Firy taona avy isika aminâizao volana Avrily 2016 izao? Mandinihy tena daholo fa izaho 18 taona taminâny volana May 1972. Efa hitako daholo ny fitondrana ara-dalĂ na (filoha voafidy) nanomboka taminâi Philibert Tsiranana. 62 taona aho izao fa mbola tsy niaina teo ambanina mpitondra tena hamarina an-kady ny firenena iray manontolo. Inona ny antony?
Mihevitra ingahy Hery Rajaonarimampianina hoe: efa voafidim-bahoaka izy dia afaka manao izay tiany. Raha mahay sy matsilo moa naninona? Saingy indrisy. Mpandainga sy mpamadika ny tanindrazana satria lasa vorona azonâadala ilay fahefana nampindraminâny vahoaka azy ka dia io: isan-kerinandro misy zavatra mamoan-tsampona foana ataonâireo mpitondra sy ny manodidina azy. Izany porofo tsy azo ivalozana izany dia tsy miteny aminy. Voavidiny daholo ny tomponâandraikitra adĂ lam-bola rehetra izay izy ihany no manendry azy ireny. Ary na ireo hoe « namana » tsy fohy aza dia vadiana daholo.
Ohatra io Jean Ravelonarivo io. Namana tao aminy Rotary Club izy io. Nitsahina ny lalampanorenena hahatonga azy Praiminisitra. Talohanâizany dia nakarina Jeneraly. Ary vonona ny lehilahy satria roa ny zavatra nibaiko azy: « Servir dâabord » sy ny « Ho anâny Tanindrazana ». Indrisy. Vao nikitikitika ny afera afera nataonâi Claudine Razaimamony -sakaiza akaikinâi Voahangy X.- dia vita ny aminy. Tsy maintsy nanao izay nanilihina azy ilay mpikaoty volanâolona. Mafy anie ry zareo izany manambady vady tanora -nandimby anâi Claudia reninâi Matthieu- tsy dia fantatra loatra ny fiainany teo aloha e! Ka na izany « afa-baraka » izany tsy fantany satria izy no « rĂŽle », miseho ho tomponâny fahefana nefa mpiasam-bahoaka izay mandoa ny karamany. Adinony koa fa firenena no entina fa tsy fokontany e!
Dia io mbola nanao tsinontsinona ny olon-drehetra taminâny nosafidianana ny Praiminisitra hanoloana anâi Jean Ravelonarivo. Nanatitra lisitra ingahy Jean Max Rakotomamonjy, izay nanitsaka ny andiny faha-94 ao anatinâny Lalampanorenana ihany koa (tsy azonâny fahefana mpanao lalĂ na ny mifandray mivantana aminâny fahefana mpanatanteraka) ny atoandro. Olona eo aminy 14 no voarakitra ao. Tsy nisy adinâny telo akory taorianâio fanaterana lisitra io anefa dia iny fa nipoitra any ny anaranâi Olivier Mahafaly, minisitry ny Ati-tany miaro ny afera fanodikodiana mbolam-bahoaka ataonâi Claudine Razaimamonjy. Voaporofo daholo izany.
Tsy nahalala niatsara ivelan-tsihy akory nihaona taminâireo olona natolotra ireo (« consultation »). Fomba fanao eran-tany izany. Natao amboletra fotsiny. Tsy te-hahalala i Hery Rajaonarimampianina hoe ahoana moa ny teo-pahasalamanâio olona nosafidiny io? Fa io aloha no itokisany fa tsy hivadika aminâny vadiny. Izay ilay izy. Izany hoe ity Madagasikara ity dia entina vehivavy sendra nanambady minisitra lasa filoham-pirenena dia io ny vokany.
Roa taona mahery izay no lasa. Ny eo ihany no eo saingy ny vahoaka malagasy mia-mahantra ary ry zareo lasa mpanefoefo daholo. Saingy ny fanontaniana goavana dia hoe: dia ahoana avy eo? Tsy hiaro azy mihitsy akory ireo notendrena tsy ampiheverena ireo aminâny fahatezeram-bahoaka sy ireo volam-bahoaka nangalariny ary mbola hangalarina. Ho ratsy fiafarana foana satria na hifoana (efa be dia be no nanao izany teo alohany) dia ho tsapany izany hoe niditra makarakara tsy maintsy hivoaka amina kilaodaoka.
Dia ahoana ny ho tohiny? Ho tafintohana ho azy eo ireo satria kanosa iray trano ary eo aminâny fotoana tsy ampoiziny mihitsy no hidaboka sahala aminy tsy teo. Amiko manokana aloha dia avelao aloha hanampatra ny saim-pantany fa hifoha maraina isika indray andro dia haheno hoe: lasa nitsoaka ingahy Hery Rajaonarimampianina. Ho aiza anefa? Ho any Antsofinondry? Tsy ho fantatrâireo atao hoe «CommunautĂ© internationale» akory izy rehefa tonga izany fotoana izany. «CommunautĂ© internationale» izay efa kivy aminy tanteraka saingy mbola manana tombontsoa eto Madagasikara ka zarany aloha olona mora vidiam-bola no mitantana. Ary Andriamanitra dia Fitiavana. Ataony hitanâizao tontolo izao ny adalĂ na natao, atao sy mbola hataonâireo tsy vanona ireo. 75 andro izay no lasa. 24 andro sisa dia ilay farany maha 100 andro azy anâAndriamanitra. Mihevitra ry Hvm aloha fa mety izao firenena tsy misy mpanohitra izao.
Nanao ahoana ny fiafaran-dry Tsiranana, Ratsiraka, Zafy, Ravalomanana? Natnjaka anie ireo e! Teo am-pelatĂ nany daholo ny fahefana rehetra e! Fa ny zatra mamadika dia tsy maintsy hisy hamadika. LalĂ lanâny taranakâi Jodasy izany ary tsy hivoana mihitsy. Tsy hiaro azy ireo izany Jeneraly Florens Rakotomahanina izany rehefa ho tratry ny patsa tsy omby vava ry zalahy Hvm isany mpamadika palitao iray trano. Mahay zavatra Andriamanitra ry zareo a! Ary mino aho fa mbola ho velona rehefa hipitika sahala aminâny tsy teo ireo fanetry benâny firenena malagasy ireo. Izany hoe atsy ho atsy⊠Aminâizao fotana izao aloha tsy omen-tsiny ny vahoaka malagasy. Fa tsarovy: inona ny ataonâny saka rehefa sotominao foana ny volombavany?... Ny fantatra aloha dia tsy milamina ny tori-masonâireo olona ireo satria mafy anie izany enjehinâny eritreritra izany e! Isao anie ny isanâny mpiambina azy e!
Ny zava-misy zany izao dia tsotra : tsy mahatoky ireo mpitondra ireo intsony ny vahoaka malagasy, nâinoninona teneniny, nâinoninona ataony. Hamoritra? Hameno ny fonja manerana ny Nosy izany, na hamono ny mpiray tanindrazana afahan'ireo tsy valahara hitazona ny sezany? Tairo ary! Dia aza misy gaga isika raha toa ka voafidy ho Filoham-pirenena Lefitra ny iray amin-dry Claudine, Nicole na i Voahangy. Azy ireo ny haja, vonanihatra, vatosoa sy volamena. Fa tsy ho mandrakizay kosa aloha e! Ka dia ho mpanefoefo daholo tokoa ry zareo ao ambony ao: dia ahoana avy eo? Sa misy paosy ny lambamenan-dry zareo ireo? Sa koa tsy mety maty ireo olona ireo satria efa any « ambony » any? Tsy ozona izany fa lalĂ nanâny fiainana manambara fa ho avy toa ny mpangalatra Rafahafatesana aminâny ora tsy ampoizina sy amina fomba tsy eritreretina. Dia samia ho ela velona mandra-maty e! Any vao ho tonga saina hoe: ay ve mitovy daholo any aminâny farany e! Adinonâireo olo-olo-poana ireo fa zava-poana daholo ny ety ambany masoandro, fa e e e! Sa koa hanangatra? Tsy tahotra tsy henatra fa raha vao voasafidy ingahy Olivier Mahafaly, olona vao avy nanary, dia indro nanao lanonam-be ry zalahy Hvm ka i Claudine Razaimamonjy no niantoka ny rehetra. Inona moa no raharahianâny fahoriam-bahoaka any?
Jeannot Ramambazafy â 12 Aprily 2016