]
Les quotidiens du 26 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Soamahamanina. “Manaova ny marina”, hoy Mgr Ludovic Rabenantoandro

Soamahamanina. “Manaova ny marina”, hoy Mgr Ludovic Rabenantoandro

Rajaonarimampianina mianakavy tao amin’ny Vatican, ny sabotsy 28 Jona 2014. Fa dia naninona loatra re no atao sahala amin’izao ny firenena iombonana? Sa tsy voaray ilay Fanahy masina fa zavatra hafa tsy takatry ny zanak’olombelona no mibaiko? Feno fitaka tokoa va re ity tany fandalovana ity?

Malaza eran-tany mihitsy ny Malagasy fa vonto-pinoana. Ny filoha Hery Rajaonarimampianina moa toa zanaka pasitora sy diakona any amin’ny tany niaviany any, ary ny rahalahiny pasitora ihany koa. Tsy namangy ny Papa François tany amin’ny Vatican koa ve izy mianakavy (eo amin’ny sary io ambony io)? Ka mby aiza ry zareo ireo eo anatrehan’ny “raharaha Soamahanina”? Indro ny ampahany tamin’ny fanambaran’ny Monsenera Vicaire général, Ludovic Rabenantoandro (tao aminy Bucas Antanimena, ny 22 Jona 2016) mikasika ny hetahetan’ireo tantsaha very fanahy mbola velona:


“(…) Indrindra indrindra ny fangoronana ireo tany iveloman’ireo tantsaha. Ho aiza ireo? Ny eto an-drenivohitra tsy hita izay tantànana ilay vahoaka efa mirohotra; ny any ambanivohitra, ny tany tsy manana izy, fandriampahalemana tsy misy, izany rehetra rehetra izany no iainan’ilay vahoaka. Fotoanan’ny ilazana -satria Andron’ny Tantsaha izao- fa mamelona ny firenena izy. Somary entitra ihany ny teny, ataoko fa tokony tsy isorona amin’ny maha ray aman-dreny amin’ny fiangonana.

Firenena iaraha-manàna ity, tsy misy ho vonon-ko-tompony ka anao izay tiany atao. Izay ny nambara teo tamin’ny alàlan’ny fampianarana. Andriamanitra no nametraka antsika araka izay fahefana nomeny antsika tsirairay avy, ka manana adidy isika.

Ary ho takian’Andriamanitra amintsika io amin’ny andro farany. Tsy hitondra na vovo-tany iray saopy aza ka avelao ny olona mba ivelona ary arovy izy amin’izay fivelomana efa ananany. Tsy maninona raha hisy hiaino na tsy hisy hiaino fa tahakan’i Joany ka anao fandinian-tena. Inona no ataonay amin’ny maha fiangonana, amin’ny maha tomponandraikitra tsy misorona miteny, satria ny ankamaroany dia milaza fa kristianina ary mitondra izay anarana zanak’Andriamanitra izay?

Ka inona ary ny napetraka tamin-tsika? Izay angamba ny teny hanamafisana ny fangatahina nataon’ny tantsaha ity, izay ilay nolazaina teo hoe: raha mbola misy olombelona koa milaza fa tompony, dia hihaona amin‘ny tena tompony amin’ny andro farany. Anjarany ny mamoaka inona no napetrak’Andriamanitra taminy. Raha mba maniry hitohizan’ny fahasambarana sy ny fiadanana, manaova ny Marina, tanteraho am-pitiavana sy am-panitsiana izay napetraka aminao. Amin’ny sehatra rehetra, tsy hiteny hoe avy aiza fa hatrany amin’ny fotony satria misy zavatra ifandraisana tamin’ny fotony ny zavatra rehetra, ka anjaran-tsika no mandray izay hetaheta sy fangatahin’ny tantsaha izay.

Io moa isika afaka mampiely ireo hafatra ireo, ataoko fa ilay tena vahoaka fa tsy ny solombavany no niteny. Ka matoa izy miteny, marary azy io: ny tsy fisian’ny fandriampahalemana sy ny fangoronana ny tany izay ivelomany, ho aiza ireo?

Nandika an-tsoratra: Jeannot Ramambazafy – 24 Jona 2016

Mis à jour ( Vendredi, 24 Juin 2016 12:43 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety