]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier ONU-Nosy Malagasy. Ilay fanapahan-kevitra tsy norarahin’i Hery Rajaonarimampianina

ONU-Nosy Malagasy. Ilay fanapahan-kevitra tsy norarahin’i Hery Rajaonarimampianina

Be ny jamba sy marenina eto Madagasikara satria tsy mba ampahafantarina azy ireo ny Tantara marina iombonana. Ireo mpanao politika moa dia miankina amin’ny tombontsoany ihany no andrafetany io Tantara io. Diniho fotsiny ohatra ingahy Ravalomanana. Miana-kendry mikasika ny tany totofana tsy ara-dalàna amin’izao taona 2015 izao. Hoy mantsy izy : « Tsy azo ekena mihitsy ny fanotofana tany tsy ara-dalàna ».

Marc Ravalomanana, Andohatapenaka, Desambra 2008. « Tsapao aloha ny herinareo vao mitsapa ny aty. Raha mbola misy tany azo totofana any dia ho totofako koa »

Fa adinony tanteraka tokoa ny nataony mikasika ny tany eo Andohatapenaka ka nampiasany vola avy amin’ny Faritra Analamanga, nefa saika hananganany orisana mpanao sakafo ho an’ny kisoa (provandy), izay orinasa tsy ho an’ny vahoaka akory fa ho azy manokana. Ny biby ny azy no mandeha aloha. Fa tsy vitan’izany anie e ! Mbola sahiny ny niteny, rehefa nanontaniana, fa « raha mbola misy tany ho totofana any dia ho totofako koa ».

Marc Ravalomanana milaza amin'i Rivo Rakotovao fa « Tsy azo ekena mihitsy ny fanotofana tany tsy ara-dalàna », ary nanontany azy mihitsy hoe: « Sao dia ianao no nanome alàlana? »

Izao indray dia lasa akama be izy sy ny minisitra Rivo Rakotovao, satria mikasika ny fisokafana na tsia ny orinasa Tiko. Inona anefa ny vava be nataony vao tsy ela mikasika ny manodidina an’ny filoha Rajaonarimampianina, indrindra fa io Rivo Rakotovao io ? « Rehefa tsy vahaolana ny olona manodidina anao dia olana ». Izao indray lasa vary sy rano ka i Dada mihitsy no lasa ambonin’io minisi-panjakana sady filohan’ny antoko Hvm. K’inona moa fa sady Filoham-pirenena no Ben’ny Tananàn’Antananarivo i Marc Ravalomanana. Fa tsy misy miteny mihitsy ny tompon'andraikitra mivantana.


Dia io koa ilay filoha tsy manam-paharoa fa manara-dia ny fomba fanaon’ilay Valo. Fony mbola kandida faha-3 izy dia naninzingizina fa « hiady mafy amin’ny hamerenena ireo Nosy malagasy ireo ». Lany filoham-pirenena amin’izay ary izy. Nahodiny amin’izay ny resaka ka fiaraha-mitantana amin’ny Frantsay indray no nambarany. Farany moa dia tsy nasiany resaka intsony ireo nosy ireo. Na tamin’ny fivoriana ny COI (Vondron’ny oseana Indiana) faha-4, tao Moroni Comores, ny 23 Aogositra 2014, na teo amin’ny firenena mikambana ny 25 septambra 2014 sy ny 1 Oktobra 2015.


Fa inona marina moa ny mikasika ireo Nosy izay misy harena tsy hita pesimpesenina ireo? Io ambany io aloha ny fanapahan-kevitry ny Firenena mikambana amin’ny teny frantsay, izay nohezahiko nadika teny malagasy, manaraka eo ambany.


PDF ho rakitry ny Tantara ETO

Mazava izany fa sady tsy mahalala -na miniana tsy mahalala- ny tantara io filoham-pirenena avy ao Antsofinondry io no tsy hitsinjo ny taranala malagasy velively. Izahay mpianatra tamin’ny taona 1972, mbola zatovo, dia nitolona ho fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy. Efa laojafy daholo izao izahay sisa mbola velona nefa indrisy : nihemotra 40 taona ilay firenena. Ny antony? Satria olona notapohin’ny nahazo fahefana ka tsy zakan’ny lohany izany. Amiko manokana dia mpamadika Tanindrazana ingahy Hery Rajaonarimampianina ary sy miraharaha ny ezaka nataon’ireo ray aman-dreny tao amin’ny OUA (izay lasa UA na "Union africaine" ankehitriny). Mpikambana feno ao amin’ny ONU ny firenena malagasy. Fa dia ireny ny mba kabariny, ny 1 Oktobra 2015 : tsy nisy resaka na dia iray monja aza mikasika ireo Nosy Malagasy ireo.



Gilles Filiatreault (Sary: Linkedin)

Ka tsotra ny ho tohiny : tsy mila manantena fandrosoana mihitsy, na iray segondra aza, ny vahoaka malagasy. Matoa masahy manao jadona ny mpitondra iray dia satria ny vahoaka nampindrana azy ny fahefana dia toa ireny omby alefa any amina labatoara. Be menomenona any ambadika nefa tsy sahy maka andraikitra mivantana, any ka tsy afaka mankaiza fa manaiky ny ho vonoina tsy kelikely. Ny anay anie efa vita ny fiainana e ! Fa ny anareo sy ny taranakareo ? Diniho f’efa lasan’ny vahiny ny tany sy ny harena eto Madagasikara. Farany teo moa dia tera-tany Kanadianina no lasa Tale Jeneralin’ny Air Madagascar. Malagasy toa anao ihany no naka izany fanapahan-kevitra izany. Hisy loza mihoatra izany fanambaniana tena izany ve ? Sady tsy matoky tena no tsy matoky ny mpiray tanindrazana sy ny fahaizan'ny Malagasy izay zatra kitrano an-trano loatra. Ka aza be menomenona rehefa lasan'ny vazaha daholo ny tanindrazana. Ny mpitondra aza tsy miaro azy tsinona ka!


9 Jolay 2015. Ny Filoha Hery Rajaonarimampinaina, eo anivon'ireo vazaha frantsay, mametraka ny vato fehizoron'ny fanitarana ny seranam-piaramanidina ao Ivato, izay lasan'ny Adp ("Aéroports de Paris") sy ny orinasa Bouygues ny fitantana azy mandritra ny 30 taona be izao!

Dia afaka 20, 30 taona any ho any, iza ny Malagasy sahy hilaza fa izy no tompon’i Madagasikara ? Ry zalahy eo amin’y fitondrana amin’izao fotoana izao, manimba ny firenena, efa tsy ho intsony koa. Ka iza marina no tena tomponandraikitra ? Ry zalahy ? Ry zalahy iza ? Tssss…. Manomboka izao dia aza misy mimenomenona intsony fa hiareto eo satria mahay mampijaly tena ny Malagasy ankapobeny. Izaho kosa, mamelà rakitry ny Tantara ho an’ireo taranak mba tonga saina, hiadivany amin’ny tsy rariny rehefa tonga ny fotoana. Ka mila porofo izy ireo mikasika ireo tena tompon’andraikitra nahatonga ny firenena malagasy nivarina tanteraka.


Farany. Jereo anie ny Nosy « rahavavy » e! Ny Kaomorianina dia tsy mitsahatra mangataka ny nosy Mayotte ary vao tsy ela koa ny nosy Maurice dia nangataka ny hamerenana azy ireo Nosy Chagos. Izany ny tena fitiavan-tanindrazana sy ny fitsinjovana ny taranaka Rajao a! Tadidio lalan-dava fa tsy misy filoham-pirenena eo amin'ny toerany mandra-maty velively. Indray mipi-maso dia vita... Ny nijanonao teo no ela fa ny Firenena -izay ny vahoaka no tena mandrafitra azy- hitoetra mandrakizay.

Jeannot Ramambazafy – 3 Oktobra 2015

Mis à jour ( Samedi, 03 Octobre 2015 13:55 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety