]
Les quotidiens du 26 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Madagasikara sy Etazonia. Mponina 100.000 any atsimon'i Madagasikara no hisitraka ny fanampiana vaovao mitetina 7,5 tapitrisa dolara avy amin'ny governemanta amerikana

Madagasikara sy Etazonia. Mponina 100.000 any atsimon'i Madagasikara no hisitraka ny fanampiana vaovao mitetina 7,5 tapitrisa dolara avy amin'ny governemanta amerikana

Mamatsy vola hanomezana sakafo mponina miisa 683.000 any atsimo sy atsimo atsinanana ny governemanta amerikana

ANTANANARIVO, 26 Jolay 2021 – Efa valo taona izao no ianjadian’ny hain-tany ny faritra atsimon'i Madagasikara, ary tena mahery vaika izany amin’ity taona ity. Sahirana mitady ny hanin-kohanina isan’andro ny mponina maro. Tsy mba orana no milatsaka ho an’ny tantsaha fa “tioka mena” mifofofofo, ary tsy mahabe fanantenana ny ho avin’ny fambolena.

Izany no mahatonga ny governemana amerikana, iray volana monja taorian'ny fanambarana famatsiam-bola mitentina 40 tapitrisa dolara ho fanampiana vonjy maika ny any atsimo, sy fito volana taorian'ny fanombohan’ny tetikasa vaovao telo vonjy aina sy fampandrosoana mitentina 100 tapitrisa dolara ao amin'ny faritra, manao izao fanambarana izao mikasika ny fanampiana ara-tsakafo, arapahasalamana sy ara-pambolena izay tena ilain'ny mponina any atsimon’ny Nosy.

“Androany izahay dia manambara famatsiam-bola vaovao mitentina 7,5 tapitrisa dolara izay hamatsiana sakafo ny mponina, hitsaboana ny zaza sy ny vehivavy bevohoka tratry ny tsy fahampiantsakafo, ary hiezaka ny hampitraka indray ny tantsaha”, hoy i John Dunlop, Tale Jeneralin’ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID).

“Ny tetikasa dia hamatsy sakafo, rano fisotro sy fitsaboana ho an'ny olona 46.000. Hanome fitsaboana zaza miisa 13.000 tsy ampy sakafo izahay, ary hamatsy masomboly sy hanome tohana hafa ho an’ny tantsaha 41.000, sady manantena fa ho tsara kokoa ny fotoam-pambolena amin’ny manaraka”, hoy ihany izy.

Ny famatsiam-bola nambara androany hiantohana ny lahasa tanterahan’ny Adventist Development and Relief Agency (ADRA) any Ampanihy izay tena voa mafy, sy ny Action Contre la Faim (ACF) any amin'ny faritra Atsimo Andrefana, Androy, sy Anosy.

“Mampalahelo ny zava-misy satria mihalalina ny krizy ary tsy mitsaha-mitombo ny fianakaviana voakasik’izany”, hoy ny Mpiandraiki-draharaha amerikana Amy J. Hyatt. “Izay no mahatonga anay mandray fepetra dieny izao, mitondra fanampiana bebe kokoa. Hijoro hatrany eo anilan’ny governemanta sy ny vahoaka malagasy i Etazonia hiatrika izao vanim-potoana sarotra izao, hiezaka hisoroka ny hanoanana sy ny mosary, ary hanampy ireo izay tena mila izany.”

Ny tetikasa iantohan'ny governemanta amerikana dia mamatsy sakafo mponina miisa 683.000, manatsara ny fahazoan-drano ho an'ny mponina 50.000, ary misoroka sy mitsabo ny tsy fanjariantsakafo eo amin'ny zaza sy vehivavy bevohoka miisa159.000. Hitohy hatramin'ny faran'ny volana septambra io fanampiana io.

Manomboka amin'ny oktobra 2021 ka hatramin'ny martsa 2020, ny fanampiana ara-tsakafo avy amin’ny USAID izay iantohan’ilay famatsiam-bola mitentina 40 tapitrisa dolara nambara tamin'ny volana jona sy ny 7,5 tapitrisa dolara ambara androany, dia hositrahan’ny mponina 489.000, ary ny asa fisorohana sy fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo dia hanampy ankizy, vehivavy bevohoka sy reny terabao miisa 357.600.

Ny tetikasa fampandrosoana roa, maharitra dimy taona, nambara tamin'ny volana desambra izay natao hitondrana vahaolana maharitra hisorohana sy hampihenana ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika eo amin'ireo olona tena marefo, dia efa am-perinasa any amin'ny faritra Atsimo Andrefana, Androy, Vatovavy-Fitovinany, ary Atsimo Atsinanana.

“Ny vola natokana ho an'izao vonjy aina izao anefa dia tsy ho ampy hamatsiana sakafo sy hitsaboana ny rehetra. Izany no mbola ahitantsika mponina mihinan-dravina sy valala araka ny tatitra”, hoy ny Tale Jeneralin’ny USAID, Dunlop. “Betsaka no tokony mbola hatao. Efa nanambara fandraisana anjara ny mpamatsy vola sasany. Raisina an-tanan-droa izany, saingy mila fanampiana bebe kokoa isika hiatrehana ny filana mbola goavam-be”.

Maherin'ny 1,1 tapitrisa ny mponina ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo ankehitriny ary ahiana mbola hitombo izany. Mponina 14.000 farafahakeliny no ahiana ho tratry ny mosary, vinavinaina ho tena ratsy ny vokatra, ary mety hiharatsy ny fahazoana sakafo amin'ny 2022.

Mijoro mandrakariva eo anilan’ny fanjakana sy vahoaka malagasy ny governemanta amerikana, toy ny "mpirahalahy mianala," hiatrika ny vanim-potoana sarotra, hiezaka hisoroka ny hanoanana sy ny mosary, ary hanampy ireo izay tena mila izany.

Nahatratra 133,5 tapitrisa dolara ny fanampian’ny USAID ho an'i Madagasikara tamin'ny taon-dasa, ahitana 74.5 tapitrisa dolara natokana ho an’ny tetikasa eo amin'ny sehatry ny fahasalamana izay i Etazonia no firenena mpamatsy vola lehibe indrindra, ary 48,5 tapitrisa dolara ho an'ny fampanjariana ara-tsakafo. Nanomboka tamin'ny 2015, ny governemanta amerikana tamin'ny alàlan'ny USAID no mpamatsy fanampiana lehibe indrindra ny any atsimo, nanolotra 236 tapitrisa dolara mahery hiantohana ny filana maika ho an’ny fianakaviana misedra hanoanana, ary manome vahaolana maharitra hiatrehana ny tsy fanjarian-tsakafo.

# # #


100,000 People in Southern Madagascar to Benefit from New U.S. Government Assistance

The U.S. government funding is feeding 683,000 people in the south and southeast.

ANTANANARIVO, 26 July 2021 – For the past eight years, a series of droughts have devastated southern Madagascar, and this year the situation is especially severe. Many people are struggling day-to-day to find enough food to eat. Farmers are experiencing sandstorms instead of rainstorms and the outlook for the current harvest is not optimistic.

That is why, barely a month after announcing a commitment of $40 million in emergency aid for the south and seven months after launching three new emergency and development programs worth a combined $100 million in the region, the U.S. government is announcing more desperately needed food, health, and agricultural assistance for southern Madagascar.

“Today, we’re announcing another $7.5 million that will go towards feeding people, treating children and pregnant women with malnutrition, and trying to get farmers back on their feet,” John Dunlop, Mission Director for the United States Agency for International Development (USAID), said.

“Our projects will deliver food, drinking water, and health care to 46,000 people. We will provide treatment for 13,000 children with malnutrition. And 41,000 farmers will get seeds and other support, along with the hope that the next harvest season will be better,” USAID Mission Director Dunlop added.

The money announced today will fund activities by the Adventist Development and Relief Agency (ADRA) in the hard-hit Ampanihy region and Action Contre la Faim (ACF) in Atsimo Andrefana, Androy, and Anosy regions.

“The sad reality of the situation is that the crisis is deepening and continuing to pull in more and more families,” said the U.S. Chargé d’Affaires a.i. Amy J. Hyatt. “That’s why we are acting again to bring more assistance. The United States will continue to stand by the Government and people of Madagascar to respond to this crisis, to try and prevent starvation and famine, to help those who desperately need it.”

Projects funded by the U.S. government are feeding 683,000 people, improving water access for 50,000 people, and preventing and treating malnutrition in 159,000 children and pregnant women.

This assistance will continue until the end of September.

From October 2021 to March 2020, USAID food assistance, funded by June’s $40 million

announcement and today’s $7.5 million announcement, will be delivered to 489,000 people, and activities to prevent and treat malnutrition will help 357,600 children, pregnant women, and new mothers.

The two new five-year development projects announced in December, designed to introduce longterm solutions that prevent and reduce acute food insecurity among some of the most vulnerable people, have begun operations in the regions of Atsimo Andrefana, Androy, Vatovavy-Fitovinany, and Atsimo Atsinanana.

“Unfortunately, all the money we’ve dedicated to this emergency isn’t enough to feed and care for everyone who needs it. That is why we continue to see reports of people eating leaves or locusts,” USAID Mission Director Dunlop said. “More needs to be done. Some donors have recently announced contributions. This is very welcomed, but even more help is necessary to meet the tremendous need that exists.”

More than 1.1 million people are currently facing high levels of food insecurity and that number is expected to rise. At least 14,000 people are already at the point of famine, the upcoming harvests are projected to be very poor, and access to food will likely worsen heading into 2022.

The U.S. government continues to stand by the Government and people of Madagascar like “mpirahalahy mianala” to respond to this crisis, to try and prevent starvation and famine, and to help those who desperately need it.

Last year, USAID assistance to Madagascar totaled $133.5 million. That amount included $74.5 million in activities for the health sector, where the United States is the largest single-country donor, and $48.5 million for food security. Since 2015, the U.S. government through USAID has been the leading provider of assistance to the south, committing more than $236 million to respond to the urgent needs of families in hunger and provide long-term solutions to food insecurity.

# # #

VIDEO EN FRANCAIS


100.000 personnes dans le sud de Madagascar bénéficieront d’une nouvelle aide du gouvernement américain

Le financement du gouvernement américain nourrit 683.000 personnes dans le sud et le sud-est du pays.

Au cours des huit dernières années, une série de sécheresses a dévasté le sud de Madagascar et cette année, la situation est particulièrement grave.  De nombreuses personnes luttent quotidiennement pour trouver de quoi se nourrir.  Les agriculteurs subissent des tempêtes de sable au lieu de recevoir des pluies et les perspectives pour la saison culturale en cours ne sont pas optimistes.

C’est pourquoi, à peine un mois après l’annonce d’un engagement de 40 millions de dollars au titre d’une aide d’urgence pour le sud et sept mois après le lancement trois nouveaux projets d’urgence et de développement d’une valeur totale de 100 millions de dollars dans la région, le gouvernement américain annonce une aide alimentaire, sanitaire et agricole supplémentaire dont le sud de Madagascar a désespérément besoin.

« Aujourd’hui, nous annonçons 7,5 millions de dollars supplémentaires qui serviront à nourrir la population, à soigner les enfants et les femmes enceintes qui souffrent de malnutrition et à essayer de remettre les agriculteurs sur pied », a déclaré John Dunlop, Directeur Général de l’Agence des Etats-Unis pour le Développement International (USAID).

« Nos projets permettront de fournir des vivres, de l’eau potable et des soins de santé à 46.000 individus.  Nous fournirons un traitement à 13.000 enfants souffrant de malnutrition.  Et 41.000 agriculteurs recevront des semences et d’autres aides, avec l’espoir que la prochaine saison culturale sera meilleure », a-t-il ajouté.

Le financement annoncé aujourd’hui financera les activités de Adventist Development and Relief Agency (ADRA) dans la région d’Ampanihy, durement touchée, et d’Action contre la Faim (ACF) dans les régions Atsimo Andrefana, Androy et Anosy.

« La triste réalité est que la crise s’aggrave et continue d’affecter de plus en plus de familles », a déclaré la Chargée d’affaires a.i. des Etats-Unis, Amy J. Hyatt.  « C’est pourquoi nous prenons de nouvelles mesures pour apporter davantage d’aide.  Parce que les États-Unis continueront à se tenir aux côtés du gouvernement et du peuple malagasy pour faire face à cette crise, pour essayer de prévenir la faim et la famine, pour aider ceux qui en ont désespérément besoin. »

Les projets financés par le gouvernement américain permettent de nourrir 683.000 individus, d’améliorer l’accès à l’eau pour 50.000 personnes et de prévenir et soigner la malnutrition chez 159.000 enfants et femmes enceintes.  Cette aide se poursuivra jusqu’à la fin septembre.

D’octobre 2021 à mars 2020, l’aide alimentaire de l’USAID financée par les 40 millions de dollars annoncés en juin et les 7,5 millions de dollars annoncés aujourd’hui, sera destinée à 489.000 individus, et les activités de prévention et de traitement de la malnutrition aideront 357.600 enfants, femmes enceintes et nouvelles mères.

Les deux nouveaux projets de développement de cinq ans annoncés en décembre, conçus pour introduire des solutions à long terme afin de prévenir et de réduire l’insécurité alimentaire aiguë chez certaines personnes les plus vulnérables, ont commencé à travailler dans les régions Atsimo Andrefana, Androy, Vatovavy-Fitovinany et Atsimo Atsinanana.

«Malheureusement, tout le financement que nous avons consacré à cette urgence ne suffit pas pour nourrir et soigner tous ceux qui en ont besoin.  C’est pourquoi nous continuons à voir des rapports qui font état d’individus consommant des feuilles ou des criquets », a déclaré le Directeur Général de l’USAID Dunlop.  « Il faut faire davantage.  Certains donateurs ont récemment annoncé des contributions. Cela est très bien, mais une aide encore plus importante est nécessaire pour répondre à l’énorme besoin existant.»

Plus de 1,1 million de personnes sont actuellement confrontées à des niveaux élevés d’insécurité alimentaire, un nombre qui devrait augmenter.  Déjà au moins 14.000 individus sont au bord de la famine, les prévisions donnent de prochaines récoltes très mauvaises et l’accès à la nourriture devrait se détériorer à l’approche de 2022.

Le gouvernement américain continue de se tenir aux côtés du gouvernement et du peuple malagasy comme des « mpirahalahy mianala » pour faire face à cette crise, pour essayer de prévenir la faim et la famine, et pour aider ceux qui en ont désespérément besoin.

L’année dernière, l’aide de l’USAID à Madagascar s’élevait à 133,5 millions de dollars, un montant qui comprenait 74,5 millions de dollars pour les activités du secteur santé où les États-Unis sont le principal pays donateur, et 48,5 millions de dollars pour la sécurité alimentaire.  Depuis 2015, le gouvernement américain, à travers l’USAID, est le principal fournisseur d’aide dans le Sud, engageant plus de 236 millions de dollars pour répondre aux besoins urgents des familles souffrant de la faim et apporter des solutions à long terme à l’insécurité alimentaire.

# # #

U.S. Embassy Antananarivo / USAID Madagascar

+261/20-23-48000 x 2584 | Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.

+261/20-23-48000 x 2634 | Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.

Mis Ă  jour ( Mardi, 27 Juillet 2021 05:17 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety