]
Les quotidiens du 19 Nov 2017
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Madagascar. CRAM: "Fa iza no tokony hampihavanina amin’iza?"

Madagascar. CRAM: "Fa iza no tokony hampihavanina amin’iza?"

Izahay mpikambana ato amin’ny Birao Nasionalin’ny «Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar» (CRAM) dia manao izao fanehoan-kevitra manaraka izao taorian’ny fitsanganan’ny «Conseil du Fampihavanana Malagasy».

FAMPIHAVANANA MALAGASY ?

Sambany teo amin’ny tantaran’ny firenena Malagasy no nisy ny fanadinana am-bava tamin’ny taranja «Fampihavanana Malagasy» manoloana ireo mpanadina nanao ny sivana amin’izay ho mpikambana ao amin’ny Conseil du Fampihavanana Malagasy (CFM). Notendren’ny Filoham-pirenena ny anjarany izay iray ampaha-telon’ny mpikambana miisa 11 ao amin’ny CFM izay tsy niatrika fanadinana. Nivoaka soamantsara ny lisitr’ireo mpikambana saingy tena niteraka fanakianana maro. Fa iza no tokony hampihavanina amin’iza eto Madagasikara?

NOSY IRAY TSY MIVAKY

Foin’Andriamanitra ho Nosy iray tsy mivaky i Madagasikara. Raha ny marina dia olona mpihavy avy any amin’ny firenena samihafa nentin’ny sambo na lakana lehibe namakivaky ranomasina niantsona tany amorontsiraka no nifangaro ka nandrafitra ny mponina isam-paritra. (…). Nisy ny taranaky ny vazimba ara-tantara (…). Nitovy fomba fiteny ireo olona ireo taty aoriana. Nisy ny fanitarana ny fanjakany nataon’ireo Mpanjaka. (…) Nisy ny fifandraisan’ny olombelona samy olombelona manerana ny Nosy satria tsy misy mahavita tena, tonga ny fifanampiana, fifanomezan-tanana, fifampihakinana, firaisan-kina, ny fifanotronana an-kasohavana sy an-karatsiana izay nofintinina hoe: FIHAVAVANA MALAGASY. Mampiavaka ny vahoaka Malagasy eran-tany izany Fihavanana izany ary efa voajanahary aminy. (…).

Novolen’ny mpanjanan-tany frantsay ny fampizarana an’i Madagasikara mba hanjakany ka teo no nanomboka very ny hasin’ny firenena, nohezahany tsy nifanentana ny endriky ny fampandrosoana ny faritra samihafa. (…).

Miantoka ny ho avin’ny firenena Malagasy ny firaisam-pirenena izay antoky ny fampandrosoana. Tsy mandeha irery izany firaisam-pirenena izany fa mifampiakina tanteraka amin’ny fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana ao anatin’ny fahamarinana, ny MANJAKA VAHOAKA, ny fitsinjarana ara-drariny ny harem-pirenena sy ny fahefana mba tsy hivangongo eo anivon’ny foibem-pitondrana intsony.

IZA NO MIFANDRAFY ETO?

Ny tena marina dia nisy anjara andraikitry ny tantara no niteraka ny fifandrafiana teto Madagasikara araka ny voalaza etsy ambony. Fa ny tena tsy azo lavina dia ny fisian’ny fifandrafiana eo amin’ireo «mpanao politika manan-karena teo amin’ny fitondrana ny tany sy ny fanjakana» izay miteraka “valy faty politika” hatrany rehefa mahazo ny fahefana nampidramin’ny vahoaka azy ny mpitondra iray.

Rehefa miala eo amin’ny fitondrana izy ireny dia miantso “fampihavanam-pirenena”, “famotsoran-keloka”, “tambiny ara-bola tamin’ny fahapotehina ny fananany” nohon’ny «fahatezeram-bahoaka» na ny «fitsaram-bahoaka». Ireo vitsy an’isa mpiara-miasa akaiky tamin’ireo mpitondra nifandimby no nandroba sy nanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, nivarotra an-tsokosoko ny “bois de rose” nanomboka tamin’ny taona 2006 sy ny “volamena” ary ny “vatosoa sarobidy”, ny fanodikodinana volam-panjakana tao anatin’ny kolikoly avo lenta (…). Nisy tamin’ireo mpitondra nifanesy teto Madagasikara no sahy nandatsa-drà ny mpiray tanindrazana taminy tamin’ny alalan’ny tifitra vary raraka tamin’ny aprily 1971, 11 febroary 1975, 30 jolay 1976 (ny Praiminisitra Joël Rakotomalala maty vokatry ny fianjeran’ny «hélicoptère» nitondra azy), 13 mai 1972, 10 aogositra 1991, mai 2002 (fandosiran’ny Amiraly Didier Ratsiraka sy ireo mpiara-miasa taminy sasany nanao sesin-tany tany Frantsa taorian’ny fifandonana namoizana ain’olona maro), 7 febroary 2009, 22 febroary 2017 (raharaha mafana tany Antsakabary ho setrin’ny famonoana polisy miisa roa maty niharan’ny fahatezeram-bahoaka na “fitsaram-bahoaka” ny 18 febroary 2017 ka niteraka ny fandoran’ny polisy miisa 42 ireo trano fonenan’ny mponina mahatratra 504 sy Fiangonana iray ny 22 febroary 2017 sy nahafaty renim-pianakaviana jamba 87 taona nodorana velona tao an-tranony ary nahatratra 1465 ny olona traboina tamin’ny fokontany miisa dimy (5) mifanalavitra. Efa dinihina eo anivon’ny Commission des droits de l’homme de l’Organisation des Nations Unies" any Genève izany tranga feno habibianana izany).

Tsy nanaiky ny didim-pitsarana momba azy ireny olona ireny ary tsy mbola nisy nigadra ireo «mpanao politika» fa ireo mpanatanteraka ny baikon’izy ireo no nahiboka am-ponja. Ny fampihavanam-pirenena katsahan’ireny sokajin’olona tsy maty manonta ireny dia “famotsoran-keloka faobe”. Mampiana-dratsy ny taranaka faramandimby izany sady manimba sy manapotika ny Soatoavina Malagasy ary maha very hasina ny Fitsarana sy ny firenena mihitsy.

Amin’ny fomba ahoana no hilazana fa mahaleon-tena ireo olona afaka tamin’ny fanadinana am-bava momban’ny "taranja fampihavanana Malagasy” ireo? Tsy vitan’izay fa ny 1/3 ny mpikambana ao amin’ny CFM dia no notendren’ny Filoham-pirenena amperin’asa. Na tiana na tsy tiana dia manana “valy babena” amin’izay nanendry azy izy ireo. Eo dia efa mitanila sahady ny mizanan’izany “fampihavanana Malagasy” izany ka tsy hahomby fa maty an-karany.

Sarotra ny hampihavana ny «mpanao politika very seza» satria samy efa somebiseby manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana ka miezaka mafy maka ny fon’ny mpivavaka ao amin’ny Fiangonana mivondrona ao amin’ny FFKM izy ireo fa hiatrika ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny 2018 mba hifikirana na hiverenana eo amin’ny fitondrana indray ! DISO TANTERAKA NY FAMPIASANA NY TENY HOE: «FAMPIHAVANANA MALAGASY» FA NY TENA MARINA DIA «FAMPIHAVANANA IREO MPANAO POLITIKA NITAVANA NY HAREM-PIRENENA KA NIHARAN’NY HATEZERAM-BAHOAKA NA NY FITSARAM-BAHAOKA» MBA HANADIOVANA AZY IREO HIATRIKA NY FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA AMIN’NY 2018. VOLAM-BAHOAKA LANIANA FOTSINY NY FANANGANANA NY CFM. Ary aoka hazava tsara fa tsy mitovy velively ny «fampihavanam-pirenena tany amin’ny firenena afrikana sasany» izao fampihavanana Malagasy izao, ny tany Rwanda dia ady tamin’ny foko roa no nitranga ka nanaovana fampihavanam-pirenena taty aoriana (…).

Aza adino fa ny Filoha Hery Rajaonarimampiana izay milaza ho «mpampihavana» dia tokony hampihavanina amin’ny «mpanao politika» toa an’Andriamatoa Andry Rajoelina aloha. Raha ny tantara taorian’ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny 2013 no jerena dia nisy ny fifanarahana teo amin’ny mpisolo toerana sy ny Filohan’ny tetezamita tsy nohajaina. Ary tsy fahita teto ambon’ny tany izany Filoham-pirenena tsy nanana solombavam-bahoaka na iray aza no lasa manana ny maro an’isa tampoka teo eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Izany endrika tsy fanajana ny teny nomena, ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna mifehy ny Antoko politika izany no fototra maha rava ny fihavanana amin’ny mpanao politika ka miady fo izy ireo hiverina eo amin’ny fitondrana. Teraka eo ilay antsoina hoe: “valy faty politika” ka lasa miantso “fampihavanam-pirenena” indray ilay lasa sesin-tany any aoriana any. Mamadika palitao sy lokon’ny “cravate” izay mpiara-dia taminy tavela eto an-tanindrazana fa tsy tafiditra ao anatin’ny “fiaramanidina manokana”! Ireo ilay “mpanao politika sakaizan’ny mpandresy” ary sahy milaza any aoriana any fa “hery hitondra fanovana eto Madagasikara”. Ireo sakaizan’ny mpandresy ireo no afaka "manao ny mafana sy ny mangatsiaka” eto amin’ny firenena. Leo sy tofoka azy ireo ny olom-pirenena ka miandrandra sy mitaky olom-baovao amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny 2018.

Marihina fa raha tsy miaraka manao sonia ny kandidà rehetra amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny taona 2018 fa: “hanaiky ny voka-pifidianana, tsy hanao valy faty politika rehefa lany, hanaja ny fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana, hiady marina amin’ny kolikoly, (…)” dia tsy maintsy hiseho masoandro ireo tranga voalaza etsy ambony ireo ka ny vahoaka Malagasy hatrany no farahidiny ary ny toe-karem-pirenena no montsana aorian’ny saritaka sy ny korontana izay hatosik’ireo vahiny mamatsy volabe ny kandidà. Ny vaha-olana maharitra no handao jerena miaraka fa tsy lany andro amin’ireo olona vitsy an’isa efa nitavana ny harem-pirenena nandritra ny taona maro, ny fianakavian’izy ireo no afaka tamin’ny fanandinana fampidirana mpiasam-panjakana ambony amin’ny alalan’ny “quota” sy ireo izay nanome volabe an-tapitrisany ny tompon’andraikitra nifandimby mpanao kolikoly avo lenta, ny fanapotehana ireo mpandraharaha Malagasy vao misandratra raha mianankendry mifaninana amin’ny orin’asan’izy ireo (…). Inona no soson-kevitra haroson’ny CRAM?

SOSON-KEVITRA HO AN’NY VAHA OLANA MAHARITRA

Tsy azo ekena intsony eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny tsy maty manonta fa izay mangalatra ny harem-pirenena sy manodikodina ny volam-bahoaka ary mandripaka ny mpiray tanindrazana aminy dia tsy maintsy entina eo anatrehan’ny Fitsarana mahefa ary manefa ny saziny vao “mifamela heloka”.

Ireo harena eto amin’ny firenena dia hisy fiatraikany mivantana any amin’ny vahoaka isam-paritra. Mitarika amin’ny fanorenana ifotony sy ny fanarenana ny firenena izany.

Samy efa nanao ezaka lehibe manodidina ity fampihavanam-pirenena ity ny ankolafin’olona maro, indrindra fa ireo Ray aman-dreny ara-panahy fa mbola tsy nahitam-bokatra hatramin’izao satria betsaka ny kajikajin’ny mpanao politika te-hifikitra eo amin’ny fitondrana sy entiny hanakonana zavatra maro. Azo ambara tsotra izao fa io kajin’ny mpanao politika vitsy an’isa io no isan’ny fototra iray miteraka ny fiverimberenan’ny krizy politika eto Madagasikara, krizy izay mitarika amin’ny fihemoran’ny toe-tsaina, maha very hasina ny Soatoavina, mandetika ny toe-karena ka maha-kizo fara ny vahoaka Malagasy. Inona tokoa moa izany firenena manadino na manary ny maha-izy azy izany? Firenena lasa hanjakazakan’ny vahiny ka very ny fiandrianany. Inona ary no vaha olana maharitra ho lovan’ny taranaka faramandimby?

KOMITY IOMBONANA HAMOLAVOLA NY SATAN’NY FIHAVANANA MALAGASY

Miaraka mivory ireo Ray aman-dreny ara-panahy sy ireo ray aman-dreny ara-drazana, izay manana ny maha-izy sady toavin-teny any amin’ny faritra misy azy avy manerana an’i Madagasikara ary ireo Mpitsara. Manangana komity iombonana hamolavolana ny SATAN’NY FIHAVANANA MALAGASY na ny “CHARTE DES VALEURS SUR LE FIHAVANANA” izy ireo. Mampivory ny ankolafin-kery misy eto amin’ny firenena izy ireo sady manazava an’io Satan’ny Fihavanana Malagasy io, izay ho lovan’ny taranaka fara-mandimby.

Ny dingana faharoa dia ny fametrahana ny TRANOBEN’NY FIHAVANANA MALAGASY na «LE PALAIS DU SOCLE DES VALEURS BASE SUR LE FIHAVANANA» ka samy hitondra ny anjara vato avy any amin’ny faritra misy azy avy ny solontena isam-paritra tarihin’ny Ray aman-dreny ara-drazana mba ho entina hanorenana ny fototry izany tranobe izany ao Ampefy (ivon’i Madagasikara). Hanome tso-drano izany fametrahana ny fototry ny trano izany ireo Ray aman-dreny ara-panahy. Amin’izay fotoana izay no hanomboka ara-bakiteny ny fanorenana ny firenena (“refondation de l’Etat”).

Ny Tranoben’ny Fihavanana Malagasy dia hitoeran’ny FAHENDRENA - FITIAVANA - FIANDRIANANA - FAHAMARINANA. «La connaissance de la vérité seule permet à une nation de prendre son avenir». Endrika velona ho lovan’ny taranaka faramandimby io TRANOBEN’NY FIHAVANANA MALAGASY  io satria hiverina eo anivon’ny FOKONOLONA FOTOTRY NY FIRENENA ny hasina, firaisam-po, firaisankina, fifanampiana, fifampitokiasana, fifankatiavana, teny ieràna, fifanajana amin’ny samy Malagasy. Miverina tanteraka ny hasina sy ny fanajana ny Ray aman-dreny.

Ireo no soatoavina hipetrahan’ny fanahy maha olona ireo no hiverenan’ny fiandrianan’ny firenena Malagasy izay antoky ny ho avy sy ny fampandrosoana maharitra ary ny MANJAKA VAHOAKA. MANOMBOKA ETO DIA HANANAN’NY FIRENENA VAHINY HENA-MASO ISIKA ARY HO LASA OHATRA VELONA HO AN’NY FIRENENA MARO MANERAN-TANY I MADAGASIKARA.

Ao amin’ny TRANOBEN’NY FIHAVANANA MALAGASY no toeram-pivorian’ireo Ray aman-dreny voafidin’ny mpiray Foko aminy isan-taona ka hanaovany jery todika ny zava-nisy nandritra ny taona ary hanolorany tatitra sy fehin-kevitra amin’ny hiatrehana ny taona vaovao. Amin’io fotoana io ihany koa no hanolorana ireo loha-hevitra mandritra ny taona ho an’ireo zanaka hifaninana isaky ny Firaisana mandritra ny herinandron’ny kolontsaina.

Afaka mametraka fitoriana na fitarainana amin’ny Komitin’ny Ray aman-dreny ny olom-pirenena manoloana ny fandikana ny SATAN’NY FIHAVANANA MALAGASY hataon’ny mpitondra iray na maromaro na olom-pirenena. Rehefa mari-pototra ny fitoriana dia miantso fivoriana tsy ara-potoana ny Komity mba hananarana ilay olom-pirenena manana andraikitra na nampindramin’ny vahoaka ny fahefana eo anivon’ny Tranoben’ny Fihavanana Malagasy.

Raha mbola mamerina izany ilay olona dia tonga aminy ny sazy, raha olom-boafidy izy dia hahongana, raha olom-boatendry dia halana amin’ny toerana, raha kolikoly avo lenta na halatr’omby dia hatolotra ny Fitsarana mahefa fa tsy mandalo fananarana eo anivon’ny Tranoben’ny Fihavanana Malagasy.

HENATRA GOAVANA EO ANIVON’NY FIARAHA-MONINA MALAGASY IZANY ANTSOINA EO ANIVON’NY TRANOBE IZANY SATRIA HIVOAKA AN-GAZETY KA HANAPOTIKA AN’ILAY OLONA MIHITSY RAHA MINIA MANDIKA NY SATAN’NY FIHAVANANA MALAGASY IZY.

Ahitana efitrano iray lehibe fampiratiana ireo karazana fitafy, taovolo, vakoka avy amin’ny faritra samy hafa eto amin’ny Nosy ao amin’io TRANOBEN’NY FIHAVANANA MALAGASY io. Azo tsidihan’ny mpizan-tany vahiny na tera-tany izany mba ho fampidiram-bola entina hikarakarana  an’ilay TRANOBE.

Marihina fa tsy Andrim-panjakana ny Komitin’ny Ray aman-dreny fa Filan-kevitra. Fitiavan-tanindrazana ka tsy karamaina ireo mpikambana. Mandray tambin-karama kosa mandritra ny fotoam-pivoriana izy ireo ary voafaritra ao anatin’ny teti-bolam-panjakana izany.

LALIM-PAKA SADY HO MAFY ORINA NY FIRAISAM-PIRENENA

Hatsangana isaky ny Firaisana na Firaisana mifanakaiky ny Foibe ara-kolontsaina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana rehefa asabotsy ny fomba nentin-drazan’ilay faritra na faritra hafa toy ny katro, ny fanorina, ny sora-dihy, (…). Ny faran’ny taom-pianarana dia hisy ny antsoina hoe HERINANDRON’NY KOLON-TSAINA ka izay sangany amin’ny mpianatra dia hisolon-tena ny Firaisana iray any amin’ny Firaisana iray mifandray aminy. Miova isan-taona ny Firaisana roa mifandray.

Ny maika dia ny jumelage entre commune aloha. Mivahiny mandritra ny herinandro any Sainte Marie, ohatra, ny ankizy sangany avy eto Alasora mampiseho ny fomba sy ny fahaizany dia torak’izany koa ny ankizy sangany avy any Sainte Marie tarihin’ny Ben’ny Tanàna. Hiaraka hamboly hazo amin’ny mpianatra any an-toerana izy ireo satria amin’izay fotoana izay dia efa tafiditra ao anatin’ny fotoam-pahavaratra ny fotoam-pialan-tsasatry ny mpianatra ary ireo tanora manao ny fanompoam-pirenena no manao ny lavaka hambolen-kazo sy miantoka ny zezika. Izany dia tafiditra indrindra amin’ilay tetik’asa lehibe amin’ny fampiharana ny « revolisiona maitso sy ny revolosiona ekolojika ». Rehefa milentika tsara ao an-tsain’ny tsirairay fa miantoka ny hoaviny ireo hazo na hazo fihinam-boa novolen’ny taranany ireo dia tsy handoro tanety intsony ireo zatra nanao izany isan-taona.

Misy teti-bola avy amin’ny Firaisana ("Commune") ny hetsika rehetra. Hifandray ny zaza Malagasy manerana ny Nosy amin’izay fotoana izay ary lalim-paka sady mafy orina ny firaisam-pirenena sy ny fihavanana Malagasy. Ohatra, raha mifandray ny Commune Alasora sy ny Commune Sainte Marie dia mety hanangana toeram-pivarotana any Sainte Marie ny mpahay asa-tanana (zaitra, tanimanga) sy ireo tanora hitondra ny vokatry ny fambolena avy aty Alasora. Hisy ny fifaneraserana ara-barotra amin’ny “Communes” roa tonta. Santionany fotsiny izay voalaza izay fa miafara amin’ny fananganana indostria ny resaka firaisam-pirenena rehefa mamaky ilay boky “FOKONOLONA NO FOTOTRY NY FIRENENA”. Tsy mijanona eo anivon’ny Commune ny raharaha fa hisy ny “Ivo-toerana fianaran’asa” isaky ny distrika ho an’ireo tanora manao fanompoam-pirenena, ireo tanora tsy an’asa sy ireo tanora miroso amin’ny sehatry ny fandraharahana ka afaka hindrana vola eo anivon’ny Banque nationale de développement de Madagascar”. (Hazavaina rehefa miresaka ny loha-hevitra momban’ny toe-karena sy ny politika isam-paritra).

MIAINGA AMIN’IO SATAN’NY FIHAVANANA MALAGASY IO NY FAMPANDROSOANA REHETRA ETO AMIN’NY FIRENENA, HANDRY FAHALEMANA NY VAHOAKA MALAGASY ary veloma hatreo ny gaboraraka, ny fandrobana ny harem-pirenena, ny tsy refesy mandidy ary ny ampihimamba isan-tokony nahazatra ny mpitondra nifanesy teto Madagasikara ka nitarika ny fiverimberenan’ny krizy politika izay maha kizo fara ny mpiray tanindrazana sy ny fanjakazakan’ny vahiny ka nahavery hasina ny firenena Malagasy.

Alasora, faha 04 septambra 2017

JOEL HARISON Marie René

Filohan'ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar)

Mis à jour ( Lundi, 04 Septembre 2017 17:58 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Hery Rajaonarimampianina. Grande manip’ avec la complicité du système de l’ONU

 

Madagascar Sport auto. Lanto Rajaonarison, énième victime de Jimmy Rakotofiringa

 

Madagascar Sport auto. Jimmy Rakotofiringa et sa volonté de tout escamoter

 

Antananarivo. 4è Festival mondial des Lémuriens, patrimoine national et amis à protéger

 

Grand Chancelier Etienne Ralitera. Qu’est-ce donc cette fonction qu’il a longtemps honorée?

 

InSPNMad. C’est la rentrée pour cette Université internationale professionnalisante

 

Antananarivo: Incendie du Rova, 22 ans déjà

 

NIAMBOHO NY GRAND CHANCELIER ETIENNE RALITERA

 

Jeannot Ramambazafy: Compte Twitter