]
Les quotidiens du 25 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Kere. Fanazavana ofisialy mikasika ny fifindra-monina avy any Atsimo ho any Avaratra

Kere. Fanazavana ofisialy mikasika ny fifindra-monina avy any Atsimo ho any Avaratra

Maro ny resaka mikasika ireo Malagasy avy any Atsimo mifindra monina ho any Avaratra noho ny Kere misy amin’izao fotoana izao. Isika tsy hiady amina olona very jery na koa adala, anisan’ireo misalotra ho mpanohitra kanefa tsy manao hafa-tsy ny mitsikera fahatany. Ny marina iray sy tokana ihany ka ity manaraka ity ny fanazavana miala avy amin’ny zava-nisy sy misy ankehitriny. Dia avelao ireo « mpanohitra » ho kendan’ny laingany sy ny fahaizany mamorona angano maizina ho an’ny taranany.

Fa isika vahoaka kosa aoka hahay hanavaka ny vary amin’ny tsiparifara ka ho an’ireo tsy mifaditrovana dia tsy maintsy ho avy ilay hoe : ny tody tsy misy fa ny ataony ihany no hiverina aminy. Fantatrareo daholo ry zareo mitatata ao amin’ilay hoe « radio miara-manonja » ho voaraikitry ny lafi-maizain’ny Tantaram-pirenena malagasy dia : ny IBC Radio, ny MBS Radio, Ny AZ Radio ary ny Radio MADA.

Tsy misy tia tanindrazana na ny iray ireo be vava rehetra ao. Manantena fisamborana ry zareo. Ho avy rehefa voaporofo fa tsy manaraka ny lalana velona. Ka dia tohizo hatrany fa mbola tsy fantatrareo tsara tokoa ny fomba sy toetran’i Marc Ravalomanana lahy !

Mpanao gazety matihanina tsy manaiky ny sarintsarina fandaharana manabado ny vahoaka malagasy

**********************

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO

TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 13 JANOARY 2021

I- FAMPAHAFANTARANA :

IREO MIFINDRA MONINA AVY ANY ATSIMO :

30% ny mponina any amin’ireo kaominina vitsivitsy any Atsimo no nanomboka nifindra monina namonjy ny faritra avaratra sy andrefan’ny Nosy nanomboka ny taona 2015 no mankaty araka ny fanadihadiana nataon’ny OIM. Saika isan-taona rehefa main-tany no tena hiantombohan’izy io noho ny hain-tany, ny fahasimban’ny tontolo iainana vokatry ny fiovan’ny toetrandro ary ny tsy fanjarian-tsakafo. Isan’ny miteraka olana ho an’ireo faritra hifindra-monina sy ireo faritra nialana koa anefa izy ity na eo amin’ny lafiny fiaraha-monina na ny lafiny ara-toekarena na ny ara-tsosialy.

Tany am-boalohany lehilahy no maro amin’ireo nifindra monina saingy nitombo izany ka lasa fianakaviana iray manontolo mihitsy no mifindra monina ankehitriny noho ny antony maro samihafa toy ny faharavan’ny tokantrano, tsy fahampian’ny hoenti-manana ary fikorontanan’ny fiarahamonina vokatr’ilay fijanonana irery na an-tany nilana ravinahitra na an-tany nihaviana nonenan’ny fianakaviana. Noho ireo antony ireo dia nivoatra ireo karazana olona mifindra monina avy any Atsimo. Hita tamin’ny fanisana natao fa misy mpianatra na mpila ravinahitra namonjy fodiana, nitondra ny fianakaviany niala tany noho ny tahotra ny tsy fanjarian-tsakafo.

Tao koa ireo mpanararaotra na voarebireby ka nisy namitaka ny hahazo fanampiana. Hisy ireo vaomiera manokana iraisan’ny ministera isan-tokony amin’ny fanampiana azy ireo sy fanarahana ny fipetrahany any amin’ireo toerana nosafidian’izy ireo hipetrahana toy ny any Aavaratra sy ny Bongolava izay afaka mandray fianakaviana miisa 1200. Misy filàna mpiasa manao asa tanàna sy asa fambolena any Tsiroanomandidy, ka izay vonona ny hamboly dia afaka omena ilay antsoina hoe « titre vert» hahafahan’izy ireo mamboly sy miavotra.

Tsy azo amidy na hanaovana sehatr’asa hafa ankoatra ny fambolena sy fiompiana ny sombin-tany azon’izy ireo. Araka ny tatitra ara-tsosialy voaray, ny mponina avy any amin’ny faritra Atsimo dia tsy mahafoy ny tany nipoirany. Noho izany hohafainganina ny fametrahana ireo zara-tany hambolena sy hiompiana mirefy 1000m² isampianakaviana hatao ao Ifotaka.

Izany no natao dia ho fitazomana ireo mbola tavela any amin’ny faritra nihaviany hiaina ara-dalàna any, na ihany koa hamerenana ireo niala sy voafitaka mba hiverina ka ho afaka miaina tsara sady miasa no miaro ny tontolo iainana.

Ho an’ireo mandalo eto an-drenivohitra izay hihazo ny faritra nosafidiany nefa lany vatsy kosa dia noraisin’ny ministeran’ny mponina sy ireo tompon’andraikitra isan-tokony, tahaka izay efa natao tany Fianarantsoa, ny fanampiana azy ireo hamonjy ilay faritra nosafidiany.

(…)

Natao androany faha 13 Janoary 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika

Mis Ă  jour ( Mercredi, 13 Janvier 2021 20:22 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety