Edimbourg, Ecosse, 12.09.2022. Lamesa ho an’ny Mpanjakavavy Elisabeth II tao amin’ny Katedraly Saint-Gilles. SARY FAHATSIAROVANA

Lundi, 19 Septembre 2022 05:28 Photos
Imprimer

Rehefa nialy avy tao amin’ny Lapan’ny Holyroodhouse ny nofo mangatsiaky ny Mpanjakavavy Elisabeth II, ny Talata 12 Septambra 2022, dia nentina tao amin’ny Katedraly Saint-Gilles ao Edimbourg, any Ecosse, nanaovana Lamesa nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho an’ny fialan-tsasatry ny fanahin’ity Mpanjakavavy tsy hanam-paharoa eto amin’ity tany fandalovana ity : 96 taona izy no niamboho rehefa nanjaka nandritran’ny 70 taona (1952-2022).

Rariny raha omen’ny Madagate voninahitra izy amin’ny alalan’ny sary nalaiko tamin’ny alalan’ny BBC News izay isaorana manokana eto.

Tafiditra amin’ny Tantaran’ny Zanakolombelona ny Tantaran’ny Mpanjakavavy Elisabeth II fa ny ho an’ireo tany miteny anglisy fotsiny ihany.

Ny vadiny, Philip Mountbatten (10 jona 1921-9 avrily 2021), sy ny zanany vavy, Anne of United Kingdom, dia efa nitsidika an’i Madagasikara.

Jeannot RAMAMBAZAFY

+ + + + + + +

Mis à jour ( Lundi, 19 Septembre 2022 06:28 )