Jôbily faha 125 taona ny FJKM Vinany Tempoly Malala

Samedi, 16 Août 2008 14:11 Articles
Imprimer
Sample image

"...Mandehana amin’ny firenen-drehetra, ka mitoria ny filazàna-tsara."
Izany no azo namintinana ny fotoam-bavaka nentina nakalazana ny Jôbily faha 125 taona niorenan’ny Fiangoanana Vinany Tempoly Malala.

Tonga nanotrona izany ireo, tapaka sy namàna ary ny zanaka am-pielezana terak’ity Fiangoanana Vinany Tempoly Malala ity, izay nahavory olona maro be tokoa.

Araka ny asa fitoriana nambaran’ny Mpitandrina Razafimahatratra Marcelin, dia mendrika ho tahafina tokoa ny fijoroana amin’ny finoana asehon’ireto zanaka am-pielezana ireto. Ny soritra ara tantara, tamin’ny andro niorenan’ity fiangonana ity, dia ireo vahiny Misionera Anglisy no nitondra ny fivavahana Protestanta tany i Madagasikara. Ankehitriny dia azo lazaina fa toy ny voa nafafy tamin’ny tany lonaka izany fanompoam-pivavahana kristiana izany, ka nomokatra avo zato heny. Aty andafin-dranomasina dia mitohy hatrany ny fivelaran’izany eo amin’ny sampan’ny finoana rehetra krisitana, izay samy mihoby sy midera an’Andriamanitra amin’ny fiteny malagasy avokoa.

Na dia vao fotoana vitsy monja aza no niorenan’ny fikambanana dia tsapa fa miroborobo hatrany izy ity.

Vahiny nasaina, tonga nanotrona sy nandray anjara tamin’ity Andro lehibe ity ihany koa ny antokom-pihira Malagasy Iraky ny Lanitra izay efa fantatry ny maro.
Amin’ny 02 jolay ho avy izao dia mbola hifamontoana any amin’ny - « Base des Loisirs Draveil » - indray ireto zanaka am-pielezana ireto amin’ny fitsangatsanganana ho fanamafisana ny firahalahiana miaraka amin’ny mpikambana . .

Mis à jour ( Vendredi, 12 Septembre 2008 22:51 )