Izahay mpikambana ato aminâny Birao Nasionalinâny « Cercle de RĂ©flexion pour lâAvenir de Madagascar (CRAM) », dia maneho ny fiaraha-miory aminâny fianakavianâireo niharam-boina taminâny fandalovanâny rivo-doza Enawo teto amintsika, mirary fahasitranana sy fahasalamana haingana ho anâireo izay naratra, hiverina any an-tokan-tranony avy tsy ho ela ireo tra-boina nohonâny fiakaranâny renirano, tsy hanaraotra ny fahasahiranâny hafa ireo mpivarotra sy mpamongady zatra manafina entana aminâny vanim-potoana toy izao. Mankahery hatrany ny mpiray tanindrazana izahay ary hoy no voalaza ao aminâny Soratra Masina manao hoe: âFa ny fihevitro tsy fihevitrareo. Ary ny lĂ lanareo kosa tsy mba lĂ lako, hoy Jehovahâ (Isaia 55.8).
NY RIVO-DOZA ENAWO SY FAMPIERITRERETANA
Niteraka fahafatesana, faharavana sekoly sasany sy ny fananana ho anâny mpiray tanindrazana, fiakaranâny renirano izay nahatondraka faritra samihafa, maro ireo fianakavina mpiray tanĂ na no lasa traboina tsy fidiny, fahatapahananâny lalana any aminâny Faritra ka singanina manokana aminâizany ny tany mihotsaka ao Mandraka sy ny fiakarananâny renirano ao Brickaville izay miteraka ny fiverenanâny âdĂ©lestageâ indray satria tsy afaka mihazo anâi Mandroseza ireo fiarabe mpitatitra solika sy ny fisianâny fako manentsina anâAndrekaleka, ireo no azo lazaina fa tena voka-dratsy naterakâiny rivo-doza iny. Mitaky fanarenana mandritra ny taona maro avokoa ireo takaitra ireo ka mila manana âpaikâady mazava sy kitapom-bola nasionaly iombonanaâ isika hiatrehana ny loza ara-boajanahary isan-taona. Saingy raha tsy nisy iny rivo-doza iny dia tena nandalo fasahirana goavana ny firenentsika taminâity taona 2017.
Efa madiva hifarana ny fotoam-pahavaratra. Tsy ampy ny rotsakâorana manerana ny Nosy. Niverina indray mantsy ny main-tany tao anatinâny tapa-bolana talohanâiny rivo-doza iny ka tena natahorana ny tahirin-drano raha tsy hiteny afa-tsy Tsiazompaniry. Nitondra orana ny rivo-doza Enawo ka velom-bolo ireo tantsaha mpamokatra satria nahazo rano sahaza ny voly vary an-tanety sy ny voly vary vao noketsaina, indrindra fa ao aminâny Faritra Alaotra Mangoro. Mety mbola tsy ampy izany satria ny tena fototry ny olana dia âmaina ny atinâny nofon-tany ka mampihena ny rano mivoaka aminâireo loharanoâ noho ny fandoroana ny tanety, ny fandripahana ny ala sy ny fitrandrahana ireo harena an-kibonâny tany tsy ampiheverana manerana anâi Madagasikara.
Mbola nomenâAndriamanitra herintaona indray izany isika hanarenana izany. Mila paikâady isam-paritra faranâizay mahomby i Madagasikara aminâny fampandraisana anjara ireo tanora manao fanompoam-pirenena isam-paritra, ny fokonolona eny ifotony aminâny tetikâasa hiadiana aminâny fihovahovanâny toetranâandro, ny fametrahana ny «Caisse nationale de solidaritĂ© pour le changement climatique »âŠ. Laharam-pahamehana izany satria tsy mbola ho fantatra indray izay hitranga aminâny fotoam-pahavaratra manaraka.
Ny rivo-doza Enawo dia tena nahery vaika tokoa ka tsy maintsy niteraka fahatapahinâny hazo sarobidy any aminâireo faritra voaaharo ao aminâny Faritra SAVA. Inona no hitranga?
FEPETRA FARANâIZAY HENTITRA
Taorianâny rivo-doza Elita sy Gafilo taminâny taona 2004 izay nandrava velaran-tany feno hazo sarobidy tany aminâny faritra SAVA no nanomboka ny resaka « bois de rose » sy ny fanondranana azy nakany ivelany. Ny volana oktobra 2004 dia namoaka didim-panjakana izay nitondra ny laharana 17939/2004 (*) ny governemanta Jacques Sylla izay manome alalana mpandraharaha vitsivitsy hanondrana « bois de rose ». Tapitra ny 30 marsa 2005 taminâny fomba ofisialy izany fahazoan-dalana nanondrana « bois de rose » izany. Taorianâizay no nanomboka ny fanondranana antsokosoko ny « bois de rose » (trafic illicite dans la filiĂšre bois de rose) izay mbola nahazo faka hatraminâizao ary nampanan-karena tampoka olona vitsivitsy taminâizany harem-pirenena izany.
Nitovy hery taminâireo rivo-doza ireo ny rivo-doza Enawo ary miteny ho azy ny sary nalefanâny Benâny TanĂ na any Antalaha ao aminâny « facebook ». Tsy maintsy misy hazo sarobidy tapaka any anaty ala na hisy hanao fanahiniana hanapaka hazo sarobidy mihitsy dia « ambara fa tapaka nandritra ny rivo-doza » ka hanararotra izany indray ireo « mpanao bizina ny harem-pirenena » satria tsy azo havela any anaty ala fotsiny aminâizao ireo hazo sarobidy ireo. Mety efa « mifaly sy mitotorebika » indray izy ireo aminâizao fotoana izao.
Tokony hijery akaiky izany tranga izany ny tomponâandraikitra ary handray an-tanana feno miaraka aminâireo Fiaraha-monim-pirenena sy ny Fikambanana iraisam-pirenena izay hiantsehatra aminâny fanaraha-maso ny famarotana aminâny fomba ofisialy ireo hazo sarobidy ireo miampy ireo tahiry mipetra-potsiny efa ho an-taonany maro mba ho entina hanarenana ireo Faritra ravanâny rivo-doza Enawo, izany dia hatao ao anatinâny mangarahara tanteraka sy ny fanjakana tan-dalĂ na. Ekena fa misy ny « sazy » fa saingy mitaky « tomponâandraikitra tena kinga aminâny fampiraharahana eo aminâny sehatra iraisam-pirenena » izany. Tsy voatery hiandry sy hangataka fanampiana avy ivelany lava izao isika malagasy raha vonona aminâny fanovana ny toe-tsaina ny rehetra manoloana ny fahavoazananâny firenena toy izao.
Natao teto Alasora androany, faha 09 marsa 2017
JOEL HARISON Marie René
PrĂ©sident Cercle de RĂ©flexion pour lâAvenir de Madagascar (CRAM)
Secrétaire Exécutif « VOVONANA MAMPIRAY »
SiĂšge: RĂ©sidence FENOSOA TSILEONDRIAKA I - Lot: A 109 Androka Alasora 103 ANTANANARIVO MADAGASCAR
__________________
(*) Le gouvernement de Jacques Sylla a promulguĂ© un arrĂȘtĂ© ministĂ©riel (n°17939/2004, du 21 septembre 2004 portant rĂ©organisation des exportations de bois stipule dans son article premier que " sont autorisĂ©s Ă lâexportation, les produits principaux de forĂȘts dâessence de 2e, 3e, 4e et 5e catĂ©gories sous forme de bois semi travaillĂ© ou travaillĂ©â. On entend par âbois semi travaillĂ© â tout bois avivĂ© rabotĂ© sur les quatre faces pour les bois de 2e catĂ©gorie, dont le palissandre, le bois de rose et le bois dâĂ©bĂšne, dâune part, et tout produit de sciage et de façonnage pour ceux des autres catĂ©gories (3e, 4e, 5e), dâautre part. On qualifie âde bois travaillĂ©â tout bois façonnĂ©, transformĂ© pour une utilisation dĂ©finitive ne pouvant plus subir de modification (meubles, objets dâart, portes et fenĂȘtres, parquets modernes), autorisant quelques opĂ©rateurs Ă©conomiques du secteur Ă collecter, commercialiser et exporter le bois arrachĂ© lors des deux cataclysmes.
Vola be
Efa manodidina ny 1.960.200.000.000 Ar (690 tapitrisa dolara) hatraminâizay (mety mbola ambony noho izany aza) ny vola azo avy aminâity trafika goavambe ity, araka ny tatitra ao anatinâilay antontan-taratasy. Azo nanamboarana lalana vita tara 1 960 km manerana anâi Madagasikara io vola be io, mbola nisy fameriny betsaka raha nikarakarana ny fifidianana filoha sy solombavambahoaka ary benâny tanĂ na, ary nahafahana nampiditra an-tsekoly mpianatra fanabeazana fototra zaza malagasy 2 741 538 hianatra maimaimpoana sady mahazo sakafo 3 000 Ar isanâandro mandritra ny 9 volana. Ary raha raisina hoe 17 tapitrisa ny Malagasy, tena sahirana fadiranovana ny 92%-nâireo, izany hoe olona miisa 15 640 000, dia mbola mahazo 125 332 Ar isanisany ireo olona ireo raha zaraina aminy io volabe nihodina taminâny aferana boaderozy io. Olom-bitsy ihany anefa no mahazo tombontsoa sy miha manankarena isanâandro aminâny fitrandrahana tsy am-piheverana ity harem-pirenena ity.
Depiote sy minisitra
Anaranâolona miisa 20 mahery no voatonona ao aminâity antontan-taratasy ity. Solombavambahoaka am-perinasa ny iray izay voatondro fa manana boaderozy 81 kaontenera ary efa nahazo vola hatrany aminâny 16,2 tapitrisa dolara ; eo ihany koa solombavambahoaka teo aloha izay voalaza fa nanondrana boaderozy hatrany aminâny 151 kaontenera ka nahazo vola be manodidina ny 30,4 tapitrisa dolara. Misy minisitra iray sy teratany sinoa iray izay tena mpandraharaha lehibe eto Madagasikara voatondro fa efa nahavita nanondrana boaderozy hatraminâny 300 kaontenera koa voaresaka ao anatinâity antontan-taratasy ity. Etsy an-kilanâizay dia saika mpandraharaha sy mpitantana trano fandraisam-bahiny any Vohemar sy Sambava ary Antalaha avokoa no tena voatonontonona.
Miray petsapetsa
Tsara homarihina ihany koa fa misy aminâireo anarana nomenâny praiminisitra teo aloha Omer Beriziky no tafiditra ao anatinâity antontan-taratasy ity. Ny tale jeneralinâny Bianco nandritra ny fihaonany taminâny mpanao gazety teny aminâny hotely Ibis dia efa nanambara fa sarotra ny manao io fanadihadiana andramena io satria mila famatsiam-bola hanaovana ny fivezevezena. Rehefa ampidirina eny anivonâny fitsarana anefa ny antontan-taratasy, hoy izy dia tsy misy tohiny intsony. Azo antoka anefa fa ny tsy fahafehezanâny fanjakana malagasy ity resaka risorisonâandramena ity dia tsy hanomezanâny vahiny fitokisana antsika Malagasy mihitsy. Taminâny fanombohanâny krizy ny volana febroary 2009 no nanomboka tena niroborobo ny trafikana boaderozy na andramena tany aminâiny tapany avaratra atsinananâny nosy iny. Efa fantatra ihany ireo manao azy sy ny toerana hanondranana ny hazo sarobidy, saingy toa mikatso foana ny fanadihadiana sy ny fitsarana. Io no mahatonga ny olona hilaza fa misy ny manampahefana tafiditra ao anatinâity afera ity ka izy ireo mihitsy no manao ny fomba rehetra tsy hivoahanâny marina momba ny boaderozy ary mety resaka fotsiny ny fianianana nataoanâny filoha Rajaonarimampianina hiady aminâny fandripahana ny harem-pirenena taminâny 25 janoary 2014 fa tsy hisy asa mivaingana mihitsy.
Andry Ratovo â Gazety « Tia Tanindrazana »