Ny Filoha Andry Rajoelina tao Antsahatanteraka: “tsy asiana resaka loko, tsy asiana resaka foko, tsy asiana resaka fihaviana fa ampiraisina ao anatin’ny Finoana anjakan’ny Fitiavana”

Lundi, 05 Septembre 2022 05:51 Manifestation
Imprimer


KABARY IRAY MANONTOLO NORAISINA AN-TSORATRA

Son Eminence, Cardinal Tsarahazana,

Son Excellence, Monseigneur Fabien, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara,

Ianareo Mpikambana ao amin’ny Birao maharitry nyFivondronamben’ny Eveka,

Ianareo Archevêques sy Evêques rehetra,

Monseigneur Delmas Emmanuel, Ekeva avy any amin’ny Diosezin’i Angers,

Ianareo Parlementaires, tarihin-dRamatoa filohan’ny Antenimierampirenena sy ianareo Solombavambahoaka rehetra,

Ianareo Loholon’i Madagasikara,

Andriamatoa Lehiben’ny Faritra,

Andriamatoa Ben’ny Tanàna,

Ianareo Vicaires généraux manerana ny Diosezy,

Ianareo Lehiben’ny Fikambanana relijiozy lahy sy vavy,

Ianareo Pretra rehetra,

Ianareo Tomponandraikitry ny Fiangonana,

Ianareo Tomponandraikim-panjakana sivily sy miaramila manatrika etoana,

Ianareo ao amin’ny Vovonam-pirenenana katolika ho an’ny Tanora,

IanareoVovonan’ny Tanora isaky ny Diosezy,

Ianareo Kristiana rehetra,

Tompokalahy sy Tompokovavy,


Am-pitiavana lehibe no iarahabaiko antsika rehetra tonga eto Antsahatanteraka izay anatanterahana izao fotoan-dehibe izao. Toerana mahafinaritra tokoa ity Antsahatanteraka ity. Raha mijery ny lanitra ho dia manga ary mibaliaka ny masoandro; ary mijery ankavia sy ankavanana aho dia mahita ny avoana. Hita tokoa fa nirotsaka teo ny Fanahy Masina ary niaraka niombo-po sy niombom-bavaka teto isika.

Ka dia an-kafaliana tokoa no niarahanay mivady niombom-bavaka taminareo Tanora marobe avy amin’ny lafi-valon’ny Nosy: avy any Avatra ka avy any Atsimo; ny avy any Andrefana sy ny avy any Atsinanana ary ny ampovoan-tany ireo Tanora marobe, dia voasolo tena avokoa ary tafavory teto isika mianakavy.

Misaotra an’Andriamanitra isika fa noho ny Fahasoavany sy noho ny Fiatahiany dia tontosa soa aman-tsara ny Andro iraisam-pirenena ho Tanora andiany faha-10 izay notanterahana nandritran’ny enin’andro. Hita taratra fa mivondrona ny Tanora katolika, mitambatra sy miara-mientana ao anatin’ny Finoana; miray hina ao anatin’ny Fitiavana ary manana ny tarigetrany hoe : “Ny Tanora mandray andraikitra mba ho tonga Fanantenana ho an’ny Firenena”.


Mahavelom-bolo sy mampihetsim-po ny fahitana anareo Tanora katolika kristiana aman’hetsiny miara-mientana sy miombom-bavaka toa izao. Ary izay indrindra no tsy nampisalasala anay mivady ho tonga nanotrona izao fotoan-dehibe izao, izay notontosaina eto Antsirabe. Satria zava-dehibe aminay loatra ny fiaraha-mientana amin’ny Tanora sy ny fanohanana ny asa ataon’ny Eglizy.

Ny tenako rahateo dia zanaky ny Eglizy katolika, vita batemy ary mametraka ny zava-drehetra sy ny fiainam-pirenena eo am-pelatànan’Andriamanitra sy Jesoa Kristy. Sarobidy ny fiarahan-tsika mivavaka ho an’ny Tanindrazana malala antsika toa izao. Ny JMJ dia ankalazaina ary zava-dehibe mihitsy izany amin’ny fanomanana ny Tanora mba ho tonga olom-pirenena vanona satria fotoana afahan’ny tanora mandinika sy mibanjina ny zavatra hiainany; manova sy hampitombo ny fiainam-pinoany hafahany mandinika ny tenany mba hijerena ny làlam-piainana izay tokony hizorany.


Ny Tanora katolika dia olon’ny Fiangonana fa olom-pirenena ihany koa ary mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny Firenena. Araka ny Faneva napatraka tamin’ity JMJ Mada X ity dia ny hoe: “Mitsangana fa ataoko Vavolombelon’ny zavatra efa hitanao ianao”. Noho izany dia zava-dehibe ny fampiofanana, ny fizarana fahalalàna ary indrindra indrindra ny fifanakalozana amin’ny fanatanterahana ny JMJ toa izao.


Tsaroan-tsika fa ny Papa Joany Paoly Faharoa no nametraka ny fankalazana ny JMJ voalohany tamin’ny taona 1985. Izao Firaisankina sy Firaisampo izao indrindra no ilain’ny Firenena mba afahana mampandroso an’ity Tanindrazana malalantsika ity. Izao fiarahana an-kafaliana, am-pitiavana izao no tokony ho voizina eo anivon’ny Tanora Malagasy rehetra hoentina mandrafitra ny hoavy mamiramiratra kokoa ho ity Tanindrazana malalan-tsika ity.

Ny tenako manokana dia nanolo-tena ho an’ny Firenena, ho an’ny fampandrosoana an’I Madagasikara mba hoentina hanasoavana ny mpiray Tanindrazana. Matoky ny Fitahian’Andriamanitra isika amin’ny asa rehetra izay tanterahana sy ho ataontsika.


Tsy tokony anaiky ho zarazaraina isika, fa ho iray ihany ao amin’ny Jesoa Kristy Tompo. Ka tsy asiana resaka loko, tsy asiana resaka foko, tsy asiana resaka fihaviana fa ampiraisina ao anatin’ny Finoana anjakan’ny Fitiavana. Izay no tarigetra hampitambatra antsika tsirairay avy.

Isika Tanora kosa dia hifanoro làlana ary hiaraka hanarina ny tsy mety rehetra ary mangataka antsika rehetra ihany koa mba iombom-bavaka ho an’ny Malagasy sy ity firenena malalan-tsika ity. Betsaka ny ezaka natao fa mbola maro ihany koa ny tsy mbola vita.


Eto ampamaranana dia mirahaba ny fianakaviam-ben’ny Diosezin’Antsirabe, tarihin’ny Monsenera Philippe Ranaivomanana, nampian-trano sy nikarakara izao fotoana izao.

Feno fankasitrahana koa izahay an’ny fianakaviamben’ny Fiangonana katolika eto Madagasikara amin’ny zavatra rehetra vitanareo eto amin’ny Firenena sy amin’ny vahoaka kristiana amin’ny fanasoavana ny Firenena. Na io eo amin’ny Fanabeazana, na io eo amin’ny sehatry ny Fahasalamana, na eo amin’ny fikajiana ny Tontolo iainana, fa indrindra indrindra ny Fitaizana ara-pinoana ny Kristiana.


Ny Fitondram-panjakana sy ny tenako manokana dia vonona ny hiaraka isalahy sy hifanome tànana hatrany amin’ny fianakaviamben’ny Kristiana katolika sy ny Kristiana ankapobeny eto Madagasikara hanasoa ny Firenena. Ary mampirisika ny Tanora rehetra ny tenako andray andraikitra eo amin’ny Fiarahamoninasy eto amin’ny Firenena.

Ho ela velona ny Eglizy katolika,

Ho ela velona ny JMJ!

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy./.

Ny Filohampirenena Andry Rajoelina

JMJ MADA X

Antsahatanteraka Antsirabe, 04 septambra 2022

Noraisin’i Jeannot Ramambazafy an-tsoratra - Sary : Harilala Randrianarison

Mis à jour ( Lundi, 05 Septembre 2022 06:17 )