]
Les quotidiens du 25 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Hanitra sy Fidèle. Dia ho hafa-bela foana ve ?

Hanitra sy Fidèle. Dia ho hafa-bela foana ve ?

Tena mampieritretira ahy manokana ny zava-misy eto amin’ity firenena lazaina hoe malala ity, tanindrazana iombonana ity, miampy ny hoe : tany tan-dalàna. Toa izay mahay vava no lasa misongadina fa tsy misy dikany ny lalàna velona misy eto amintsika. Ary tato ho ato dia toa mpitsara sy mpisolovava no manondrana ary mahay mifampiaro fatratra. Tantara hafa koa ireny…


Amin’izao vaninandro izao, rehefa misy tranga iray dia kinga ery ny sasany miaro fahatany ary misy mamorona tantara valamaty tokoa anie e ! Any ka, indraindray, dia ny asa fanaovan-gazety mihitsy no tafiditra ao anatin’ny vovon’ny vaovao tsy marina na fake news. Saro-pady ity asa fanaovan-gazety ity ary tsy azo atao alasafay noho ny akamoana hikaroka («faire des recherches») na koa tsy fanaovana fanamarinana («recoupement»). Soa fa tsy izahay rehetra fa ny mampalahelo dia matetika ireo vao miana-draharaha no tratry ny fakampanahy satria nanome ohatra ratsy ny nampianatra sasany…


Jereo tsara anie raha mikasika ilay fandaharana «Miara-manonja» e ! Nanjavona aloha ry Vonison Andrianjato Razafindambo sy Guy Maxime Ralaiseheno, rehefa nandefa ny poiziny (« ho avy izahay fa mifono vy », hoy mihitsy ny iray). Manameloka ny tenany ka avy hatrany dia nandika lalàna an-tsitrapo. Nosy anie ity e ! Sa hanao toa an-dry Jean de Dieu Maharante sy Itompokolahy James Andrianalisoa nahavita nandingana ny IST (Tsy fahazoana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara), nitsoaka ao Frantsa ? Misy mpirediredy hafa koa ao amin’io fandaharana nalain-tahaka tamin’ny anay mpanao gazety MLE («Mouvement pour la liberté d’expression») nitolona nanohitra ilay « Làlana Andrianjato » indrindra, ny taona 2016… Misy fotoanany ny zava-drehetra lereitsy a. Fa tena lasa « fahagana » («miracle, mon ami» mihitsy !) ny mahakasika an’i Hanitra Razafimanantsoa, maman’i Francesca nalaza ratsy tampoka teo fa tsara mpiaro (50 be izao !) -fa izy 11 nalefa any Tsiafahy tsy nisy resaka na iraim-bava aza-, sy ingahy Fidèle Razara Pierre misalotra ho mpanao politika miseho ho tompondakan’ny fahaizana eo amina famelabelarana tranga tsy marina velively.


Izaho efa 40 taona mahery no naha-mpanao gazety ahy. Tsy amin’izao fotoana izao mihitsy aho no andeha hivaralila hanoratra lahatsoratra satria misy olona tsy tiana na koa noho ny antony ara-bola. Aleoko matikambo toa izay tsy mana-kambo. Ny votoatin’ity lahatsoratra ity ary dia mampibaribary anareo mpamaky hajaina sy ny hafa ihany koa, na eto an-toerana na any ivelany, fa tena olon-doza ireo olona roa ireo. Misy ohabolana izay milaza hoe : « Kobokoboin'ny marina ka miteny tsy hanotaniana ». Amin’izao teknolojia vaovao lasa lavitra izao dia tsy misy zavatra azo afenina intsony, na noho ny tsy fahaizana na noho ny fiheverana fa eo ambonin’ny lalàna hatrany.


Ireo resa-dresaka avoaka eto ireo dia porofo tsy azo ivalozana efa nisy namoaka ho hitan’ny be sy ny maro (« publication publique ») ao amin’ny Facebook, ary rehefa nanao fanamarinana aho dia tsy zavatra noforonina velively ireo. Ny sary famantarana dia izy. Ny an’ilay Kelly Géant dia nofafany ny kaontiny fa izy io dia anisan’ny hoe ho torian’i Patrick Raharimanana, miaraka amin’i ingahy Fleury Rakotomalala, ny volana septambra 2019. Ilay Rova kely moa dia mpianatra ao Ankatso ary nanjavona koa ny kaontiny. Io ilay hoe te-hanao aminy eo nefa kanosa. Iza anefa no notahafiny ?... Andaho ary fa ela.


Ataoko aloha fa mazava tsara ireo sary efatra mampiseho ny toromarika nataon-dry «Honorables» isany Hanitra sy Fidèle, talohan’ny sabotsy 20 febroary 2021. Ka raha fintinina dia ireto no misongadina,

Mitaraina ilay Rova kely fa « voatsindrin’ny foza mafy » ry zareo ka mahatonga an-dry zareo vitsy. Dia niala bala fotsiny i Hanitra (tsy mendrika atao izany Maître izany mihitsy) : « Zay aloha fa betsabetsaka ny zavatra ataonay androany. Matoky anareo izahay. Baikoy mafy ny ankizy ao ». Vehivavy lehibe renim-pianakaviana tsy menatra mamporisika ankizy kanefa tsy hita tabilao teny an-kianja akory ny sabotsy 20 febroary lasa teo.


Mino isika fa mpianatra eny Ankatso ny resaka eto. Nametraka fanontaniana momban’i Ravalomanana angamba ilay Kelly Géant ka izao no valintenin’ilay Fidèle, nadikako amina teny malagasy madio eto : « An an an, tsy sahin-dry zareo ny misambotra an’i Dada ». Dia nampiany : « Mba jerijereo ny ankizy M. Kelly ». Ny valiny : « Matokisa ianao, Honorable, fa ataoko ambany maso mihitsy ireo ». Asa inona ny fomba ataon’io Kelly Géant io ambaboana ny fon’ireo « ankizy ataony ambany maso » ireo…

Fa eto no manomboka ilay resaka tokony hampigadra mihitsy raha tena tany tan-dalàna tokoa ity firenena ity (nadikako amin’ny teny malagasy madio ihany eto) :

Kelly Géant : « Aza fady, Honorable, iza daholo moa ny universités efa nihetsika ireny ? ».

Fidèle Razara Pierre : « Mbola Fianarantsoa aloha izao hatreto f’efa misy mikarakara koa ny sasany M. Kelly ka ». Avy eo izy mamaly fanontaniana napetrak’ilay Rova kely : « Ary aza adino ny androany fa tohizana [ny resaka momba] ilay bandy maty iny. Atao max be (izany hoe atao mipoapoaka, mahoraka ny nahafaty ilay mpianatra tany Toamasina).

Rova kely : « Efa iny izao no exploite-ko max (izany hoe maximum na tena atao resaka be mihitsy ilay fahafatesana) ato M. Le Député a ».

Fidèle Razara Pierre : « Hitako mihitsy ireny ka tohizo dia teneno ny ankizy hanao ohatr’ireny ». Tena mazava toa tafika andrefan-tànana fa dia manararao-paty ara-bakiteny ity hoe Del kely ity. Ary mamporisika ankizy anaoatao foana mihitsy. Asa loatra.


Ity manaraka ity indray dia fampianaran’i Hanitra ny ankizy handainga. Fa dia reny inona loatra re izy ity e ?

Araka ny daty eo amin'ny sary dia ny 18 febroary 2021 dia nidina any Antsirabe i Marc Ravalomanana. "Alibi" no anaran'izany. Izany hoe nanaporofoiny fa tsy tao Antananarivo izy nanomboka io daty io. Ary mino fotsiny ihany fa ho sahiny no hilaza fa tsy misy hidirany ny fanambaran'ireo olona sy "robots" miady mba hiverenany eo amin'ny fitondrana. Toetrany mihitsy izany.

Hanitra Razafimanantsoa : « Tandremo, aza mamaly ireny hoe lasa any Antsirabe ireny i Dada an ». Ny 18 febroary 2021 dia nidina tany Antsirabe tokoa ingahy Marc Ravalomanana tsy te-hahalala izay hitranga ny sabotsy 20 febroary ao Antananarivo. Ary nilentika tany ny lehilahy mpanorina fa tsy mpandrava… Nefa ny hiverenany eo amin’ny fitondrana no mahatonga ireto solombavambahoaka mamitaka ahoaka ireto « mitolona ». « Eny, Tompoko », hoy koa ny valin’ilay Rova kely raha nilaza kosa i Kelly Géant fa « voaray, Madame ».

Fidèle Razara Pierre : « Iny resaka Dada iny, izahay no hanazava an’iny fa tsy hainareo [no] mamaly an’iny ». Izany hoe tsy mahay mandainga noho izy ireo ankizy mampahonena satria voapepo ny saina tratry ny fanasana ati-doha na «lavage de cerveau» tanteraka. Firy taona tokoa ireo tamin’ny 2002 re e ? Ireto manaraka ireto dia tsy mila fanazavana be loatra fa anareo no mitsara.

Rova kely : « Efa niantso ahy teo ny sasany, M. le Député, fa mbola taraiky anaty embouteillage hono ry zareo ».

Fidèle Razara Pierre : « Ay, Ok Sitraka (izay angaha no tena anaran’i Rova kely). Izao ilay izy : mila mihetsika mafy isika, manararaotra an’ity zava-misy ity fa tonga ny fotoana ». Mino isika fa mbola ilay mpianatra maty tany Toamasina io «zava-misy » io. « Tsy dia hanam-potoana eto loatra izaho sy ny Député Hanitra ka tonga dia azavaiko eto daholo ny zavatra rehetra ataontsika androany sy rahampitso ».

Hanitra Razafimanantsoa : « Tonga dia azavao Fidèle a, maika hanao miara-manonja isika ».

Fidèle Razara Pierre : « Ianareo ry Fy sy ry Sariaka : teneno ny éléments rehetra hoe : tairina daholo ny olona ho avy eny Ambohijatovo. Dia indrindra indrindra ireo mpianatra ao Ankatso ireny. Aparitaho faran’ny mafy ohatran’ny mahazatra ireny. Ary aza adino ny androany fa tohizana ilay bandy maty iny atao max be. Avantage be ho antsika ireny ». Fa dia olombelona toa inona re ireto mahasahy milaza fa «avantage» (tombontsoa) izany mpianatra maty izany. Loza !


Ny soratra mitoetra. Ary raha ireo famporisihina ankizy amina zavatra tena mamoehitra toa ireo dia ataoko fa misy sazy ao anatin’ny «code pénal». Raha ireo no avela amin’izao ry mpitondra, ry manam-pahefana dia ianareo no ho tsarain’ny Tantara voalohany indrindra any aoriana any. Diniho tsara izay.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mercredi, 24 Février 2021 03:26 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety