]
Les quotidiens du 28 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Portrait Jean Félicien Ratefy. Iza moa ity mpanao gazety zokiolona nandao antsika ity?

Jean Félicien Ratefy. Iza moa ity mpanao gazety zokiolona nandao antsika ity?

Androany 1 Novambra 2017 dia nodimandry ny namana sy zoky mpanao gazety Jean Félicien Ratefy, rehefa nivahiny 73 taona teto amin’ity tany fandalovana ity. Ao an-tranony, ao amin'ny Foiben'ny “Ecole de Musique Ratefy” eo atsinanan'ny FJKM Ankadifotsy ny razana... Ho entina ao amin'ny EKAR Antanimena ny Zoma 03 Novambra 2017, amin'ny 12 ora sy sasany, mialoha ny hitondrana azy any Merimandroso-Ivato...

Maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’i Jean Félicien Ratefy ny mpanao gazety ato aminy madagate.org

Jeannot Ramambazafy

Ity ny Tantarany nalaina ta amin’ny bokikelin'ny CJD (“Club des Journalistes Doyens”): “Fantaro ireo Mpanao Gazety Zokiolona”.

Teraka ny taona 1944 tany Manjakandriana I Jean Félicien Ratefy.

Nahatontosa ny sampan’asa rehetra ao amin’ny Radio sy Télévision Malagasy.

1964: Nanao concours hidirana ho technicien tao amin’ny RNM Anosy

1968: Niaraka tamin’ireo mpanorina ny Televizion malagasy voalohany teny Antaninarenina. Ankoatry ny maha-mpandray feo (soundman) dia cameraman malagasy voahohany nampian’ireo frantsay koa izy. Nanao sary hoso-doko hatao fond de cadre raha hiseho télé ny speakrine. Nanao fandaharana reportage koa izy, AINA VAO momba ny asa nataon’ny mpianatra St Joseph Mahamasina nankany Ambatomanoina, niasa niaraka tamin’ny tantsaha sy ny 107è Compagnie Service Civique. Izy no nitarika ny Chorale AKON’I IARIVO avy tao Antanimena tamin’ny fandaharana Krismasy voalohany 1968 atao hoe FARIBOLAN’NY ANKIZY, ary mpianany vitsivitsy milalao piano.

1974: Affecté tao amin’ny Discothèque RNM tao Anosy izy.

1975: Nangataka hiasa any Mahajanga izy ka dia niofana ho chef de Centre teny amin’ny Emetteurs teny Fenoarivo. Nandritra ny folo taona niandrasany teny dia nandray anjara tamin’ny fanorenana centre émetteurs maro amin’ny faritany izy.

1985: Niverina tao Anosy izy nanao animateur d’antenne sy producteur ka nanatontosa fandaharana efatra isan-kerinandro amin’ny teny malagasy sy teny frantsay: famakafakana momban’ny mozika musicologie tao amin’ny chaîne 1, SEHATRA sociomusicologie fihaonana, MIKALOA RY TANIKO grapho ethno musicologie ny karazan-kira iarahana amin’ny mpanakanto, tao amin’ny chaîne 2, CHANTE MA VALIHA, ary KALEIDOSCOPE ny vaovao ara-kolontsaina.

1991: Grève National. Nanangana ny SAARM, Syndicat Autonome des Agents de Radio de Madagascar izy, nifampirahahara tamin’ny Praiminisitra Guy Willy RAZANAMASY ary namerina ny mpiasa sy ny RNM tao Anosy rehefa noroahan’ny MMSM ho eny an-dalambe ny mpiasa.

1993: Nangataka hiasa ao amin’ny sampana "Journal parlé" izy, ary dia tsy navela hanao izany tao amin’ny CH 1, amin’ny teny Malagasy, fa ny CH frantsay ihany.

Septembra 2003: Natao Talen'ny RNM izy raha mba hikasa hamita 40 ans tamin’izany asany izany.

Eo amin’ny sehatry ny Mozika.

1953: Nanomboka ho mpitendry orgue niaraka tamindrainy tao Antanimena ST Fr. Xavier.

1954: Nianatra tao amin’ny Ecole Provinciale de Musique de Tananarive.

1959: Nanorina ny Chorale AKON’NY IARIVO niaraka amin’ny mpiray tampo aminy.

1964: nanomboka ny fiainana professionnelle eo amin’ny radio sy ny fampianarana mozika.

1974: mpampianatra tao amin'ny CNEM ("Centre National d’Éducation Musicale").

1978: Nanangana ny sekoly CMR na Cours de Musique Ratefy ao Ankadifotsy hatramin'izao, izay nanandrana ny fifaninanana tany amin’ny CONCOURS PANAFRICAIN 95 de musique tao Afrique du Sud, nanomboka ihany koa tany amin’ny CNR de La Réunion ny Concours PIAN’AUSTRAL 98 izay nitohy isan-taona.

1999: Nanangana ny CONCOURS de LA VILLE DES MILLES, niaraka tamin’ny CUA. Tao Ambohitsorohitra ny andininy voalohany no notontosaina tamin'io taona io. avy eo dia natsangany ny fikambanan’ny API, “Les Amis du Piano” niaraka tamin'i Mireille Mialy Rakotomalala, mpitendry piano fanta-daza maneran-tany, mikaroka momba ny mozika ary ministry ny Kolontsaina sy ny Serasera teo aloha.

2002: Consultant nalefan’ny ministera hanampy ny mpianatra any Seychelles hiatrika ny fanadinana ABRSM na Associated Board of the Royal Schools of Music. Izay efa tafajoro ihany koa eto amintsika eritaona taty aoriana ka misy ny taranja Solfège ary ny pratique.Tsy fifaninanana akory io fa dingana hitsapana ny fahaizana aorian'ny fianarana mozika nianarana ("examen")

2003: Fiofanana tany amin’ny ACADEMIE INTERNATIONAL D’ETE DE NICE.

Eo amin’ny lafiny Sosialy: vao tafiditra erin-taona tao amin’ny RNM dia nanorina ny AMTRAM, Amicale des Techniciens de Radio de Madagascar.

1970: Nanorina ny KAM, Koperativan’ny Artiste Malagasy.

1990: Namorona ny SYMPROMU, Syndicat des Professeurs de Musique.

1991: SAARM, Syndicat Autonome des Agents de Radio de Madagascar. Solontenan’ny FFS, Fiaraha-miasan’ny Foibe Sendikaly tao amin’ny Departemanta Politikan’ny Hery Velona Rasalama. Sekretera Jeneralin’ny Syndicat FMM Antananarivo…

Momban’ny fiofanana :

1987: momba ny COOPEC, Coopérative d’Epargne et de Crédit, nataon’ny Coopération Afro-Américain du travail, tany Maurice.

1989: Information au sein des organisations Syndicales, sur le BIT et OIT tany Guinée Konakry.

1992: momban’ny CEE/ACP –PAS tany amin’ny CGT/FO tany Frantsa.

Mis à jour ( Mardi, 14 Novembre 2017 14:29 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO