Ambatovy. Tompon-trano mionona hatrany ny Malagasy

Mercredi, 20 Mai 2020 07:49 A la une
Imprimer

TSINDRIO ETO

Tena raharaha tokoa no nitranga tao amin’ny orinasa Ambatovy ny 18 Mey 2020. Nodimandry mantsy ny mpiasa mizaka zom-pirenena filipianina. Ary tena lavon’ny Covid-19 izy, tompoko. Teo vao tena taitra ny rehetra. Izahay mpanao gazety moa dia miaraka miombona alahelo amin’ny fianakavian’i Ryan sy amin’ireo mpiara-miasa aminy ary ny mpampiasa azy. Fa fantatreo marina ve inona izany hoe orinasa Ambatovy izany ? Tantara tokoa. Andao ary.

Ny taona 1911, izany hoe tao anatin’ny fanjanahantany no fantatra fa manana nikela ny Nosy malagasy, araka ny fikaroan’ny « Syndicat Minier de Madagascar » tamin’izany fotoana izany.

Rehefa tonga ny fiverenan’ny « fahaleovantenan ‘i Madagasikara », ny taona 1960, dia hitan’izany « Service géologique de Madagascar » izany fa ao Ambatovy sy Analamay no tena misy nikela be indrindra. Nanomboka teo ka hatramin’izao dia toa zary saribakoly malagasy eo am-pelatanan’ny vazaha ny BRGM (« Bureau de recherches géologique et minière de Madagascar »). Nisy aloha izany « Syndicat de Moramanga » izany ka izao avy no nandrafitra azy io : BRGM : 85% ; Ugine: 15%. Nandeha ny volana, nifandimby ny taonafa dia nanjavona tsy hita tabilao intsony io BRGM io. Ny taona 1969 ka hatramin’ny taona 1997 dia ireto avy ny orinasa nifandimby eo amin’ny « fikaroana » mikasika ny nikela eto Madagasikara : UGINE Kuhlmann, Pechiney, SLN, ACC sy COFIMER, Omnimines. Io taona 1969 no nahafantarana fa maharitra 40 taona ny tahiry nikela ao Ambatovy sy Analamay.

Nisy fotoana nitsanganan’izany « Groupement d’Etude de Nickel de Moramanga » (GENIM) izany, izay nivondronan’ny UGINE Kuhlmann (31%), Orinasa « Le Nickel » (31%), Anglo-American (21%), BRGM (9%) sy COFIMER (4%) ary Omnimines (4%). Nihena toa fen’antitra izany ny Malagasy… Teo anelanelan’izany anefa, ny taona 1979, dia nisy Koreana avy any avaratra (tamin’ny andron’i Kim il Sung) na navela nanondrana nikela milanja 2.000 taonina. Ahoana daholo ny mikasika ny vola amin’izany ? Afaka manazava ve ny Amiraly Didier Ratsiraka ? Sa « rano latsaka » dia vita ?...

Teo anelanelan’ny taona 1994 sy 1998 dia niditra an-tsehatra ny orinasa Phelps Dodge Madagascar SARL (PDM). Ary dia nandavaka tao Ambatovy sy Analamay izy io nafahana nahalala fa misy akora nikela 83 tapitrisa taonina ao amin’ireo toerana ireo. Tampoka teo anefa, ny taona 1999, dia nahanton’ny fitondrana tamin’izany ny asan’ny PDM ary dia namoaka lalàna vaovao mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany amin’izay mety ho endriny rehetra ny Fanjakana Malagasy. Ny asa rehetra fikaroana moa dia Malagasy ny ankamaroany. Ny marina dia herin’ny sandry no tena niasa… Fa iza marina ny Malagasy nanana petra-bola tao amin’ny PDM ? TSy maintsy nisy izany.


Ny taona 2002 ary dia nanomboka nanan-kery ny LGIM na « Loi sur les Grands Investissements Miniers ». Io lalàna io no miantoka ny fahamarinantoerana amin’ny lafiny lalàna sy mampirisika ireo fampiasam-bola eto Madagasikara. Anisan’ny « tombonsoa » ho an’ny Malagasy ny tsy maintsy hampidirana mpiasa tera-tany eto an-toerana. Rehefa misy moa ny lalàna dia misy amin’izay ny atao hoe « cadre d’action ». Anisan’izany ny fanomezana fahazoan-dàlana na « permis » isan-karazany ary andoavam-bola amin’ny fanjakana izany. Tsy ho takatry ny maro an’isa ny fomba fomba amin’izany aloha fa izao ny zava-nisy :

Natambatra ho fahazoan-dàlana iray ihany ireo fahazoan-dàlana hanao asam-pikarohana azon’Ambatovy. Mitondra ny anarany hoe Permis 459 izy ioka mahakasina velarantany mirefy 14.375 hektara. Ngeza makadiry anie izany ry zalahy an ! Nipoitra indray ary ny orinasa PDM ary nitambatra tamin’izany Dynatec Corporation (Canada) izany izay nanana ny 53%-ny velarantanin’ny Ambatovy. Izy ireo no lasa hoe Dynatec Madagascar SARL (DMSA), ary mino isika fa nisy Malagasy nanana petra-bola tao. Ary mino koa isika fa Malagasy manana andraikitra ambony eto amin’ny firenena…

Ny fiovan’ny orinasa momba ny nikela eto Madagasikara dia tena mahavarina tokoa. Fa ny tantara tsy azo foronina. Nandritra ny telo taona dia « niasa mafy tokoa ny DMSA «nanatanteraka ny fandavahana ho amin’ny fikarohana, fanadihadiana feno momba ny fetezan’ny fitrandrahana ary fanadihadiana amin’ny antsipirihany ny mety ho fiantraikan’ny Tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny sôsialy ».  Teo anelanelan’izany anefa, novidian’i Dynatec tamin’i PDM ny 47% ambin’ny orinasa Ambatovy, ka 1,8 tapitrisa dôlara amerikana no nahazoany azy. Novidian’i Sumitomo Corporation, orinasa avy any Japon, ny 25%-n’ny Tetikasa, ary an’i Dynatec kosa ny 75% ambiny. Fa iza marina ireo tena tompon’io tetikasa Ambatovy io ? Tonga ny taona 2006.

Nomen’ny fitondrana Marc Ravalomanana fahazoan-dàlana hitrandraka mandritra ny 40 taona ny Tetikasa. Manana petra-bola amin’izany ve i Dada ?... Asa aloha fa ny Dynatec no mpitantana ny tetikasa teo ary tompon’ny 45%-n’ny orinasa. Nidina 40% anefa izany rehefa azon’ny orinasa SNC-Lavalin Group Inc. (SLI) ny 5%-ny. Niverina ny Koreana fa avy ao atsimo indray, tamin’ny alalan’ny Korea Resources Corporation (KORES) lasa mpametra-bola mitana ny 27,5%-n’ny orinasa, ary koa ny Japonay Sumitomo Corporation, manana petra-bola 27,5% ihany koa. Rehefa nomen’ny Office National pour l’Environnement (ONE) fahazoan-dàlana ara-tontolo iainana (« permis environnemental ») dia ny orisana SLI no nahazo ny fifanarahana ho fanatanterahana ny asa fanorenana fotodrafitra rehetra sy ny fampitaovana ary ny fitantanana ny asa fanorenana ho an’Ambatovy.

Taona 2007. Io no taona azolazaina fa niantomboan’ny maha Ambatovy an’Ambatovy ary teo amban’ny fitondrana Ravalomanana hatrany. Nahazo ny fankatoavana avy amin’ny Fanjakana Malagasy amin’ny fidirany amin’ny LGIM Ambatovy. Nanomboka ny asa fanarenan-tany. Novidian’ny Sherritt International Corporation (Canada) 1,7 miliara dôlara amerikana ny Orinasa Dynatec. Nafindra tamin’i Sheritt avokoa ny anjaran’i Dynatec ka lasa mpitantana ny Tetikasa nanomboka teo i Sherritt. Ny 7 Novambra 2007 no nisokatra tamin’ny fomba ôfisialy tao amin’ny Faritry ny ozinina ny fiantombohan’ny fotoam-panorenana ny fotodrafitrasa. Tamin’izany dia efa nampiasa olona miisa Nampiasa olona mihoatra ny 12.000 ny Ambatovy.


Na tiana na tsy tiana aloha dia tsy an’ny Malagasy intsony io ampahan-tany misy an’Ambatovy io, izay ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Ary tsy nikela ihany no trandrahana ao fa kobalta koa. Araka ny voalaza ao amin’ny wikipedia dia tafiditra ao amin’ny « Bourse des Métaux » (Tsenam-barotry ny Vy) ao Londres  ny vokatra nikela ao Ambatovy, nanomboka ny 2015. Teo alohan’izay dia tsara ho tadidiana fa ny taona 2012 no nahazo fahazoan-dàlana hamokatra (« permis d’exploitation ») ity orinasa ity nafahany nandefa ny sambo voalohany niainga ho any amin’ny tsena iraisampirenena nitondra ny nikela novokariny. Nanomboka teo, ny vola miditra ao aminy isan-taona, na ilay hoe « chiffre d’affaires », dia mahatratra 5 lavitrisa (5 milliards) dôlara amerikana. Vola anie izany ry zareo a ! Tsiahivina fa nanomboka ny taona 2014 ny fanondranana ofisialy ny vokatra misy ao Ambatovy.

Amin’izao taona 2020 izao dia ireto no fantatra fa tena manana petra-bola (« actionnaires ») be indrindra ao amin’ny orinasa Ambatovy : Sheritt International Corporation (Canada), petra-bola : 12% (40% tamin’ny niantomboany) Sumitomo Corporation (Japon), petra-bola : 47,7% (27,5% teo aloha) ary ny Korea Resources Corporation na KORES (Corée Atsimo), petra-bola : 27,5% Dia miseho ny tsy mangarahara satria raha totalina ireo dia manome 87,2% izany. Ka aiza ary iza no manana na/sy tompon’ny 12,8% ambiny ? Ny vy koa tsy mikitrana irery. Satria nahoana ? Fantrao ary fa ny volana marsa teo, izany hoe efa fantatra fa misy io areti-mandoza covid-19 io mandripaka eran’izao tontolo izao, dia nanambara i Sheritt hiala eto Madagasikara izy ka nafindrany amin’ireo « actionnaires  ny 12%-ny ». « Be trosa », hono no antony izay fialany izay, fa vao maika tsy mazava ilay resaka 12% mahery, sa ahoana hoy ianareo ? Ary nampiany ny fanazavany fa « tsy hisy fiantraikany amin’ny famokarana nikela sy Kobalta ny fialany »… Tsiahivina fa ny taona 2019 dia namokatra 33.773 taonina ana nickel voadio sy 2.900 taonina ana kobalta voadio ihany koa ny orinasa Ambatovy misy ny toeram-pitrandrahana (« mine ») sy ny toeram-panodinana (« usine » na ozinina) mitambatra. Fantrao koa ary fa misy karazana « tuyau » goavam-be atao hoe « pipe-line » mirefy 220 kilometetra miala avy any amin’ny toeram-pitrandrahana (Ambatovy) mipaka ao amin’ny ozinina.


Ny tiako ambara dia tsotra : afaka manao izay tiany ny orinasa Ambatovy eto amin’ny tanin’ny Repoblika malagasy. Ary nihevitra fa ananany daholo ny vola, fahefana, fahaizana rehetra ka tsy mila an’iza n’iza ary tsy misy mahazo miditra lalina amin’ny fiainany sy ny fomba fitantanan’ny ao anaty. Inona moa fa karazana –karazana hoy aho an !- firenena ao anaty firenena. Marina fa voalaza fa 3.000 ny asa mivantana (« emplois directs ») ary 6.000 ny asa tsy mivantana (« emplois indirects ») ka Malagasy daholo ireo. Mamelona tokoa izy ka mamelona satria toa malaza fa « be karama » ny mpiasa ao amin’ny orinasa Ambatovy… Ny tsy voalaza koa anefa dia nanomboka ny volana avrily 2020 dia nitsahatra ny asa ankapobeny ao. Ny marina aza dia tsy niodina intsony ny ozinina famokarana ka asa fiarovana (« travaux de préservation ») no any natao. Toa zary nampifandraisan’ny tompon’andraikitra eo ny fisintahany moramora sy ny fisian’ny covid-19 dia izy indray no ho lasa « victime » (traboina) afahany tsy mandoa ny karaman’ireo mpiasa malagasy. Satria tamin’ny 2 Avrily 2020 dia nanao filazana ny ao Ambatovy fa misy mpiasa telo ao aminy no fantatra fa misy soritr’aretina rehefa avy notiliana, ny 26 marsa. Ary nanambara ihany ry zareo avy eo fa : « salama tsara izy telo ary tsy misy manana ny tsimok’aretina coronavirus ». Nampiana mihitsy aza fa « ny dokoteran’ny orinasa no handray an-tànana azy ireo ary ampy tsara ireo fitaovana ara-pahasalamana avo lenta misy ao aminy ».

Fa dia nanomboka nivezivezy niditra sy nivoaka ireo vahiny ao. Ny isan’ireo kosa tsy voafaritra mazava fa mety ho latsaky ny 100 ary manana zo-pirenena samihafa : canadiana, koreana, japoney, afrikana isan-karazany, avy any Singapour ary filipianina. Iray amin’ireto no lavon’ny covid-19 afakomaly dia i Ryan Reyes izay niasa tao nanomboka ny taona 2012, ary tao amin’ny « Utilities Department » no nisy azy. Resaka famatsiana entana ilain’ny orinasa matiteka. Izany hoe nifanerasera tamina olona maro na tany ivelany na teto an-toerana. Volaza fa ny 11 Mey no voatily fa manana soritr’aretina izy ary saika hoe alefa « évacuation » (aiza anefa ?) fa nodimandry ny 18 Mey teo izy tao amin’ilay clinique ISOS -INTERNATIONAL SOS CLINIC- (« clinique médicale entièrement équipée, dotée d’un personnel médical compétent ») ao anatin’ny faritry ny orinasa Ambatovy ihany. Marihina fa any Singapour ny foiben’io ISOS io. Ny azo antoka dia tsy voatsabo toa ny atao ao amin’ireo hopitaly malagasy handefasana ny mararin’ny coronavirus ny ao amin’io « clinique » io. Tsy nampiasa chloroquinesy Covid-Organics.

Ny fanontaniana dia ity : raha ohatra izany izy tsy nodimandry dia nalefa aiza ? Ary raha tsy nisy nahalala ny niafarany tao an-toerana, dia ahoana ny mikasika ireo nifanerasera taminy na tao Ambatovy na taty ivelany ? Marihina fa lehilahy no maro an’isa amin’ireo vahiny miasa ao Ambatovy ary manana filana izy ireo. Ambatovy dia tsy Toamasina ihany, aza adino, fa ao indrindra i Moramanga.


Ny 7 Mey ny Filoha Andry Rajoelina no nidina tany Toamasina ary nampahatsiahy fa mbola be ireo mpiasa ao amin’ny orinasa Ambatovy no fantatra fa miditra sy mivoaka avy ao. Tapaka ny hevitra fa tsy maintsy hatoka-monina (« mise en quarantaine ») ny orinasa Ambatovy, manomboka io 7 Mey 2020 io. Ny marina teny an-toerana anefa dia ny ampitsony, 8 Mey vao namoaka fanambarana ho an’ny mpiasany rehetra ny tomponandraikitra ao fa miatra ny fitokana-monina. Ny dikany ? Ny hariva sy ny alina manontolo dia be ireo fivezivezana tsy voafehy… Telo andro taty aoriana dia io fa voatily « positif » Itompokolahy Ryan Reyes. Iza marina no manao tandrevaka ?

Ary raha tsy nidina tany an-toerana izany ny Filoha Andry Rajoelina dia aleho tsy eritreretina ny zava-nitranga tamin’ireo tanàna misy amin’iny RN2 iny, manomboka eo Moramanga ka hatrany Toamasina. Satria salama ireo mitondra ny coronavirus (« porteurs sains ») ka rehefa eo amin’ny fahasemporana vao ho taitra hanatona dokotera ary dia tara loatra ny hitsaboina azy ireo. Asakasaky ny sasany aloha fa dia misy tokoa Andriamanitra… Fa hanakory koa izao ny ho avin’ireo mpiasa maro ao amin’ny orinasa Ambatovy aorian’ny 31 Mey ho avy? Satria sarotra no hilaza hoe rahoviana marina no tena handao antsika tanteraka io covid-19 io ? Ny loza anie dia ity ry zareo a : tsy ny vola no tsy misy fa efa manomboka hisintaka ry zareo ireo dia hanao mody mampalahelo (« victimisation »). Voalaza fa maharitra 29 taona ny fitrandrahana nikela dia ho ritra. Maro izay nalefa any ivelany izay (satria tsy voajerin’ny fanjakana ny tena isa marina) ka mino aho fa efa akaiky dia tsy hisy intsony. Ka eo ankatoky ny faha-60 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara ve dia mbola ho tompon-trano mionona hatrany ny Malagasy ?

Raha izao no fandehan-javatra dia mety toa ao Ambatovy ao koa ny fomba misy any amin’ny faritra atsimo any izay misy mitrandraka fasi-mainty… Tsy mahazo mijery ny ao anatiny ny fanjakana malagasy. Hiandry voina toa izao misy ao Ambatovy koa ve izany vao hanao fanadiadiana (« enquêtes ») raha hanao koa ?

Sary nalaina tamin'ity volana Mey 2020 ity

Fa raha resahina ny hoe Malagasy samy Malagasy fotsiny sy orinasa goavana malagasy manana ny maha izy ihany azy dia mampahonena ny manjo ireo mpiasa ao amin’ny Kraomita Malagasy na koa KRAOMA. Tena adinon’ny mpitondra ankehitriny tokoa nefa efa amam-bolana no tsy naharay karama ary inona moa no vatsy ho azony eo ? Angaha misy coronavirus any ? Dia asa loatra isika Malagasy. Fa tena tsy mba nasian’ny minisitra mpiahy, Fidiniavo Ravokatra, mihitsy ny momba io orinasa potika tanteraka io. Ny volana Febroary teo izy no mba nitondra vatsy tany Brieville ary sady nandrahona no nanome toky izay fitaka ihany hatreto… Mbola ho avy ve ilay maraina, araka ny hiran’ny Jerôme Randria ? Very fanahy mbola velona aloha izao ny mpiasa ao izay voatery mivarotra ny fananany mba ho velona. Iza moa no hitsinjo eo moa?

Marihiko fa ireo rehetra voasoratra ireo dia tsy tantara valamaty toa ny an’ny sasany akory fa azon’ny rehetra jerena ao amin’ny Internet, rehefa tena mahay mikaroka.

Jeannot Ramambazafy - Dosie nivoaka ao amin'ny "La Gazette de la Grande île", ny Alarobia 20 Mey 2020 ihany koa

TSINDRIO ETO


Mis à jour ( Mercredi, 20 Mai 2020 15:56 )