]
Les quotidiens du 30 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Madagasikara OJM. "Avereno ifotony", hoy i Jean Luc Rahaga

Madagasikara OJM. "Avereno ifotony", hoy i Jean Luc Rahaga

RAHAGA Jean Luc
FANAMBARANA

Nangina tsy niteny ny tenako raha nivoaka ny Alatsinainy 10 Novambra 2014 teo ny vokatra ofisialy izay nolazaina fa tsy azo ivalozana. Raha izay tokoa no nitranga dia tsy ho nisy mihitsy ny savorovoro. Noeritreretina tokoa fa mpanao gazety matotra no nikarakara sy nitantana iny fifidianana iny tamin’ny alàlan’ny fanendrena avy amin’ny ministeran’ny Serasera, ny Fampahalalam-baovao ary ny Fifandraisana amin’ny Andrim-panjakana. Tsy izay anefa no niseho, niarahantsika nahita izany.

Noho izany dia :
- Lavinay, izaho sy ireo mpanao gazety an-jatony maro nanohana, ny voka-pifidianana tamin’ny asabotsy 08 novambra 2014 lasa teo iny. Teo amin’ny toeran’ny Sekretera jeneraly dia elanelam-bato roa monja no nanasaraka ny mpifaninana voalaza fa voalohany sy ny tenako. Raha toa ka nisy tany ho any isam-bato folo voalaza fa hita tampoka teo amin’ny toerana ny Filoha dia azo lazaina avy hatrany fa misy vato folo hafa na maherin’izany nafenina ihany koa tany ho any izay nisafidy ny tenako.

- Takiana ny famerenana hatramin’ifotony ny fikarakarana ny fifidianana. Ny voalohany dia ny mikasika ny lisi-pifidianana izay fantatry ny manana saina mahiratra fa feno hosoka. Nampidirina tao anatin’izany lisitra izany na ny mpamafa trano na ny mpamily amin’ny orinasa sasany. Eo ihany koa ny fanapahana ireo faritra ahitàna ny biraom-pifidianana ("découpage électorale").

- Taorian’ny fametram-pialan’ny mpikambana efatra tao amin’ny komity mpikarakara dia takiana ny fametraham-pialan’ireo mpikambana ambiny. Tsy ilaina ary tsy ekena ny fitsabatsabahan’ny mpitondra fanjakana sasany amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.
« Ny mpanao gazety, olo-mendrika »

Natao teto Antananarivo, ny faha-12 novambra 2014.

RAHAGA Jean Luc
Mpanao gazety
Kandidà eo amin’ny toeran’ny Sekretera jeneraly

Mis Ă  jour ( Mercredi, 12 Novembre 2014 19:48 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA