Madagasikara. Raharaha Boeing 777-200 ER miisa 5 : fifampiraharahan'ny adala na «Marché de dupes» amina resaka manidin-tsidina tokoa

Dimanche, 03 Août 2025 15:09 A la une
Imprimer

Io no atao hoe "société écran" fa ilay "Foibe" dia tao Mauritius

Manoloan’ny resabe mivoaka etsy sy eroa, vao mainka mampisavoritan-tsaina -nefa toa izany no tena tanjon’ny sasany-, dia alehoko manome fanazavana tsy miaro an’iza n’iza fa manazava fa tena fifampiraharahan'ny adala na « Marché de dupes » no nisy. Izany dia miala amina fikaroana azo hamarinana fa tsy hoe fanoratana fahatany noho ny antony efa fantatra loatra ka tsy aty amiko no mitonatonana amina resaka mipetraka eo ambon’ny fialonana, fankahalana, fanaporofoana ny zava-diso no tena marina, fanompana sy fanambaniana ny hafa, sns… Ireo mpanao izany no hahafantatra ny tenany any aoriana any.

Te-halaza loatra ity kalakely ity ary dia hataoko halaza tokoa...

Fa izay voasoratra dia hitoetra ka tehirizin’ny “Intelligence artificielle”, izany ozona rehetra ho an’ny taranak’izy ireo. Fa singaniko manokana ilay Syntia Randriambololona. Hivoaka tsy ho ela moa ny boky mirakitra ny zava-bitany, satria ny fianakaviany sinoa mety tsy mahatakatra tsara ny “tolona” ataony...

Fa resaka Boeing 777-200 ER miisa dimy aloha no mila fanazavana matotra araka ny efa voasoratro eo ambony. Raha ny fandehany, ka ahitsiko, dia resak’i Kotofetsy sy Imakaha mihitsy. Ary ny tomponandraikitra dia varianan’ny akosombolamena ka tsy nisy nitandrina fa ditsoka hatramin’ny saina.

Ny mbola mahatalanjona ahy dia toa avy any ivelany foana no ahenona fa misy zavatra tsy mazava miseho eto Madagasikara. Dia eo vao mody taitra daholo. Ry “mpanohitra”, sy ny “justicières de l’ombre qui font bouger les choses” moa, mibitika fa nahita ho resahina indray “amelezana” ny Filoha Rajoelina sy ny fianakaviany, eny hatramin’ny zanak’izy ireo... Ny tanjona mazava dia ny hanadaboka ny Fivoriambe faha-45-ny Sadc izay ny Filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, no ho Filohany manomboka ny 3 aogositra ho avy.

Ary dia nipoitra ity raharaha ana raoplanina Boeing 777-200 tonga any Iran ity, ka ny “Journal de l’Aviation” no namoaka voalohany, ny 22 jolay 2025, fa hoe :

Boeing 777 200-ER miisa dimy no tonga nangingina tao Iran, tamin'ny 15 Jolay 2025, niala avy any Siem Reap (Cambodge). Izy ireo dia fiaramanidina voasoratra anarana vonjimaika amin’ny laharana misy ao Madagasikara (5R).

Teo dia niaka-tsehatra daholo ny adala rehetra, nanafangaro ny resaka, zaran’izy ireo aza nisy io tranga io. Feno resaka adala, sy fanivazimbana olona, eny na ankizy mihitsy aza ny facebook ! Ny fahita lavitra tsy miankina moa dia tena nahita lavitra tokoa. Ireo mpanao politika “mpanohitra” koa tsy gisitra mihitsy. Ary dia arangaranga ny sazy avy any amin’ny Etazonia entin’ny Filoha Donald Trump. Tsy mampihomehy fa tena mampalahelo ilay toe-tsaina. Nefa milaza fa tia tanindrazana daholo.


Narendra MODI dia Praiministry ny Inde

Fantaro ary aloha fa ny voambolana “Udaan” (उड़ान), dia midika hoe “sidina” ("envol") amin'ny teny Hindi, fa milaza ihany koa hoe fiaingana. Amin'ny ankapobeny koa anefa, ny “Udaan” dia anaran'ny fandaharan'asan'ny governemanta Indiana, "Ude Desh ka Aam Nagarik" na koa “Am aagarik kee udaan », izay mikendry ny hanatsara ny fifandraisan'ny faritra amin’ny alalan’ny fitsangatsanganana an'habakabaka ho takatry ny olom-pirenena tsotra. Amin'ity toe-javatra ity, ny "Udaan" dia azo adika hoe "Avelao ny firenena hisidina, hiakatra avo" na "ho tontosain’ny fanjakana ny fahafahan’ny olom-pirenena tsotra misidina."

Ao anatin’izany dia misy olona Hindi (“Indian National”) tsy ataoko hoe “karana”, no tena azo lazaina fa ivon’ny raharaha. Khushwinder Singh no anaran’izany olona izany, izay efa nanomboka nandraharaha teto Madagasikara 15 taona lasa izay. Ary ny azoko lazaina eto dia ao Toliara no misy ny fonenan’ny rafozan’i Khushwinder Singh... Teny anglisy no manavanana azy ary izany moa no ampiasana eo amin’ny sehatry ny fandraharahana iraisam-pirenena.


Iza moa i Khushwinder Singh ?

Khushwinder Singh is a notable figure in Madagascar, primarily recognized for his contributions to the local community and business sector.

Background and Role

Business Ventures

Community Engagement

Details about his specific projects or achievements may vary, and further information could be available through local news sources or community reports.

AI SUMMARY yahoo.com

Dikan-teny

Khushwinder Singh dia olona manana ny maha izy azy ao Madagasikara, fantatra amin'ny fandraisany anjara amin'ny vondrom-piarahamonina sy ny sehatry ny fandraharahana.

Fiaviana sy Anjara

• Mandray anjara amin'ny hetsika isan-karazany izy, mikendry ny hampiroborobo ny fampandrosoana maharitra sy ny fitomboana ara-toekarena ao Madagasikara izy.

• Miara-miasa matetika amin'ireo fikambanana ao an-toerana sy ireo mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena i Singh, mba hanatsarana ny fiahiana ara-tsosialy.

Business Ventures

• Khushwinder Singh dia nanangana orinasa mifantoka amin'ny sehatra toy ny fambolena sy ny fizahan-tany, mandray anjara amin'ny famoronana asa sy mifantoka amin’ny toe-karena ao an-toerana.

Fandraisana anjara amin'ny fiaraha-monina

• Mandray anjara amin'ny fandaharan'asa sosialy izay mitodika amin'ny olana ara-panabeazana sy fahasalamana izy, mikendry ny hanatsara ny fari-piainan'ny mponina.

Mety tsy mitovy ny antsipirihan'ny tetikasa na ny zava-bitany manokana, ary azo jerena amin'ny alalan'ny loharanom-baovao ao an-toerana, na ny tatitra avy amin'ny vondrom-piarahamonina ny fampahalalana fanampiny.

Hatreto izany dia mpandraharaha vonona hampandroso an’i Madagasikara i Khushwinder Singh. Raha ny fifandraisany mivantana ampahibemaso amina mpitondra fanjakana malagasy ankehitriny, dia ny 8 desambra 2019, tany New Delhi (Inde), no voalohany :

Ny “Integrated Achievers Awards'” dia notontosaina tao anatin’ny “11th National Business Summit & Awards” tamin'ny 8 Desambra 2019, tao amin'ny The Park New Delhi. Notarihin’ny H.E. YOGESH Punja, Kaomisera Ambony ao amin'ny Vaomiera Ambony ao Fidji , Atoa DHAL Singh, ACP Delhi Police, Atoa RAHUL Singh, Lefitry ny CMO, Prayagraj India : Destination KUMBH ary ny delegasiona avy any Madagasikara, nisy an’i Andriamatoa Fidy Olivier RAHARIMANANA mpanolotsaina ara-teknika ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, H.E. Ramatoa Lantosoa RAKOTOMALALA, Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa tànana, H.E. Jeneraly RAVALOMANANA Richard, Sekreteram-panjakana misahana ny Zandarimariam-pirenena, KHUSWINDER Singh, Consulaire, Antenimieran’ny Varotra (“Chambre de Commerce” no dikan’io, ka ny ao no tsara manontany ny momba azy raha izany), Atoa RAKOTONDRABE Andriamihanta Harisolofo, avy ao amin’ny kabinetra,n’ny Filohan’ny Filankevitry TVM-A Live. Mazava fa mbola tsy Filohan’ny Antenimieran-doholona ny Jeneraly Richard Ravalomanana, ny taona 2019.


Dimy taona taty aoriana, ny 20 novambra 2024, rehefa nandimby an’ingahy Herimanana Razafimahefa izy, ao amin’ny Lapa ao Anosikely, dia nahazo fanasana avy amin’ny “House of Lords” ao Londres, ny Jeneraly Ravalomanana. Izany natao dia mba anamorana ny diplomasia parlemantera amin-dry zareo Anglisy sy handraisany anjara amin’ny fampandrosoana an'i Madagasikara.

Tsy nisy sary niarahana fa izao vao tsapa fa tena mahay miresaka sy mampiresaka ity Khushwinder Singh. Dia samy nentim-pitokisana daholo izany ny Malagasy...


Ary dia nipoitra tao ingahy Khushwinder Singh satria mpiray tanindrazana amin’ny Lord zokiny indrindra ("Doyen") ao amin’ny “House of Lords” dia Rajinder Paul Loomba, na Lord Baron Loomba CBE (Commander of the Order of the British Empire” – mari-boninahitra avo dia avo izany), 82 taona amin’izao taona 2025 izao (teraka ny 13 novambra 1943 izy). Mino isika fa tsy olona toa azy no handeha hiditra amina afera maloto...

Io fifandraisana io sy ny tanjona ho tratrarina no nahatonga an’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona, ny Jeneraly Richard Ravalomanana, nanaiky nandray an’i Khushwinder Singh, ho mpanolo-tsainy tsy mandray karama (“bénévole”).

Tsiahiviko eto fa ny “House of Lords” dia sehatra ambony ao amin'ny Parlemantan’ny United Kingdom, ao amin'ny Lapan'i Westminster, London. Manana anjara toerana lehibe amin'ny famerenana ny famakina ny lalàna atolotry ny Antenimierampirenena izy. Antenimieran-doholona aty amintsika no mitovy aminy.


Dia tonga taty amin’ny 22 jolay 2025 isika. Nipoitra araka ny voalazako ao ambony ao ny resaka Boeing 777-200 ER miisa dimy tonga tao Iran, nitondra laharana 5R izay ny ACM (“Aviation civile de Madagascar”) ihany no afaka manome azy.

Ireto manaraka ireto misy "documents" mazava. Fa rehefa tsy mahafehy teny frantsay dia asaivo hadikan’olona mahay sy tsy mila zistoara...

Iza no nanova ireo daty ireo ?

Taorian’ireo dia nisy lafiny iray tsy nisy niresaka mihitsy. Avy any amin’ny nosy Maurice na Mauritius indray.

Nanao fanambarana moa ny Acm fa ny orinasa UDAAN AVIATION dia nahazo laharana ER VONJY MAIKA, izay nanankery hatramin’ny 17 avrily 2025 ihany.

Mila azavaiko eto ny hoe « certificat d’immatriculation provisoire (CIP) » na taratasy fisoratana laharana vonjimaika, sy ny « certificat de navigabilité (CDN) » na taratasy fahazoan-dàlana misidina.

Ny taratasy fisoratana laharana vonjimaika (CIP) dia taratasy vonjimaika ahafahana mitondra fiara na raoplanina eo am-piandrasana ny taratasy fisoratana anarana raikitra ary tokana (« carte grise » izany ho an’ny fiarakodia). Ny taratasy fanamarinana ny fahafahana misidina an'habakabaka kosa dia taratasy manamarina ny maha-mendrika ny fiaramanidina iray. izany hoe ny fanarahana ny fenitra sy fepetra fiarovana amin'ny lafiny rehetra amin'ny sidina matihanina. Raha fintinina, ny CPI dia mahakasika ankapobeny ny fiara (na fiara karetsaka, na fiaramanidina, na moto), raha ny taratasy fanamarinana ny maha-mendrika an'habakabaka kosa dia mahakasika ny fiaramanidina. Ireo fepetra ireo dia eo amban'ny fanarahamason'ny OACI ("Organisation de l'Aviation Civile Internationale") na Fikambanana iraisam-pirenena momban'ny sidina an'habakabaka sivily.

Taorian’ny lahatsoratry ny « Journal de l’Aviation », tamin’ny 22 jolay 2025, dia namoaka ity taratasy ity ny ACM (« Aviation civile de Madagascar »).


Mazava fa nisy hosoka tao. Fa avy aiza ? Iza no tena atidohany ?

Ary dia nanao fikaroana daholo na ny matihanina sy ireo miseho ho katraka, fa katraka amin’ny famoronana tantara mampatory eo ampitoerana noho ny toe-tsaina mirefarefa sy maizim-pito.

Maro tsy tambo isaina ny orinasa na fikambana mitondra ny anarana hoe UDAAN (ery ambony ny fanazavana io teny io). Fa raha izany UDAAN AVIATION fotsiny, tsy misy. Nanao hosoka i Khushwinder Singh raha nampiasa io mangamanga io

Ity ilay "succursale" na "agence" an'ilay hoe hoe UDAAN Potentials Ltd noforonina tao Mauritius, ka fonenan'olo-tsotra ao Analamahitsy Antananarivo no misy io lot trano io

Vakio tsara ilay Lot an'ny trano sy ireo anarana malagasy. "Société écran" ambony taratasy fotsiny ihany

Teo anelanelan’izany toa tsy nisy nahita mihitsy fa mihoatra an’i Madagasikara ity resaka Udaan Aviation sandoka ity. fa dia namily ny resaka tany amin'ny Filoha Rajoelina hatrany. Ary tsy misy mahalala menatra izany na ny iray aza, amin'ny lainga avoakan'ny vavany ! Fa izao manaraka izao no navoakan’ny gazety "newsmoris" ao Mauritius, ny 1 aogositra 2025. Teny anglisy nadikako tena malagasy.

A recent aircraft transaction involving Boeing planes sold to Iran is causing diplomatic tensions that may extend to Mauritius.

Niteraka disadisa ara-diplaomatika izay mety hiitatra hatrany Maorisy ny fifampiraharahana fiaramanidina vao haingana, nahavoarohirohy fiaramanidina Boeing namidy tamin'i Iran

Iran reportedly used a network of shell companies to register five Boeing 777 aircraft, which arrived in Iran between May and July.

Voalaza mantsy fa nampiasa tambajotra orinasa sandoka i Iran mba hanoratra fiaramanidina Boeing 777 dimy, izay tonga tao Iran teo anelanelan'ny volana Mey sy Jolay.

These planes, aged between 20 and 25 years, were temporarily registered in Madagascar before being flown to Iran, circumventing international sanctions that prohibit Boeing sales to Tehran.

Ny fahanteran’ireo fiaramanidina ireo, izay eo anelanelan'ny 20 ka hatramin'ny 25 taona, dia nosoratana vonjimaika tany Madagasikara talohan'ny nandefasana azy tany Iran, any ka nandika ny sazy iraisam-pirenena izay mandrara ny fivarotana Boeing any Tehran.

The five planes, with provisional registrations 5R*-RIS, 5R-ISA, 5R-HER, 5R-IJA, and 5R-RIJ, have serial numbers 32334, 30866, 28522, 28527, and 33369 respectively.

Ireo fiaramanidina dimy, izay nitondra ny laharana vonjimaika 5R*-RIS, 5R-ISA, 5R-HER, 5R-IJA ary 5R-RIJ, dia nanana ny laharana 32334, 30866, 28522, 28527 ary 33369

According to FlightRadar24, the aircraft with registration 5R-HER made stops in Jakarta, Indonesia, and Siem Reap, Cambodia, during its travels.

Araka ny filazan'ny « FlightRadar24 », dia nijanona tao Djakarta, Indonezia, ary Siem Reap, Cambodge, ilay fiaramanidina manana ny laharana vonjimaika 5R-HER, nandritra ny diany.

Use of Shell Companies

Iran allegedly employed a complex network of shell companies across multiple continents to hide ownership.

Fampiasana orinasa sandoka na aloka

Malaza i Iran fa mampiasa tambajotra be sampana misy orinasa sandoka na aloka manerana ny kaontinanta maro mba hanafenana ny tena tompony.

The latest involved is UDAAN Aviation, registered in Madagascar as Udaan Potentials Ltd, which claims its activity includes “national and international aviation.”

Ny orinasa farany voarohirohy dia izany UDAAN Aviation izany, misoratra anarana any Madagasikara manana anarana hoe Udaan Potentials Ltd ihany koa, izay milaza fa tafiditra ao amin’ireo sehatra maro iasany ny mikasika ny fisidinana nasionaly sy iraisam-pirenena (“aviation nationale et internationale”).

The company is linked to Indian businessman Khushwinder Singh, who has lived in Madagascar for about 15 years.

Io orinasa io dia mifandray amin’ilay Indian businessman Khushwinder Singh izay mipetraka ao Madagasikara efa 15 taona teo ho eo.

Mauritian Connection

A company named Udaan Potentials Ltd was registered in Mauritius in November 2019, with activities listed as “import and export.”

Orinasa iray antsoina hoe Udaan Potentials Ltd dia nisoratra anarana taty Mauritius tamin'ny volana novambra 2019, ka mpanao “importation-exportation” no antom-pisiany

It was dissolved on January 16, 2024, just before the Malagasy Civil Aviation Authority (ACM) issued provisional aircraft registration and certification certificates on January 17, 2024.

Rava, nesorina tao amin’ny lisitry orinasa miasa ao Mauritius, io Udaan Potentials Ltd, ny 16 janoary 2024, iray andro mialohan’ny nanomezan’ny Aviation Civile Malagasy (ACM) laharana sy fanamarinana vonjimaika ho an’ireo fiaramanidina tamin’ny 17 janoary 2024.

Khushwinder Singh owns 90% of this Mauritian company. Another key figure is Rahul Chawla, an Indian based in Mauritius, who is a director and shareholder.

Khushwinder Singh no tompon'ny 90% ny petra-bola tao amin’ity orinasa Maorisianina ity. Olona manan-danja iray hafa dia i Rahul Chawla, Indiana monina ao Maorisy, no Tale sy “actionnaire” (“shareolder”) tao.


The same individual also manages Elite Mada, a Mauritian company owned by Singh, which in March expressed interest in buying 49% of SBM Madagascar, a subsidiary of the Bank of Madagascar.

Io Rahul Chawla io ihany koa no mitantana ny Elite Mada, orinasa Maorisianina an’i Singh, izay tamin’ny volana martsa dia naneho fahavononany hividy ny 49%-n’ny SBM Madagascar, sampan’ny “State Bank of Mauritius”.

Toa io izany Boeing 777-200 ER izany

Raha fintinana izany dia izao no fandehany :


Ilay Udaan Potentials Ltd., orinasa misoratra atsy Maurice, dia voalaza fa tsy nanao fanambarana ara-bola teo anelanelan'ny taona 2019 sy 2025, na talohan'izay mihitsy aza raha io tableau ambony io no jerena. Satria tsy misy tatitra mihitsy ao amin’ny tranokalan'ny “Registrar of Companies”, momba io elananelam-potoana 6 taona ireo, dia nesorina ara-pomba ofisialy tsy ho isan'ireo orinasa ao Maurice intsony.

Ny ampitson’ny nivohan’ny lahatsoratry ny “Journal de l’aviation”, dia nohazavain’ny Talen’ny ACM tamin’ny fanambarana an-gazety, tamin’ny 23 jolay 2025 izany, fa nangataka alàlana hanafatra fiaramanidina Boeing 777-212 dimy eto Madagasikara ny UDAAN Aviation, izay praograma “tetikasa tafiditra amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara”. Nampiany koa fa any amin'ny "faritany Shinoa, indrindra any Lanzhou" no misy ireo fiaramanidina ireo.

Ny anarana hoe Rahul Chawla dia toa Rakoto sy Rabe eto amintsika ka sarotra be ny mampiseho ny tena sarin’ilay Rahul Chawla tfiditra amin’ity resaka Boeing 777-200 ER ity. Fa raha vao azoko avy any amin’ireo mpiara-miasa ao Mauritius, ka voamarina dia havoakako eto ihany.

Manoloana ny fivelaran’ity raharaha ity eo amin'ny sehatra diplomatika dia nitombo ny fanamarinana : ary dia notsiahivin’ny talen’ny ACM, araka ny voalazan’ny tranokalan’ny Africa Intelligence, tao anaty taratasy tamin’ny 28 jolay 2025, sy niantefa tamin’ny minisitry ny Fitaterana, Valéry Ramonjavelo, fa nanome laharana vonjimaika (CIP) ho an’ireo fiaramanidina araka ny toromariky ny minisitra ny tenany. Tsihahivina fa ny ACM dia eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fitaterana.

Ary niazakazaka ny raharaha :


Ny 28 Jolay 2025 io ihany dia nivoaka ny didy fisamborana ireo olona roa eo amin’ny sary ireo.

Ny ampitso 29 Jolay 2025 dia nivoaka ny décret manatsahatra ny Minisitry ny Fitanterana amin’ny asany ka ny Praiminisitra no handimby azy vonjimaika.

Ny alin’io andro io ihany dia tratra izy roalahy ireo. Marihina fa hita ao amin’ilay fampahafantarana ilay FLY MADA lasa UDAAN etsy Analamahitsy ny anaran’ilay Malagasy izay “mpanampy” fotsiny ihany...

Ny 30 Jolay 2025 dia namoaka fanambarana ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina.


Izay ny marina mikasika ity raharaha Boeing 777-200 ER miisa dimy ity. Miandry fatratra ny “fanasazian’ny Etazonia" indray ny Mpilaza angano. Tsy hisy io satria tsy ny firenena malagasy no tomponantoka fa olona tsy naharay lamba manoloana ny fampanantenana tsara lahatra nataon’ny mpisoloky matihany. Tsy taty Madagasikara rahateo ireo Boeing ireo fa izao ny firenena nodiaviny mandrapahatongany any Iran : Chine rehefa avy any Cambodge, ary niparitaka amin’ireto tanàna any Iran ireto : Mashhad, Chabahar, and Zahedan (Loharanombaovao “Mehr News Agency”)

Ny tena zavatra marina ihany dia izao : mety tena nànana eritreritra tokoa ny minisitra hanavotana ny Madagascar Airlines amin’ny fividianana raoplanina. Satria sahirana tokoa io orinasa malagasy io... Dia nisy ireo Boeing 777-200 ER ireo tany Chine ary nomena laharana vonjimaika mba handehanan’izy ireo atsy Kenya ho tiliana raha mahahelo ny sarany ny vidiny. Kanjo niova ny tanjona teny ampanidinana, ara-bakiteny. Iza ary no efa nandray vola sy tendakanina ? Aleho hirediredy izay te-hirediredy, fa toa tena "marché de dupes" ilay izy fa i Khushwinder Singh aloha dia tena mpisoloky nahay nanafina kilema. Fa tadidio ry be resaka rehetra a!  In-dray mi-pi maso dia veloma, ankoatra ny karma !


Izaho aloha dia miandry ny tohiny toa ny miandry ny tohin’ny raharaha fanapoizinana teny Ambohimalaza. Ny hiseho aloha dia hanomboka androany 3 Aogositra hatramin'ny 17 Aogositra 2025 (ETO), eto Antananarivo ny Fivoriambe fara-tampony faha-45 an’ny SADC, ka manomboka amin’izay dia ny Filohan’i Madagasikara, Andry Rajoelina, no ho Filohan’io SADC -izay nitarainan’ingahy Marc Ravalomanana foana taloha, -nanombokoa ny volana avrily 2009 tao Swaziland lasa Eswatini, ny 19 avrily 2018– hatramin’ny taona 2026. Efa manomboka tonga tsy kelikely ireo delegasiona avy amina firenena afrikana miisa 15 sy ao amin'ny Ranomasina Indianina. Efa misy "hetsika" atao...


Jeannot RAMAMBAZAFY

Antananarivo, 3 Aogositra 2025

*Araka ny vaovao voaraiko farany dia an'ny orinasa an'habakabaka Thaï (avy ao Thaïlande) "NokScoot" taloha ireo Boeing 777-200 ER ireo. Saingy izao indray : nitsahatra tamin'ny  fanaovana sidina izy ary nijanona niasa tanteraka ny 26 Jona 2020 satria tena bankirovitra noho ny Covid-19.

Efa fomba fanaon'ny Iran io mividy raoplanina an-kolaka io. Mikasika ireto Boeing 777-200 ER dimy ireto dia gazety iraniana mihitsy no namoaka ity manaraka ity :

Any Analamahitsy izany ny mason'ny rehetra satria ilay Udaan Potentials Ltd nisoratra tao Maorisy efa tsy nisy intsony, ka ny teto Antananarivo ihany no nafahan'i Khushwinder Singh nahazo CIP nazavaiko ao ambony. Dia hajanoko eto tanteraka ity "dossier" ity fa avelako ny manam-pahefana hanohy ny "enquêtes"-ny.

Fa hitodika amin'ny seho toa izao izay efa nitranga ka nataon'olona tao Iran. Aoka hazava fa tsy ny fanjakana iraniana koa anie no voatery hanao izany e ! "Mahan Air" izany dia orinasa tsy miankina amin'ny fanjakana iraniana. Vakio tsara ity manaraka ity :

Mahan Air, Iran’s largest private carrier, which has long operated under U.S. sanctions. Despite restrictions, Mahan has continued flights across the Middle East, Asia, and parts of Europe. With the addition of long-haul Boeing 777s, the airline is expected to boost international connectivity and compete more effectively in regional markets.

Mahan Air dia mpitatitra tsy miankina lehibe indrindra ao Iran, izay niasa hatry ny ela na dia eo aza  ny sazin'ny amerikana. Ka eo aza io fameperana io, dia nanohy ny sidina nanerana ny faritra Afovoany Atsinanana, ny Azia ary ny faritra sasany any Eoropa i Mahan Air. Amin'izao nahazoany Boeing 777 afaka misidina lavitra izao, dia andrandrainy hampitombo ny fifandraisana iraisam-pirenena ka afahany hifaninana amin'ny tsenam-paritra.

 

 

 

Mis à jour ( Mardi, 05 Août 2025 17:15 )