Patrick Venance Raharimanana. Zaza "affabulateur" tsy niraharaha ny hafatry ny rainy ka nivari-lavo tanteraka amina soratsoratra tsy misy porofo na ny iray aza

Jeudi, 01 Mai 2025 09:42 A la une
Imprimer

Izao no namaranany io tantarany vaovao, dimy pejy A4 be izao, io :

« (…) 2028 isika mahita azy, fa efa niteny hatrany aho, eo no mikatona tanteraka ny varavaram-by nao, na alohan'izay.

Efa nambarako ny lalana ivoahanao alohan'izay, raha mbola manam-pahendrena kely ianao. Raha mikasa hanao amboletra amaky barazy, 20 taona nitondrana ianao, dia miandry anao eo aho ».

Samia tsara

Patrick

Ao anatin’ity lahatsoratro ity dia hifangaro ny teny malagasy sy frantsay. Ny antony ? Mba hazahonareo tsara ny fandehan-javatra. Inona marina no mahatonga an’ity Patrick Venance Raharimanana ity mamorona tantara valamaty sady lava be hamerezana ireo mpamaky facebook ?

Rehefa tratra ny laingany (ETO) mikasika ny nolazainy fa rohim-pihavanana eo amin’ny Praiminisitra Rainilaiarivony sy ny Filoha Rajoelina (tsy nisy fialan-tsiny, tsy nisy fanitisana avy aminy) dia io indray fa tantara lava be hafa mitondra ny lohateny « Tsaroanao ve Président Andry Rajoelina ilay fifanarahantsika vita sonia ? » no navoakany ao amin’ny pejiny facebook. Tsy misy porofo na iray aza fa dia ny andoto hatrany no tarigetrany. Inona no mahatonga azy manao izany ?

Amiko dia tsotra : nanozon-tena izy satria tsy nanaraka ny anatry ny rainy, Itompokolahy Venance Roger Raharimanana na i Zokibe. Tokony efa fantatrareo fa izaho tsy manoratra raha tsy misy porofo mazava.


Inona moa izany afatra izany ? Io an-tsary io, avy any amin’i Jean Luc Raharimanana, zandrin'i Patrick, mpanoratra (« écrivain ») malaza maneran-tany, tsy mitovy ary tsy hitovy foto-pisainana amin’io zokiny nanary tena io mihitsy. Tamin’ny taona 2019, nahalasan’ny rain’izy ireo no nanaovan’i Jean Luc Raharimanana io fahatsiarovana io.


« Ataovy izay ataonao ary ataovy tsara, ataovy amin’ny tsara ». Mazava izay hafatry rainy izay nampijalian’ny zana-dambon’ingahy Marc Ravalomanana, tamin’ny taona 2002.

Nodimandry ny rain-dry zareo ny 19 novambra 2019 : aoka ireo manaraka ireo no ahafantaranareo mpamaky ny tranga -soratra sy teny- voalaza tamin’izany :


Ny rain’ingahy Patrick Raharimanana dia mpihino kristiana katolika tena mafana fo, any ka izy no Filoha voalohan’ny JEC na « Jeunesse Étudiante chrétienne de Madagascar ».

Mbola "nadio" i Venance Patrick tamin'izany fotoana izany...

Taty afara dia niditra tamin’io JEC io ingahy Patrick ary nandray anjara navitrika tamin’ny nahatongavan’ny Papa Jean Paul II teto Madagasikara, ny taona 1989.

Ny taranak'i Zokibe Venance Roger RAHARIMANANA

Tamin’izany vaninandro izany ingahy Vitatsika io (« antoko » politika natsangana mba niatrehina ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013, saingy 00,43% no vato azony) dia toa nanaraka tokoa izay afatry ny rainy izay.

Fa ny taona iray mialohan’ny nahalasan’ny rainy, ny taona 2018 izany -fito taona lasa izay-, dia asa no nanjo tampoka ity Patrick Raharimanana ity fa dia nahita ny kandida Andry Rajoelina any Andafy, kanefa ity farany sy ny vadiny tao Mananjary. Ireo ambany ireo no porofon’izany.


Izany hoe raha vao nandray ny tranokala « Sobika » izy dia nivadika olon-kafa tanteraka ! Nisora-tena ho « mpanao gazety » izy ary nosoloiny « Sobikamada aloha ny « Sobika » ary avy eo nataony « Gasy Patriote » indray. Nanomboka amin'izay ny famoronan-dainga amin’ny alalan’ny tantara valamaty lava be tsy misy porofo na iray aza.

Tsy milaza mihitsy ny RSF (Reporters Sans Frontières) hoe "le journaliste Patrick Raharimanana"... Ao raha. Ny an'ny Rfi no mazava : "le blogueur malgache"


Tsy « journaliste » toa izaho sy ny namana matihanina hafa velively i Patrick Raharimanana eo amin'ny fombany, fa "mamono lolo" fotsiny. « Influenceur et blogueur sur les réseaux sociaux » izy ary manaiky izany ny any am-pita. Olom-pirenena tsotra (« simple citoyen ») manome ny heviny no dikan’izany. Amin’ny anaran’ny « liberté d’expression » na fahafahana maneho hevitra. ZO io, marina. Kanefa mitaky adidy voafaritra sy voafehin’ny lalàna.


Ilay « GasyPatriote » moa tsy mandeha akory, efa ela be, fa dia ny facebook sisa no hisalorany hoe « «mpanao gazety ».

Raha bangoina izany ny momban’ity Patrick Raharimanana ity dia izao : ny fidirany eo amin’ny sehatry ny politika no nampavadika ati-doha azy. Ary io sary io ambany io no nahafaingana ny fiovany amin’ny fanoratana tantara valamaty lava be tsy misy porofo na iray aza.


Asa izy aloha raha mbola kristianina katolika fa izao no « constat » : nanara-dia soa aman-tsara an’i Jodasy, ilay naman’i Jesosy namadika azy noho resa-bola. Mampahonena ny taranany… Fa ny an’ity Patrick Raharimanana dia hivadiany daholo ireo nifanerasera taminy ary tantarainy angano avy eo. Izy izao no hidiran’angano atsy ho atsy satria « trop » no ataony, hoy ny zatovo amin’izao vaninandro izao.

"Affabulateur" i Patrick Venance Raharimanana raha ny soratra ataony. Ny dikany ? "Personnage qui affabule, présente comme réels des faits imaginés". Izany hoe olona mamorom-porona, milaza ho marina ny zavatra na tranga noforoniny, manatavy resaka. Tsy izy mihitsy izany no handimby ny rainy sady tsotra no mahitsy.

Farany : izy moa kristianina katolika hatreto, na tsy dia tazana firy... Fa izy manome loza olona indray anie no toa tsy mahalala tsara ny hoe Vatican !

 

 

Ka izany marina no miseho katolika noho ny Papa ?

Jeannot Ramambazafy

Antananarivo, 01 May 2025

Mis à jour ( Jeudi, 01 Mai 2025 12:43 )