SARIVONGANA MAHALIANA HAMARANANA ITY TAONA 2022 ITY AM-PITSIKIANA

Samedi, 31 Décembre 2022 06:19 Photos
Imprimer

Afaka ora vitsy sisa dia hivalona tanteraka ny taona 2022 ka tsy hiverina intsony.

Ny mahay mampijaly tena ihany no mbola hijaly hitanisa izao fahoriana rehetra izao toa hoe rahampitso dia hilentika any anaty ranomasina ny Nosy Madagasikara iray manontolo. Izay tokoa angaha ilay hoe : mora no maty fa sarotra ny miaina ? Azy ireo ny azy fa nandalo teto an-tany namela resa-ketotra fotsiny ihany dia lasa tsy misy mahatadidy intsony. Levona tanteraka hatramin’ny anarana (indrindra ireo manadino ny anarana nomen’ny ray aman-dreniny azy fa kanosa velona miafina amina anaram-bosotra mampiseho ny fahalemeny.

Tsy izany ny aty aminay izay mamela Tantara tsara, marina sy mahafinaritra ho an’ny taranakay sy ny taranaka malagasy handimby antsika mbola velonaina amin’izao fotoana izao.

Voleo any amin’izay misy anareo any ny krizinareo fa aoka ny hafa hifaly sy hiravo. Ary aza fatra mandainga amin’ny fizotran’ny fiainana : lanja miakatra izy io fa ny foto-pisainan’ireo tompon-dakan’ny « Fake news » (vaovao tsy marina iniana aparitaka amin'ny tanjona hanodinkodinana na hamitahana ny vahoaka) no mirefarefa amin’ny tany.

2023 ? Raha akarinao ny fitiavan-tanindrazanao, raha mahay mihaino ny hafa sy mitady vahaolana ianao rehefa misy tranga manahirana fa tsy miandry ny hafa hatrany, dia toa ahy ianareo : hahatra ny 68 taona niainana eto an-tany (in-dimy niditra hopitaly, in-droa nodidiana); tsy manofa trano; miasa tena (izany hoe tsy misy oram-piasana vonjena) ary miriorio miaraka amin’ny zanaka aman-jafy.

Mety hilaza ny sasany : « Ka ianareo manana ». Eny, Tompoko. Nanana finiavana ny hiova teo amin’ny fotoana tokony niovana, ka tsy nanary ny Finoana sy ny fatahorana an’Andriamanitra hatramin’izay ka hatramin’izao. Ny vola amiko dia fitaovana ihany fa tsy tarigetra.

Tsy manana izany fiara izany aho; tsy manana izany « compte en banque » izany. Fa tsy mijaly satria mahay miaina fa tsy mahay mampijaly tena.


Ny tsiambaratelo ? Eo amin’ny famakiana Baiboly, Tompoko, izay tsy avilivily hevitra fa arahina araka izay voasoratra, toa ireto manaraka ireto :

« Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina ; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao ». Matio 6 : 6.

« Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo ; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy ». Matio 6 : 34 (‘ἀρκετὸν τῇ ἡμέρᾳ ἡ κακία αὐτῆς')


Ny fehiny kosa ? Aza miandry tra-pasahiranana vao mahatsiaro ny fisian’Andriamanitra. Tezera fa aza manota ka rehefa misy ny disadisa (tsy maintsy misy io) dia aza miandry ny hiposahan’ny masoandro vao mahita vahaolana fa hitarika tsy hisy farany izany ka hanimba ny fiarahamonina iray manontolo. Mahaiza manetry tena ary mahaiza manda rehefa tsapanao fa hiteraka zava-doza ny hanaovanao eny.

Farany : ny famelan-keloka tsy midika fanadinoina. Kanefa halaviro ny valifaty.

Jeannot RAMAMBAZAFY - Faran'ny taona 2022 - Ny sary rehetra dia nalaina tany Etazonia

Mis à jour ( Samedi, 31 Décembre 2022 06:55 )