]
Les quotidiens du 18 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Fitondrana HVM: Mbola hamerina ny zava-doza tokony tsy hiverina intsony

Fitondrana HVM: Mbola hamerina ny zava-doza tokony tsy hiverina intsony


Dia tena voahozona tokona ve ny vahoaka malagasy re? Maneran-tany, efa hatramin'ny naha-tany ny tany, dia nitolona amin'ny tsy rariny foana ny zanak'olombelona. Izany no nahatonga ireny ady lehibe ireny. Ny tena fantatra moa dia ny ady lehibe voalohany (1914-1918) sy ny ady lehibe faharoa (1935-1944) izay nandraisana miaramila malagasy. Ady iombonana ho an'ny fahafahana teo anatehin'ny jadona napetrak'i Adolf Hitler. Resy moa ity farany dia namono tena fa firy firy ny olona maty no ireo ady lehibe ireo? Fa izao kosa: hatreto aloha, izany hoe 74 taona aty aoriana, dia ataon'ny firenen-drehetra ny tsy hiverenan'izany ady lehibe izany intsony, eny na dia misy aza mihezaka ny hisian'izany. Fa ny teny filamatran'aiza n'aiza dia: Mba tsy hiverenan'izany intsony: PLUS JAMAIS CELA, amin'ny teny frantsay.


Tao Frantsa, ny taona 1789, notapahana mihitsy ny lohan'ny mpanjaka Louis XVI sy ny vadiny mba tsy hiverenan'ny jadona nateraky ny fanjakana nentina mpanjaka izany. Ary dia teraka ny repoblika izay rafitra fitantĂ nana manome vahana bebe kokoa ny tombontsoam-bahoaka. Tatsy Afrika atsimo, na dia nogadraina nandritra ny 27 taona aza i Nelson Mandela, mpitarika ny antoko ANC tamin'izany, dia rava ihany ny fitondrana fanavakavam-bolokoditra natao hoe apartheid, ka i Mandela mihitsy no lasa filoham-pirenena mainty hoditra voalohany tao Afrika atsimo ao. Ady daholo ny nahatonga izany toe-javatra izany. Ary mba tsy hiverenany intsony dia samy nanangana mozea mirakitra ireo tantara rehetra ireo ny firenena tsirairay voatonona ireo. Torak'izany koa ny mikasika ny tao Rwanda izay firenena nisehoana vonon'olona tsy manampaharoa ny taona 1994. Mba tsy hiverenan'izany intsony! aiza ho aiza izao ny Rwanda raha mihoatra an'i Madagasikara lasa firenena faha-5 mahantra indrindra maneran-tany amin'izao taona 2018 izao?


Nefa anie teto Madagasikara dia nisy tolona -ary tolom-bahoaka fa tsy hoe fanongam-panjakana izay ataon'ny Hvm litania satria mpitondra tsy tia tanindrazana ry zalahy ireo- nanomboka tamin'ny Menalamba (1896) ary nitohy hatramin'izao taona 2018, rehefa nandalo ny raharaha 1947, 1972, 1991, 2002 ary 2009 e! Toa zava-poana daholo anefa ireo tolom-bahoaka ireo eo anatrehan'ny finiavan'ity fitondra Hvm ity hijanona eo amin'ny fitondrana kanefa fahantrana sy fivarotana tanindrazana no natao nandritra izay efatra taona lasa izay ary mbola mitohy. Inona ny fomba ketrehiny hanapotehana tanteraka ny tanindrazan'ny Malagasy?


"Tany tan-dalĂ na", hoy ingahy Rivo Rakotovao tsy zoviana anareo mpamaky rehetra. Hafa ny teny, hafa ny kasaina hatao dia ny famadihana ny lalĂ na ho tombontsoany ka tsy mivaky loha amin'izay hitranga -ary tsy maintsy hitranga- raha mbola miziriziry amin'izany. Mbola tsy nisedra izany atezeram-bahoaka marina ry Hery vavao sy ny forongony. Ka na "lany" omaly (20 mars 2018) na mbola hasiana fanitsiana dia ireto manaraka ireto ny tetika hamonoany tanteraka izany hoe vahoaka malagasy izany. Matetika moa rehefa resaka lalĂ na dia teny frantsay foana no ampiasaina hanabadoana kokoa ny vahoaka any amin'ny faritra rehetra any. Ka nohezahina natao teny malagasy rano iray, eto, ireo fomba sy tetika antenain'ny Hvm hijanonana eo amin'ny fitondrana, kanefa dia tena tsy aninona tsy aninona kokoa. Izany takaitra navelan'ny rivo-doza Eliakim izany moa toa tsy misy aminy. Ny hibodo toerana ihany ny ao an-doha.


Rehefa tonga ny ora sy fotoana dia mipetraka ho an'ny taranaka sy zanaka amam-para ireto manaraka ireto mba TSY HIVERENANY INTSONY. Isaorana etoana ireo mpahay lalĂ na nanampy tamin'ny fanazavana sy ny fandikana amin'ny teny malagasy. Lasa ary isika.


Ny fotoana nosafidian’ny Governemanta handefasana ny volavolan-dalana rehetra momba ny fifidianana eny anivon’ny parlemanta dia hita fa feno kajikajy miendrika finiavana hametraka lalam-pifidianana hanome vahana ny olona tohanan’ny Fanjakana. Raha araka ny tetiandro nifanarahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, ny fiaraha-monim-pirenena ary ny CENI dia tamin’ny volana may 2017 no tokony efa nalefa nodinihina teny amin’ny Antenimiera roa tonta ireo volavolan-dalàna ireo.


* ANDININY FAHA-6
(article 6). Tsy voasoratra ho anisan’ireo manam-pahefana tsy maintsy mametra-pialana raha mirotsaka hofidiana ny mpikambana ao amin’ny Governemanta. Mifanohitra amin’ny andininy faha-64 amin’ny Lalam-panorenana anefa izany. Ahiana noho izany ny tsy mampitovy lenta ny kandida rehetra satria misy izany ny kandidam-panjakana.


* ANDININY FAHA-12
(article 12). Mitsabaka amin’ny andraikitry ny CENI izay mahaleo tena araka ny andininy faha5 amin’ny Lalam-panorenana ny Governemanta. Miverin-dalana ny fandrafetana ny lisi-pifidianana satria ny Governemanta no manam-pahefana hanapa-kevitra momba ny fanokafana sy fanitsiana ny lisi-pifidianana.

Voatohintohina ny zon’ny olom-pirenena hifidy satria nohasarotina ny fanoratana anarana ao amin’ny lisi-pifidianana noho ny fanerena ny olom-pirenena hanaporofo ny antony tsy mahatafiditra azy ao amin’ny lisitra.


* ANDININY FAHA-60 sy 62 (article 60 et 62). Tamin’ny lalam-pifidianana teo aloha dia voarara tsy hanao fampialezan-kevitra ny mpiasam-panjakàna ambony sy ireo lehiben’ny sampan-draharaham-panjakàna rehetra eny ifotony. Amin’ity volavolan-dalàna ity kosa dia avela hanao fampielezan-kevitra izy ireo ivelan’ny fotoam-piasany. Sarotra anefa ny manavaka ny maha-manam-pahefana olona iray sy ny maha-olom-pirenena tsotra azy any ambanivohitra. Atahorana noho izany ny hisian’ny fanerena ireo olom-panjakàna hanao fampielezan-kevitra ka hanohitohina ny safidim-bahoaka.


* ANDININY FAHA-120 (article 120): Milaza ilay volavolan-dalàna fa bileta mitokana isaky ny kandida no ampiasaina raha misy ny fihodinana faharoa. Izany dia endrika fiverenan-dalana mankany amin’ny fangalaram-bato ary ny ezaka rehetra natao ho fampitovian-jo ny kandida dia very avokoa. Ny fampiasana bileta samihafa dia manamora ny fangalaram-bato ary manamora ny fividianan-tsafidy (corruption électorale).


* ANDININY FAHA-189 (article 189): Namoraina ny fanafoanana ny voka-pifidianana satria raha tsy tonga eny amin’ny SRMV ao anatin’ny dimy andro aorian’ny fifidianana ny fitanana an-tsoratra (PV) dia azo heverina ho toy ny tsy misy (Procès verbal de carence). Ankilany anefa (article 180), dia nofoanana ny voalazan’ny lalam-pifidianana ankehitriny fa manan-kery mitovy amin’ny tena izy ny fitanana an-tsoratra eny an-tanan’ny kandida (suppression de la valeur original du PV auto-copiant).


* ANDININY FAHA-66 (fifidianana Filoham-pirenena) FAHA-50 (fifidianana Solombavambahoaka) FAHA-202 (Lalàna ankapobeny) (article 66 présidentielle, article 50 députation, article 202 régime général). Iniana tsy hitovy ny fe-potoana ahafahana manao fanoherana voka-pifidianana. Roa andro aorian’ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika no fe-potoana ahafahana manao fitoriana mitondra fanakianana ny voka-pifidianana filoham-pirenena sy solom-bavam-bahoaka. Fohy loatra io fe-potoana io, tokony averina folo andro aorian’ny datim-pifidianana toy ny teo aloha. Ao anatin’ny lalàna ankapobeny momba ny fifidianana anefa dia mandram-pivoakan’ny vokatra vonjimaika no ahafahana manao izany. Atahorana noho izany ny tsy handraisana ny fitoriana rehetra ka voatery manaiky ny vokatra ny rehetra.

Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Mercredi, 21 Mars 2018 06:59 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety