]
Les quotidiens du 01 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une USAID. Famatsiam-bola vaovao 25 tapitrisa dolara hanomezana sakafo sy hanarenana ny fambolena any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara

USAID. Famatsiam-bola vaovao 25 tapitrisa dolara hanomezana sakafo sy hanarenana ny fambolena any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara

Nambaran’ny Mpiandraiki-draharaha ao amin’ny masoivohon’i Etazonia, Amy Hyatt, ny famatsiam-bola 25 tapitrisa dolara fanampiny, ho fanampiana vonjy taitra hanalefahana ny vanim-potoana manahirana any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara.

Izao famatsiam-bola izao dia atao amin'ny alàlan'ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Maneran-tany (USAID), amin'ny anaran'ny vahoaka amerikana, hamatsiana tetikasa efatra ho fanohanana ny fanarenana ny fambolena sy hanomezana sakafo ny vahoaka any atsimon’i Madagasikara.  Tombanana ho 1,3 tapitrisa ny olona any amin'iny faritra iny no ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo.  Vao manomboka mantsy ny vanim-potoanan'ny maitso ahitra ary ahiana ho voafetra ny fahazoana sakafo hatramin'ny volana aprily 2022.

“Mijanona ho laharamam-pahamehana ho an’ny fanjakana amerikana ny fitondrana fanampiana iatrehana ny krizy any atsimo,” hoy ny Mpiandraiki-draharaha amerikana Amy Hyatt.  “18,5 tapitrisa dolara no atolotra ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo (PAM) mba hahafahany manohy ny fizarana sakafo mamonjy aina sy fanomezana fanampiana ara-bola ho an’ny olona 463.000 mahery.”

Hitondra fanampiana vonjy taitra ho an'ireo olona tena voa mafy ny PAM.  Vahoaka miisa 239.200 no hahazo fanampiana ara-tsakafo ary 224.000 hafa no hahazo fanampiana ara-bola.

Hatramin’ny taona 2015 no mankaty dia vola mitentina 261 tapitrisa dolara mahery no ampiasain’ny USAID any atsimo.  Izy no lohalaharana amin’ny fanomezana fanampiana ara-tsakafo maika sy fitsaboana isorohana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin'ny bevohoka sy zaza madinika.

“Eo anatrehan’izao fahasahiranana izao dia tsy maintsy mitohy miomana ho an’ny ho avy isika”, hoy ny Tale Jeneralin’ny USAID John Dunlop.  “Izany no mahatonga anay hampiasa vola amin’ny tetikasa fanarenana ny fambolena izay antenainay fa hanampy ireo tantsaha avy amin’ny faritra hahita fahombiazana bebe kokoa amin’ny fotoan-pinjinjana manaraka.”

Ny Catholic Relief Services sy Action Contre La Faim dia hanome masomboly mahatanty hain-tany, sy hanolotra fitaovana ho an’ny tantsaha, ary hiantoka ny famatsian-drano ho an’ny fambolena.  Hanampy olona 376.000 ireo tetikasa ireo.

Sambany eto Madagasikara ihany koa ny USAID no miara-miasa amin’ny Foibe Iraisam-pirenena ho an’ny Vomanga (CIP).  Hiara-hiasa akaiky amin’ireo tantsaha eto an-toerana ny CIP, hanentana sy hamporisika ny fambolena sy fihinana vomanga miaty volomboasary, izay sady be otrikaina no mahatanty hain-tany ary azo tehirizina mandritra ny enim-bolana, ka mahatonga azy io ho voly tena sahaza hanampiana ny ankohonana hiatrika ny maitso ahitra.  Vahoaka 400.000 no hisitraka ity tetikasa ity.

Mamatsy sakafo vahoaka maherin’ny 700.000 ny tetikasa vatsian’ny fanjakana amerikana any atsimon’i Madagasikara amin’izao fotoana izao, mitsabo sy misoroka ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny ankizy 92.900, manatsara ny fahazoana rano ho an’ny olona 50.000, ary mampiroborobo ny fanarenana ara-toekarena amin'ny alalan'ny fambolena ho an'ny tantsaha 44.520.

Tamin’ny taon-dasa dia nahatratra 133,5 tapitrisa dolara ny fanampiana nentin’ny USAID ho an’i Madagasikara.  Izany dia nahitana $74.5 tapitrisa ho an’ny tetikasa eo amin'ny sehatry ny fahasalamana izay i Etazonia no mpamatsy vola lehibe indrindra.  Ny 48,5 tapitrisa dolara kosa dia ho an'ny fanjarian-tsakafo izay nitondran’ny amerikana fanampiana ara-tsakafo ho an’ny vahoaka malagasy miisa maherin'ny 1,5 tapitrisa iarovana azy ireo amin’ny haintany mianjady any amin’ny faritra atsimo.

Antananarivo, 10 desambra 2021

Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara / USAID Madagascar

Lah.: +261/20-23-48000 x 2584 | Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.

Lah.: +261/20-23-48000 x 2634 | Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.

************

New $25 Million Will Provide Emergency Food and Agricultural Recovery for Southern Madagascar
U.S. Embassy Chargé d’Affaires Amy Hyatt has announced an additional $25 million dollars in emergency assistance to help alleviate the food security crisis in southern Madagascar.

This emergency assistance is provided through the United States Agency for International Development (USAID) on behalf of the American people and will fund four projects that will support agricultural recovery and feed people in southern Madagascar. An estimated 1.3 million people in the region are struggling with food insecurity. The lean season has just begun and access to food is expected to remain limited until at least April 2022.

“Assisting with the crisis in the south remains a top priority for the U.S. government,” U.S. Chargé d’Affaires Amy Hyatt said. “$18.5 million will be provided to the World Food Programme (WFP) to allow them to continue providing life-saving food and cash assistance to more than 463,000 people.”

WFP will provide emergency assistance to some of the most-affected people. 239,200 people will receive food assistance and another 224,000 people will be provided with cash support.Since 2015, USAID has committed more than $261 million to the south and is the leading provider of emergency food assistance and activities to prevent and treat malnutrition in pregnant mothers and young children.

“In the face of this crisis, we must continue to plan for the future,” USAID Mission Director John
Dunlop asserted. “That is why we are also investing in agricultural recovery projects that will help farmers from the region experience more success with their future harvests.”
Catholic Relief Services and Action Contre La Faim will provide seeds for drought-and-stresstolerant crops, re-equip farming families with tools, and ensure the supply of water for agricultural use. These projects will help 376,000 people.

For the first time in Madagascar, USAID is also partnering with the International Potato Center
(CIP). CIP will work closely with local farmers to teach and encourage them to grow and cook
orange-fleshed sweet potatoes, a highly nutritious vegetable that is also drought-resistant and can be stored for up to six months, making it an ideal crop to help families get through the long lean season.

This project will benefit 400,000 people. Projects funded by the U.S. government in southern Madagascar are currently feeding over 700,000 people, treating and preventing malnutrition in 92,900 children, improving water access for 50,000 people, and promoting economic recovery through agriculture activities for 44,520 farmers.

Last year, USAID’s assistance to Madagascar totaled $133.5 million. That amount included $74.5
million in activities for the health sector, where the United States is the largest single-country donor, and $48.5 million for food security, where U.S. food assistance has helped more than 1.5 million Malagasy citizens survive through the devastating series of droughts that have struck southern Madagascar.

Antananarivo, 10 december 2021

U.S. Embassy Antananarivo / USAID Madagascar

Lah.: +261/20-23-48000 x 2584 | Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.

Lah.: +261/20-23-48000 x 2634 | Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.

Mis Ă  jour ( Vendredi, 10 DĂ©cembre 2021 17:24 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety