]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Mahajanga. Vendredi 13 tokoa ho an’i Rolly Mercia be kalizy loatra

Mahajanga. Vendredi 13 tokoa ho an’i Rolly Mercia be kalizy loatra

Izaho mpanoratra (ankavanana manao solomaso maintsy) miatrika minisitry ny Tetezamita roa izay notendren'ilay nolazain'ingahy Rolly Mercia fa "gasy voatonga" koa, toa ny nolazainy an'i Henry Rabary-Njaka

Ny marina dia marina ihany tokoa. Tsy mampalahelo intsony ity ranamana ity fa tena mahay manono tena. Ary ilay hoe «vendredi 13», izay voalaza fa andro mety hampidi-doza dia niatra taminy, satria tokoa na Andriamananitra aza tsy natahorany intsony tamin’izy be kalizy (be resaka) tao amin’ny radio Antsiva, ny Alakamisy 12 Avrily 2018 atoandro. Nanome bala hitifirana azy ihany izy ka asa indray ny fandrahonana ho avoakany mikasika ity lahatsoratra napetraka ho an’ny tribonalin’ny Tantara ity. Fa tsy afaka hilaza mihitsy aloha izy fa tsy izy no nahavita niteny ireo e ! Ary ny ampahany ihany no nadikako an-tsoratra eto ambany. Andao ary !

« (…) Kolonely Lylyson (Senatora voafidy avy amin’iny faritra Boeny iny), asaina miteny mihitsy hoe: avia rey olona anao ville morte et patati et patata. Izany hoe ampisy perturbation ny ordre public eto an-antampon-tanànan’Antananarivo eto. Nony voan’ny mandat d’arrêt angaha niteny ilay naniraka azy, ilay patron politikany angaha niteny. Tsy niteny ange e! Amin’ny maha mpilalao angaha nandritran’ny efa-taona izy niteny mihitsy. Mampilalao ny olony fotsiny dia izay olona voa ao dia voa ao, f’angaha izy miteny mihitsy. Izao amin’ izay ohatran’izy indray no Messie avy any dia arebirebiny ny olona rehetra. Messie ahoana ianao? Angaha tsy tadidinao ny nataonao teto ? Samy fankaha… (notapahany tampoka ny teniny) ity anie tanàna kely e! Samy Malagasy anie isika e! Dia maninona no mandrebireby vahoaka ohatr’izany? »

Nametraka fanontaniana teto ny namana mpanao gazety Michel Ralibera mikasika ny ben’ny tananàn’i Mahajanga. Ireto ny valin-tenin’ingahy ministre coach…

« Izaho aloha tsy minisitry ny Ati-tany dia tsy aiko izay nilazan’izany hoe ho soloina PDS izany. Ny aiko aloha izaho indray minisitre coach-ny Boeny dia manaraka tsara ny zava-misy rehetra any Boeny any, any Mahajanga any. Dia ny aiko aloha, ary ananako mihitsy ny taratasy kopian’izany, nanao (notapahany indray ny tenininy eto)… ny lalàna dia milaza fa ny filan-kevitra monisipaly, iny izany no rafitra fara-tampony amin’ny fanapahan-kevitra amin’ny fitantànana ny kaominina anankiray. Ary ny maire no manatanteraka ireo fanapahan-kevitra ataon’ny conseillers municipaux. Izay no tenenin’ny lalàna. Ary anisan’ny fahefan’ny conseil municipal ny manao, araka ny voarafitry ny lalàna hoe: izao no atao rehefa heveriny fa misy zavatra tsy miady amin’ny fanatanterahana ilay izy, ataon’ilay maire.

Ny hitako dia nisy taratasy, voafaritry ny lalàna izany, fangataham-panazavana nataon’ireo majorité-ny conseillers municipaux ireo ho an’ilay maire. Taratasy fangatahim-panazavana hoe: ahoana ireto, ireto, ireto, ireto amin’ny fitantànana ny mairie, indrindra indrindra fitantànana ara-bola sy ara-pitaovana. Dia ahoana no nataonao an’izao izay tsy mifanaraka amin’ny lalàna. Manome ohatra aho: nahazo fanampiana don fiara ny commune urbaine Antananarivo, oadray, Mahajanga. Fiara SUV ireny, 4X4 kely ireny. Nataon’ny conseillers municipaux ny fanafiadiana; ohatra fotsiny, ny taratasy momban’ny assurance an’ilay fiara, amin’ny anaran’ny maire. Ahoana, 4X4 maoromaorona kely tsara nataon’ilay Ong don ho an’ny mairie, maninona no misoratra amin’ny anaran’ny maire dia entin’ny maire eran’ny tanàna? Lasan’ny maire izany ilay izy? Amin’ny lalàna aiza no misy milaza fa rehefa misy don omena an’ny mairie na omena an’ny minisiteran’ny Serasera dia entin’ny minisitry ny Serasera any dia ataony amin’ny anarany? Fanodikodinana fananam-panjakana izany. Iray fotsiny izay ohatra izay. Dia mandeha izany izay, araka ny lalàna, toa hoe rahampitso zoma no hanao (tapaka kely koa teto ny teniny) … izay koa voafaritry ny lalàna, hanao ny… izay koa voafaritry, hanao ny AG extraordinaire ireo conseillers municipaux, hiaino izay ho valin-tenin’ilay maire eo ary hanapak’hevitra. Inona ny zavara voafatitry ny lalàna amin’ny fanapahan-keviny? Dia hoe: mampiàto ao anatin’ny iray volana, heu mandritra ny iray volana raha ohatra ka hitany fa mitombona ary tsy mitombona ny valin-tenin’ny maire, afaka mampiàto ny majorité-ny conseillers municipaux (Tff: municipal foana moa no noteneniny fa manimba maso raha atao conseillers municipals, tsy izany?) ».

Michel Ralibera: "mifanandrify amin’ilay raharaha tany Mahajanga tokony nahatongavan’Andriamatoa Andry Rajoelina izany rehetra rehetra izany?"

« Fa maninona? F’angaha nisy heloka natao angaha ilay maire tamin’iny fahatongavana tany iny? Ni-invité anie izy e! Fa ny fomba nanaovany azy no tsy nety, tsy nanaraka ny lalàna. Voalohany: mila autorisation vao manao manifestation sur la voie publique (Ttf: ingahy Jaona Elite izany dia tena ambon’ny lalàna tokoa satria tsy nila izany autorisation izany izy taminy namory olona teny Ankaraobato ô? Aza fady: ay moa Hvm ingahy Elite). Faharoa: fanjakana ange izany mairie izany fa tsy fanjakana kely ao anaty fanjakana be e! Toa ny misy eto an-drenivohitra koa, toa ny mairie an’ity capitale ity ! Mieritreritra ny tenany ho fanjakana kely ao anaty fanjakana be. Volam-panjakana avokoa no miasa aminy mairie izany. Raisina toa volam-panjakana (teto izy dia nanomboka niboredika). Ah, heu, n’inona moa izy ity, ny hetra rehetra rehetra rehefa mandoa hetra ny tsirairay dia miditra any amin’ny volam-panjakana. Raha mandoa haba-tsena koa ny, ny, ny ny ao amin’ny tsenan’i Mahajanga, dia miditra any amin’ny kitapom-bolan’ny meuh, meuh mairie izany fa ny fomba fitantànana dia mitovy amin’ny fomba fitantànam-bolam-panjakana (Ttf : izany an?). Volam-panjakana izany no tantànan’ilay mairie. Ka raha manao làlana izy, làlan-kely any Ambovalàna any na any amin’ny abattoir any, dia volam-panjakana (teto dia nisento mihitsy i ranamana, asa ny antony). Fa tsy hoe volam-panjakana no ampiasaina dia i Andry Rajoelina… »

Michel Ralibera: "Ka raha nanome vola Andriamatoa Andry Rajoelina ?"

« Na nanome vola ary! (entitra be ny anareo teto). Manatrika… tsy mitokana. Mbola reste à avoir hoe nanome vola ve? Fa raha volam-panjakana no nanaovanao io dia ianao fanjakana no mitokana azy (Tff: izany an? Aleoko tsy manome ohatra hafa fa hiady amina olona very jery toa io ve e!?). Fa tsy Andry Rajoelina no asainao mitokana azy. I Andry Rajoelina anie, ho an’izay tsy mihitratra tsara ny masony, simple citoyen izao e! OLO-TSOTRA. Tsy teto Madagasikara nandritra ny efa-taona, fa milaza ho Messie vao tonga vao aingana, gasy vao tonga (Ttf: I Henry Rabary-Njaka koa nolazainy fa gasy vao tonga, tao aminy radio Free FM -ETO-. Lala-kitasikoa ny an’ity ranamana ity e !). Ka izany ange,izy izao e! Fa tsy hoe vao tonga avy any dia izao e, iry iry fa marina dia marina ihany. Izahay teto, nandritra ny efa-taona izay (Ttf: tena tranon-dainga mihitsy: Ny volana avrily 2017 izy vao niverina minisitra rehefa voadakan’i Omer Beriziky, mbola Praiminisitra tamin’ny taona 2014, taorian'ny fianianana fôpla tao Mahamasina iny. Efa-taona taiza? Sa tsy mahay manisa tampoka koa?) niasa, niatrika ny raharaham-pirenena sy izay rehetra rehetra mifandraika amin’izay. Ianao voky dia nipetraka tany Paris nandritra ny efa-taona, nihinana ny azo; dia tonga avy any amin’izay ianao, dia ianao indray no milaza an’ilay (teto izy toa tonga saina tampoka ka niova resaka)… nefa teto rovitra pataloha. Aoka hazava ity resaka ity ».

Aoka tokoa hazava ity resaka ity ary raha mandalo ny teny ny soratra hitoetra. Fa efa novidiany lafo ireo kaliziny ireo, ny ampitso zoma 13 avrily 2018 ihany. Raha dinihina tsara ny fanambarany dia tsy misy fanafany intsony fa vita ny an’ingahy Ben’ny tanàna Moktar. Mbola tsy «voatsara» dia efa meloka «araka ny lalàna». Io foana mantsy no naverimberiny. Sady 11 amin’ireo conseillers miisa 19 koa anie no nangataka ilay AG extraordinaire fangatahana fanazavana e! Tonga dia masaka. Ary ny sabotsy dia tokony efa PDS no nitsena an’ingahy Filoha Hery nanokana ny fanavaozana ilay hotely be "La Piscine" amoron-dranomasina. Saingy namadika azy ny zava-nisy. Io angaha ilay hoe vendredi 13 ?

Ny marina dia tena nasehoan’Andriamanitra ny fisiany sy ny fahatezerany. Eny na dia Fitiavana azy Izy, manam-petra ny faharetany. Efa «trop» -hoy ny zatovo ankehitriny- loatra mantsy ny fafy lainga nataon’ity Rolly Mercia ity ary manomboka vidiany lafo ny vavabeny tsy am-piheverana fa mihevitra andriamanitra kely satria ministre coach. Ny olona any aza tsy misy tia azy. Izany ve tsy voahara-masony? Akorinao izay?

Fa izaho dia mampitandrina ny ao amin’io fitondrana Hvm io fa manomboka izao dia mailo ianareo amin’io Rolly Mercia io. Jereo tsara no ataony an’i Andry Rajoelina. Nefa efa tamin’ity farany nilatsaka kandida ben’ny tanànan’Antananarivo (2006) anie io Rolly io no nanara-body azy e! Dia io lazainy fa gasy voa tonga io anie no nanendry azy minisitry ny Serasera ny 21 marsa 2011 e! Fa izao moa lasa «simple citoyen» izy dia izao no atao ity mpanjakan’ny sakaizan’ny mpandresy miseho manaja ny lalàna ity.

Ny zava-misy aloha izao dia tsy mahavita azy mihitsy ity ministre coach izay tsy nahalala mihitsy fa misy antony ilay hoe: avadibadio im-pito ny lela vao miteny. Asa izao iza no tena mirehitra? Fa mino isika fa tsy hijanona eo akory ny «loza» satria izany henatra sy tahotra izany tsy ananany intsony na dia kely sisa ny fisian’ity fitondrana ity. Fa patsa be tsy omby ny vavany ny «naharesen»’ireo conseillers miisa 10 aminy 19. Nisy inona ry itony a?...

Farany: raha mbola manao resaka «mpanongam-panjakana» sy «fanongam-panjakana» ireo gazety sahaniny izay mitoraka voninkazo tsy ankijanona ho an’ilay filoha Hery dia hoy ny mpanao fanatanjahantena: jereo kely ny tabilao (io ambany io). Mazava sa mbola hahita ho soratana sy laizaina hatramin’ny farandro?


Jeannot Ramambazafy – 15 Avrily 2018

******************

Mis à jour ( Mercredi, 18 Avril 2018 14:37 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety