrika hafa nisehoan’ny fampijaliana ankizy niisa 828. Voafetra ihany ny ezaka nataon’ny fanjakana hiadiana amin’ny fanolanana zaza tsy ampy taona, ka ny tena nifotorany dia ireo tambazotra fiarovana ny zaza tsy ampy taona, izay nijery akaiky ny zavatra ilain’ireo zaza niharan’ny fanolanana ary, indraindray, dia nanaitra ny sain’ny besinimaro.

Nitohy niasa ihany ny Centre Vonjy, ao amin’ny sampan-draharaha fampiterahana ao amin’ny Hopitelin’i Befelatanana. Ny UNICEF no namatsy vola io ivon-toerana io, izay nandray sy nitsabo ireo zaza tsy ampy taona niharan’ny fanolanana. Nanolotra fitiliana ara-pahasalamana ihany koa io ivon-toerana io, afaka miantoka ny lany amin’ny fitsaboana sy fiterahana ho an’ny mitondra vohoka, fitsaboana ho an’ny fiantraikany ara-tsaina zakain’ireo voaolana, ary fanampiana avy amin’ny Polisy misahana ny moraly sy ny zaza tsy ampy taona raha hametraka fitarainana. Namporisihin’ity ivon-toerana ity ireo olona niharan’ny heloka handresy lahatra ny ray aman-dreniny hametraka fitoriana an’izay nahavanon-keloka tamin’izy ireo.

Fanambadiana an-tery sy aloha loatra: Tsy mila fahazoan-dalana avy amin’ny ray aman-dreny ny tovolahy sy ny tovovavy mikasa hanambady ka efa feno 18 taona. Na izany aza anefa, araka ny famaritana nataon’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Mponina, dia mbola fahita matetika ny fanambadian’ny zaza tsy ampy taona, indrindra tany ambanivohitra sy tany amin’ny tapany atsimo. Heverina fa ny 41 isan-jaton’ny vehivavy teo anelanelan’ny 20 sy 24 taona no efa nanambady talohan’ny nahafenoany 18 taona, ary ny 12 isan-jato no nanambady talohan’ny faha 15 taonany, araka ny voalazan’ny antontam-baovao voaangon’ny UNICEF teo anelanelan’ny taona 2008 sy 2014.

Araka ny nohamafisin’ny Mpitondra teny manokana avy amin’ny Firenena Mikambana momba ny endrika fanandevozana moderina nandritra ny iraka notanterahiny teto an-toerana tamin’ny taona 2012, dia mbola olana tany amin’ny tanàna madinika maro ny fanerena zaza tsy ampy taona hanambady, satria misy zazavavy vao 10 taona dia efa terena hanambady. Nomarihiny fa ireo izay iharan’ny fanambadiana nalamina toa izany dia matetika koa iharan’ny fanerena hiasa an-trano sy fanandevozana ara-nofo.

Araka ny tatitra nataon’ny Mpitondra teny manokana avy amin’ny Firenena Mikambana tamin’ny taona 2013, dia mbola nitohy ny fanaovana ny “moletry” izay fampanambadiana zazavavy tsy ampy taona ho takalon’ny omby atolotra ho solom-bodiondry. Mitady vady (matetika mety ho vao 12 taona) ho an-janany ny ray aman-drenin’ny zazalahy (matetika manodidina ny 15 taona), ka rehefa mifanaraka ny ray aman-dreny roa tonta dia karakaraina ny mariazy. Manao fifanarahana an-tsoratra ho an’ny herin-taona voalohany ireo ray aman-dreny roa tonta, ary azo halavaina izany fifanarahana izany. Raha miteraka izy mivady aorian’ilay herin-taona voalohany nefa foana ilay fanambadiana, dia ilay zazavavy—na ny reniny raha toa ka kely loatra izy—no tompon’andraikitra manabe ilay zaza teraka. Raha nanitsakitsaka an-dralehilahy kosa ilay tovovavy na tsy mahatody herin-taona ilay fanambadiana, dia averina ny solom-bodiondry ary misaraka tsy misy rahoraho ny roa tonta. Tsy maintsy manapitra ny herin-taona nifanarahana ilay vehivavy na sanatria iharan’ny fampijaliana aza, saingy raha izay no mitranga dia ampiana ny vola na firavaka atolotra ny ray aman-drenin’ilay tovovavy, mba hampitoniana azy ireo.

Nokianin’ilay Mpitondra teny manokana avy amin’ny Firenena Mikambana tao anatin’ilay tatitra navoakany tamin’ny taona 2013 ihany koa ny “valifofo,” na fanambadiana amboarina.  Nomarihiny fa any amin’ny tanàna toa an’Ihorombe, any amin’ny foko Bara, rehefa feno 10 taona ny ankizivavy iray, dia atokana trano ary afaka mampiditra lehilahy ao aminy na tsy mangataka alàlana avy amin’ny lehilahy havany aza. Ho an’ny foko Bara, dia vao teraka ny zazavavy dia efa azon’ny ray aman-dreny ampanantenaina ho vadin’olona, ary mandray omby 10 izy ho takalon’izany. Azon’ny lehilahy atao ihany koa ny maka ankizivavy fito taona na miangavy ny ray aman-drenin’ilay ankizivavy hitaiza azy mandrapahafenony 12 taona, fotoana andefasana azy any an-tranon’ilay ho vadiny.

Fanararaotana mamoa-fady atao amin’ny zaza tsy ampy taona: Amin’ny ankapobeny dia melohina roa hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina sy lamandy mety hahatratra 10 tapitrisa Ariary ny fampiasana sy fampirisihana olona hivaro-tena. Na izany aza anefa, araka ilay lalàna vaovao iadiana amin’ny fanondranana arahina fanararaotana olona, ny fampiasana sy fampirisihana zaza latsaky ny 18 taona hivaro-tena, ny fanararaotana mamoa-fady atao amin’ny zaza latsaky ny 15 taona – sy ny fanararaotana zaza latsaky ny 18 taona hahazoana tombony dia samy melohina amin’ny “asa an-terizovona” avokoa. Na ny fehezan-dalana mifehy ny heloka bevava, na ny lalàna miady amin’ny fanondranana arahina fanararaotana olona dia samy miresaka momba ny sary sy horonan-tsary mamoafady, ka voalaza mazava fa sazy roa hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina ary lamandy mety hahatratra 10 tapitrisa Ariary no miandry izay mahavita izany. Mahalana anefa no nampiharin’ny fitondrana ireo andinin-dàlana ireo. Tsy voafaritra ihany koa ny taona ambany indrindra ho an’ny fahalalahana hiray ara-nofo.

Mbola olana goavana ny fanararaotana ara-nofo ny ankizy, izay indraindray ahitana firaisana tsikombakomba ataon’ny ray aman-dreny.  Ny tena nampisongadina izany indrindra dia tao Antananarivo sy tany amin’ny tanàna amoron-tsiraka toa an’i Toamasina, Nosy Be, Diego Suarez ary Mahajanga.  Nandritra ny iraka nataony tamin’ny taona 2013 teto Madagasikara, dia nofaritan’ny Mpitondra teny manokana avy amin’ny Firenena Mikambana fa “mitaky fandraisana andraikitra haingana” ny “ firongatry” ny fivarotan-tena ataon’ny zaza tsy ampy taona sy fizahan-tany mamoafady manerana ny firenena.

Tamin’ny taona 2013 ny Fikambanana tsy miankina Ending Child Prostitution and Trafficking (ECPAT) miasa eto Madagasikara dia naharakitra an-tsoratra zaza tsy ampy taona niisa 1.132 nivaro-tena tao Antananarivo; maherin’ny ampahatelony amin’izy ireo no nilaza fa nandritra ny taon-dasa mialoha an’io no tafiditra tao amin’ny fivarotan-tena. Nitatitra ihany koa io fikambanana tsy miankina io fa ny ankamaroan’ny ankizy mivaro-tena any Mahajanga sy Nosy Be dia teo anelanelan’ny 13 sy 15 taona no nanao firaisana ara-nofo voalohany. Ny 40 isan-jaton’izy ireo dia teo am-pivarotan-tena no nanaovany firaisana ara-nofo voalohany, ary ho an’ny maro dia mahafantatra tsara izany fidiram-bolany izany ny ray aman-dreniny.

Misy ny tovovavy avy any ambanivohitra tonga miasa an-trano eto an-drenivohitra no iharan’ny fanararaotana sy fanolanana ataon’ny mpampiasa azy.  Izay miala amin’ny asa noho ny antony toa izany matetika dia tsy mahazo karama.  Koa mba tsy hodian’izy ireo tànam-polo any amin’ny tanàna nihaviany, dia aleony mijanona eto an-drenivohitra ary mivaro-tena.

Maherin’ny 450 ireo tamba-jotra nosahanin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny raharaha sosialy nanerana ny faritra 22 natao hiarovana ny ankizy tsy hiharan’ny fanararaotana sy fanambakana. Niara-niasa tamin’ny UNICEF ny ministera hamantarana ireo ankizy niharan’izany heloka izany sy hahazoana antoka fa mahazo ny fitsaboana ara-pahasalamana sy fikarakarana ara-tsaina sy ara-tsosialy ilainy ireo ankizy ireo.  Tao anatin’ny fiaraha-miasa tamin’ny ministeran’ny fitsarana sy ny mponina ary ny zandarimaria no nanofanan’ny UNICEF ny mpitandro filaminana sy mpandray anjara hafa tany amin’ireo faritra nokendrena tamin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy.

Maro ny fanao ara-kolotsaina sy nentim-paharazana nitarika fanararaotana mamoafady tamin’ny tovovavy sy zazavavy. Mbola nitohy tany amin’ny faritra mitoka-monina sasany ohatra ny fomba nentim-paharazana atao hoe “Tsenan’ampela”. Raha vao feno 13 taona ny tovovavy dia mamonjy tsenan’omby  ka manao izay hanintonana tompon’omby ary manao adivarotra ho an’ny “fanambadiana,” izay mety haharitra indray alina na mandritra ny fotoanan’ny tsena (Zoma hatramin’ny Alatsinainy), araka ny tatitra tamin’ny taona 2013 nataon’ny Mpitondra teny manokana avy amin’ny Firenena Mikambana mikasika ny endrika isehoan’ny fanandevozana ankehitriny.  Tamin’ny ankapobeny dia 10.000 Ariary isan’alina no nomena ny tovovavy manao izany, dia mody izy ireo rehefa mirava ny tsena.

Famonoana zaza nateraka na famonoana zaza vao teraka ka manana fahasembanana: Hita tamin’ny tatitry ny mpanao gazety nandritra ny taona ny fahitana fatin-jazamenavava nisy nanary tany anaty tatatra sy teny amin’ny dabam-pako. Misy fady nentim-paharazana any amin’ny faritra atsimo-atsinanana ho an’ny miteraka kambana izay vao maika nanamafy ilay olana ihany koa.

Ankizy nafindra toerana: Na dia voararan’ny lalàna aza ny fandaozana zaza tsy ampy taona, dia mbola nisongadina io olana io. Vitsy ireo toerana azo antoka nahafahana nandray ireo zaza mpirenireny, ary tamin’ny ankapobeny dia niezaka hatrany ny biraom-panjakana hametraka ny zaza nilaozan’ny ray aman-dreniny any amin’ny fianakaviana aloha.  Maro ny ankizy napetraka tany amin’ny toerana mpitaiza kamboty tsy miankina sy tantanan’ny fiangonana, izay tsy tao anatin’ny rafitra arahin’ny fanjakana maso.

Hala-jaza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena: Madagasikara dia tsy nanao sonia ny Fifanarahana tao La Haye tamin’ny taona 1980 momba ny Endrika Sivily mahakasika ny Hala-jaza eo amin’ny sehatra Iraisam-pirenena. Jereo ato ny Tatitra isan-taona momba ny hala-jaza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ataon’ny ray aman-dreny, navoakan’ny Departemantam-panjakana Amerikana :

travel.state.gov/content/childabduction/english/legal/compliance.html.

Fankahalana ny Jiosy

Vitsy dia vitsy ny mpikambana amin’ireo fiaraha-monina Jiosy, ary tsy nisy tatitra mikasika ny hetsika na tranga maneho fankahalana ny Jiosy.

Fanondranana arahina fanararaotana olona

Jereo ato ny Tatitra momba ny fanondranana arahina fanararaotana olona navoakan’ny Departemantam-panjakana Amerikana : www.state.gov/j/tip/rls/tiprpt/.

Ireo manana fahasembanana

Voararan’ny lalĂ na ny fanavakavahana ny olona manana fahasembanan’ny vatana sy ny saina, na dia tsy voaresaka manokana aza ny fahasembanan’ny retsi-pandrenesana sy ny fahasembanana ara-pahaizana. Voafaritry ny lalĂ na tsara ny zĂČ anĂ nan’ny olona manana fahasembanana ary voalazan’ny lalĂ na ny tokony hananganana filankevi-pirenena sy isam-paritra hiaro ny zon’izy ireo. Voalazan’ny lalĂ na fa ny sembana dia manan-jo hahazo fitsaboana sy fanabeazana, hahazo fiofanana sy asa fivelomana; tsy voaresaka manokana ny mikasika ny fivezivezena an’habakabaka na ny fahafahana mampiasa ny rafi-pitsarana. “Ampirisihina” ny ivon-toerana fanabeazana hanao izay fanamboarana ilaina amin’ny foto-drafitrasany mba handraisana ireo mpanjifa manana fahasembanana.  Voalazan’ny lalĂ na ihany koa fa “Anjaran’ny fanjakana ny manamora araka izay azo atao ny lalana miditra any amin’ny biraom-panjakana, faritra natokana ho an’ny besinimaro ary ny fitateram-bahoaka mba handraisana ny olona manana fahasembanana.”

Tsy dia nampihatra ireo zo ireo anefa ny manam-pahefana, ary nijanona ho an-taratasy ihany ilay lalàna mitaky ny fanamorana ny fidiran’ny sembana amin’ny trano iray. Araka ny fanadihadiana lalina nampanaovin’ny fikambanana tsy miankina iray, dia samy tsy tafiditra ao anatin’ny rafi-dalàna ankehitriny misahana ny zon’ny olona manana fahasembanana ny lohahevitra fototra toy ny fahafahana miditra amin’ny birao, ny fahavitan-tena, ny fahafahan’ny tsirairay mivezivezy, ny fitovian-jo, ny fahafahana manatona ny rafi-pitsarana, ny fahafahana mandray anjara amin’ny fiainan’ny fiaraha-monina sy ny politika—ankoatry ny zo manokana tokony ho an’ny vehivavy sy ny ankizy manana fahasembanana.

Voafetra ihany koa ny fahafahan’ny sembana mandranto fianarana noho ny tsy fisian’ny foto-drafitrasa mifanaraka amin’ny ilain’izy ireo, ny toeram-pampianarana na mpanabe manokana ho azy ireny. Na izany aza anefa, dia nambaran’ireo mpiaro ny zon’ny olona manana fahasembanana fa mihoatra ny 60 ny isan’ny kilasy mandray ankizy manana fahasembanana, isan’izany ny manana fahasembanan’ny saina, manerana ny nosy.  Nisy ihany koa manam-pahefana isan-tanàna nanampy mpianatra sasany manana fahasembanana nandritra ny fanadinana bakalorea. Noho ny fanampiana ara-bola avy amin’ny fikambanana frantsay iray, dia nanao sonia fifanarahana tamin’ny Handicap International ny Minisitry ny Fanabeazana tamin’ny volana Febroary hampidirana ankizy marefo miisa 2.173, anisan’izany ny ankizy manana fahasembanana miisa 503, hianatra any amin’ny sekolim-panjakana any amin’ny Faritra Diana sy Analanjirofo. Tafiditra tao anatin’izany fandaharana izany ny fanofanana manokana ho an’ny mpampianatra any amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga voalohany handray ireo ankizy ireo.

Nianjadian’ny fanavakavahana ny olona manana fahasembanana eo amin’ny tontolon’ny asa. Mora ianjadian’ny heloka bevava ihany koa izy ireo, indraindray vokatry ny ataon’ny havany ihany. Nilaza ohatra ny mpitarika fikambanam-behivavy manana fahasembanana iray tamin’ny taona 2015 fa nisy mpikambana roa tamin’ny fikambanan’izy ireo noteren’ny ray aman-dreniny hafatotra ny tranon-janany mba tsy ho afaka miteraka intsony, satria noraisin’ireo ray aman-dreny ho vesatra ho an’ny fianakaviana izy ireo.

Voalazan’ny fehezan-dalàna momba ny fifidianana fa ny olona manana fahasembanana dia tsy maintsy ampiana handatsa-bato, saingy tsy misy andalana hafa miresaka momba ny fikarakarana ireo mpifidy manana fahasembanana.

Ny Ministeran’ny Mponina no tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny zon’ny olona manana fahasembanana ary nanana sampan-draharaha nisahana ny olona manana fahasembanana sy ny beantitra. Vehivavy manana fahasembanana no notendren’ny ministera ho lehiben’io sampan-draharaha io.

Teo ihany koa ny fiaraha-miasa tamin’ny Handicap International nahafahan’ny mpitondra isan-tanàna nandray anjara mavitrika tamin’ny fandaharana fampandrosoana any an-toerana. Ny kaominina Toamasina sy Toliara ohatra dia afaka nitondra fanatsarana goavana tamin’ny fahafahan’ny olona manana fahasembanana miditra ao amin’ny tsena sy toerana hafa fampiasan’ny besinimaro.

Nanambara ny Ministeran’ny Mponina tamin’ny taona 2015 fa misy ny lamin’asam-pirenena maharitra dimy taona ho an’ny olona manana fahasembanana. Izany lamina izany moa dia natao ho fitaovana hampiasain’ireo tompon’andraikitra rehetra avy amin’ny fanjakana sy ireo tsy miankina hampidirana ny zon’ireo manana fahasembanana any anatin’ny fandaharanasan’izy ireo tsirairay avy.

Ireo vitsy an’isa ara-pihaviana/ara-pirazanana/ara-poko

Tsy nisy azo nantsoina hoe maro an’isa ny iray tamin’ireo foko 18 eto Madagasikara.  Nahitana teratany indo-pakistanais, kaomoriana, sy sinoa vitsy an’isa ihany koa ny firenena.  Samy manan-danja eo amin’ny fandraisana mpiasa avokoa — ary nisy nanararaotra teo amin’ny tontolon’ny politika – ny resaka foko nihaviana, ny firazanana, sy ny firaisan-kina isam-paritra. Ny tantara naharitra teo amin’ny fanafihan’ny tafika sy ny fanjakazakan’ny foko tao afovoan-tany izay taranaky ny Aziatika indrindra ny Merina teo amin’ny lafiny politika teo anatrehan’ireo foko tany amin’ny morontsiraka (taranaka Afrikana) dia isan’ny niteraka fihenjanana teo amin’ireo olom-pirenena avy ao afovoan-tany sy ny avy any amorontsiraka, indrindra teo amin’ny sehatry ny politika.

Herisetra sy fanavakavahana ary endrika fanararaotana hafa nohon’ny fironana eo amin’ny firaisana ara-nofo ary fanavahana ny lehilahy sy vehivavy

Voalazan’ny lalàna fa mahavoasazy an-tranomaizina roa hatramin’ny dimy taona sy onitra roa hatramin’ny 10 tapitrisa Ariary ny fitondran-tena “tsy mendrika na manohitra ny natiora eo amin’ny samy lahy na samy vavy latsaky ny 21 taona”, izay ekena fa mahasahana ny endrika firaisana ara-nofo rehetra. Tsy misy lalàna manohitra ny firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lahy na samy vavy ho an’ny efa feno 21 taona noho miakatra. Misy ireo mpikambana sasany amin’ny vondron’ny LGBTI voalaza fa tsy mahalala ny mety hahavoasambotra azy noho ny “fanodinkodinana zaza tsy ampy taona,” ary nisy tamin’izy ireo no voasambotra noho izay antony izay, na dia tsy nisy antontan’isa ofisialy aza. Tsy misy andininy manokana ao amin’ny lalàna manohitra ny fanilikilihana mianjady amin’ny LGBTI.  Tsy misy lalàna manokana misakana ny olona sady lahy no vavy hifidy na ho lahy izy na ho vavy.

Nisy tatitra nilaza fanilikilihana nataon’ny manam-pahefana sy tompon’andraikitra isan-tanàna, indrindra ireo mpampihatra lalàna, izay nanararaotra tamin’ny endrika mamoafady ny LGBTI na tsy niaro azy ireny tamin’ny herisetra nataon’ny fiaraha-monina. Nisy ihany koa tompon’andraikitra ara-pahasalamana voalaza fa tsy nety nandray LGBT na tsy nanaja ny fifanarahana mikasika ny tsiambaratelon’ny asa maha-mpitsabo.

Tsy dia firesaka eto amin’ny firenena ny safidin’ny olona momba izany firaisana ara-nofo sy maha-lahy na maha-vavy izany, satria amin’ny ankapobeny ny olona dia manaiky tsy sazoka na maneho tsy fankasitrahana mahery vaika mihitsy, indrindra manoloana ireo lehilahy manova endrika manao asa fivarotan-tena. Niatrika fanilikilihana sy fanavakavahana goavana avy amin’ny fiaraha-monina ity vondron’olona ity, mazàna aza dia avy amin’ny fianakaviany ihany, indrindra any ambanivohitra.  Maro amin’izy ireo no nolavin’ny havany ary tsy navela hiditra am-pasan-drazana. Matetika ireo avy amin’ny LGBTI no tojo fanavakavahana rehefa mitady asa.

Fanilikilihana ireo voan’ny VIH sy SIDA

Niharan’ny fanavakavahana sy fanilikilihana nataon’ireo matihanina eo amin’ny sehatry ny fitsaboana ireo mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA. Voalazan’ny lalàna fa manan-jo hahazo fitsaboana maimaim-poana ireo mararin’ny VIH/SIDA, ary voalaza mazava koa ny sazy ho an’izay manavakavaka na manilikilika ny olona mitondra ireo aretina ireo. Ankoatry ny Vaomieram-pirenena miady amin’ny SIDA eto Madagasikara, dia tsy nampihatra lalàna an-tsakany sy an-davany ireo andrim-panjakana hafa, anisan’izany ny minisiteran’ny fahasalamana sy ny fitsarana.

Herisetra na fanavakavahana hafa eo amin’ny fiaraha-monina

Nitrangana fitsaram-bahoaka na tany an-tanàn-dehibe na tany ambanivohitra, anisan’ny anton’izany ny firongatry ny asan-jiolahy sy ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny polisy sy ny fitsarana.  Vahoaka maro no miara-mamono, midaroka, mandoro na koa mandratra olona ahiana ho nanao ratsy sy izay niray tsikombakomba taminy; ary niisa 86 ny fitsaram-bahoaka notaterin’ny mpampahalala vaovao teo anelanelan’ny volana Janoary sy Desambra. Indraindray dia nosamborin’ny manam-pahefana ireo nahavanona ny famonoana, saingy tsy tontosa hatramin’ny farany ny fanenjehana araka ny lalàna noho ny tahotra sao vao mainka ho romotra ny vahoaka.

Ny 1 Martsa tany Maroantsetra, dia nosamborin’ny zandary ny tompon’omby iray voalaza fa nandray anjara tamin’ny fitsaram-bahoaka nihatra tamin’ny dahalo iray tamin’ny volana Novambra 2014. Ho setrin’izany, ny 3 Martsa, dia nisy mponina avy any ambanivohitra nentin-katezerana mafy ka nanafika sy nandrava ny biraon’ny mpampanoa lalàna ary nizotra nanatona ny fonja hamoaka ilay tompon’omby. Mba tsy hahavaky ny fonja iray manontolo dia namoaka didy hamotsorana azy ny mpitsara teo an-toerana.

Ny 31 Martsa dia maty nodarohin’ny vahoaka tezitra mafy tao Bealanana ny olona roa voalaza fa mpangalatra, izay efa voasambotry ny zandary; ary notetehin’izy ireo ny fatin’ireo olona ireo.

Niharan’ny fanafihana mifandraika amin’ny mosavy ihany koa ny olona sasany bobo teo amin’ny firenena. Ny 17 Oktobra ohatra dia hita faty ny vehivavy bobo iray tany Betioky, ary efa tsy nisy maso intsony. Tamin’ny volana Novambra, dia nisy pretra bobo iray saika nisy naka an-keriny izay voalaza fa saika hivarotra azy 60 tapitrisa Ariary, satria toa hoe saika hampiasaina amin’ny mosavy ny fatiny.

Fizarana faha-7 Zon’ny mpiasa

a. Ny zo hivondrona sy hanao fifampiraharahana

Voalazan’ny lalàna fa azon’ny mpiasam-panjakana sy ny tsy miankina atao ny manangana na mirotsaka ho mpikambana amina sendika izay tiany, ka tsy mila fahazoan-dalana mialoha na fepetra mihoam-pampana. Manana ny Fitsipi-dalàna mifehy azy manokana anefa ny mpiasam-panjakana sy ny mpiasa an-dranomasina. Tsy afaka manangana sendika ireo mpiasa ao amin’ny raharaha iankinan’ny ain’ny firenena, toy ny polisy sy ny miaramila ary ny mpamonjy hain-trano. Ny fehezan-dalàna an-dranomasina mifehy ireo mpiasa eo amin’ny sehatry ny ranomasina dia tsy ahitana andalana manokana miantoka ny zon’ny mpiasa hanangana sendika.

Voalazan’ny lalĂ na amin’ny ankapobeny fa azo atao ny lahasan’ny sendika ary mamela ny ankamaroan’ny mpiasa, isan’izany ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba, hitokona. Na izany aza anefa dia voarara ny fitokonana raha toa ka mety hitarika “fanakorontanana ny fiainam-bahoaka,” na mety hitondra loza mananontanona ho an’ny ain’ny mponina, ny fiarovana azy na ny fahasalamany. Alohan’ny hitokonana dia tsy maintsy andraman’ny mpiasa avokoa aloha ny fampihavanana sy ny fanelanelanana, izay mety haharitra valo volana hatramin’ny roa taona sy tapany. Manan-jo hitokona ny mpiasa amin’ny “sehatra iankinan’ny ain’ny firenena” (tsy voafaritry ny lalĂ na) toy ny mpitsara, saingy voafetra ihany izany zĂČ izany. Takian’ny lalĂ na izy ireo hametraka fiandraiketan-draharaha farafahakeliny ho an’ny mponina mandritra ny fitokonana, ary tsy maintsy mampilaza mialoha ny mpampiasa azy. Hita ao amin’ny fehezan-dalĂ na momba ny asa ihany koa ny lamandy sy/na sazy am-ponja ho an’ireo “nampirisika sy nitarika fitokonana tsy ara-dalĂ na,” na tao anatin’ny filaminana aza izany fitokonana izany.

Voararan’ny lalàna ny fanavakavahan’ny mpampiasa nohon’ny maha-mpikambana amin’ny sendika. Raha sanatria misy hetsika anenjehana ny sendika, dia azon’ny sendika na ny mpikambana ao aminy atao ny mitory ny mpampiasa eny amin’ny fitsarana. Tsy misy anefa fiarovana voalazan’ny lalàna ho an’ireo mpiasam-panjakana sy ny mpiasan’ny orinasa tsy miankina raha toa misy fanoherana, fanavakavahana na fitsabahana ataon’ny mpampiasa manoloana ny sendika. Tsy voaresaka ao amin’ny Fehezan-dalàna mifehy ny asa ny momba ny famerenana amin’ny asany indray ireo voaroaka noho ny raharahan’ny sendika.

Voalaza ao amin’ny lalàna ihany koa fa manan-jo hanao fifampiraharahana ireo mpiasa eo amin’ny sehatra tsy miankina, afa-tsy ny tantsambo. Ny mpiasam-panjakana tsy mandray anjara amin’ny fitantanana ara-panjakana, toy ny mpampianatra any amin’ny sekolim-panjakana izay karamaina amin’ny alàlan’ny mpamatsy vola vahiny na ny FRAM, dia tsy afaka manao fifampiraharahana momba ny fepetra fampiasana azy. Nanambara anefa ireo solo-tenan’ny sendika fa misy fotoana tsy nampiharin’ny fitondrana ny lalàna manan-kery, anisan’izany ireo sazy sy onitra tokony hampiharina, ary mitarazoka loatra ny lamina fampiakarana fitsarana ambony.  Mora kokoa ny fanajana sy fampiharana ny zo momba ny fifampiraharahana any amin’ireo orinasa iraisam-pirenena lehibe, toy ny orinasa miasahana fifandraisan-davitra na ny banky ohatra.  Voalaza fa mananosarotra kokoa ny fampiharana ireo zo ireo any amin’ireo orinasa afaka haba na ireo orinasa madinika kokoa eto an-toerana.  Nitatitra ireo solo-tenan’ny sendika fa matetika ny mpiasa any amin’ny orinasa toa izany no tsy marisika hanao fangatahana, sao iharan’ny valifaty.

Nohajain’ny fitondrana tamin’ny ankapobeny ny fahalalahan’ny fananganana fikambanana sy fifampiraharahana. Voalazan’ny lalàna fa ny sendika dia tsy natao hiankin-doha amin’ny fitondrana na antoko politika eo am-panatontosana ny asany. Nilaza ireo solontenan’ny sendika fa nisy fomba mangingina nandraman’ny mpampiasa nanovana ny fomba fijerin’ny sendika, ka matetika tsy nahafahan’ny mpiasa nivondrona na nanakihana ny tontolo tsizarizary ao amin’ny toeram-piasana.

Mateti-pitranga ny fitokonana nandritra ny taona – anisan’izany ny fitokonan’ny oniversite, mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana, mpitan-tsoratra ao amin’ny fitsarana ary mpiasan’ny fadin-tseranana. Tsy voatery ho niompana tamin’ny tontolon’ny asa mivantana foana ireny hetsika ireny, ary nisy manam-pahefana nilaza fa mety ho “fanakorontananana” no tanjona tamin’ireny fikotonana ireny. Indraindray ny fitondrana dia nanao karazana antsojay samihafa hampitahorana ireo mpitarika hetsika, ka indraindray nandrantiranty heloka hafa tsy misy ifandraisany amin’ny hetsika akory.

Tamin’ny 1 May, Fetin’ny Asa, dia nisy fivondronan’ny sendika antsoina hoe “Afo Sendikaly” namory vahoaka teo Antananarivo ka nitsikera ny fitondrana ireo nandray anjara fitenenana, anisan’izany ny mpanohitra sasany efa fanta-daza. Andro vitsivitsy taty aoriana, nandritra ny fivoriana hafa, dia nomen’ny mpitarika ny fikambanana 72 ora ny filoha hametra-pialana. Ny 6 Jona, dia nanambara Atoa Maharavo Ratolojanahary, iray amin’ireo mpitarika, fa naharay taratasy fampitandremana nosoniavin’ny Praiminisitra, izay Minisitry ny Atitany ihany koa, ny tenany, taratasy izay miampanga azy ho nandika ny fitsipi-pifehezan’ny mpiasa sy nampahatsiahy azy fa tsy nahazo alàlana hiteny amin’ny anaran’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana izy.

Ny 2 May Atoa Tsinjo Rakotomaharo, mpiasam-panjakana mpitsabo, dia naharay taratasy milaza ny fampitsaharana azy amin’ny asany araka ny soso-kevitra avy tamin’ny filan-kevitra mpampanaja fitsipika ho an’ny mpiasa nanao hadisoana, noho ny nandaozany ny asany ka nanatrehany hetsiky ny sendika. Nilaza Atoa Rakotomaharo fa io fandroahana azy io, izay nankatoavin’ny Praiminisitra, dia endrika valifaty noho ny nitsikerany ny fomba nitsinjarana an’Antananarivo fony Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ny Praiminisitra. Mpikambana mavitrika ao amin’ny antoko politika TIM ihany koa Atoa Rakotomaharo.

Vokatr’ilay lalàna mifehy ny orinasa afaka haba dia nihena ny zon’ny mpiasa, satria azon’ireo orinasa afaka haba atao ny mampihatra lalana mifehy ny asa tsy mitovy amin’ny fehezan-dalana mifehy ny asa manan-kery eto amin’ny firenena. Mety ho hafa ny fifanarahana arak’asa any amin’ny orinasa afaka haba, indrindra mikasika ny faharetany, ny fandrarana ny vehivavy tsy hiasa amin’ny alina, ary ny famerana ny ora fanampiny iasana. Tany am-boalohany dia azon’ny vehivavy natao, araka io lalàna io, ny miasa alina saingy tsy mahazo mihoatra ny adiny enina isan-kerinandro. Ny didy hitsivolana fampiharana azy nivoaka tamin’ny taona 2015 kosa anefa dia nilaza fa tsy maintsy miera amin’ny mpiasa aloha ny mpampiasa ary alohan’ny hampiasana alina ny vehivavy dia tsy maintsy mifampidinika amin’ny sendika aloha ny mpampiasa mba hijerena izay fepetra ilaina mikasika izany.

b. Fandrarana ny asa an-tery

Voararan’ny lalàna ny asa an-tery, saingy olana hatrany izy io ho an’ny ankizy eo amin’ny sehatra tsy ara-dalàna.  Mbola mahazo vahana ihany koa ny asa an-tery nohon’ny fampiharana ny Dina, fifanarahana tsotsotra ho fandoavana trosa na fanonerana ratsy natao (jereo ny Fizarana 1.d.). Ho an’ny fiaraha-monina sasany dia fampiasa andavanandro ny Dina sady fomba mahavantana amin’ny famahana disadisa na fanefana trosa. Mahazo vahana hatrany izany fomba fanao izany satria tsy nahomby tamin’ny fampiharana ny lalàna ny manam-pahefana. Nolanian’ny Antenimiera tamin’ny taona 2014 ny lalàna vaovao hiadiana amin’ny fanararaotana olona izay mamaritra mazava kokoa ny atao hoe fanararaotana olona, ka isan’izany ny asa an-tery.

Azo jerena koa ny Tatitra isan-taona momba ny fanondranana arahina fanararaotana olona, navoakan’ny Departemantam-panjakana, ao amin’ny www.state.gov/j/tip/rls/tiprpt/.

c. Fandrarana ny fampiasana zaza tsy ampy taona sy ny taona farafahakeliny ahafahana miasa

Voafaritry ny lalàna ny fepetra ho an’ny fampiasana zaza tsy ampy taona, voafaritra ao koa ireo endrika ratsy indrindra isehoan’ny fampiasana zaza tsy ampy taona, tanisaina ao ny sazy ho an’ny mpampiasa, ary voafaritra ao ireo rafitra ara-panjakana ho fampiharana izany rehetra izany.  Voafaritra ho 15 taona ny taona farafahakeliny ahafahana miasa. Araka ny lalàna dia mahazo miasa hatramin’ny adiny valo isan’andro na 40 ora isan-kerinandro ny ankizy, ary tsy mahazo manao ora fanampiny. Voararan’ny lalàna ny fampiasana ankizy latsaky ny 18 taona amin’ny alina na any amin’ny toerana mety hitera-doza ho an’ny fahasalamany, ny fiarovana azy na ny fisainany. Tsy maintsy asian’ny mpampiasa 12 ora hialan-tsasatra eo anelanelan’ny fotoam-piasana roa. Isan’ireo fepetra takian’ny fitsipika mifehy ny fitandroana ny fahasalamana sy ny fiarovana ny aina ny fahazoan-dalana avy amin’ny ray aman-dreny sy ny fizaham-pahasalamana ataon’ny mpitsabo alohan’ny handraisana mpiasa. Voararan’ny lalàna ny asa sy lahasa mety hitera-doza ho an’ny ankizy, saingy tsy voafaritra amin’ireo sehatra rehetra ahitana fampiasana zaza tsy ampy taona izany fandrarana ny asa sy lahasa mety hitera-doza izany, anisan’izany ny fiompiana sy fambolena.

Tsy nampiharin’ny fitondrana an-tsakany sy an-davany ny lalàna. Tompon’andraikitra amin’ny fampiharana ireo lalàna mifehy ny fampiasana zaza tsy ampy taona ny Ministeran’ny Asam-panjakana.  Ny Ministera ihany koa no nitantana ny Centre Manjary Soa tao Antananarivo, izay nikarakara zaza tsy ampy taona niisa 35 niharan’ny fanararaotanana amin’ny alalan’ny asa sy amin’ny alalan’ny fivarotan-tena tamin’ny taona 2015, io no tarehimarika farany azo. Fisafoana ankapobeny no tena fanaon’ireo mpisafo avy amin’ny Ministeran’ny Asa, saingy nahazo fiofanana momba ny fampiasana zaza tsy ampy taona izy ireo ka afaka nanao fitiliana manokana momba izany; na izany aza anefa dia tsy nisahana ny sehatra tsy ara-dalàna izay mivelatra kokoa nefa nahitana fampiasana zaza tsy ampy taona izy ireo.

Nandritra ny taona ny Sampan-draharahan’ny Asa ao amin’ny Ministeran’ny Asam-panjakana dia nanendry mpisafo ny tontolon’ny asa izay hisahana manokana ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Ny tena hataon’izy ireo dia ny hitily sy hanao tatitra momba ny endrika fampiasana zaza tsy ampy taona, anisan’izany ireo endrika ratsy indrindra isehoany any amin’ny faritra misy azy ireo tsirairay avy. Nomena fahefana ihany koa izy ireo hanao fanentanana sy hitsidika toeram-piasana any an-toerana.

Olana nahenika ny firenena ny fampiasana zaza tsy ampy taona.  Nanohy nandray ankizy, isan’izany ireo niharan’ny fanararaotana olona ireo ivon-toerana tantanina fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana tao Antananarivo, Toamasina ary Toliara. Ny ankizy any ambanivohitra dia matetika miasa any amin’ny fiompiana sy fambolena, jono sy fiandrasana biby fiompy; fa ireo ankizy any an-drenivohitra kosa dia nanao asa toy ny mpiasa an-trano, mpitaona entana amin’ny sarety, mpanao varo-madinika, mpamaky vato kely, fitrandrahana vatosoa, mpiasa any amin’ny trano fisotroana na mpangataka. Nisy koa ireo ankizy niasa tany amin’ny sehatry ny lavanilina, famokarana sira, fanjonoana, fihazana an-dranomasina ary ny famokarana makamba. Misy amin’izy ireo koa no niharan’ny fanodinkodinana ho amin’ny asa an-tery, anisan’izany fivarotan-tena ataon’ny zaza tsy ampy taona.

Jereo ihany koa ny Antontam-baovao momba ireo endrika ratsy indrindra isehoan’ny fampiasana zaza tsy ampy taona navoakan’ny Departemantan’ny Asa Amerikana, ao amin’ny www.dol.gov/ilab/reports/child-labor/findings/.

d. Fanavakavahana eo amin’ny tontolon’ny asa

Voarara’ny lalàna momba ny asa ny fanavakavahana noho ny firazanana, maha-lahy na maha-vavy ary ny fahasembanana ao amin’ny toeram-piasana. Nisy didy hitsivolana manokana momba ny VIH any amin’ny toeram-piasana niresaka momba ny fandraràna ny fanavakavahana miankina amin’ny fitondrana na tsia io tsimok’aretina io. Tsy voararan’ny lalàna kosa ny fanavakavahana miankina amin’ny safidy momba ny fananahana, filazana ny tena ho lahy na vavy, taona na fiteny. Mbola olana hatrany io fanavakavahana io. Misy ny mpampiasa nanavakavaka ireo olona manana fahasembanana sy ny LGBTI.

Nisy fanavakavahana kely ihany nataon’ny fiaraha-monina tamin’ny vehivavy any an-drenivohitra, izay nahitana vehivavy maro nana na nitantana orinasa sy nitana toerana mpitantana ambony amina orinasa tsy miankina na orinasam-panjakana. Tany ambanivohitra kosa anefa, izay ahitana tantsaha ny ankamaroany, dia hita fa nirĂČna kokoa tamin’ny fizarĂ na andraikitra nentim-paharazana eo amin’ny lahy sy ny vavy ny fiaraha-monina. Marina fa tsy dia nahitana fanavakavahana loatra teo amin’ny fahafahana mitady asa sy mindram-bola, saingy matetika ny vehivavy dia tsy nandray karama mitovy amin’ny noraisin’ny lehilahy ho an’ny asa mitovy amin’ny nataony. Tsy nomen’ny mpampiasa alĂ lana ny vehivavy hanao asa mety hanohintohina ny fahasalamany, ny fiarovana azy na ny sainy. Araka ny fehezan-dalĂ na momba ny asa sy ny fiarovana sosialy, dia tafiditra anatin’izany asa izany ny asa alina any amin’ny sehatry ny famokarana indostrialy sy ny asa sasany eo amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, fanefena vy ary ny fikirakirana akora simika. Nandritra ny fanombanana ara-potoana maneran-tany natao farany mikasika ny firenena tamin’ny taona 2014, dia notaterin’ny tompon’andraikitra fa nampitomboin’ny fitondrana ny isan’ny mpisafo mba hanetsemana ny banga teo amin’ny rafitra fanaraha-maso ny fanavakavahana mihatra amin’ny vehivavy, ary nisy ny ezaka natao hanabeazam-boho ny fitoviana eo amin’ny asa any anivon’ny orinasa afaka haba.

e. Fepetra azo ekena any amin’ny toeram-piasana

Ny 17 Febroary dia nampiakarin’ny fitondrana ny karama farany ambany isam-bolana ho Ariary 144.003 ho an’ny mpiasa ivelan’ny fiompiana sy fambolena ary Ariary 146.060 ho an’ireo miasa eo amin’ny sehatry ny fiompiana sy fambolena. Araka ny tarehimarika ofisialy dia Ariary 47.900 isam-bolana ny tarehimarika farany ambany hamaritana ny fahantrana.

Efapolo ora isan-kerinandro ny ora fiasana ho an’ny orinasa ivelan’ny fiompiana sy fambolena sy ny orinana miandraiki-draharaha, ary 42,5 ora izany ho an’ny sehatry ny fiompiana sy fambolena. Voafetran’ny lalàna ho 20 ora isan-kerinandro ihany ny ora azon’ny mpiasa iasana ivelan’ny ora ara-dalàna, raha 2 andro sy tapany isam-bolana kosa ny andro fialan-tsasatra nefa andraisan-karama. Raha toa ka nihoatra ny fetra ara-dalàna ny fitambaran’ny ora niasana (2.200 ora isan-taona eo amin’ny sehatry ny fiompiana sy fambolena ary 173,33 ora isam-bolana eo amin’ny sehatra hafa), dia voalazan’ny lalàna fa tsy maintsy mandoa ny mari-bola amboniny araka ny voafaritry ny didy hitsivolana momba ny fehezan-dalàna momba ny asa ny mpampiasa, ary voalaza ao mihitsy ny mari-bola tsy maintsy aloa. Raha mihoatra ny adiny dimy ny ora mila iasana amboniny, ankoatry ny 40 ora isan-kerinandro voafaritry ny lalàna, dia teren’ny lalàna ny mpampiasa hangataka alàlana manokana avy amin’ny mpanara-maso ny asa alohan’ny hitakiana ora amboniny amin’ny mpiasa.  Tsy azo atao ny miasa mihoatra ny 20 ora isan-kerinandro ambonin’ny ora fiasana ara-dalàna.  Mihatra amin’ny mpiasa rehetra ny lalàna, na dia andraikitry ny mpanara-maso ny asa aza ny mamaritra ny karazana asa azo tontosaina amin’izany alàlana izany.

Ny Fitondrana no mamaritra ny fitsipika sy ny fenitra momba ny fiarovana ny ain’ny mpiasa sy ny fahalavorarian’ny toeram-piasana, saingy tsy voalaza ao amin’ny fehezan-dalàna momba ny asa ny sazy ho an’izay tsy manaja izany fepetra izany, ny hany voaresaka ao dia ny fanaraha-maso tsy maintsy atao mialoha ny hisokafan’ny orinasa iray. Ny mpiasa, anisan’izany ny mpiasa vahiny na mpifindra monina, dia manan-jo mazava handao toeram-piasana mampidi-doza iray ka tsy hatahotra ny ho voaroaka, saingy tsy maintsy mampahafantatra ny lehibeny izy aloha.  Nanamarika ireo mpiaro ny zon’ny mpiasa fa nisy ireo fenitra napetraka efa tamin’ny fotoana nahazoana ny fahaleovan-tena, hany ka efa tena nilaozan’ny toetr’andro tanteraka, indrindra miakasika ny loza mitatao ho an’ny fahasalamana sy ny fahafahana mamita ny asa, ary ny sokajin-karama sy andraikitra ao amin’ny orinasa.  Tsy nisy ezaka ho fampiharana ny lalàna teo amin’ny sehatra tsy ara-dalana, izay mivelatra kokoa.

Hita araka ny fikarohana tamin’ny taona 2015 momba ny orinasa mpamokatra akanjo sy hoditra nataon’ny Friedrich Ebert Stiftung (FES), tsangan’asa tohanan’i, fa nametraka rafi-piarovana avokoa ireo orinasa niisa 126 nanaovana fanadihadiana tao Antananarivo, toy ny fitaovana famonoana afo sy ny fivoahana raha misy loza, saingy ny 11 isan-jaton’izy ireo ihany no nanome fitaovana fiarovana manokana ho an’ny mpiasa tsirairay. Mbola hita tamin’io fikarohana io koa fa ny 40 isan-jaton’ny mpiasa ao amin’ireo orinasa nohadihadiana, sy ny fianakaviany, dia tsy mba afaka nisitraka ireo fiahiana sosialy fototra satria marobe ireo mpampiasa tsy nandoa ny latsakemboka any amin’ny CNaPS nanomboka tamin’ny krizy politika tamin’ny taona 2009-2013.

Ny Ministeran’ny Asam-panjakana sy ny Fanatsarana ny Fitantanan-draharaham-panjakana no tompon’andraikitra amin’ny fampiharana ireo fepetra ho an’ny fampiasana sy karama farany ambany voalaza ao amin’ny Fehezan-dalàna mifehy ny asa, saingy nisy fotoana tsy izay no nitranga. Nanana mpanara-maso am-perin’asa manodidina ny 130 ny Ministera, ary nisy mpanara-maso 10 hafa kosa mbola manaraka fanofanana hanampy azy ireo aoriana.  Ny fanaraha-maso ny fanajana ny fenitra teto an-drenivohitra ihany anefa aloha no tena voarakotr’ireo mpanara-maso ara-dalana na dia notohizan’ny ministera aza ny ezaka hanofanana mpanao fanadihadiana amboniny, tao anatin’ny fiaraha-miombon’antoka tamin’ny Birao Iraisam-pirenena misahana ny Asa. Nanao fanadihadiana ny CNAPS ary namoaka tatitra momba ny fahalavorarian’ny toeram-piasana, ny aretina mety hitranga sy ratra mpahazo ny mpiasa any amin’ny toeram-piasana. Ankoatry ny fampiakarana ny karanma farany ambany sy ny fanaovana fisafoana izay tsy mbola ampy, dia tsy nisy ezaka manokana nataon’ny manam-pahefana ankehitriny nandritra ny taona ho fisorohana ny fandikan-dalàna sy hanatsarana ny karama na ny fepetra ho an’ny fampiasana.

Fahita matetika any amin’ny sehatra ara-dalàna sy ny asa an-trano ny fandikana ireo fenitra momba ny karama, ny fiasana ambonin’ny ora ara-dalàna na ny fiarovana sy ny fahasalamana, satria maro ireo mandray karama latsaky ny karama farany ambany indrindra sy ireo miasa mandritra ny ora marobe. Na dia fantatry ny ankamaroan’ny mpiasa aza ny karama farany ambany tokony horaisiny, dia mazàna no tsy nandoa karama arak’io fetra io ireo mpampiasa.  Manjary manaiky karama ambany ny mpiasa noho ny hamaroan’ny tsy an’asa sy ny halalin’ny fahantrana. Matetika ny mpampiasa no mitaky amin’ireo mpiasany sasany hiasa mandra-pahatratra ny tanjona nasaina notratrariny.  Indraindray aza dia sady tsy voatana an-tsoratra no tsy nandraisam-bola ireny ora nihoatra ireny. Misy fotoana tsy voahaja ny zo hiala amin’ny toeram-piasana mety hampidi-doza.

Tamin’ny ankapobeny dia nankato ny lalàna momba ny asa ireo orinasa afak’aba, satria maro ireo orinasa vahiny mpanondrana entana no nitaky fepetra manara-penitra hamitana ny asa araka ny voalazan’ny lalàna eto an-toerana alohan’ny hanaovana sonia fifanarahana amin’ny orinasa afak’aba. Nitatitra anefa ireo vondron’ny mpiasa sasany fa tato anatin’ny taona vitsivitsy izay dia niova ho lasa isaky ny asa vita no nandoavana ny karama raha isan’ora taloha ka nisy fiantraikany ratsy teo amin’ny tombontsoan’ny mpiasa eny anivon’ny orinasa mpamokatra fitafiana izay vehivany ny ankamaroany.  Natao hampitombo haingana ny vokatra vita io fepetra io, saingy voalaza fa nitarika fitomboan’ny loza mifandraika amin’ny asa ary nisy fiantraikany ratsy teo amin’ny fahasalaman’ny vehivavy. Vokany, hoy ny mpanara-maso, dia vehivavy maro no nambara fa nanjary tsy nahazo nanao ireo asa ireo intsony, nefa tsy mbola feno 40 taona akory. Notaterin’ny FES koa taorian’ny fikarohana nataony tamin’ny taona 2015 fa misy ny orinasa afaka haba no nametraka ho laharam-pahamehana ny fanatrarana tanjona hoa n’ny famokarana izay sarotra tratrarina amin’ny ankapobeny, ka nanasazy ny mpiasa tamin’ny endrika samihafa, toy ny tsy fandoavana karama ho an’ny ora niasana mihoatra ny ora ara-dalàna, sazy arak’asa na fandroahana mihitsy aza./.

https://mg.usembassy.gov

 

Mis Ă  jour ( Jeudi, 18 Mai 2017 17:17 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la LumiĂšre

 

La RĂ©union. Le pianiste Jeanot Rabeson est parti jouer au paradis des jazzmen

 

Madagascar Sud. Accord UE/UNICEF d’exploration d’eau souterraine par imagerie satellitaire

 

Toliara. L’Ong Welthungerhilfe (WHH) rĂ©habilite la dĂ©charge de Tsongobory

 

Hery Rajaonarimampianina Ă  Londres. L’évidence d’un je m’en-foutisme culturel certain

 

Antananarivo Seces. Diso fanantenana nohon’ny afitsok’ireo mpitondra sasantsasany

 

Madagascar. 9.500.000 euros de l’UE en appui au programme Dinika 2

 

Hiary Rapanoelina. Libéré en appel, aprÚs 6 mois passés en prison

 

Hery Rajaonarimampianina. To be or not to be patriot

 

Jeannot Ramambazafy: Compte Twitter