]
Les quotidiens du 02 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Madagasikara Coronavirus. Fantaro ny fepetra 15 andro manomboka ny 17 mey 2021

Madagasikara Coronavirus. Fantaro ny fepetra 15 andro manomboka ny 17 mey 2021

Ny Praiminisitra Christian Ntsay tao amin'ny TVM, ny alin'ny Alahady 16 Mey 2021

FEPETRA NORAISIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA HO AN’NY 15 ANDRO MANARAKA ITOHIZAN’NY HAMEHANA ARA-PAHASALAMANA, NOVELABELARAN’NY PRAIMINISITRA CHRISTIAN NTSAY NY ALAHADY 16 MEY 2021 TAO AMIN’IREO HAINO AMAN-JERIM-PANJAKANA

- Mbola voarara ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 100

- Mbola misokatra hatrany ny Centre de Traitement Covid-19. Ho an’ny Faritra Analamanga dia ny CTC-19 eny Mandriamena Andoharanofotsy, ny ao CTC-19 Mahamasina, ny CTC-19 ao Soamandraikizay, ny CTC-19 ao Ankorondrano, ary ny CTC-19 ao amin’ny Village Voara Andohatapenaka.

- Mbola misokatra ihany koa ny CTC-19 ao Antsirabe I, ny CTC-19 ao Fianarantsoa I, ny CTC-19 ao Taolagnaro.

- Akatona vonjimaika ny CTC-19 eny Ivato sy ny CTC-19 eny Alarobia manomboka ny Alakamisy faha-20 Mey ho avy izao, ka hafindra any amin’ny CTC-19 hafa ny marary sisa mbola tsaboina ao amin’ireo.

- Nohon’ny fihenana eo amin’ny isan’ny marary dia hifampiresaka amin’ny tompon’ireo hotely ny ministeran’ny Fahasalama-bahoaka, hisian’ny fifanarahana amin’ny « hĂŽtels hĂŽpitaux » eto Antananarivo izay mbola misokatra ka handray marary, satria misy amin’izy ireo no hiverina amin’ny maha-trano mpandray vahiny tsotra azy.

- Ambara hatrany fa an-tsitrapo tsy misy faneriterena ny fisitrahana ny fanaovana vaksiny;

- Entanina hatrany ny rehetra hanatona toeram-pitsaboana haingana dia haingana raha misy mampiahiahy ny toe-pahasalaman’ny tsirairay;

- Tsy azo atao ny fitondrana ny razana, na mivoaka, na miditra, amin’ireo Faritra voalaza fa mbola mikatona;

- Ny fandevenana ny lavon’ny covid-19 dia tanterahina iny andro iny ihany, ary tsy mihoatra ny olona 10 no mandeha mandevina;

- Mila mitandrina sy manaja ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana hatrany ny rehetra, ho fisorohana ny firongatry ny valanaretina;

FANDAMINANA ANKAPOBENY:

- Faritra mbola mikatona: Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Anosy

- Faritra hosokafana manomboka ny Alatsinainy 17 Mey: Atsinanana, Sofia, Sava;

- Mitohy ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina (couvre feu) amin’ny 10 ora alina hatramin’ny 4 ora maraina, amin’ireo Faritra efatra mbola mikatona;

- Mbola mikatona ny bars, espaces, karaokés, sy ny toeram-pandihizana rehetra;

- Misokatra hatrany ny restaurants fa tsy maintsy manaja ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana, ka ny antsasaky ny fahafahana mandray mpanjifa ihany no andraisana olona;

- Ho an’ny Faritra Analamanga manokana dia mbola mitohy ny confinement total isaky ny Asabotsy sy Alahady eto amin’ny distrikan’Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo. Ny distrika hafa ato anatin’ny Faritra Analamanga dia tsy manaraka ny fihibohana tanteraka ny Asabotsy sy Alahady.

FIVAVAHANA

- Afaka misokatra ny toeram-pivavahana rehetra ao anatin’ny Faritra tsy voakasiky ny fikatonana. Mbola tsy misokatra kosa ny fiangonana na ny mosque amin’ireto distrika ireto: Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Antsirabe I, Fianarantsoa I, ary Taolagnaro;

- Omena alalana manokana hanao fandaharana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny vondrom-pinoana misy, amin’ny andro Asabotsy sy Alahady, ka harindra miaraka amin’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ary ny ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana izany;

- Ekena hatrany ny vavaka entin’ireo voaofana sy tsara sitrapo, mampahery ireo marary mila an’izany eny amin’ny hopitaly, ny CTC-19, ary ny toeram-pitsaboana misy. Ny fandaminana dia apetraka feno amin’ny tompon’andraikitra voalohany amin’ireo toeram-pitsaboana ireo araka ny lamina efa misy sy tanterahina.

TSENAM-POKONTANY

- Afaka misokatra hatrany ny tsenam-pokontany manomboka amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva, saingy mikatona avokoa amin’ny andron’ny fihibohana tanteraka

- Olona iray ihany no tokony miantsena;

FAMPIANARANA

- Miverina an-tsekoly ny mpianatra amin’ny Faritra misokatra rehetra.

- Ho an’ireo Faritra efatra mbola mikatona kosa dia ny mpianatra amin’ny kilasim-panadinana ihany no afaka miverina an-dakilasy amin’ireto CISCO manaraka ireto: CISCO Antananarivo Renivohitra, CISCO Antananarivo Avaradrano, CISCO Antananarivo Atsimondrano, CISCO Ambohidratrimo, CISCO Antsirabe I, CISCO Fianarantsoa I, ary CISCO Taolagnaro.

- Ireo CISCO hafa ao amin’ireo Faritra efatra mbola mikatona ireo dia afaka mamerina miandalana ny mpianatra rehetra manomboka ny Alarobia 19 Mey ho avy izao;

- Mbola mikatona ny Oniversite amin’ireo Faritra efatra mbola mikatona.

FITATERANA

- Mbola mikatona ny zotra nasionaly, na ny miditra, na ny mivoaka, amin’ireo Faritra efatra mikatona ireo

- Araka ny mahazatra dia azo atao hatrany ny fitaterana ny vokatra , ary tsy misy sakana mahakasika an’izany;

- Tsy mbola misokatra ny sidina fitateran’olona avy any ivelany, afa-tsy ho an’ireto sokajin’olona ireto: ny diplaomaty sy ny mpasan’ny firenena mikambana; ireo iraka manokan’ny fitondram-panjakana nahazo fahazoan-dalana; ireo manam-pahaizana manokana eo amin’ny indostria stratejika miara-miasa amin’ny fanjakana; ireo mpanao fanatanjahan-tena teratany Malagasy nandray anjara tamina fifaninanana iraisam-pirenena lehibe. Tsy maintsy manaja ny “protocole sanitaire de confinement” avokoa ireo rehetra tonga, na teratany vahiny, na teratany Malagasy;

- Mbola mikatona ny sidina anatiny, izay iantsorohan’ny Tsaradia

ASA

- Mbola tsy miasa ny olona marefo ara-pahasalamana, n any “travailleurs vulnerable”;

- Ho an’ny orinasa mampiasa olona mihoatra ny 500 dia ny antsasany ihany no afaka miasa isan’andro;

FEPETRA FANAMPINY

- Ireo governora isam-paritra no mandrindra ny fandraisana fepetra hafa mifanaraka amin’ny toe-java-misy any an-toerana, saingy tsy maintsy ifandinihana mialoha amin’ny ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana izany manomboka izao;

- Mbola voarara tanteraka ny fitangoronan’ny olona amin’ny Alatsinain’ny Pentekosta eran’ny Nosy./.

Mis Ă  jour ( Lundi, 17 Mai 2021 09:44 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

PrĂ©sident Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – VƓux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2ù Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60Ú Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo HonorĂ©. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection prĂ©sidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piĂ©tine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la SouverainetĂ© appartient au peuple" et non Ă  sa plateforme de bras cassĂ©s politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO