]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Fanjakan’i Madagasikara : koa maninona moa ?

Fanjakan’i Madagasikara : koa maninona moa ?

Efa mandreraka tokoa ny maheno sy mamaky ny filazan’ireo miseho tena tapi-pahaizana amin’izao krizin’ny mpanao politika gasy petaka, nefa tsy misy mitondra vahaolana na iray fa dia mitsikera fahatany fotsiny. Ary koa mietehitra amin’ny vahiny, fa indrindra ny volany.

Efa tsy taitra amin’ny ramatahora intsony ny Malagasin’ny taona 2010. Lany ny fotoana, lany ny vola fa fiainam-baovao no handrandrain’ny olom-pirenena Malagasy eto Madagasikara. Misy ihany olona manome sosokevitra hahatsara kokoa ny hoavin’ny Gasikara. Anisan’izany Ny Andriana Rev. Dr. Ndriana Rabarioelina.

Mpandalina izy ary tsy anisan’ireo mandany fotoana manompa olona sy manompo olona ihany koa fa ny maro anis any mby ao an-tsainy. Koa indro ary ny sosokeviny. Mba miova amin’ireto gasy vazaha tsy mahalala afa tsy miresaka toe-javatra tsy voafehiny mihitsy.

Jeannot RAMAMBAZAFY

------------------------------------------------------------------------------

FANJAKAN' I MADAGASIKARA, HITONDRA FITAHIANA HO AN' NY FIRENENA :

Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, efa
nolazainy am-polo taona maro, dia hajoron’Andriamanitra eto ny Fanjakan’i Madagasikara, fanjakam-pisorona, manaja an’ i Zanahary sy ny Soatoavina ary ny Kolotsainam-pirenena, ary hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Ary tsy hisy vondron’ olona na firenena vahiny afaka hahasàkana izany. Tapitra tamin’ ny 17 marsa 2009 ny rafitra repoblikana napetraky ny mpanjanantany ary nitondra fahantrana ho an’ ny vahoaka. Tany Masina i Madagasikara, ilay silaky ny Tany Edena. Ary efa nohamasin’ Iahosoa Masina, Jesoa Tompo, efa 2000 taona lasa izay, i Madagasikara, ho an’Ilay Mpahary. Ary hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Andriamanitra ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany.


1. ZANAHARY NO FOTOTRY NY FANJAKANA :


Zanahary, Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany no fototry ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona (Eksodosy 19:6). Araka ny Teny Fikasan’i Zanahary, efa nolazainy am-polo taona maro: Izy no efa nifidy an’ i Madagasikara ho Lahimatoan’ ny Tany ! Ho Lahimatoa amin’ ny Finoana sy ny Fankatoavana an’Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany!

Ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona dia avy amin’i Zanahary, manaja sy manaraka ny Teniny, amin’ ny alàlany, ary ho Voninahiny irery ihany (Romana 11:36). Ny fototry ny teny hoe Fanjakana dia ny teny hoe Aka, izay manome ny anarana samihafa hoe: faka, jaka, laka, paka, zaka. Ny dikan’ ny teny hoe Aka dia Ain-dehibe avy amin’i Zanahary, izay mamelona sy miori-paka ao aminy. Ny Fanjakana izany dia ilay fahefana sy rafitra avy amin’i Zanahary, nampindramina ny Filoham-panjakana sy ny tompon’andraikitra rehetra, manaraka ny Tenin’Andriamanitra, mba hanasoavana ny firenena sy hiadanan’ny vahoaka ary hiarovana ny tanindrazana.

Normal 0 21 false false false MicrosoftInternetExplorer4 /* Style Definitions */ table.MsoNormalTable {mso-style-name:"Tableau Normal"; mso-tstyle-rowband-size:0; mso-tstyle-colband-size:0; mso-style-noshow:yes; mso-style-parent:""; mso-padding-alt:0cm 5.4pt 0cm 5.4pt; mso-para-margin:0cm; mso-para-margin-bottom:.0001pt; mso-pagination:widow-orphan; font-size:10.0pt; font-family:"Times New Roman"; mso-ansi-language:#0400; mso-fareast-language:#0400; mso-bidi-language:#0400;}

2. TENIN’ I ZANAHARY FA TSY FEON’ NY MPANAO POLITIKA :

Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, hotahiana izay olona mahatoky an’ Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany (Jeremia 17:7). Fa voaozona kosa izay olona mahatoky olona (Jeremiah 17:5). Ary ny Fahefan’Ilay Mpahary irery ihany no azo ekena, fa tsy ny didy jadona na ny fahefam-bahoaka. Ary ny Tenin’Andriamanitra irery ihany no Fanilo sy Fahazavàna, izay marina mandrakizay ary azo itokisana, fa tsy ny tenin’ny mpanao politika izay mandalo, ary mety mamitaka sy mivadibadika isan’andro.


3. FANJAKANA FA TSY REPOBLIKA :
Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona (I Petera 2: 9-10), no làlana tokana, avy amin’ Iahosoa Masina, Jesoa Tompo, Ilay Mpanjakan’ ny mpanjaka (I Timoty 6:15), hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena.


Ny rafitra repoblikana dia rafitra vahiny tandrefana, nataon’ olona nanompo sampy, nitsipaka an’ i Zanahary, ary napetraky ny mpanjanantany teto Madagasikara mba hanohizana ny fanjanahantany amin’ ny endriny vaovao, hanapotehana ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena sy hampiadiana ny samy mpiray tanindrazana ary hangalàrana ny harem-pirenena.

4. FOKOM-PIRENENA FA TSY ANTOKO POLITIKA :
Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, ny fototra iorenan’ ny fampandrosoana dia ny fianakaviana (Genesisy 2:7-24), ny fianakaviambe, ny zana-poko, ny foko, ary ny fokom-pirenena, , izay mahenika ny firenena manontolo, sahala amin’ ny Zanak’Israely Roambinifolo (I Mpanjaka 18:31) fa tsy ny antoko politika velively.

FEHINY :
Hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Ilay Mpahary ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany! Tenin'Andriamanitra no arahina fa tsy ny tenin' ny mpanao politika. Fanjakana fa tsy repoblika. Fanjaka-Mpisorona fa tsy ny fitondrana jadona na ny demokrasia. Zanahary ô, Tahio ny Tanindrazanay!


Ho an’ i Zanahary, Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany irery ihany ny Voninahitra !



Antananarivo, faha-21 Septambra 2010.


Ny Andriana Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA

Doctor of Theology (USA),

Mpitarika ny Fihaonambe ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara

Mis Ă  jour ( Jeudi, 07 Octobre 2010 18:20 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety