]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Ambohitsorohitra, 07 Febroary 2024. Ny Filoha Rajoelina sy ny 15 taona lasa tsy fanadino mandrakizay

Ambohitsorohitra, 07 Febroary 2024. Ny Filoha Rajoelina sy ny 15 taona lasa tsy fanadino mandrakizay

Lahatenin’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny Talata 07 Febroary 2024, teo amin’ny tsangambaton’ny maritioran’ny 07 Febroary 2009, manoloanan’ny Lapam-panjakanan’Ambohitsorohitra.


Miarahaba antsika rehetra tafavory eto androany, amin'ity andro ity tsy afaka hadinoina, andro manan-tantara, andro manamarika satria andro manjombona ihany koa ny fahatsiarovana ireo izay lavo teto amin'ny ity toerana ity 15 taona lasa izay.

07 febroary 2009 - 07 febroary 2024. 15 taona lasa izay, teto amin'ny ity toerana ity, tsy afaka ao an-tsaina ny firefodrefotry ny basy, ny kiakiaka sy ny taraina, ary mirakitra ao am-po ihany koa ny alahelo sy ny tomany. Tsy afaka adinoina ny zavatra nitranga tety ary matsiaro manokana isika androany, ireo lavo teto amin'ity toerana ity noho ny tolona izay natao, ny fitiavan-tanindrazana izay miredareda ao am-po ary ny faniriana hampandroso ny Firenena izay mikoriana ao anatin'ny rany.

Izay indrindra no iarahako mankahery hatrany ireo fianakavian'ireo izay namoy ny ainy, ary indrindra indrindra tiako lazaina aminareo,tsy raraka an- tany ankory ny tolona izay natao, ary indrindra indrindra ny tiako ho lazaina aminareo : tsy raraka an-tany akory ny tolona izay natao. Ary, indrindra indrindra, ny tiako amafisina dia tsotra : ny zavatra rehetra nataontsika, na hatramin'izay na hatramin'izao, dia nankinintsika amin'andriamanitra.

Ary izay indrindra no nitondrako amintsika ny tenin'ny soratra masina ao anatin’ny Ohabolana izay milaza ny hoe : « Ankino amin'ny Tompo, amin’ny Jehovah ny asanao dia ho tanteraka ny fikasanao ».

Izay no antony, tamin'ny 2010, rehefa nanova n'y lalam-panorenena isika, dia ny teny filamatra, ny Teny fanevan’ny Repoblika dia novaiko manokana mitondra ny hoe : Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana.

Satria ny fitiavan-tanindrazana no mitondra ny Fandrosoana eto amin’ity Firenena malalan-tsika ity. Ary ao anatin'izany finoana izany no nametrahan-tsika ny lalantsika sy ny zavatra rehetra ho entintsika hampandroso an'ity Firenena ity. Rehefa ankinina amin'i Tompo, rehefa ankinina amin'i Jehovah ny zavatra rehetra dia ho lavorary sy ho tanteraka ny asa rehetra izay hataontsika.


Matoa isika mbola eto androany, matoa isika napetrak'Andriamanitra nofidin'ny vahoaka Malagasy hitantana sy hitondra ity Firenena ity, dia satria nankinintsika aminy ny zavatra rehetra. Ary mino sy mahatoky aho fa tsy maintsy ho tanteraka ny zavatra izay ao am- pontsika, zavatra izay faniriantsika eto amin'ny ity Firenena ity, dia ny hoe Madagasikara tsy maintsy mandroso.

Ary izay fitiavan-tanindrazana izay no mibaiko antsika, ao anatin'ny zavatra rehetra rehetra sy asa rehetra rehetra izay hataontsika. Raha misy ny zavatra tsy tiana hiverina intsony eto aminin'y Firenena dia ny fampiasana fitaovam-piadiana hoentina hamonoana ny olona izay tsy mitovy hevitra aminao. Ka melohina na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana ny fampiasana fitaovam-piadiana izay hoentina handavo, hoentina hamonoana ny mpiray tanindrazana Malagasy mitovy aminao.

Efa niteny aho teto tamin'ny taona lasa hoe : anjarantsika no mamela ny helok’izay nanao ratsy tamintsika, ao anatin’ny teny izay isan’andro ataontsika izany. Ary izay no niteneniko aminareo hoe : rehefa manao ny marina, rehefa manao ny mahitsy, dia tsy maintsy tafavoaka amin'ny zavatra rehetra izay atao, indrindra amin’ny adidy masina izay hiantsoroantsika eto amin'ity Firenena ity.

Eto aho dia mitodika aminareo izay namana, izay mpiara-mitolona. Hitako taratra eny amin'ny hendrikareo ny alahelo sy ny tomany amin’izao fotoana izao. Ary, indrindra indrindra, fantatro fa mbola miraikitra ao am-pon-tsika, amin'izao ora sy fotoana izao, ny zavatra nitranga teto 15 taona lasa izay. Satria teto no lavo ny namantsika, teto no lavo ny havantsika, teto no lavo ny zanatsika, ny ray aman-drenintsika.

Ary teny ho teneniko anareo dia izao : mitarika anareo aho hampandroso an’ity Firenena malalantsika ity. Tsy ho raraka an-tany ny zavatra nataontsika, ny ezaka nataontsika, ny fitiavan-tanindrazana ao ampon-tsika hampandroso an'ity Firenena ity. Ary indrindra indrindra ianareo rehetra : aza kivy fa mitrakà. Andriamanitra no hameno ny banga ao aminareo tsirairay avy. Amin'ny maha olombelona dia eto isika hifanohana, hifanampy, hifanome tànana, hifanitsy ary hiaraka handroso ao anatin'ny Tanjona izay apetrantsika tsirairay avy.

Ny nandevenana ny mpanao gazety mpaka sary ANDO Ratovonirina ETO

Dia ho anareo olomboafidy, ho anareo olomboatendry rehetra, mba hafatra no tiako hapetraka : nisy tolona natao teto amin'ity Firenena ity, ary zavatra lehibe loatra izany tolona natao izany fa tsy tongatonga ho azy, tsy tonga tonga foana.

Ka izay indrindra no mila fifandraisana tànana, fifanomezan-tànana mba hijerena ny tombontsoan’ny be sy maro ao anatin'ny adidy sy andraikitra izay iantsoroantsika tsirairay avy. Rehefa mipetraka izay dia minoa anareo ahy fa tsy misy sarotra tsy vitantsika ary tsy misy fampandrosoana izay hapetrantsika sy hirintsika tsy ho tanteraka fa tsy maintsy ho tanteraka avokoa ny Fampandrosoana an'i Madagasikara izay hataontsika.

Ny tolona dia mbola mitohy. Mibanjina ny lasa isika, ary mitodika ihany koa amin'ny ho avy. Ka izay noteneniko anareo hoe : mba iray fo hatrany isika, tsy hanaiky ho zarazaraina, tsy hanaiky ho ampiadiana fa ny fandresena izay ho azontsika dia ny firaisan-kina ananantsika.

Masina loatra ny anindrazana ary isika rehetra tsy maintsy mandresy isika, ary i Madagasikara tsy maintsy mandroso./.

Nandray an-tsoratra : Jeannot RAMAMBAZAFY

Sary : Andry RAKOTONIRAINY – Harilala RANDRIANARISON

TSIAHIN'NY 7 FEBROARY 2009 ETO

Mis Ă  jour ( Mercredi, 07 FĂ©vrier 2024 22:43 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety