]
Les quotidiens du 25 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Antsiranana, 08.03.2021. Ramatoa Mialy R. Rajoelina sy ny honko

Antsiranana, 08.03.2021. Ramatoa Mialy R. Rajoelina sy ny honko

Antsiranana, 08 Marsa 2021 maraina, Andro Iraisampirenena ho an'ny Zon'ny Vehivavy. Nialohan’ny nanaovana ny fambolena honko eo amin’ny Baie des Français, plage Marofady, eo ampitan’ny Nosy Lonjo (« Pain de sucre »), dia nanao kabary kely Ramatoa Mialy R. Rajolina, Vadin’ny Filoham-pirenena, sy Ramatoa Bavy Angelica M., Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-sosialy ary ny Fampiroboroboana ny Vehivavy. Noraketinay ato amin’ny madagate an-tsoratra ho lovainjafy.


« Ramatoa Filohan’ny Antenimierampirenena,

Ramatoa Vadin’ny Praiminisitra,

Ramatoa isany Mpikambana eo anivon’ny Governemanta,

Ianareo Vadina Minisitra,

Ramatoa isany Solombavambahoaka,

Mesdames et Messieurs les Représentants des Organisations internationales à Madagascar,

Ramatoa Vadin’ny Governoran’ny Faritra Diana,

Ianareo Manampahefana isan-tsokajiny,

Tompokolahy sy Tompokovavy.

An-karavoana tanteraka no iarahabako antsika vehivavy rehetra tratrin’izao Andro lehibe ho fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy izao. Isaorako ianao Ramatoa Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-sosialy ary ny Fampiroboroboana ny Vehivavy tamin’ny fandraisam-pitenenanao teo.

Misaotra anao sy ireo mpiara-miasa aminao ihany koa, Ramatoa Minisitra, tamin’ny fiarahana nihisalahy tamin’ny fikarakarana izao fankalazana izao 8 Marsa izao.

Iarahantsika mahafatantatra loatra fa ny vehivavy dia manan-jo tokoa. Kanefa hita eny anivon’ny fiaraha-monina fa mbola misy ny tsy fitoviana. Ka izany indrindra no mahatonga ahy manohana hatrany ny vehivavy amin’ny asa ataony an-davanandro mba hananany fahavitan-tena, na eo anivon’ny tokan-trano, na eo anivon’ny fiaraha-monina.

Raha namboly bararata sy rofia isika omaly, dia hiaraka hamboly honko « mangrove » androany.

Ny « mangrove » dia hafahan’ny drakaka sy ny makamba mivelona sy mitombo isa, ary izy ireo dia anisan’ny foto-pivelomana ho antsika vehivavy eto Antsiranana.

Manadio ny tontolo iainana koa ny « mangrove », amin’ny alalalan’ny fisintomany ny « carbone ».

Araka ny fanta-tsika, ho fisoroana ny fiparitahan’ny valan’aretina coronavirus, dia isaky ny Renivohi-paritany no nankalazana ny 8 marsa ary eto Antsiranana no voatondro ho ivon’izany.

Koa nosafidianako manokana ny hitondra ny lahateniko ho an’ny Malagasy rehetra, amin’ny alalan’ny radio sy ny televiziona nasionaly (ETO). Koa manasa am-pitiavana antsika rehetra hanaraka izany.

Mankasitraka indrindra, ary manasa anareo avy hiroso amin’ny fambolena ireto honko ireto./ ».


F’inona moa ny vontoatin’ny kabarin’i Ramatoa Bavy Angelica M., Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-sosialy ary ny Fampiroboroboana ny Vehivavy izany ? Ireto izany nambarany izany :

« (…) Raha ny Tantara dia efa tamin’ny fiandohan’ny taon-jato faha-XX no niady mafy ireo vehivavy nianona ny zo hiasa, hahazo karama mitovy ny amin’ny lehilahy, ho afaka hiteraka an-kalalahana, ary indrindra ho afaka mba andeha hifidy. Nandresy ireo zokin-tsika rahavavy ireo, ka izany fandresena izany no ankalazain-tsika isan-taona maneran-tany, isaky ny 8 marsa.

Efa azon-tsika ny zon-tsika rahavavy namana, fa ny fitakiana ny fampiaràna no ho ataon-tsika amin’ny alàlan’ny fandraisana andraikitra. Izany indrindra no ahatongavan-tsika androany, fa ny vevhivavy mizaka tena sy miarin-doha ao anatin’ny tontolo iainana mirindra no antoky ny fampandrosoana lovainjafy.

Fanta-tsika ary iainan-tsika tokoa. Tato ho ato dia misy ny olana miseho noho ny fiovan’ny toe-trandro, sy ny fasimban’ny tontolo iainana. Ka noho izany, miakatra ny afanana, tsy misy ny orana, tsy misy ny rano sotroina, maina ny tany, tsy misy ny vokatra. Ao ihany koa ny aretina covid-19 izay mamparefo ara-pahasalamana sy ara-toe-karena ka mampitombo ny fahantrana misy amintsika.

Ny zaza amam-behivavy no tena iaran’izany rehetra izany ka mahatonga azy ireo mifindra monina, ny any amin’ny faritra Atsimo. Izay no antony andraisan-tsika andraikitra amin’ny androany, amin’ny fanaovana izao fambolena honko na « mangrove » mba hanatsara ny tontolo iainan-tsika ka apetran-tsika ho lovainjafy.

Ataon-tsika izao mba anampiana ireo rahavavin-tsika, ireo mpanjono izay mitrandraka ity toerana ho fiveloman’ny ankohonany. Ka ao anatin’izany dia ho afaka hizaka-tena ara-toe-karena, tsy miankin-doha fa ho vehivavy mandray andraikitra sy mitovy lenta amin’ny fandraisana adidy an-tokan-trano izy ireo.

Ny Ministeran’ny mponina izay miahy ny Fampivoarana ny Vehivavy dia misaotra sy mankasitraka anareo rehetra fikambanam-behivavy, manam-pahefana sy tomonandraikitra isan-tsokajiny (…) ».

Nandika ny kabary an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

Naka vidéo sy ny sary : Andry Rakotonirainy

* * * * * * * * * * * * * * * *

SARY FAHATSIAROVANA TANY AMIN'NY BAIE DES FRANCAIS PLAGE MAROFADY

ANTSIRANANA, 08 MARSA 2021 MARAINA

ETO NY MANALEHIBE IREO SARY AMBONY IREO. MISAOTRA, TOMPOKO

Mis Ă  jour ( Jeudi, 11 Mars 2021 01:36 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety