]
Les quotidiens du 24 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan-tsika azy

Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan-tsika azy

Avelao ny mpanaratsy sy ny manenjika ary ny mpanatsatso hanohy ny « asany ». Ireo no fomba fiady hitan’izy ireo fa mety hampandany ny kandida n°25 izay toa voadidin’ireo mpanao politika diso « malazo » loatra amin’ny fahafantaran’ny vahoaka malagasy azy ireo. Isika maro an’isa dia hitombo isa noho ireto velirano tsy manam-paharoa manaraka ireto. Rehefa voavakinareo hatramin’ny farany ireo dia hazava aminareo ny safidy : ny tanora tokoa no taratry ny ho avin’i Madagasikara.

Fa mialohan’izay misy tsiahy tsy maintsy resahina.


Tamin’ny 6 ora maraina androany Talata 4 Desambra 2018 no nanomboka ny fampielezan-kevitra amin’ny fiodinana faharoa mikasika ny fifidiana filoham-pirenena izay hatao ny 19 Desambra 2018. Omaly 3 Desambra dia niatrika ireo mpandraharaha ao amin’ny GEM (« Groupement des entreprises de Madagascar ») ny kandida roa dia i Marc Ravalomanana (69 taona, n°25) sy Andry Rajoelina (44 taona, n°13). Toa atsimo sy avaratra ny praograma nasoron’izy mianaka, nandeha tsirairay, araka ny fijerin’ny maro an’isa…

Na tiana nefa na tsy tiana, tsy misy firenena handroso izany mihitsy raha ny lafin'ny ara-ekonomika nasionaly no tsy mirindra amin'ny laoniny. Io sehatra io no tena mamelona ny vahoaka ao anatina firenena iray ka tsy mety raha atao tsinotsinona.


Alohan’ny nanombohan’ny fitetezam-paritra, satria sady olom-pinoana no matahotra an’Andriamanitra i Mialy sy Andry Rajoelina dia niatrika fotoam-pivavahana izy roa, tany Ampefy. Ny tso-drano zava-mahery tokoa. Izay koa no nahatonga an'i Ramose Dada nikarakakara ihany koa fotoam-pivavahana tao amin'ny QG-ny etsy Ampandrana. Na dia nanjavona tanteraka nanomboka ny taona 2006 ireo "Fahamarinana" sy "Fahamasinana" nodradradradrainy handratona ny Malagasy tsy tena nahalala -ary mbola tsy malahala ihany- ny tena zava-misy marina eto amin'ny firenena iombonana.

Fa  andao amin’izay isika hitodika amin’ireo velirano miisa 13 mira ny laharan’ity kandida tanora vonona malagasy ity.



VELIRANO 1

Laharam-pahamehana ny Fandriampahalemana sy ny Andavanandro tsara antoka. Ao anatin’izany :

Ny fiarovana ny sisin-tanintsika sy ny harena voajanahary

Ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana miseho isan’andro

Ny fanamafisana ny fiarovana ny velaran’ny Tanindrazantsika

Ny fampiroboroboana ny politikan’ny fananan-tany tsy mitongilana



VELIRANO 2

Angovo sy Rano ho an’ny rehetra. Tafiditra amin’izany :

Ny fanomezana jiro izay faran’ny mora indrindra

Ny fampidirana herinatra manerana an’i Madagasikara

Ny fanomezana rano madio azo sotroina ho an’ny rehetra



VELIRANO 3

Ady amin’ny kolikoly ary Fitsarana tsy mitanila. Hampiarina :

Ny tsy fisian’ny indra-fo ho an’ny kolikoly

Ny fanakaikezan’ny asam-panjakana amin’ny olom-pirenena

Ny fanaovana ho modely ireo olom-boafidy sy ny mpiasam-bahoaka

Ny fanavaozana sy ny fanamafisana ny fitantanana ireo fonja



VELIRANO 4

Fanabeazana sy Kolontsaina ho an’ny rehetra. Ao anatin’izany :

Ny fanomezana antoka fa hisy ny rafim-pampianarana ho an’ny rehetra

Ny Fanasongadinana ny fahaiza-manao avo lenta

Ny fanomezan-danja bebe kokoa ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa, indrindra fa any amin’ny faritany

Ny fametrahana ara-pomba ofisialy ny fampianarana sivika sy ny maha olompirenena



VELIRANO 5

Fahasalamana ho an’ny rehetra ka tsy misy sokajin-taona. Hampiarina :

Ny fahafahan’ny rehetra mahazo fitsaboana

Ny fanatsarana ny fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza

Ny fanamafisana ny fisoroana ireo aretina mifindra sy ny aretina ankapobeny

Ny fanavaozana ny fizarana ny fisotroan-dronono



VELIRANO 6

Asa mendrika ho an’ny rehetra. Tafiditra amin’izany :

Ny fampitomboana ny isan’ny sehatr’asa

Ny fanofanana sy ny fanarahana eo amin’ny lafin’ny fitadiavana asa

Ny fanamafisana orona ny fahaiza-manaom-pirenena

Ny fananganana Biraon’ny Asa



VELIRANO 7

Ny Fampiroboroboana ny Indostria an’i Madagasikara

Ny fanohanana ny sehatry ny asa malagasy indrindra eo amin’ny tanora sy ny vehivavy

Ny fanamorana ny fomba fampiasam-bola eo amin’ny tontolon’ny Indostria

Ny fanitarana ny tolotra ara-pizahantany

Ny fanasongadinana sy fanelezana ny «Made in Madagascar» na ny «Vita eto Madagasikara»



VELIRANO 8

Ny Vehivavy sy ny Tanora Malagasy tratry ny Ho avy. Amin’ny alàlan’ny:

Mira lenta eo anivon’ny fiarahamonina sy any amin’ny sehatr’asam-panjakana

Fanomanana ny tanora amin’ny fanandratana ny Nosintsika



VELIRANO 9

Ny Fahavitan-tena ara-tsakafo. Ho tratra io amin’ny :

Fampitomboana ny voka-bary

Fanitàrana ny fiompiana sy ny sehatry ny hazan-drano

Fanatevenana ny fanampian’ireo mpamboly ary fanavaozana mitodika amina famokarana vaovao

Fanatsarana ny fitombon’ny famokarana any amin’ny faritra

Fametrahana ny politika nasionaly natokana ho an’ny omby



VELIRANO 10

Ny fitantanana maharitra ny harena voajanaharin-tsika. Ho tanteraka izany amin’ny :

Famporisihina ny fizahantany maharitra

Fanomezan-danja ny harena an-kibo-tanintsika

Fiarovana ny biby, ny zava-boary ary ny tanintsika

Fambolen-kazo mivelatra

Fiadiana amin’ny fanimbana ny tontolo iainan-tsika



VELIRANO 11

Madagasikara ho lasa moderna amin’ny alalàn’ny :

Famoronana tanan-dehibe vaovao hafahan’ny fampiasam-bola mivelatra kokoa

Fanitarana sy fampitohizana ireo làlana, seranam-piaramanidina, serana-tsambo ary lalam-by Malagasy

Fanamboarana trano ipetrahana sahazan’ny rehetra sy fanamorana ny findramam-bola raha hanorina trano na hiditra eo amin'ny « location-Vente ». Izany hoe, raha tsorina : manofa mandritran'ny fotoana voafetra dia lasa tompon'ilay trano ianao

Fandrindrana sy fiarovana ny fitaterana ho fanatsarana ny fifamoizana ny entana sy ny olona

Fanadiovana ny toeram-bahoaka sy fanatsarana ny fitantanana ny zaoridira

Fampivelarana ny tanan-dehibe nomerika



VELIRANO 12

Fahavitan-tena sy fandraisana andraikitra eo amin’ireo faritanin-tsika. Tsy maintsy :

Mamorona tanàna misahana manokana ny fandrosoana sy fampandrosoana

Mampandray andraikitra ireo faritanin-tsika amin’ny fampandrosoana, ary mametraka sy mampiroborobo sehatra ho an’ny firaisan-kina

Manao laharam-pahamehana ny fiaraha-miasan’ny faritra, ny distrika ary ny kaominina



VELIRANO 13

Fanatanjahatena Ambo-pom-pirenena ka :

Hanangana foto-drafitr’asa ara-panatanjahantena vaovao maro indrindra any amin’ny faritany

Hamolavola ny tanora amin’ny alalan’ny fanatanjahantena

Hanatsarana ny fahasalamana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena

Hanangana foibe sy akademia ara-panatanjahantena nasionaly sy hampiatra ny hoe « sport/études ». Izany hoe sady mianatra taranjam-panatanjahantena iray no manohy ny fampianarana mahazatra

Hampiatra ny fanomezana vatsim-pianarana manokana ho an’ny mpanao fanatanjahantena

Fandikana malalaka ny teny frantsay : Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mercredi, 27 Février 2019 17:18 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety