]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une London. Raharaha Romy Andrianarisoa. Fijery avy amin'ny NCA sy CPS

London. Raharaha Romy Andrianarisoa. Fijery avy amin'ny NCA sy CPS

Rehefa niaiky fa meloka i Philippe Tabuteau, dia tsy nilainy intsony ny niatrika fitsarana. Azo antoka anefa fa hihena ny saziny noho ny an’i Romy Andrianarisoa izay niziriziry tamin’ny filazana fa tsy manan-tsiny.

Eo am-piandrasana ny didim-pitsarana havoakan’ny Mpitsara momban’ny sazy (« Juge des peines »), ny 18 Marsa 2024, dia ireto misy fanambarana roa avy amina olona ambony britanika nahazo alàlana ny hiteny, taorian’ny didim-pitsarana navoaka, tamin’ny 20 Febroary 2024, tao amin’ny fitsarana SCC (« Southwark Crown Court ») -Jereo eto-.

Misy azy indray ny Mpanjakavavin’ny mpanoratra tantara valamaty ao amin'ny facebook, noho ny fankahalany hatrany amin’ny tsinay maintiny ny Filoha Rajoelina. Tsy ilaina ny manoratra ny anarany eto fa izy ihany no hahafantatra ny tenany.


Fanambarana avy amin'i Andy Kelly, Lehiben'ny Sampana Iraisam-pirenena momba ny kolikoly ao amin'ny NCA (« National Crime Agency » na Sampan-draharaham-pirenena momba ny heloka bevava) :

« Ity fanadihadiana ity dia mampiseho ny fahaizan'ny ICU (« International Corruption Unit » na Sampanana iraisam-pirenena miady amin’ny kolikoly) amin'ny fampiasam-bola amin'ny fiaraha-miasa amin'ny sehatry ny Indostria sy ny ady amin’ny tsy fanajàna ny Fanjakana tan-dalàna. Tena mankasitraka manokana ny orinasa Gemfields izahay noho ny fampilazany anay ny tranga nahazo azy tamin’ity raharaha ity sy ny finiavany nanohy hatrany ny fiara-miasa miaraka aminay nandritra ny fanadihadiana mba nahazoana vokatra tsara sy mazava tsy azo kianina ».

Fanambarana avy amin'i Thomas Short, mpampanoa lalàna manokana momba ny hosoka ao amin'ny CPS (« Crown Prosecution Service »), dia nilaza hoe:

« Mpiasam-panjakana mpanao kolikoly i Romy Andrianarisoa izay nisafidy ny hanankarena amin’ny alalan’ny toerana ambony nisy azy teo amin’ny asam-panjakana. Ny CPS dia nanome torohevitra ara-dalàna ho an'ny NCA nandritra ny fanadiadiana sy ny fanenjehana mba nafahana nanolotra dosie feno sy mavetsara teo anoloan’ny fitsarana. Ny fanomezan’ny orinasa Gemfields vaovao mari-pototra tany amin’ny manam-pahefana, mikasika ireo olona roa tonta ireo tamin'ny manam-pahefana, dia fiarovana ny orinasany sy orinasa hafa ihany koa, eo anatrehin’ny nafitsok’ireto olona roa tia vola loatra sy tsy misy tranon-kenatra ireto ».

Tsiahivina etoana fa voaray horonam-peo daholo ny fomba nangatahin’i Romy Andrianarisoa vola be tamin’ny Tale jeneralin’ny orinasa Gemfields.

Nadikan'i Jeannot Ramambazafy avy amin'ny teny anglisy

Mis Ă  jour ( Jeudi, 22 FĂ©vrier 2024 06:11 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety