]
Les quotidiens du 20 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier TanaMasoandro. Ny madinika sy ireo tsy mandinika

TanaMasoandro. Ny madinika sy ireo tsy mandinika

Aleho dia hazava dieny am-boalohany : na tsara sahala amin'inona ny kasaina atao ho an'ny tombontsoan'ny maro an'isa, dia herim-po very maina foana rehefa ny madinika no manoloana ny tsy mandinika. Ny madinika eto dia ireo mponina tokony hisitraka mivantana izay fanovàna hipaka eo amin'ny fiainany andavanandro. Ny tsy mandinika kosa dia ireo tokony hanazava mivantana amin'ireitsy voalohany kanefa dia mivorivory izy samy izy “ambony” ao, any anaty efi-trano lehibe any, mifandresy lahatra sy mifampan-doka, kanefa ny loza dia miandry baiko hatrany. Inona moa ny resaka entiko ho anareo androany fa dia ilay hoe TanaMasoandro nanjary anaovan-dry tsy misaina rehetra resa-be. Tsy omeko tsiny ireo satria tsy ampy ny fanazavana midika serasera midika “communication”. Hivory indray ry zareo tsy mandinika rahampitso Alakamisy 3 Oktobra 2019, ao anaty trano hatrany. Fa nalehoko manome fanazavana mialoha ho ianareo, ka miala amin'ny zava-nisy sy misy marina. Dia haparitao. Misaotra ho an'ny madinika hafahanymandinika....

Araka ny anton'isa navoakan'ny “populationdata” dia tsy mitsahatra mitombo ny isan'ny mponina eto amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Ary tsy hitsahatra hitombo io isa io, kanefa ny velaran-tanin'ny CUA dia tsy hihetsika fa dia 87 km² na 8700 ha ihany. Tsy ao anatin'izany Antananarivo Atsimondrano sy Antananarivo Avaradrano. Fa ireo rehetra ireo kosa dia ao anatin'ny faritra Analamanga izay mirefy 16.911 km² ary misy mponina 3.439.589 amin'izao volana Oktobra 2019 izao. Efa ho an-tsasa-manilan' io isa io ireo Malagasy mivangogo ao amin'ny CUA, ary afaka dimy taona fotsiny dia hifanitsa-kitro ara-bakiteny ny mponina ao amin'io CUA io.

Ny tokony atao izany dia ny fanitàrana ny Renivohitr'i Madagasikara. Alohan'ny hidirako amin'ny lalin-dalina kokoa, dia ireto ny tokony ho fantatr'ireo madinika sy ry tsy mandinika tsy mitsinjo ny ho avin'ny taranaka fara aman-dimbiny mihitsy. Ny voalohany sesehin'ny tsy tia tanindrazana sy mpiray tanindrazana fa hoe “ho tototra ny tanimbary ivelomana”; ireo faharoa moa toa tsy misy ambara manoloana izany fa miandry baiko hatrany vao mody mihetsika. Andao ary.

Ny naha Analamanga an'Antananarivo fahiny dia satria tena ala no nisy teo. Ialamanga mihitsy aza no tena anarany. Nitombo ny mponina ka dia tsy maintsy nitarina izany ny faritra izany, niala avy teny Manjakamiadana. Inona moa ny dikan'ny hoe tany narenina ara-bakiteny? Tany nototofana mba hahitsy, tao anatin'ny atao hoe “Haute ville” io lasa hoe Antaninarenina amin'izao fotoana izao, misy hotely malaza, minisitera samihafa, fivarotana lehibe, banky foibe sy isan-karazany... Ny lapam-panjakana moa dia ao Ambohitsorohitra fa tsy eo Antaninarenina. Toeran-kafa sy tantara hafa mihitsy satria an'olo-tsotra io tany misy an'io Lapa io tamboalohany.


Io mitsipika io no lemak'o Betsimitatatra tsy mbola voatototra

Mety misy ireo mpiray tanindrazana tsy mahalala izany hoe Lemak'i Betsimitatatra (“Plaine du Betsimitatatra”) izany ankehitriny. Indrindra fa ireo tanora. Izao ary : Tanimbary lehibe tsy mitatatra no teto amin'io toerana io taloha ka nahatonga ny anarana hoe Betsimitatatra. Ny hoe “mitatatra” dia miasa manao tatatra ary manamaina tany amin'ny alalan'ny fitarihana ny rano hivoaka. Izany hoe ranobe mangeniheny no teo satria tsy nisy tatatra hivoahan'ny rano (“irrigation”).

Io lemaka io -izay tena goavana tokoa tany aloha tany- dia nanomboka nohajarian'ny Mpanjaka Ralambo (1575-1610) ary notohizin'ny zanany Andrianjaka, lasa Mpanjaka, ka nanaovany fefiloha sy tanimbary. I Andrianjaka -izay nandresy ny mpanjaka vazimba Rafandrana- no nanao an'Analamanga lasa Antananarivo ho renivohitry ny fanjakana teto Imerina ka lasa Renivohitr'i Madagasikara amin'izao vaninandro izao. Izany hoe teo aloha sy taorianan'ny fanjanahan-tany (“Tananarive”). Mazava fa rano sy tsikafokafona ary honagona, ankoatra ireo tanimbary, no nameno io lemak'i Betsimitatra io.

Nohatsarain'ny Mpanjaka Andriamasinavalona sy Andrianampoinimerina nifandimby i Betsimitatra tamin'ny fotoana nitondrany, teo amin'ny lafin'ny fambolem-bary (“riziculture”) indrindra indrindra ary tena sompitr'Iarivo mihitsy io lemaka io. Ny vary moa foto-tsakafon'ny Malagasy. Fa tsy voatana ny fiakaran'ny isan'ny mponina sy ny fomba fiainana maoderina... Tena honahona tokoa no nandrakotra io Betsimitatra io, kanefa mirefy hatramin'ny 7.000 ha no nohajarian'ny mpanjaka nifandimby, ho lasa tanimbary sy tanàna misy trano fonenana. Ny ranon'ny hetrina ao Laniera sy ny ranon'ny renirano Ikopa no notarihina hanondraka ireo tanimbary. Inona no mampitovy ireto toerana manaraka ireto ary ? Anosikely, Anosy, Ankorondrano, Andranobevava, Andranovory, Andranomahery, Soarano, Andranomanalina, Anosipatrana, Anosibe, Anosizato, Ankaditoho, Antohomadinika, Andavamamba? Rano, nosy -voadidina rano- sy toho-drano. Izany hoe tao anatin'ny lemak'i Betsimitatra daholo ireo toerana ankehitriny ireo, toerana nototofana ka lasa tany narenina avokoa.

Tamin'ny taon-jato faha-XIX no namboarina ny lakan-dranon'Andriatany (“Canal Andriantany”), mirefy 14 km, natao andrindrana ny ranon'ireo tanimbary tam-boalohany. Efa taty amin'ny taona 1995, rehefa natsangana ny APIPA (“Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d’Antananarivo”), vao notohizana tamina lakan-drano roa io lakan-dranon'Andriatany io, dia ny canal C3 (10km) sy ny canal GR (tokony 26 km) ka ao Ambodimita no mivarina ny ranon'ireo lakan-drano telo ireo. Na orana io, na rano efa niasa (“eaux usées”). Saingy indrisy, nihazakazaka izay tsy izy ny fanotofana tany tsy am-piheverana (nanomboka tamin'ny fitondran'i Marc Ravalomanana) any ka tsy naharaka intsony ireo lakan-drano telo ireo...

Sokafo tsara amin'izay ny masonareo mpamaky manomboka eto. Fantaro ary fa tamin'ny faran'ny taona 1960, taorian'ny niverenan'ny Fahaleovantena -ary satria tsapan'ny Filoha Philibert Tsiranana fa hitombo ny mponin'Antananarivo (lasa valo tapitrisa mahery tamin'ny taona 1971)-, dia natombony ny fanajariana tanàn-dehibe maty paika (“Plans d'aménagement urbain” na PDU) ka ny fanomezana trano ho an'ny mponina (“logements sociaux”) no natao laharam-pahamehana. Izany hoe mandoa hofan-trano sahaza mandritra ny 15 taona dia ianao no lasa tompony avy eo. Ny taona 1965 dia natsangana ny SEIMad (“Société d'Equipement Immobilier de Madagascar”) izay fitambaran'ny SIM (“Société Immobilière de Madagascar” niforona ny taona 1961), sy ny SEURMAD (“Société d'équipement urbain et rural de Madagascar”, nijoro ny taona 1962).

Fantaro koa ary fa tany narenina io atao hoe 67 ha io ary tanimbary sy tsikafokafona koa no teo. Raha ny eto Antananarivo dia trano miisa 5.724 eo ho eo no namboarin'ny SEIMad ary ao Ambohipo, Ampefiloha, Ambodin'Isotry, 67 ha, Mandroseza, Analamahitsy ary Itaosy no misy azy ireo. Mino isika f'efa tompon-trano daholo ireo taranak'izay nanofa nanomboka tamin'ny taona 1970 tany. Fa misahana an'i Madagasikara iray manontolo moa ny SEIMad ka nahazo ny anjarany koa ny tanàn-dehibe manaraka ireto: Antsiranana: trano miisa 480 ao amin'ny Cité la SIM, Grand Pavois; Fianarantsoa: trano miisa 72 ao Antarandolo; Mahajanga: trano miisa 597 ao Manjarisoa, Tsaramandroso; Manakara: trano miisa 33 ao Ambalakazaha; Mananjary: trano miisa 39 ao Andranomamy; Toamasina: trano miisa 461 ao Valpinson, Béryl rouge, Béryl rose; Toliara: trano eo amin'ny 100 eo ao Beloha (Cité sisal).

Na inona lazaina na inona tenenina dia nahavita tokoa i Dadabe Tsiranana teo amin'ny lafin'ny sosialy. Tsy azo adino koa fa talohan'ny fananganàna ireo tranom-ponenana ireo (“Cités”) no nanamboarana ilay hoe “route-digue” (làlana-fefiloha) mampitohy an'Ankadimbahoaka sy Ambohibao mandalo eo Ampasika sy eo Anosizato, izay vita tamin'ny taona 1964. Natao ireo hanamaivanana ny fifamoivoizan'ny fiara sy, indrindra indrindra, hisoroana ny tondra-drano toa tamin'ny 1954 ary 1959 izay nandifotra an'Antananarivo iray manontolo. Manontania anie an'i Daniel Rakotoseheno (Dany Be mpaka sary) e!? Tsy azo kosehina koa ny nanamboarany ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona na HJRA notokanana tamin'y taona 1965. Ary ny Hotely Hilton lasa Carlton kosa dia nisokatra nanomboka ny taona 1970. Asa “tsy azo hoanina” daholo marina ireo rehetra ireo. Kanefa...

Fa rehefa tonga ingahy tatsambo niseho tena dadany amin'ny stratejia... miaramila, dia nanomboka nikoroso fahana tsikelikely ny firenena iray manontolo, tamin'ny alàlan'ny hoe Fanjakana mpiahy (“Etat-Providence” fa tsy voatanisa intsony ny Malagasy no niahaka tanteraka...). Mbola maro ny Malagasy velona sy mahatadidy ny fiantraikan'ny tondra-drano tamin'ny taona 1974, 1977 sy 1982... Filoham-pirenena indroa niantaona ingahy Amiraly Ratsiraka (4 Janoary 1976-27 Marsa 1993 sy 9 Febroary 1997-6 May 2002) fa vita matavy hatramin'ny lalam-by mpitatitra olona! Nisy anie izany hoe “train de banlieue” izany e! Nitatitra olona ny entana mankeny Tanjombato sy Alarobia miala avy ao Soarano. Tonga hatrany Anjeva mihitsy ny “Medalinina” tamin'izany andro izany... Lasan'ny vahiny vazaha tsy kelikely ny fananam-bahoaka maro dia maro. Ireo nandimby azy hatramin'ny taona 2014 moa (Filoha voafidy ny resaka fa tsy ireo fitondrana tetezamita) dia aleho tsy lazaina intsony sao hisolifatra hanoratra teny ratsy eto. Fa nidiran-doza ny firenena iray manontolo satria tsy nisy nahavita nannohy ny asan'i Dadabe Tsiranana. Hijanona eto Antananarivo isika fa toa somary lasa lavitra kely, ialàna-tsiny.

Misy ny hoe “exception qui confirme toute règle” (Anontanio an-dry manampahaizana ao amin'ny Facebook ny dikan'io). Dia ny Profesora Zafy Albert izany. Satria tokoa efa tamin'ny taona 1994 izy no nanan-kevitra ny hanangana tanàna vaovao (“Ville nouvelle”). Io mihitsy aza ny anaran'ilay gazety bokin'ny AGETIPA (“Agence d’exécution des travaux d’infrastructures publiques d’Antananarivo” lasa “Agence d'Exécution des Travaux d'Intérêt Public et d'Aménagement” taty aoriana). Tamin'izany no nanomboka re izany hoe “Grand Tana” (Antananarivo mivelatra) izany. Fa tsy nisy nahalala -na hatramin'izao aza- ny tena dikan'io “Grand Tana” io. Tratry ny “empêchement” moa ny Profesora dia toa very an-javony hatramin'ilay resaka “Grand Tana”. Nandeha ny volana, nifandimby ny taona fa toa lasa revin-gadra sisa ilay “Grand Tana”.

Rehefa nanao fikarohana aho dia izao no hitako. Arak'ilay atao hoe PUDI (“Plan d'urbanisme directeur pour l'agglomération d'Antananarivo”) natsangana tamin'ny taona 2004 ary nohavaozina tamin'ny 2015, dia izao no atao hoe “Grand Tana”: mahakasika kaominina miisa 38 ankoatra ao anatin'ny distrikan'Antananarivo Renivohitra CUA, Antananarivo Avaradrano sy Atsimondrano ary Ambohidratrimo. Ka anisan'izany: Alakamisy-Fenoarivo, Ambohidrapeto, Ambohidratrimo, Ambohitrimanjaka, Ampitatafika, Andranonahoatra, Bemasoandro, Fenoarivo... Ary voalaza mihitsy araka ny fikarohan'ny manampahaizana ao amin'ny JICA (Fiaraha-miasa Japoney) sy ny M2PATE fa ho tafakatra 7 tapitrisa any ho any ny isan'ny mponina ao Antananarivo Renivohitra na CUA, afaka taona vitsy. Tena tsy hisy hiainana izany, marina moa... Ny Banky iraisam-pirenena aza nilala mihitsy, tamin'ny volana Marsa 2011, fa ny 50%-ny mponina eto Madagasikara dia ho monina an-tanàn-dehibe ary hiakatra ho 8 tapitrisa ny mponinan'Antananarivo sy ny manodidina amin'ireo taona 2020 ho avy! Akaiky anie izany leiretsy e!

Nandalo tsy nasian-dresaka mihitsy io resaka fanitarana an'Antananarivo io fony Marc Ravalomanana sy Patrick Ramiaramanana no ben'ny tananàn'Antananarivo. Fa nafotaka kosa ny fanatotofana tany tsy ho an'ny tombontsoan'ny madinika fa ho ana tombontsoa manokanan'ny tsy mandinika... Iza moa no nilaza fa “raha misy tany azo totofana any dia mbola ho totofako”?... Tao koa ny famotehana ireo orinasa mandeha tsara ho dimbiasan'ny ao an-trano... Maro ny very asa. Voafidy Ben'ny tananan'Antananarivo i Andry Rajoelina, ny 12 Desambra 2007, ary fantany tsara io resaka “Grand Tana” io. Saingy maro loatra ny antsonjay nataon'ingahy Ravalomanana filoham-pirenena taminy ka niafara tamin'ny revolisiona volom-boasary ny taona 2009.

Tao anatin'ny tetezamita nanomboka ny taona 2009 moa dia ny hanomanana ny fifidiana aingana no vain-dohan-draharaha, any ka nampiodina ny raharaham-panjakana no tena natao tam-boalohany. Saingy rehefa nampidirin'ny Sadc tao amin'ilay raharaha tokony tsy nidirany ireo filoha teo aloha Ratsiraka sy Zafy dia nihitatra ilay fotoan'ny tetezamita ary tsy nifarana raha tsy ny taona 2014. Fa nahavita foto-drafitr'asa ara-sosialy ihany ny filoha Rajoelina: hopitaly manara-penitra nopotehin'ny fitondrana Hvm; ny kianjan'ny Makis; ny Coliseum; ny trano mora. Ireo moa dia ny nataon'i Dadabe Tsiranana no notohizina (Asa fa tsy kabary) fa ho an'ireo tanora. Saingy nosimbain'ny fitondrana Hvm ihany koa, tamina fomba kitrano an-trano no nitsinjarainy azy.

Fa mitohy ny Tantara ka voafidy ho Filoham-pirenena ingahy Hery Rajaonarimampianina. Tapitra ny fotoan'ny tetezamita, lasa niverina olo-tsotra i Andry Rajoelina nandritra ny dimy taona (2014-2019). Mba noresahin'ny fitondrana Hvm kely ilay “Grand Tana” rehefa nadiva ho tapitra ny fotoam-piasan'i Hery vaovao, mikasika ireo tobin'ny taksiborosy ao Andohatapenaka sy Ambohimangakely. Nilaza mihitsy mantsy ingahy minisitra Ramarcel Benjamina Ramanantsoa fa “tafiditra ao anatin'ny “projet Grand Tana ireo projets présidentiels ireo” hono e! Resa-be avokoa ilay vina tsy nisandratra. Satria nankaiza tokoa moa ilay “fly over” nokasain'i Rajao be lazao natao teny Andranomena-Ambohibao? Lanin'ny vitsika?...

Mitohy ihany ny Tantara ka rehefa voafidy ho Filoham-pirenena i Andry Rajoelina, ny taona 2018, tsy adinony ny olana be mikasika ny tananĂ n'Antananarivo eo anatrehin'ny fitomboan'ny mponina. Sivy volana izay no lasa. Fa maninona ary ny madinika no tsy mba nampahafantarin'ireo tsy mandinika ireo rehetra nosoratako eo ambony ireo ary koa ity manaraka ity?

Neken'ny Fitsarana ambony momban'ny Lalampanorenana na HCC ilay “Loi de finances rectificative” ho an'ny taona 2019, amin'ny alalàn'ny “Décision n°09-HCC/D3 du 25 mai 2019 concernant l’Ordonnance n° 2019-005 portant loi de finances rectificative pour 2019”. Resaka famatsiam-bola io ka tafiditra ao soa aman-tsara ny resaka TanaMasoandro, ny fanajariana ny moron-dranomasina ao Taoamasina (atao mitovy ny ao Miami ny firafitra izay mbola resa-be hafa mihitsy koa) ary ny praograma nasionalin'ny fananganana tranom-ponenana. Raikitra io TanaMasoandro io, tsa mipody koa! Dia tao anatin'izay dimy volana lasa izay koa be tsy nisy na iray aza ireo tsy mandinika mba naka andraikitra nidina teny an-toerana nanazava amin'ny madinika ny tena marina momba io TanaMasoandro io.

Nahita ireo Sinoa ireo teny an-toerana ny madinika, ny 19 Septambra lasa teo. Aiza moa no tsy hino fa hoe lasan'ny vahiny ny tanindrazana dia totofana daholo ny tanimbary? Tsy io mihitsy akory no mahamaika ry tsy mandinika isany a!

Zavatra hafa tsy noeritreretiko mihitsy aza no niseho. Tonga dia nentina teny an-toerana ireo Sinoa ho hanambotra làlana sy ny sisa! Aiza ny madinika no tsy tora-kovitra! Aiza ny tsy tia tanindrazana sy ireo zanaky ny dadany ao amin'ny Facebook no tsy hitatata fa ho totofana daholo ny tanimbary ary amidy amin'ny vahiny ny tanindrazana!? Aiza no tsy hirediredy ny tery saina hoe “ataovy any Ihorombe io TanaMasoandro io”!? Ny fanazavana, Tompoko no tsy ampy, ny serasera no tsy voafehy! Tsy ilaina baiko anefa izany. Saingy tsy mahasahy maka andraikitra satria matahotra ho very seza ary indrindra indrindra matahotra ny hiteniteny foana eo. Tsotra : mialà rehefa mahatsapa fa tsy tomponandraikitra ! Aza bahana ny toerana fa maro ireo tena mahay tantara miaro serasera -tsy misaraka ireo-.

Iza marina moa no tsy tia izany fandrosoana sy fampandrosoana izany? Mba mila hampahafantarina an'ireo madinika, ohatra fa ireo tanĂ nan' Parisy sy New York ireo anie dia trano hazo no niantombohany fa tsy tonga dia ireo tranobe mijoalajoala hita amin'izao fotoana izao e! Inona moa no fatiantoka raha mitondra solontenan'ny madinika (tena madinika fa tsy mpisandoka) mandeha atsy amin'ny Nosy Maorisy hijery sy hiaina izany hoe tanĂ na mandroso misy fananganana foto-drafitr'asa tsy an-kiato? Iza amin'ireo tsy mandinika ireo no mba hanana izany hevitra izany? Tsy misy, Tompoko, na ny iray k'aiza no tsy ho madinika foana ireo madinika any ka mora rebireben'ireo mpanao politika tsy tia afa-tsy ny tenany ka tsy afaka mitsinjo lavitra intsony. Ny fiainanan'ny taranaka fara aman-dimby amin'ny 2030, 2040, sns dia efa eritretina dieny izao. Manana spesialista amin'izany ny firenena malagasy saingy takon'ireo faly manao selfie miaraka amin'ny Filoham-pirenena fotsiny ihany fa tsy mahay maka andraikitra sy mahafehy ny tena hoe serasera dia ny fahalanana ny Tantaram-pirenena sy ny fahaizana manazava fa tsy fatra miaro ny Filoha izay olombelona mety diso ka mila hahitsy.

Amin'izao ankatoky ny taona 2020 izao aloha, ny tena aingana, mba hitsaharan'izao resaka adala rehetra mandeha izao, dia ny fidinan'ny Filoha Andry Rajoelina eny an-toerana mihitsy ka hanazavany ny tena marina amin'io TanaMasoandro io. Tafiditra ao amin'ny teny ierana rahateo koa izany, ary kolontsain-tsika rahateo ny hoe “kabary eo amban'ny kily”. Amin'ny lafiny iray koa anefa, raha zarina amin'izany ireo tsy mandinika dia ho raharaha ihany ny an'Andriamatoa filoha hanao mpamono afo lava eto nefa, averiko, ny taona 2020 efa am-bolana sisa dia tonga. Ny olona koa moa tsy maintsy hahita tenenina foana e! Tsy manakiana hanatsarana zavatra fa dia atao basy ara-bakiteny ny vava. Ny tsy mahavita n'inona n'inona amin'ny fiainany ihany anie no manana fotoana hitsikerana na ho any na tsia. Miala amin'ny fahatsapana sy fanekena fa dadany ilay zandry kely mpikosoka kapila... Aretina toa ny sida io ry zalahy a! Sarotra na tsy azo sitranina intsony ary mitombo raha tsy manonona ny anarany.

Mbola handre, raha tsy efa re, fa manao propagandy handaniana ny Kandida faha-4, Naina Andriantsitohaina, izy. Tsotra fotsiny no hiadivana amin'ireo tsy mahataka-davitra nefa miseho mahalala zavatra : aza ny fombanareo no heverinareo fa ataon'ny hafa. Indray mi-pi-maso ianareo dia ho levona. Aiza izany Ramatoa Fanirisoa Ernaivo izany? Nivatravatra tena tsy nisy toa izany ary voafitany daholo ny rehetra. Kanjo vava tsy voaambina dia nipoitra ny tena toetrany. Izay ilay hoe “chassez le naturel, il revient au galop”. Mpitsara io Ramatoa io fa mpitsara ivelan'ny tsihy tokoa. Dia any amin'ny vazaha any no nifindra monina matahotra ny mason'ny Malagasy eto an-toerana. Nanary tena tsy nierireritra ny taranany. Ohatra tsy azo arahina io rankizy raha mbola Malagasy monina, miaina sy hilevina eto Madagasikara ihany.

Ny tena marina koa aloha, dia tsy zava-baovao no nentin'ny Filoha Rajoelina amin'io resaka TanaMasoandro io fa lojikan'olona manana Vina (“Vision”) sy Fahavononana (“Détermination”) hiroso hatrany. Ny Lapan'ny Tananàn'Antananarivo ve vitany ny nanangana azy nefa mbola tsy teraka akory izy tamin'ny famahaizany, ny Sabotsy 13 May 1972, dia TanaMasoandro indray ve no hanaovan'ny tsy mandinika kitoatoa tsy mahay mandray andraikitra, fa “Oui, Monsieur le Président” foana ihany? Ka na ianareo manampy ny madinika, izany hoe manampy ny Filoha ihany koa, na ianareo miala. Tsotra.

Raha bangoina izany rehetra izany dia raha tamin'ny 1 Novambra 2018, tao amin'ny CCI Ivato, no niresahany sy nasehony tamin'ny alalan'ny vidéo io TanaMasoandro io dia lasa fotodrafitr'asam-panjakana fanitarana ny Tananàn'Antananarivo amin'ny alalàn'ny fanorenena tanàna vaovao (“Ville nouvelle”) voaresaka tamin'ny andron'ny Profesora Zafy, 25 taona lasaizay. Tsy haitraitra ana tovolahy masahy fotsiny ihany. “Asa fa tsy kabary”. Io no teny filamatry ny antokon'i Dababe Tsiranana.

 

Io fehezan-teny io koa no tazana sy hita mibaribary eny amin'ny Akamasoa natsangan'ny Père Pedro (fa tsy Pierre Pedro akory) 30 taona lasa izay. Azavao ny sain'ny madinika ry tsy mandinika isany a ! Izay koa no tena andrasan'ny Filoha Rajoelina avy aminareo fa tsy manao tantara be amin'ny teny frantsay ao anaty Facebook hiarovana ny tenanarao irery ihany. Misaotra indrindra amin'ny anaran'ny madinika manerana an'ity Madagasikara iombonana ity!

Jeannot Ramambazafy - Lahasoratra nivoaka ihany koa ao amin'ny "La Gazette de la Grande île" ny Alarobia 02 Oktobra 2019


Mis Ă  jour ( Mercredi, 02 Octobre 2019 04:52 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety