]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Analyse Madagasikara. Sakaizan'ny mpandresy : Fa ny fitiavan-tena no lehibe indrindra

Madagasikara. Sakaizan'ny mpandresy : Fa ny fitiavan-tena no lehibe indrindra

Tantara tsy fanadino. Rehefa tonga teo amin'ny fitondrana ny antoko Arema (Antoko revolisioneran'i Madagasikara) sy Didier Ratsiraka dia tsy nisy intsony izany hoe mpanohitra izany. Noterena (tena noterena tokoa va ra?) niditra tao amin'ilay hoe "Front national pour la défense de la révolution" (FNDR na Vondrona nasionaly ho fiarovana ny revolisiona na tolom-piavotana ihany koa). Rehefa tsy tao ianao dia toa ny tsy misy. Ary dia ireo fa lasa mpikambana tao daholo ireo ankavia miankavanana, manodidina an'i Didier Ratsiraka eo hita amin'ny sary eo ambony :  Pasitora  Richard Andriamanjato (Akfm) ; Justin Rakotoniaina (Vsm) ; Didier Ratsiraka (filoha namorona ny Arema) ; Manandafy Rakotonirina (Mfm) ; Razanabahiny Marojama (Vonjy). Natsangana ny hoe "Conseil Supérieur de la Révolution" (CSR) ary lasa mpikambana tao daholo ireo. Inona anefa ? Tsy ny fandrosoana no mby an-doha fa ny afera afera toa ny fanomezana -na tsia- vatsim-pianarana ho ana mpianatra malagasy te-hianatra any ivelany. Dia ny mpanambola ihany no lasa e!... Revolisiona sosialista no resahina ao anaty kabary nefa "capitalisme d’État" no nihatra.

Aleo hazava dieny am-boaloany fa ity lahatsoratra ity dia mifantoka amin'iza n'iza ho lany filoha faharoan'ny repoblika faha-efatr'i Madagasikara. Aleo koa anefa tsorina f'efa lasa lavitra ny kandida faha-13... Efa tamin'ny repoblika voalohan'ny antoko Psd ("Parti social démocrate" natao hoe Pisodia) no nisy izany famadihana palitao eo amin'ny lafiny ara-politika. Satria tena nisy tokoa ny mpikambana tao amin'ny Akfm sy Monima, ohatra, no nivadika lasa Psd. Talohan'izany dia nisy ihany koa Malagasy reny Malagasy ray, namadika ny mpiray tanindrazana ka lasa sakaizan'ny mpandresy ho an'ny tombontsoan'ny mpanjanaka. Fa resaka hafa izany.

Ny tiako hifantoan'ny sainareo mpamaky hajaina dia ireto mpanao politika tsy tahotra tsy henatra fa miandry ny fidaraboan'ilay filoha voafidy (Na nametra-pialĂ na aza i Hery vaovao dia mira ny nidaboka ihany noho ny sitrapony) vao miseho manohana "tsy misy fepetra" ilay tsy maintsy hisolo toerana azy amin'ny alĂ lan'ny fifidianana. Tsotra ny sary taorian'ny 13 Mey 1972: nirohotra ho Arema daholo ireo lohan-dohan'ny Psd; nivadika Undd daholo ry zalahy Psd sy Arema mafana fo rehefa lasa filoha ny Profesora Zafy. Iza moa no nandrafitra -ary mbola mandrafitra- ny antoko Tim? Olon'ny Psd, Arema, Undd teo aloha. Averiko fa filoha voafidy no resaka eto fa tsy tetezamita na dia mila tsarovana kosa fa niara-nitantana tamin'i Andry Rajoelina daholo izao karazana antoko misy eto Madagasikara, indrindra ireo hoe "matanjaka".

Rehefa lasa filoha ingahy Hery Rajaonarimampianina dia nirohotra niseho sakaizany avokoa ny akoho sy ny vorona politika avy ao amin'ny Psd, Arema (lasa nisy zanany: Rpsd, Arema matotra...), Tim, Undd,  Mapar sasany (lasa hoe Mapar 2 sy 3 neken'ny HCC mihitsy), sy ny sisa vao niforona. Noforonina koa ny vondrona politika Hvm (Hery vaovaon'i Madagasikara) izay antoko tsy nisy teto ambanin'ny masoandro tamin'ny fifidianana filohampirenena ny taona 2013. Fa ny mahazo ny amboara eo amin'ny lafin'izay sakaizan'ny mpandresy izay dia ny antoko Mfm izay teo anilan'ny mpitondra foana nandritra izay 36 taona lasa izay ka hatramin'izao. Izay ve ny atao hoe "mahay milomano" ?

Fa ny fampandrosoana ao anatin'izany famadihana palitao izany dia tsy misy resaka paikady matotra sy tetikasa ampiarina mihitsy, fa kabary eo ambony vavahady ihany, kanefa ry zalahy vetivety dia lasa be atoka sy nanan-karena tampoka teo (4X4 raitra be, tranobe, sns). Tsy lavina fa samy nanana ary manana ny vinany daholo, nanomboka tamin'ilay hoe "plan quinquennal"-ny Psd hatramin'ny resaka "fisandratana 2030"-ny Hvm hadiva ho rendrika tanteraka. Fa maninona ary no lasa firenena faha-4 mahantra indrindra maneran-tany i Madagasikara amin'izao taona 2018 izao? Iza ny filoham-pirenena voafidy nitondra nanomboka ny 25 Janoary 2014 ka hatramin'ny 07 septambra 2018 ? Izaho ?...

Amin'izao volana oktobra 2018 ao anaty propagandy tanteraka izao dia averiko fa ny kandida faha-13, Andry Rajoelina, no manana reziky ny ho lany. Tsy resaka kisendrasendra fa efa niomana fatratra ny lehilahy sy ny mpifidy. Izay filazanareo filazanareo fa izany aloha ny zava-misy tsapa, re sy hita maso. Ary dia inona indray moa no mitranga ? Ankoatra ireo fikambanana maro manohana azy, izay tsy misy maha-ratsy izany hatreto, dia ireo fa nipoitra ny mpanao politika nalaza fa Hvm iringiriny nanao fanambarana fa "hanohana tsy misy fepetra ny kandida Andry Nirina Rajoelina". Tsy misy tranon-kenatra mihitsy e ! Izaho kosa, amin'ny maha olompirenena malagasy niaina ireo fotoana voatanisa ireo, nanomboka ny taona 1972, dia sarotiny fatratra mba tsy hiverenan'ny "magie-magie", tsy hitenenana zavatra hafa... Satria aleho tsorina fa tsy ho voafehin'ilay filoha voafidy eo mihitsy, afaka fotoana kely eo, ireo sakaizan'ny mpandresy hampahatsiahy aza fa "izahay no nampandany sy naha lany anao".

Ny an'ireo anie mazava e! Ny fitiavan-tena no lehibe indrindra. Raha hiverina olo-tsotra fotsiny izao ireo dia ho lasa 4'mis satria mpandany harena fa tsy nahay sy mahay mamorona harena. Ny dikany ? Tsy amakiany loha izany IEM ("Initiative pour l’Émergence de Madagascar") izany. Inona moa ny anaran'ny vina fampandrosoan'i Hery vaovao, ny taona 2013 ? Tsy nisy fa vinany no betsaka avy eo, tamin'ny alalan'ny hoe "projets présidentiels" sy tamin'ny anaran'ny "Première dame". Mpiray tsikombakomba tamin'ny fampahantrana ny firenena i Hery sy Voahangy matoa tsy niteny mihitsy nandritra izay efatra taona mahery izay. Ny porofo mitoaka amin'ny tenda dia mikasika ilay kariera namonoana zatovo avy any Atsimo tsy hita faty hatramin'izao : nivoaka an-gazety vao tsy ela ireo sarin'ny zanany Matthieu, mitondra basy (ETO), izay nolazainy maneran-tany fa tsy tany Anjozorobe mihitsy ary tsy afaka ho eo amina toerana roa samihafa. "Mavandy avao ianao Rajaomampianina a !".

Fantany tsara koa ve io Olivier Mahafaly Solonandrasana notendreny minisitry ny Aty-tany sy nataony Praiminisitra mihitsy avy eo? Satria tsy afaka nanodikodina volam-bahoaka amina miliara toa ireny i Claudine Razaimamonjy raha tsy io minisitry lasa Praiminisitra io. Izy ilay hoe "donneur d'ordre" (mpanome baiko) ary tsy nisy teo amboniny mihitsy, nahavita nanombe baiko ny SGP Ralala Roger izy -satria teo ambany fahefany- nanasazy indray ireo IGE ("Inspecteurs généraux de l''Etat") telolahy nanao ny asany ankitsipo. Ohatra fotsiny ireo. Ny tiako ambara dia na mpiray tsikombakomba na tsia izy mivady ireo dia tsy voafehiny mihitsy ny afera afera nataony sy mbola ataon'ireo manodidina azy akaiky, amin'ny anarany.

Ka na dia tsara sahala amin'inona aza ny IEM, rehefa ny sakaizan'ny mpandresy no hibahana eo amin'ny fitondrana, minoa marina fa tsy hisy fampandrosoana ho vanona eo fa ankasomparana no ho betsaka, izay hifaninanan'ireo malama vava hangalany 19 amin'izy mivady imasony. Fa tena hanao ny ataony efa fanaony ireo ao ambadika ao, lavitry ny maso sy ny "oui, Monsieur le Président". Rehefa namadika indray mandeha ianao dia mbola hamadika foana mandra-maty (ara-politika).

Inona ary ny vahaolana satria izay no andrasanareo mpamaky eto ? Mila manao fanambarana dieny izao ny kandida laharana faha-13 fa raisiny am-pitiavana daholo ireo tsara sitrapo manampy azy, hafahany hanatanteraka io IEM io. Fa izao kosa : hisy ny "enquête de moralité" (fanadiadiana amin'ny lafin'ny fitondra-tena ao anivon'ny fiaraha-monina) tsy maintsy hatao ho an'izay hisahana toerana ambony alohan'ny fanendrena azy. Torak'izany koa ireo izay hilatsaka ho fidiana manomboka amin'ny sefo fokontany izany ka hatrany amin'ny Lehiben'ny Faritra. Izany Senatera izany moa dia tsy hisy intsony, toa ny ao Sénégal, satria mandany vola amin'ny tsy antony.

Tsy maintsy dioviny dieny izao koa eo anivon'ireo manodidina azy akaiky. Mamerina indray aho : taiza moa i Jodasy no nipetraka e!? Asa aloha raha ho ampy ireo fa raha hionona amina "accord" na fifanarahana sy "déclaration sur l'honneur" dia e e e! Nanao izany anie ry Maharante, Nicolas, Cathy sy Vololona ao Ambohimanarina e! Mbola hifona koa ireo atsy ho atsy...  Raha avela ny helok'izy ireo, tsotra no hitranga: ny tapan'ny taona 2019 dia ho tonga ny ady seza hanakana ny fampandrosoana. Ary tsy maintsy hanao didy jadona ve ilay filoha voafidy amin'izay? Amiko manokana -izay mpitolona nanomboka tamin'ny 13 May 1972- dia misy ny tsy azo ekena mihitsy. Dia ireo solombavambahoaka sasany efa nanambara fa "manohana tsy misy fepetra ny kandida Andry Nirina Rajoelina". O ry kandida faha-13 a ! Ry zalahy ireo anie no anisan'ny nananga-tànana (nosandaina vola) nahalany ireo lalam-pifidianana nahatonga ny fahafatesana mpitolona tamin'ny 21 Avrily 2018 teo amin'ny Kianjan'ny 13 May e! Marina fa tsy misy manakana azy tsy hivadika palitao fa tsy misy manery anao koa hifanerasera aminy. Famadihana ny tolona 2009 tsotra izao mihitsy raha izany. Io no tsy azo ekena na oviana na oviana. Nisy ny mahery fo maty fa aza adino mandrakariva.

Tsotra ary ny amaranako ity lahatsoratra ity. Ao anatin'ny Baiboly no misy ilay hoe "Fa ny fitiavana no lehibe indrindra" (1 Korintiana 13:13). Fa isika kosa dia eto Madagasikara ary miaina eo anivon'ireo olombelona mpanao rapa-dango politika, tia tena sy tia kely, tsy mitsinjo ny mpiara-belona velively. Ny azy ireo, ary tsy vao izao, dia "ny fitiavan-tena no lehibe indrindra". Koa samia mandinika sy maka fepetra entitra dieny izao ("mesures drastiques immédiates").

Ianao kosa ry kandida faha-13, mila manao fanambarana goavana ho ren-tany ho ren-danitra satria ny nenina aoriana foana handatsa. Adidy sy andraikitra eo anatrehan'ny Malagasy miandrandra fanovana tena fanovana fa tsy sarin-tsarin'ny fanovana izany. Tsy manadino aho fa misy ny fitenin'i Voltaire (filôzôfy frantsay) milaza  hoe: "La politique est l'art de mentir à propos". Samia mandika io fehezan-teny io ka manamarina raha marina izany na tsia. Fa ianao Andry Rajoelina, fitaratry ny tanora malagasy maro an'isa, mitodia amin'ny fahendrena tena Malagasy ka manaova toa an-dRamalina nifehy hazo tokana. Ny antony ? Nazavain'i Rajemisa-Raolison Régis tao amin'ny "Rakibolana" : Hazo tokana tsy fifehy, fa malina sy mitsinjo ny ho avy Ramalina ka feheziny ilay hazo anankiray satria mbola mety hahita hazo hafa indray koa izy.

Ka marina daholo izany rehetra izany sa izaho mihitsy no mivaha?...

Jeannot Ramambazafy - Lahatsoratra nivoaka ihany koa ao amin'ny "La Gazette de la Grande île" ny Alarobia 17 Oktobra 2018


Mis Ă  jour ( Mercredi, 17 Octobre 2018 07:32 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety