]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une TOAMASINA, 08 MARSA 2024. ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ZON’NY VEHIVAVY. LAHATENIN'NY VADIN'NY FILOHA, RAMATOA MIALY R. RAJOELINA

TOAMASINA, 08 MARSA 2024. ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ZON’NY VEHIVAVY. LAHATENIN'NY VADIN'NY FILOHA, RAMATOA MIALY R. RAJOELINA

TOAMASINA VEHIVAVY MIARINA SY MIRAY HINA, FIRENENA MANDROSO


« Loharano nipoirana nampisy ahy sy ianao nisikina, niafy, tsy mitaraina mba hanam-piainam-baovao

« Vehivavy miarina sy miray hina, tsy hihemotra fa vonona ny hiroso fakan-tahaka amin'ny firaisankina mba hanana Firenena mandroso ».

Izany tononkalo izany no fehezam-boninkazo entiko iarahabana amin-karavoana antsika Andriambavilanitra nahatratra ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny Zon ’ ny Vehivavy ». Natokana ho antsika ny andron’ny 8 marsa, andro izay manan-danja lehibe ho antsika.

Mankasitraka anareo viavy jiaby avy amin’ny lafivalon’ny Nosy manotrona, mankalaza, ary mandray anjara amin’izao fotoan-dehibe eto Toamasina izao.

Ny fahatongavantsika maro tahaka izao dia fanehoantsika ny fiaraha-mientana sy ny firaisankina ho fanomezan-danja ny Vehivavy.

Ny ady mbola atrehantsika dia ho an'ny fitovian-jo sy fampanajàna ny zontsika vehivavy.

Amin'ity andro miavaka ity dia asandratro avo ny voninahitry ny vehivavy.

Ny Vehivavy tsirairay avy dia samy miatrika sedra ;

Ny Vehivavy dia matsilo saina, mikatsaka hatrany ny fivoarana ho fanatsarana ny fiainany sy ny tontolo misy azy ;

Ny Vehivavy dia manana fitiavana izay lalim-paka ao am-pony na dia misy aza ireo ratra niniany nohadinoina ;

Ny Vehivavy dia manana fo mangoraka sy mahatsapa ny iainan’ny hafa ;

Ny Vehivavy dia mahay misafidy iaina anatin’ny fifaliana manoloana ireo hirifiry izay koboniny ao anaty ;

Ny Vehivavy dia manana ny maha-izy azy...

Izany herim-po sy tanjan-tsaina izany no mampiavaka antsika amin’ireo lehilahy.

Lohahevitra nosafidiana amin’izao 8 marsa izao ny hoe : « Vehivavy miarina sy miray hina, Firenena mandroso ».

Iaraha-mahita ny ezaka ataon’ny Vehivavy Malagasy izay mivoatra sy miarina amin’ny sehatra samihafa eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny Firenena :

isika Vehivavy mikarakara tokantrano, tantsaha mpamokatra, mpampianatra, mpanao asa tanana, mpanasa lamba, ireo vehivavy miezaka mitady sy milofo isan’andro mba hamelomana ny ankohonany, sy ireo Fikambanam-behivavy.

Ankehitriny, efa maro ireo Vehivavy mitana andraikitra ambony, izay noheverina taloha fa andraikitra natokana ho an'ny lehilahy irery ihany.

Eto Madagasikara izao dia efa maro ireo Vehivavy mpitantana orinasa, mpanamory fiaramanidina, mpitandro filaminana, mpitsabo mpandidy, mpanao fanatanjahantena sy ny maro hafa.

Manaporofo izany fa miha-mivoatra ny fiarahamonina, na dia mbola tsy tratra aza ny tanjona.

Ny rotorotom-piainana dia manery ny tsirairay hikatsaka ny maha-mety ny tokantranony.

Laharam-pahamehana ny fampivoarana ny Vehivavy amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa ahafahany miarina, ahafahany mahaleo tena, ahafahany mitondra anjara biriky amin ’ ny fampandrosoana ny Firenena.

Raha tiana ho tanteraka izany dia ilaina ny firaisankinantsika Vehivavy, andao isika hifanome tanana sy hifampisintona miakatra.

Resy lahatra aho fa isika Vehivavy dia tena afaka mitondra fiovàna ho amin’ny tsaratsara kokoa.

Ahoana anefa no hanatanterahana izany?

Manentana antsika ray aman-dreny aho mba hanohana ny zanatsika vavy hamita ny fianarany hatramin ’ ny farany mba ahafahany manatanteraka ny nofinofiny.

Atsaharo ny fanesorana an-daharana an-tsekoly ny zanatsika vavy.

Adidintsika ray aman-dreny ny manabe ny zanatsika lahy hanaja sy hanome lanja ny Vehivavy.

Andraikitritsika ray aman-dreny ihany koa ny miahy ny fahasalaman’ny zanatsika satria “sarobidy ny aina”.

Tomady sy salama ny zaza vita vaksiny.

Koa mamporisika antsika aho hitondra ny zaza hatao vaksiny mba hiarovana azy ireo amin’ny aretina maro. Aleo misoroka ny aretina amin’ny alalan’ny vaksiny toy izay mitsabo. Ary fantaro fa maimaim-poana ny fanaovam-baksiny manerana ireo toeram-pitsaboana sy hopitalim- panjakana.

Ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny mponina dia natao ny andiany faha-telo amby roapolo (23) ny “caravane médicale - sarobidy ny aiko”. Niainga tao Antananarivo ny zoma voalohan’ny volana marsa, nandalo tao Moramanga, Brickaville, sy Fenerive Est ary nipàka teto Toamasina.

Manodidina ny iray hetsy (100.000) ireo mponina nisitraka fitsaboana, fizaham-pahasalamana sy fandraisana an-tanana maimaim-poana. Eto dia singaniko manokana ireo Vehivavy izay mpisehatra, nanolon-tena, nanatanteraka ny « caravane médicale », miisa telo amby dimapolo amin’ny zato (153) izy ireo.

Iray amin’ireo tena imasoako sy mirakitra ato am-poko ny ady amin’ny herisetra, ny fanolanana sy ny habibiana atao amin’ny zaza sy ny ankizy, izay mahazo vahana amin’ny trangam-piarahamonina ankehitriny.

Matetika dia ireo anatin’ny fianakaviana ihany toy : ny raikely, ny iray tampo amin’ny ray aman-dreny, ny raibe, ny ray niteraka mihitsy aza no mahavanon-doza.

Misy ireo zaza vao amam-bolana potika tanteraka, misy ireo izay namoy ny ainy tsy fidiny noho ny filan-dratsy tsy voafehy mampihoron-koditra, mampivara hontsana.

Ahoana no misy olona mahavita zava-doza toy ireny habibiana ireny ?

Misy vokadratsy maro aterak’izany habibiana izany : potika ny vatan’ireo zaza sy ankizy, mitondra vohoka tsy fidiny ireo zaza tsy ampy taona, mitondra takaitra ara-tsaina izay manohitohina ny fahafahany manohy ny fianarany, potika tanteraka ny hoaviny sy ny fiainan’izy ireo.

Mijoro aho mitondra ny feon’ireo zaza tsy manan-tsiny, ireo zaza tsy mba afaka miteny na mandà, ireo ankizy sy tanora voatery mangina noho ny tahotra na noho ny fandrahonana.

Melohiko ny herisetra, melohiko ny fanolànana, melohiko ny habibiana !

Satria :

- ny fanolànana dia fanosihosena ny maha-olona ;

- ny fanolànana dia fanitsakitsahana ny zon’olombelona ;

- ny fanolànana dia famotehana ny hoavin’ireo zaza sy ankizy tsy manan-tsiny.

Koa manentana antsika rehetra aho hiray feo ka hiaraka hiteny mafy hoe :

Melohiko ny herisetra ! Antsika rehetra ... Melohiko ny fanolànana ! Antsika rehetra ... Melohiko ny habibiana ! Antsika rehetra ...

Vonona hatrany aho ny hanohy ny ady ho amin’ny famongorona ny fanolànana sy ny habibiana atao amin’ny zaza sy ny ankizy. Ary ho raisiko an-tanana ny fitsaboana ireo zaza sy ankizy iharan’ny fanolanana.

Anio aho dia manao antso avo ho antsika Reny rehetra hijoro hiaro ireo zanatsika ; amin’ny maha-Reny ahy, amin’ny maha-Reny antsika, noho ireo ratra vokatry ny herisetra atao amin’ny zaza tsy manan-tsiny.

Tsy misy afaka hanarina sy hanaisotra ireo takaitra natao azy ireo.

Ary manao antso ho antsika rehetra hanatevin-daharana ny ady iombonana.

Miantso ny ray aman-dreny, ny fiarahamonina, ny mpanabe, ny mpiantsehatra ara-tsosialy, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpitandro filaminana, ny mpitsara, ny mpiaro ny zon’olombelona, ny Fanjakana, hifanome tanana hiaro ny zanatsika hiady amin’ny herisetra sy ny fanolànana.

Mangataka ireo manam-pahefana tsy hanisy indrafo satria tsy misy manamarina ny habibiana atao amin’ireo zaza ary hampihatra ny lalàna velona sy hanome sazy enjana ireo meloka sy mpanao habibiana rehetra.

Eto am-pamaranana dia mankasitraka feno ireo mpandray anjara sy fikambanam-behivavy manerana ny Nosy tamin’izao lanonam- pankalazana teto Toamasina izao ny tenako.

Ary maneho fisaorana anareo rehetra izay nikarakara izany. Singaniko manokana ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina tamin’ny fanatontosana sy fikarakarana izao fankalazana ny 8 marsa teto Toamasina izao, isaorako koa ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ny Ministeran’ny Fampianarana teknika sy ny fampiofanana arakasa, ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, sy ireo tomponandraikitra rehetra eto amin’ny Faritra Atsinanana sy ny Tananan’i Toamasina.

Misoratra eto amin’ny tantaran’ ny Tanànan’i Toamasina ity fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ity izay natao teto amin’ny MIAMI izay midika hoe :

« MIRAY HINA ARY MIFANKATIA ».

Resy lahatra aho fa rehefa miarina sy miray hina ny Vehivavy dia afaka mandroso tsara i Madagasikara.

An-kafaliana no hanomezako fotoana amintsika any Mahajanga amin’ny taona hoavy hankalazana ny 8 marsa.

Mankasitraka Tompokovavy,

Mankatelina Tompokolahy !

Nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy


Mis à jour ( Mercredi, 13 Mars 2024 09:33 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety