Moramanga RN2. Tratran’ny Filoha Rajoelina ny fanamby nametrahana « pont Bailey » ao anatin’ny 24 ora

Mercredi, 26 Janvier 2022 19:11 Photos
Imprimer

24 janoary 2022. Noho ny fandalovan’ny rivo-doza Ana teto Madagasikara dia tapaka ny làlana eo amin’ny fidirana an’i Moramanga any amin’iny lalam-pirenena faha-roa na RN2 iny, eo amin'ny PK 108+600.


Avy hatrany dia nanome toro-marika ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, no hitadiavana vahaolana farany izay aingana mba tsy ampiantona ela be loatra ny fifamezivezena’ny fiara amin’iny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina izay marihina fa avy ao daholo ny entana tena ilaina andavanandro sy ny solika isan-karazany no alaina.

Ny harivan’io 24 janoary io ihany ary dia nahavita làlana fiolanana (« déviation ») ny sampam-panjakana misahana ny asa vaventy sy ny mpiara-miombon'antoka aminy. Izy io dia ho an’ny fiara madinika ihany fa tamin’io alina io dia efa natomboka ny asa fanitsiana ny toerana hametrahana ilay tetezana vy atambatra na « pont Bailey » ka ny marainan’ny 26 janoary 2022 ihany dia efa afaka nampiasa azy io ny fiara vaventy mpitatitra entana sy ireo mitondra solika isan-karazany na « camions citernes ». Marihina fa mirefy 25 metatra ny halavany ary vesatra 40 taonina no zakan’io « Pont Bailey » io ka anjaran’ny mpitandro filaminana no mampanaja izany lanja izany tsy ho lasa toa ilay tetezana ao Farafanga…

Ny « mpanohitra » sy ny tsy mahalala manampy ny mpiray tanindrazana moa tsy maintsy hahita ho lazaina. Tsy azo tampenam-bava ry zareo satria izay no fahafantarany ny hoe demokrasia sy fahafahana miteny, na dia handainga sy hamorona sy hanompa ary hanely tsaho. Azy ny azy. Ny eto amin'ny Madagate kosa dia ny sary no avelanay hiteny sy hilaza. Fa ho hitanareo eo ambany ny tantaran’izany « pont Bailey » izany.

Jeannot Ramambazafy


********************************

********************************

F'inona tokoa moa izany "pont Bailey" izany ?


Ny atao hoe "Bailey Bridge" na "pont Bailey" dia tetezana noforonin'ilay ingeniora miaramila Anglisy -fa tsy Amerikana- Donald Bailey (1901 - 1985). Izy io dia vita amina vy atambatambatra somary kelikely. Noho izany refiny izany dia tsy mila fitaovana goavana na koa fitaovana manokana ny manangana azy kanefa natao hahazaka ireny "chars" na fiara mifony vy ireny.


Ny 1 mai 1941 no nasehon'i Donald Bailey voalohany ampahibemaso ny vokatry ny fikaroany. Tetezana nirefy 21 metatra tafatsangana tao anatin'ny 36 minitra !

Resy lahatra ny fanjakana anglisy ka natsangana ny ozinina fanamboarana io tetezana tsy nanam-paharoa tamin'izany vaninandro izany. Ny volana jolay 1941 no nanomboka ny famokarana ("production") ary ny volana desambra ihany dia efa nisy nividy. Tao anatin'ny ady lehibe faharoa moa tamin'izany ka dia ny "Royal Engineers" no nanangana ny "pont Bailey" voalohany amin'ny tantarany, ny volana novambra 1942 tamin'ny ady tany Afrika avaratra. Taty aoriana dia "ponts Bailey" miisa 2.500 no napetraky ny tafika anglisy tany Italia ary miisa 1.500 tany Eoropa avaratra.

Taty aoriana moa dia namorona ny azy ny tafika amerikana niala tamin'ny modelin'ny an'i Bailey. Nampitondrainy ny anarana M2. Kanefa tsy dia nampiasaina firy satria be velarana loatra ilay izy noho ilay nalaina tahaka.


Ny "pont Bailey" dia tsy natao haharitra ela raha ny marina. Ny antony tena nampiasana azy dia noho izao tranga izao : rehefa tsapan'ny tafika alema sy italianina fa ho resy izy ireo ka nitsoahany ireo firenena nipetrahany an-keriny ary dia nopotehiny daholo izay tetezana nandalovany mba nanakanana ny fahatongavan'ireo tafika mpiara-dia ("Armée alliée"). Ary dia nanampy be tokoa amin'ny famaranana ny Ady lehibe faharoa ("Deuxième guerre mondiale" 1939-1945) ny fametrahana "ponts Bailey" nafahan'ny tafika mpiara-dia nanafaka ny Eoropa nisedra ny Ady. Ao Frantsa dia tao amin'ny lakan-dranon'i Caen mampitohy amin'ny ranomasina no napetraka ny "pont Bailey" voalohany, ny 8 sy 9 jona 1944.


Taty aoriana moa dia nosoloina tetezana vato daholo ireo tetezana vonjimaika ireo any Eoropa. Ny eto Madagasikara moa dia misy tokoa ireo "ponts Bailey" ireo manerana ny lalam-pirenena maro ary efa ela dia ela izy ireo no teo. Izany no nahatonga ny fiteny vazivazy hoe : "le provisoire durable" toa ny tetezana faharoa etsy Tanjombato, amin'ny RN7 raha hiditra an'Antananarivo.



Fa mbola tena ilaina dia ilaina ny "ponts Baley" rehefa tonga ny fotoanan'ny andro ratsy mitondra rivo-doza, na koa tranga hafa. Ireto misy ohatra :

• Volana 2006. "Ponts Bailey" miisa 6 no napetraky ny tafika frantsay ao atsimon'i Beyrouth, Liban, rehefa nopotehin'ny tafika israelianina ny ankamaroan'ny tetezana tany, tamin'ny adiny amin'ny Hezbollah.

* Taona 2013. Mbola ny tafika frantsay no nametraka "pont Bailey" iray ao atsimon'i Gao nanoloana ilay tetezana nopotehin'ny djihadistes tao Mali.

* Faran'ny taona 2020. Voatery nametraka "Pont Bailey" tao Amin'ny lemak'i la Roya, any Frantsa sy Italia, ny tafika rehefa ravan'ny rivo-doza Alex ilay teo.

Jeannot Ramambazafy

Loharanom-baovao : Wikipedia sy Musée du Génie a Angers

Mis à jour ( Jeudi, 27 Janvier 2022 10:48 )