Antananarivo, 13 Mey 2016. Dia nanafika tokoa ny tafika malagasy

Lundi, 16 Mai 2016 10:07 Photos
Imprimer

ATO NY VIDEOS REHETRA

Miaramila izany! Satroka mainty, satroka mena, satroka maitso miampy ny polisy mirongo basy mahery vaika. Ny tafondro sisa... Tsy asian-dresaka be fa avelao ny sary hiteny fa mbola tsy nisy mpitondra mavozo, matahotra ary kanosa toa ity Hery Rajaonarimampianina ity ka basy no narangaranga nefa tanàm-polo sy voninkazo no nandesin’ny olona nanomezana voninahitra ireo mpianatra maty notifirin’ny FRS, ny 13 Mey 1972. Mba henoy ihany, tsindraindray ny hiran-dry Mahaleo ry miaramila izay mivoaka avy any amin’ny vahoaka fa tena hanahirana atsy ho atsy. Tsetsatsetsa tsy aritra. Satria moa nanao fanambarana fandrahonana diso tafahoatra moa ingahy Jeneraly Florens hoe "tsy hitsitsy" (alefaso any amin'ireo dahalo jerena), dia ny Kolonely Ravoavy no nitarika ireo andiana miaramila ireo. Isaorana eto izy satria tena nanome haja an'i Richard Ratsimandrava izay zandary ihay koa. Tsy nisy ny lacrymogènes, tsy nisy ny vovoka mahasempotra.

Jeannot Ramambazafy – Harilala Randrianarison – Haja Randria

Mis à jour ( Lundi, 16 Mai 2016 11:05 )