Mialy Rajoelina, 04.03.2020. Kabary Fitokanana ny “Centre Ami de la Vaccination”

Jeudi, 05 Mars 2020 03:38 Manifestation
Imprimer

****************

Kabarin'i Ramatoa Mialy Rajoelina, vadin'ny Filoham-pirenena, Filoha Mpanorina ny Association Fitia

Hôpital des Enfants, Tsaralalàna, 04 Marsa 2020

Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka,

Madame la Représentante de l’Organisation Mondiale de la Santé,

Ramatoa Talen'ny "Hôpital des Enfants" eto Tsaralalàna,

Ramatoa sy Andriamatoa isany mpiasan'ny Fahasalamana.

Miarahaba am-pifaliana sy mirary soa anareo rehetra tonga eto amin’ity fotoana manokana ho fitokanana ny toerana antsoina hoe : " Centre Ami de la vaccination" eto amin'ny Hopitalin'ny Reny sy ny zaza eto Tsaralalàna ity ny tenako. Ivontoerana mitovy tamin’ny efa natomboka ny 29 Novambra 2019 teny Ambohimiandra izay nohavaozin'ny Fikambanana Fitia sy ireo mpiara miombon'antoka. Natao ho ambohim-pihonan’ireo “sakaizan’ny vaksiny” ity toerana ity.

Fantantsika fa iray amin'ireo zo fototry ny ankizy ny zo ho salama sy ho tsaboina. Koa rariny raha avelantsika hisitraka ny zony ny zanantsika. Manana adidy amin’izany avokoa isika rehetra : na izaho, na ianao, na ny ray aman-dReny na ny mpitsabo na ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tsy haitraitra ny fanaovana vaksiny. Tena zava-dehibe ary tsy azo hihodivirana mihitsy mba ho fiarovana amin'ny aretina mahery na ny areti-mifindra. Antony iray mahatonga ny ray aman-dReny tsy maharisika mitondra ny zanany atao vaksiny ny tahotra noho ny tsaho. Tsy ny any amin'ny tontolo ambanivohitra ihany no handairan'ny honohono, fa na ireo ray aman-dReny aty an-tanandehibe koa aza.

Misy ny milaza fa fomba hanaovan'ny Firenena mandroso andrana amin’ny karazana fanafody vaovao ny fanaovam-baksiny, misy koa no mihevitra fa entina hampihenana ny isan'ny mponina. Tsy marina velively izany fa diso tanteraka ! Ny mifanohitra amin’izany aza no zava-misy satria raha tsy hatao vaksiny ny zaza dia ho farofy ary ho mora handairan’ny aretina samy hafa. Fepetra tsotra nefa tokony arahina antsakany sy andavany ny fotoana fanaovana vaksiny sy ny fotoana voatondro hanaovana ny "rappel". Tarigetra izay efa noraisiko tamin'ny nitaiza ny zanako telo mianadahy ny hoe: «Tiako sy arovako ny zanako ka entiko hatao vaksiny».

Koa hanentanako anareo, indrindra fa ny Renim-pianakaviana mba hampihatra izany. Eto koa aho dia miantso ny mpisehatra rehetra eo amin'ny fahasalamana eto Madagasikara mba hanao ho zava-dehibe ny serasera sy fanentanana amin'ny hetsika fanaovam-baksiny. Misokatra ho an’ny rehetra ity “Centre Ami de la Vaccination” ity. Azo antonina amin'ny fotoana rehetra, maimaim-poana ary misy fanarahamaso hentitra. Marihina fa mitohy tsy tapaka mandray ireo Reny sy zaza ihany koa ny eny Ambohimiandra. Ary mifameno tanteraka ny asan'ireo toerana roa ireo. Haparitaka manerana ny Hopitaly lehibe eto Madagasikara sy ireo CSB II ny toeram-panaovana vaksiny toy izao mba hanomezana antoka amin’ny ho avy mamiratra ho an’ny zanaka malagasy rehetra tsy an-kanavaka sy mba hivelarany ara-tsaina fa indrindra ara-batana, hitombo sy ho salama.

Ary farany, dia manantitra hatrany ny fisaorana ho an’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka izay tarihinao Andriamatoa Minisitra, noho ireo fiarahamiasa marobe, ary ankilany tolorako fisaorana koa ny OMS noho ny fanohanany tsy manam-petra ato anatin'izao tetikasa ara-pahasalamana izao. Ndao hifanome tanana satria tanjona iraisana ny fanatrarana ny taha 90 isan-jato amin'ny fanaovam-baksiny ny zaza eto Madagasikara.

Mankasitraka Tompokolahy, mankatelina Tompokovavy !

****************

Mis à jour ( Jeudi, 05 Mars 2020 05:09 )