]
Les quotidiens du 20 Sep 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy SECES ANTANANARIVO. HAHATO NY ASA FAMPIANARANA

SECES ANTANANARIVO. HAHATO NY ASA FAMPIANARANA

***********************

Miverina mihetsika indray ankehitriny ny mpampianatra mpikaroka eny anivon’ny anjerimanontolo na ny SECES. Mbola takian’izy ireo mandraka ankehitriny ireo  tamby samihafa izay zon’izy ireo ka tsy mbola nahazahoany valiny avy amin’ny mpitondra.

Nitatitra ary Andriamatoa Ravelonirina Gregoire, Filohan’ny SECES sampana Antananarivo, fa noho ny tsy fanatanterahan’ny fanjakana mahefa ny làlana velona eto Madagasikara, izay anisan’izany ny didim-panjakana laharana 1214-2009 mamaritra ny hanomezana ny  tambin’ny hofatrano sy ny tamby ny fikarohana ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, hatramin’izao, dia tsy nisy nampiàtra io didy io.

Nisy ihany koa anefa ny fifanarahana izay natao teny Mahazoarivo ny 10 Septembra 2015, izay nanambara fa ny LFR (« Loi des Finances rectificative ») 2017 no handoavana ny ambin’ireo zo rehetra ireo. Tsy voahaja anefa izany fifanarahana izany, ary tsy nitazona ny teny nomeny ny fitondram-panjakana.

Noho izany dia nampaneno lakolosy fanairana izy ireo mpikambana ao amin’ny SECES ireo. Manahy ry zareo fa tsy ho anisan’ny tafiditra amin’io LFR 2017 io izay zon’izy ireo. Ary tsy hanaiky izany ry zareo.

TSY HO HISY TAOM-PIANARANA ONIVERSITERA AMIN’ITY TAONA ITY RAHA TOA KA …

Fitakiana izay tsy mila fampatsiahivana intsony izany araka ny fanazavan’izy ireo ary tokony ho tanterahina sy ampidirina ao amin’ny tetim-bolam-pankana 2017. Matetika re isakin’ny misy fitakiana toy izao fa tsy misy vola ny fanjakana, na koa tsy ampy ny eo am-pelatanàna.

Ny mahagaga anefa vao tsy ela dia efa nisy  filankevitry ny Minisitra izay nampiakatra ny tambikaraman’ireo olom-boafidy eto amintsika, izay raha tombanana dia tena midangana tokoa. Eo koa ny fandrenesana eny anivon’ny lalan-tsaran’ny Antenimiera  ny momba ny fanomezana fiara tsy matahon-dàlana ho an’ireo solombavambahoaka.

Fanontaniana mipetraka dia hoe : vola avy aiza ary no hanatanterahana ny fandoavana ireo voalaza tery ambony ireo? Raha milaza fa tsy misy vola ny fanjakana, tsy izany anefa ny zava-misy. Fa eo koa ny momba ny «grille indiciaire» an’ny mpiasam-panjakana izay nilazan’ny Minisitra ny Asa, Maharante Jean Dieu, mihitsy moa fa rariny ny fampiharana io «grille indiciaire» io. Saingy tsy mbola izao izany satria tsy misy vola ny fanjakana.

Noho izany indrindra no nahatonga ireo ao amin’ny SECES nanambara fa rehefa tsy ho tanteraka ny fitakiana dia hikatso tanteraka ny fampianarana ambony manerana ny Nosy. Mazava loatra fa dia ny ankizy mpianatra indray izany no hizaka ny tsy eran’ny aina vokatr’izany.

Tsy ireo ihany no takian’ny ireto mpampianatra mpikaroka ireto fa eo koa ny fangalàna ny tanin’ny  Oniversite  sasantsasany, izay nataon’olo-tsotra an-tsokosoko ary tsy mifidy andro na ora fa dia antoandro be nanahary no hanaovan’izy ireo izay fangalarana tan’ny Oniversite sy ny tany mpikarohana manerana ny Nosy izay.

Tsy andraikitra ny minisitera mpiahy fotsiny fa ny gouvernemanta iray manontolo no tokony handray andraikitra  amin’ity raharaha tany ity.

RAKOTONIRAINY Andry

 

Mis Ă  jour ( Mardi, 23 Mai 2017 14:55 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024

 

« LA TRAVERSEE DES VALLEES MA.FA.NA », UN PROJET DE MA.FA.NA ANTANANARIVO POUR LES VALLEES MANAGNANO – FAROGNY - NAMOROGNA

 

ALAIN DELON. DECEDE CE 18 AOUT 2024 A L'AGE DE 88 ANS

 

ROMI VOOS ANDRIANARISOA. LA VERITE VRAIE ET OFFICIELLE SUR LE CAS DE CETTE FRANCO-MALGACHE

 

Toamasina, 26 juillet 2024. Journée mondiale contre le travail des enfants à Madagascar

 

Madagascar : Application des lois. Un jour viendra le Développement, si…, par Jeannot Ramambazafy

 

Madagascar. Justin Tokely, élu Président de l’Assemblée nationale